Fiaretana amim-pifaliana any atsinanana afovoany
Ity fitantarana mampihetsi-po ity dia avy amin’ny Vavolombelon’i Jehovah any Liban
NANOMBOKA tamin’ny fanafihana nahery vaika tamin’ny fitifirana balan-tafondro tao Beyrouth ny taom-piasanay 1990. Avy eo, dia nisy fitsaharana izay naharitra teo amin’ny faran’ny Septambra 1989 ka hatramin’ny Janoary 1990.
Nandritra ireo volana ireo dia azo ny tampon’isa vaovao tamin’ny mpitory 2 659 (tamin’ny Novambra), raha ampitahaina amin’ny isa 2 467 tamin’ny taom-piasana 1989. Olona efatra amby efapolo no natao batisa, ary isam-bolana dia 65 ny antsalan’ireo nandray anjara tamin’ny asan’ny mpitory maharitra mpanampy. Vao voalohany izao no nanaovana tatitra fampianarana Baiboly maherin’ny 2 000, ary nanomboka naminavina mialoha izay ho azo tanterahina amin’ny hoavy izahay.
Nipoaka indray anefa ny ady tany Beyrouth Atsinanana, izay misy ny ankamaroan’ireo kongregasiona, ary voatery nandositra tany amin’ny faritra hafa amin’ilay tany ny rahalahintsika am-polony maro. Nandritra ny andro maro dia tsy afaka nifandray tamin’ireo kongregasiona tany amin’ny faritra voakasika izahay ka tsy feno ny filazana asa voaray. Na dia izany aza, ireo rahalahy izay niparitaka dia nifandray tamin’ny kongregasiona tany amin’ny faritra nandosirany, ary nitohy ny asa fitoriana isan-trano sady nisy vokany tsara dia tsara nanerana ny tany. Nandritra izany fotoana izany dia may na simban’ny zera baomba ny maro tamin’ireo tranon’ny rahalahintsika. Namoy ny ainy ny anabavy iray.
Tamim-patokiana dia niantehitra tamin’i Jehovah izahay mba hahazoana fanampiana sy fitarihana. Nisy mpitory maharitra be herim-po nanolo-tena hitondra vatsy ara-panahy niaraka tamin’ny sakafo sy rano ho an’ireo rahalahintsika tany amin’ny faritra niharan’ny fanafihana. Netsehin’ny fitiavana an’i Jehovah sy ny rahalahy izy ireo ka nanao vy very ny ainy mihitsy hamakivaky lalana nisy vanja nilevina. Nisy fanambarana tsara dia tsara vita rehefa hitan’ny olona ny fanampiana tonga ho an’ny fianakavian’ireo rahalahintsika. Hitan’izy ireo izay azon’ny fitiavana marina atao rehefa tafaray ny rehetra ao amin’ny fanompoam-pivavahana amin’i Jehovah, ilay hany Andriamanitra marina. — Jaona 13:34, 35; 15:13.
Nandritra ny taom-piasana, dia tsy diso anjara tamin’ireo gazetintsika mihitsy ireo rahalahintsika na dia nomerao iray aza. Toy izay efa natao tamin’ny Ny Tilikambo Fiambenana, dia natomboka navoaka miaraka amin’ny fiteny anglisy ny gazety Mifohaza! amin’ny fiteny arabo nanomboka tamin’ny nomeraon’ny 8 Janoary 1990. Dibo-kafaliana ny Vavolombelona sy ireo olona liana. Nampientana ny fo koa ny nahita boky vaovao navoaka tamin’ny fiteny arabo, toy ilay bokikely hoe Doit-on croire à la Trinité? sy ny boky hoe La Bible — Parole de Dieu ou des hommes? ary Ny Bokiko misy Fitantarana avy ao amin’ny Baiboly.
Natao izay hahazoan’ireo rahalahy ireo fanomezana ara-panahy ireo na dia teo aza ny fikatonan’ny orinasa maro sy toeram-piasana hafa tao Beyrouth. Ratsy ny tarehin-javatra ara-toekarena manerana ilay tany manontolo. Tsy nisy jiro, tsy nisy rano, tsy nisy telefônina ny toerana maro. Izao dia aoka havelantsika ny sasany amin’ireo rahalahintsika hitantara ny nahitany fifaliana, na dia voatery nisetra ny fandravana nateraky ny ady izay naharitra 15 taona aza izy ireny.
