Ny fitondrana ny fahazavana any amin’ireo faritra lavitra any Bolivia
IREO tendrombohitra any avaratra sy atsinanan’i Bolivia dia miantoraka manaraka ny tany lemaka trôpikaly marin-tampona, rakotry ny zavamaniry mandrobona. Izany dia voazarazaran’ny renirano mahery izay mikoriana any anaty kirihitr’ala sy akata. Ahoana no fitory ny vaovao tsara any amin’ny faritra lavitra toy izany?
Alao sary an-tsaina ny tenanao ao anaty lakana malalaka iray vita tamin’ny vatan-kazo noloahina, ary atosiky ny maotera. Izany no zavatra niainan’ny mpitory manontolo andro enina avy any Trinidad, tanàna iray any El Beni, faritanin’i Bolivia. Nanomana io fandehanana io izy ireo mba hahafahany mitory any amin’ireo tany vao manamorona ny renirano tsy mbola tratran’ny “vaovao tsaran’ny Fanjakana” mihitsy. (Matio 24:14). Rehefa avy namakivaky rano tomaratra midadasika iray izy ireo dia nanomboka nisosa nanaraka sakelidrano ety iray mikoriana mankany amin’ny Reniranon’i Mamoré ilay sambo keliny.
Mitantara toy izao ny iray amin’ilay antokon’olona: “Efa nadiva ho tody teo amin’i Mamoré izahay vao nahatsikaritra fa ritra ny tapany farany amin’ilay sakelidrano. Vao niala tao an-dakana izahay dia tao anaty fotaka hatreo amin’ny fenay! Nitsoaka ny kiraron’ny vadiko raha nanandrana namindra izy. Nefa noho ny fanampian’ny mpandalo, dia vitanay ihany ny nitarika ilay lakana navesatra avy tao anaty fotaka ho eo ambonin’ny tany mafy kokoa. Afaka ora roa nanasatra, dia tody teo amin’i Mamoré izahay.
“Avy eo izahay dia lasa indray niakatra moramora ny renirano izay voafefin’ny solampy avo amin’ny andaniny roa samy misy zavamaniry trôpikaly mandrobona. Noho ny feon’ny maotera dia nisy sokatra vaventy nikorisa avy teo ambonin’ny vatan-kazo nitsinkafona, ary nisy “dauphins” nitsamboatra nahafinaritra avy tao anaty rano indraindray. Voamariky ny dona-tsetroka iray avy amin’ny afo teo amoron-drano natao handroahana ny bibikely ny fiatoanay voalohany. Rehefa avy nitarika ny lakanay teo ampovoan’ny antsanga izahay dia niresaka tamin’olona tsara fanahy momba ireo fitahiana hoentin’ilay Fanjakana. Tamim-pankasitrahana, dia nanome anay voankazo sy atody be dia be izy ireo.
“Nandritra ny andro, dia nanao fiatoana fanampiny izahay mba hambolena voan’ny fahamarinana misimisy kokoa. Maizina ny andro tamin’ny fotoana nahatongavanay tao San Antonio. Efa lasa natory daholo ny mponina tao an-tanàna. Kanefa, rehefa niely ny feo fa hisy “film” haseho, dia nanomboka nirehitra ny jiro. Nafatotra tamin’ny fiara tarihina iray ny soavaly iray mba hitondra ny fitaovanay ho any an-tampon-tanàna. Maro be ny olona nanjary nahalala ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny “film” sy tamin’ny fahitana anay.
“Ny ampitso, dia nanohy nitsidika toerana vaovao izahay. Teo ambonin’ny solampy avo iray dia nisy vehivavy maromaro nanasa lamba, ary zazakely koa aza, tao anaty akoran-tsokatra goavana. Tsy mbola nandre ny hafatra avy ao amin’ny Baiboly nentinay mihitsy izy ireo. Tamin’ny toerana iray dia nisy trondro kely nitsamboatra avy any anaty rano akaikin’ny lakana, ary maro no tafajanona tao anatiny. Noho izany, taorian’ny fampisehoana “film” dia nihinana endin-trondro izahay vao natory. Tamin’ny fifaranan’ny dia, dia zavatra vita an-tsoratra maro be no voapetrakay tao amin’io faritra lavitra io, ary faly izahay nanampy olona maro be hahare voalohany ny vaovao tsara.” — Ampitahao amin’ny Romana 15:20, 21.