“Ny lafiny tsara“
Nanoratra toy izao ny rahalahy iray any Beyrouth: “Voalohany indrindra, dia manolotra fisaorana amin’ny foko rehetra ho an’i Jehovah aho satria niaro anay tao anatin’ny fandaminany misy ny fanompoam-pivavahana madio izy na dia teo aza ny toe-javatra sarotra rehetra izay natrehinay. Nandritra ireo fisehoan-javatra vao haingana, dia nandalo fanandraman-javatra sasany izay nitondra fifaliana ho ahy aho, ary raisiko ho lafy tsaran’ny ady izany.
“Nandritra ny zera baomba mafy, dia nipetraka niaraka tamin’ny mpifanolobodirindrina teo an-tohatra izahay, satria io no toerana tsy mampidi-doza indrindra mandritra ny fitifirana balan-tafondro. Niresaka tamin’izy ireo foana ny amin’ny Fanjakan’Andriamanitra ho ny hany vahaolana ho an’ny zava-manahirana ny olombelona izahay, ary nivavaka matetika tamin’i Jehovah Andriamanitray. Nanjary fantatry ny rehetra izany.
“Indraindray, dia naharitra andro maro ny fitifirana balan-tafondro, ary tsy afaka nanatrika fivoriana izahay. Noho izany, dia nitondra niaraka tamiko ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana aho ary nianatra izany teo am-pipetrahana teo an-tohatra. Nanaitra ny fahalianan’ny mpifanolobodirindrina taminay izany. Tsy niresaka taminay ny sasany taminy satria Vavolombelon’i Jehovah izahay. Kanefa rehefa voatifitry ny balan-tafondro ny tranonay, dia talanjona izy ireo tamin’ny fitiavana izay nasehon’ireo rahalahintsika. Naniry hiresaka taminay izy ireo izao. Izany dia nahatonga anay ho afaka nametraka tamin’izy ireo famandrihana maromaro amin’ny Mifohaza!.
“Ireo fanandraman-javatra ireo dia nahatonga ahy ho tapa-kevitra ny tsy hitsahatra hiresaka ny amin’ny fahamarinana. Jehovah dia mendrika hahazo ny fanompoam-pivavahana rehetra sy ny dera ary ny laza rehetra avy amintsika.”
“Namonjy ny aiko ny anaran’i Jehovah”
Nitantara toy izao ny rahalahy iray avy ao amin’ny kongregasionan’i Ras Beyrouth: “Nanomboka ny andronay tamin’ny fitoriana isan-trano tany amin’ny faritra andrefan’i Beyrouth izahay mivady sy ny zanakay roa lahy kely. Ny tolakandro dia nanana fivoriana tamin’ny fiteny anglisy tao an-tranoko izahay. Tamin’ny 6 ora sy sasany, dia efa maizina ny andro. Ny hany olona teny amin’ny arabe dia lehilahy nitondra fiadiana. Niraraka ny baomba. Nandositra ny ankamaroan’ny olona nipetraka tao amin’ilay trano avo be nisy anay. Tsy nisy rano na jiro. Tamin’izay dia nandre dondòna tao am-baravarana izahay.
“Noho ny fiheverana fa mety ho ny iray tamin’ireo mpifanolobodirindrina taminay nila rano na mofo izany, dia novohain’ny vadiko ny varavarana. Efa-dahy nitondra fiadiana no nijoro teo. Nambanany tamin’ny basiny ny vadiko ary nitady ahy tamin’ny fiantsoana ny anarako izy. Tamin’io herinandro io, dia nisy lehilahy sivy nalaina avy tao an-tranony tamin’izany fomba izany ary novonoina teo no ho eo. Rehefa nahita ahy ireo lehilahy nitondra fiadiana, dia nanambana ny basiny mandeha ho azy teo amin’ny lohako izy, ary nandidy ahy hiaraka aminy. Hoy aho taminy: ‘Hiaraka aminareo aho, kanefa avelao aho aloha hiakanjo.’ Nivavaka tamin’i Jehovah tamin’ny foko manontolo aho nitady ny fanampiany. Rehefa nahavita ny vavako aho, dia nahatsiaro ho tena tony ary nanomboka nihevitra ireo lehilahy nitondra fiadiana sady nahatahotra ireo ho toy ny olona tsotra. Afaka niresaka tamin’izy ireo tsy nisy tahotra aho.
“Nanontany azy ireo toy izao aho: ‘Inona no tadiavinareo amiko? Aoka isika hiresaka kely ato an-trano alohan’ny handehanantsika.’ Raha vao tafiditra tao amin’ny efitrano fandraisam-bahiny izahay, dia nanontany ahy ny filohan’izy ireo hoe: ‘Taiza no nahazoanao zo hiditra an-tranon’olona sy hitory aminy?’ Namaly toy izao aho: ‘Ianareo mitondra basy mba hampanekena ny sitraponareo, ary tsy misy manakantsakana anareo. Izaho mitondra ny vaovao tsaran’ny fiadanana izay nandidian’i Jesosy anay hotorina.’ Avy eo dia nanazava ireo zavatra inoana sy asa ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah aho. Raha vao nanonona ny anarana hoe Jehovah aho, dia hoy izy ireo: ‘Ampy ho anay ny manadina anao eto. Tsy misy ilàna ny hitondrana anao miaraka aminay.’ Toa nahafantatra rahalahy ny iray tamin’izy ireo. Hoy izy: ‘Mitovy amin’i Jarjoura ilay io.’
“Nanao fanambarana tamin’ireo lehilahy nitondra basy ireo izahay ary namaly ny fanontaniany nandritra ny adiny iray sy sasany. Avy eo, toy izay hitondra ahy tao anatin’ny fitoeran’entan’ny fiarany toy ny nataony tamin’ny hafa, dia niala tsiny izy ireo, nanoroka ahy, ary nanolotra ny fanampiany raha sendra mila izany aho, ary dia lasa. Nandritra izany fotoana rehetra izany, dia nahatsapa ny fiarovan’i Jehovah aho. Nanatanjaka ahy hijoro tsara ny fandraisana anjara tamin’ny asa fitoriana isan-trano iny maraina iny sy ny fanatrehana fivoriana ny tolakandro. Eny tokoa, namonjy ny aiko ny anaran’i Jehovah.” — Ohabolana 18:10.
“Nanomba anay ny fiahian’i Jehovah”
Nanoratra toy izao avy any Beyrouth ny rahalahy hafa iray: “Alarobia 31 Janoary 1990 tamin’izay. Raha teo am-piaraha-niasa tamin’ny rahalahiko tao an-tranon’ny anabavy iray aho, dia nanomboka indray ny ady. Nipoaka teny rehetra teny ny baomba. Noho ny hamafin’ny ady dia tsy afaka nody izahay. Tena nahay nandray vahiny tokoa ilay anabavy na dia tsy nanana afa-tsy tapa-mofo vitsivitsy aza.
“Nanahy mafy ny amin’ny vadiko aho satria avy any Filipina izy ary tsy zatra amin’ny herisetran’ny ady. Tamin’ny andro faharoa anefa, dia afaka nandeha nankany an-tranoko aho. Nisy antontan’entana maro nanakana teo amin’ireo arabe, kanefa noho Jehovah dia tsy niharan-doza ny ankohonako. Taorian’ny fahatoniana fohy, dia nanomboka indray ny fitifirana balan-tafondro mafy be. Niafina tao amin’ny tranon’ny rahalahy iray teo akaikin’ny anay izahay. Olona dimy izahay no tao: izahay mivady sy ny zanakay lahy roa taona, ary ny rahalahiko sy ny vadiny. Nianjera teny amin’ny manodidina rehetra ny baomba, balan-tafondro, ary bala afomanga madinika, kanefa nanomba anay ny fiahian’i Jehovah. Lasa ny roa andro nisy fitifirana balan-tafondro mafy, raha teo am-pijanonana nandry tamin’ny tany izahay, ny setroky ny baomba teo am-bavoronay.
“Teo am-pihainoana ireo fipoahana dia nitadidy ny tenin’i Davida ao amin’ny Salamo 18:1-9, 16-22, 29, 30 izahay. Tamin’ireny fotoan-tsarotra ireny, ary na dia teo aza izay rehetra nitranga, dia faly izahay ary mbola afaka nitsiky ihany. Nivavaka tamin’i Jehovah izahay mba ho faty moramora, tsy misy fijaliana raha toa ka tokony ho faty tokoa. Natanjaka ny fanantenanay ny fitsanganana amin’ny maty.