Fihariharian’ny fitarihan’ny anjely
Alao sary ny tenanao izao irahina hitady olona iray ao anatin’ny tanàn-dehibe iray misy mponina 12 000, izay vao sambany no tsidihinao. Tsy misy fantatrao firy momba azy ankoatra ny anarany. Izany no zava-tsarotra natrehin’ny mpitory manontolo andro roa izay tonga tao Guayaramerín ka nanantena ny hahita olona iray izay nianatra ny Baiboly sy nanatrika fivoriana tany amin’ny tanàna hafa teo aloha, nefa nifindra ho ao amin’io tanàna io avy eo. Rehefa nahazo trano ipetrahana ilay mpivady mpitory maharitra dia nanapa-kevitra ny handeha an-tongotra ho any an-tsena, izay nisy vahoaka nihinana teo an-databatra na niresaka fotsiny. Vetivety teo dia nisy lehilahy iray nanatona azy mivady ary nanombo-dresaka avy hatrany. Nanontany azy izy ireo sao fantany ilay vehivavy tadiaviny. “Tsia”, hoy io, “fa ny rafozam-baviko no Vavolombelon’i Jehovah.” Koa satria tsy fantatra ny fisian’ny Vavolombelona tao amin’ilay tanàna, dia nihevitra izy ireo fa nety ho nampifangaro zavatra ilay rangahy.
Na izany aza, ny ampitso izy ireo dia nitsidika an’io ramatoa efa zokiolona io, izay voatana teo am-pandriana noho ny tongony anilany tapaka. “Vavolombelon’i Jehovah aho, saingy tsy mbola vita batisa”, hoy ilay ramatoa. Raha nanontaniana izay nampianatra azy ny fahamarinana izy, dia nanondro ny sarin’ny zafikeliny vavy teo amin’ny rindrina ary niteny hoe: “Izy io no nampianatra ahy.” Saika tsy nino izay hitany izy ireo! Io ilay vehivavy tanora notadiaviny! “Koa nahoana ny vinantolahinao no nanda ho tsy nahalala azy?”, hoy izy ireo. “Efa manambady izy izao ary ny anaram-badiny ihany no ahafantarany azy”, hoy ny navaliny. Tsy teo ilay zafikeliny vavy, nefa natao tamin’ny alalan’ny taratasy ny fianarana ny Baiboly taorian’izay. Nanao ahoana ny vokany? Samy nandroso hatramin’ny fahavitana batisa izy sy ilay zafikeliny. Nampiasaina ho Efitrano Fanjakana ho an’ny kongregasiona iray nitombo ny tranon’izy ireo, ary amin’ny maha-mpitory manontolo andro azy, dia nitarika olona maro be ho ao amin’ny fandaminan’i Jehovah ilay vehivavy tanora.
Fitoriana tany anivon’ny ala trôpikaly
Manaraka izany, dia alao sary an-tsaina ny fiaramanidina misy anao midina mankeo amin’ny seranana feno ahitra ao San Joaquín, latsaka ao afovoan’ny ala trôpikalin’i Bolivia. Tsiravina ianao raha mieritreritra ny areti-mandringana nahagaga nandripaka ny ampahadimin’ny mponina tao amin’io tanàna io, roa taona talohan’izay.
Efa nahatsapa ny fomba fandraisan’ny olona ilay mpivady mpitory maharitra vao tonga avy any Trinidad tamin’ny fiaramanidina. Mitantara toy izao ilay rangahy: “Nisy resadresaka momba ny Baiboly natao nandritra ny dianay teny ambony fiaramanidina nitarika ho amin’ny fanasana anay hipetraka ao amin’ny trano iray, tsy handoavana hofany. Nikarakara sakafo ho anay tamin’ny vidiny mirary aza ilay mpampiantrano anay, ka izany dia nahafahanay nanokana ny fotoananay manontolo ho amin’ny asa fitoriana nataonay. Tsy ela taorian’ny nahatongavanay, dia nasaina niseho tany amin’ny toby miaramila avy hatrany izahay. Rehefa fantatr’ilay tompon’andraikitra fa tsy mpikomy izahay fa Vavolombelon’i Jehovah, dia naneho fahalianana niavaka izy ka nandray Baiboly iray, ary koa zavatra vita an-tsoratra momba ny Baiboly sy famandrihana tamin’ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy Réveillez-vous! Taorian’izay, dia saika ny rehetra tao an-tanàna no nihaino tamim-pitandremana ny fampanantenan’ny Baiboly fahasalamana tonga lafatra ao amin’ny hoavy efa akaiky.” — Apokalypsy 21:4.
Mpitory manontolo andro efatra no naniry hanao dia lavitra avy any San Joaquín ho any San Ramón, nefa ny sarety tarihin’omby no hany fomba fitaterana nisy. Nampiasa baoritra nisy boky izy ireo hatao fipetrahana. Tsy ela izany dia niova bika noho ny fitontontonton’ilay sarety sy ny fihozongozonany, avy amin’ireo kodiarany hazo avo be. Na ny akoho nentina aza dia hita fa fanina noho ny tsy fahazakana dia.
Taorian’ny ora folo nirezarezana tany anaty kirihitra, dia tonga tamin’ny toerana tsy ahitana na dia dian-tongotra hamantarana ny lalana aza ry zareo, ary efa maizina tamin’izay. Nanaitra ilay antokon’olona ny mpandroaka sarety tamin’ny fitenenana hoe: “Mino aho fa diso lalana isika!” Vao nanomboka nanontany tena indrindra ry zareo hoe: “Ahoana no ahafahanay mijanona ato amin’ity kirihitra feno bibilava sy biby dia mampidi-doza ity?’ no injay nanampy ilay mpandroaka sarety hoe: “Nefa aza manahy. Efa fantatry ny biby ny lalana.” Tena izany tokoa. Tao anatin’ny adiny iray ry zareo dia tafavoaka ny kirihitra tandrifin’i San Ramón indrindra!
Teto koa, dia andro maro no lany nanambarana ny paradisa ho avy, izay tsy mbola re mihitsy teo aloha. Tsy nisy Vavolombelona nonina teto; kanefa, nisy zavatra nitranga nampiova izany.
Nisy vehivavy misionera katolika iray nanaraka ireo Vavolombelona rehefa nandeha isam-baravarana izy ireo. Na nanao ahoana na nanao ahoana dia nifanena izy ireo ary hitany tao amin’ny trano nanaraka nidirany izy io. Taitra tamin’ny hatsaram-panahin’io vehivavy io ry zareo ka nametraka taminy ilay boky hoe Ny fahamarinana izay mitarika ho amin’ny fiainana mandrakizay. Na dia tsy liana aza izy raha ny marina, dia nomeny ilay boky ho an’ny zaobaviny izay nankafỳ ny tao anatiny, ka nianatra ambonin’izany, ary tonga Vavolombelona vita batisa tatỳ aoriana.
Fihenjanana teny ambonin’ny renirano trôpikaly
Alao sary an-tsaina izao ny tenanao eo am-pamiliana lakan-drafitra eny amin’ny renirano iray, misetra rano mahery sady mampidi-doza. Ireo vato takon’ny rano, honahona, ary vatan-kazo, miaraka amin’ny fisehoan’ny ranomody tampoka, dia vitsivitsy monja amin’ireo loza mananontanona. Feno piranhas (trondro masiaka, mihinana olona) sy gymnotes (amalona mahatratra 2, 50m ny halavany) ary raies (trondro fisaka misy taola-malemy) io rano io. Toy izany no zava-tsarotra atrehin’ireo rahalahy any Riberalta, izay manao asa fanambarana amin’ny mponina any an-drenirano ao amin’ilay faritra.
Mba hanatratrarana izany toerana mitokana izany, dia nanamboatra lakana iray nomeny anarana hoe Luz de los Ríos (Jiron’ny renirano) izy ireo. Nandritra ny fitsidihan’ny mpiandraikitra ny distrika sy ny fizaran-tany, dia tapaka ny hevitra fa handramana halefa ilay lakana. Nandeha tsara ny zavatra rehetra mandra-pisaringotry ny tafon’ilay lakana tamin’ny rantsan-kazo vaventy iray. Nisy korian-drano mafy nampisavily ilay lakana teo ambonin’ny hazo nianjera iray. Toy ny sabatra ny nitsofohan’ny rantsan-kazo tapaka marani-doha iray tamin’ny vatan’ny lakana, saika nanindrona ny vadin’ny mpiandraikitra ny distrika! Tafiditra ny rano, ka nivadika ilay lakana ary nanjera ny mpandeha tao anatin’ny rano mahery. Ary tsy nisy nahay nilomano ny mpiandraikitra ny distrika sy ny vadiny! Noho ny fanampian’ireo izay nahay rano, dia tonga teny an-tanety soa aman-tsara izy ireo, saingy nanjavona tanteraka ilay lakana. Afaka andro vitsivitsy taorian’izay vao hita tany amin’ny 5 kilaometatra tany ambanin’ny rano ilay izy. Ny tao anatiny rehetra, anisan’izany ny baoritra 20 feno zavatra vita an-tsoratra, dia tsy hita avokoa.
Nanampy azy ireo hampiakatra izany teny ambony rano ny sampandraharaha momba ny fandehanana an-tsambo boliviana, ary taorian’ny herinandro vitsivitsy nanamboarana azy dia vonona indray ilay lakana hanatanteraka ny diany voalohany. Nanomboka tamin’ny andro ratsy sy ny fahavoazan’ny maotera ilay dia sarotra.
Tao amin’ilay toerana nitodian’ireo rahalahy voalohany, dia nifanehatra tamina antokon’olona mpitory teny izay naneso azy toy izao izy ireo: “Tsy sahaza an’ity renirano ity ny lakana kelinareo!” Voasemban’ny fahasimban’ny mpihary herinaratra ny fikasana handefa sary “diapositives”. Nony tafaverina teny ambony rano indray ireo Vavolombelona dia nandre fa nisy lakana hafa tonga teo nampitandrina tamin’ny alalan’ny fanamafisam-peo ny amin’ny “mpaminany sandoka” ho avy. Mazava ho azy fa ireo mpitory teny no nanao izany. Kanefa, nanaitra ny fitiavan’ny olona ta hahafanta-javatra fotsiny izany.
Na dia niafara tamin’ny fampielezan-kevitra diso avy amin’ireo tena mpaminany sandoka aza io fitsidihana io, dia nahatsapa fihenjanana ireo rahalahy satria mbola nisy dia lavitra naharitra 21 andro niandry azy ireo hanatratrarana an’i Fortaleza.
Teny an-dalana, dia nitory tamin’ny filohan’ny foko nitokana iray izy ireo ary nihaino tamim-pitandremana izy io. Tamin’ny alalan’ny lahateny miorina amin’ny Baiboly iray nataon’ny anankiray tamin’ireo mpitory maharitra, dia nahazo fampiononana noho ny fanantenana marina ho an’ny maty ny antokon’olona nana-manjo iray tao amin’ny faritra tsy nisy ala iray nitokana. Nisy rangahy be taona iray lava volombava fotsy, naneho ny fankasitrahany tamim-pahatsorana, ary nanontany ny amin’ny fomba hahafahany manao famandrihana amin’ny gazetintsika mandritra ny folo taona izy! Tao Fortaleza, dia olona 120 no nandray soa tamin’ny fandaharana momba ny fandefasana sary “diapositives” nataon’ny Fikambanana.
Fahafahampo toy inona moa no tsapan’ireo mpitory maharitra ireo tamin’ny fitondrana ny jiron’ny fahamarinana tany amin’ireo faritra lavitra! Azo antoka fa tsy misy fomba azo antoka sy mahafapo ampiasana ny fiainan’ny tena afa-tsy amin’ny fanompoana ny Mpamorona ny fiainana, dia Jehovah Andriamanitra. — Salamo 63:3, 4.
[Sarintany/Sary, pejy 26]
(Jereo ny gazety)
BOLIVIA
Guayaramerín
Riberalta
Fortaleza
San Joaquín
San Ramón
Trinidad
San Antonio