“Sarotra inoana ilay andro nanaraka. Nisy baomba teo amin’ny 25 teo ho eo nianjera teo akaikin’ilay trano niafenanay, kanefa dia tsy nisy naratra taminay na dia iray aza. Azonareo alaina sary an-tsaina ve ny fihetseham-ponay rehefa nahatsapa ny fiarovan’i Jehovah izahay? Ny maraina nanaraka, dia nanapa-kevitra avy hatrany ny handositra izahay. Ny fiarako irery ihany sisa no hany tsy may teo amin’ny arabe. Nitondra ny fiarakodia nanavatsava teny anelanelan’ny vanja sy ny baomba aho, ary noho Jehovah dia afaka nandositra tany amin’ny faritra izay nilamina kokoa noho ny nisy anay izahay. Tao, ireo rahalahintsika dia nanome anay tamim-pitiavana fitafiana sy sakafo ary vola.
“Na dia teo aza ireo zava-tsarotra rehetra, dia nahatsiaro sambatra izahay satria nomba anay i Jehovah. Toy ny hoe nalefany ny anjeliny mba hihazona ireo baomba tsy hahavoa anay (Salamo 34:7) Eny, lehibe ny fifalianay. Kanefa dia ho lehibe kokoa izany aorian’ny hahatafitanay velona ao Haramagedona.”
Vonjy rano vaky miasa
Toy ny hoe nasian’ny horohorontany ny faritra sasany any Beyrouth. Simba na rava ny maro tamin’ireo tranon’ny rahalahintsika. Rehefa niseho ny fotoan-tsarotra tsy ela izay, dia nandamina komitin’ny vonjy rano vaky iray ny Komitin’ny Sampana mba hikarakara izay ilain’ny rahalahy. Nanomboka asa tamin’ny 16 Febroary 1990 izy io, teo amin’ny fotoana nahafahanay nifindra amin’izay tany amin’ny faritra niharam-pahavoazana. Telo sosona ny zava-kendren’io komity io: hanome fampaherezana ara-panahy ho an’ireo rahalahy; hikarakara izay ilainy ara-bola, ara-tsakafo sy ny eo amin’ny rano; ary hanampy azy ireo hanamboatra na hanorina indray ny tranony.
Tsy nisy nilana niantso mpiasa an-tsitrapo. Isan’andro dia nisy maro tonga vao maraina mba hanampy. Ireto misy fanambarana sasany nataon’ireo izay nampiana:
Hoy ny anabavy iray, raha teo am-panadiovana sy teo am-pamerenana ny tranony tamin’ny laoniny ireo rahalahy: “Efa nandre ny amin’ny fanampiana omen’ireo anadahy rehefa mamely ny loza aho. Izao dia mahita sy mahatsapa izany aho.” Na dia ny mpifanila trano taminy aza, vehivavy miozilimana iray, dia nilaza tamin’io anabavy io hoe: “Mifankatia marina tokoa ianareo. Ny anareo no fivavahana marina. Izao dia handositra any amin’ny tanànanay aho ary hilaza amin’ny olona rehetra izay ataonareo eto.” Nitondra sakafo ho an’ireo mpiasa an-tsitrapo io mpifanila trano io.
Nanazava toy izao ny anabavy zokiolona iray: “Nanampo ny hahatongavanareo hamangy ahy aho, fa tsy nanampo kosa ny handefasan’ny Fikambanana olona hitondra rano ho ahy.” Nitomany izy rehefa nanoroka ilay rahalahy izay tonga nanampy azy.
Ny fianakaviana telo mianaka iray — izy mivady izay mpitory tsy vita batisa sy ny zanany lahy kely — dia notsidihina sy nomena boaty be nisy ronono, mofo, rano azo sotroina ary vola. Rehefa nilazana izy ireo fa nanao io fandaharana io ny Vavolombelon’i Jehovah, dia hoy ilay rangahy: “Tao amin’ny Fiangonana Evanjelika aho nandritra ny 11 taona ary tena nafana fo. Kanefa nandritra ireo 15 taona nisian’ny ady teto Liban ireo, dia tsy nihevitra mihitsy ny hanao zavatra toy izao ho an’ny mpikambana ao aminy izy”. Hoy izy nanohy: “Ity marina no hany fandaminan’Andriamanitra.” Natao batisa tamin’ny fivoriambe iray tamin’ny May 1990 ilay lehilahy sy ny vadiny.
Nanazava toy izao ny loholona iray: “Tsy ampy ny teny hilazana ny fisaoranay ny asam-pitiavana nataonareo tamin’ireo rahalahy niharan-doza. Tohina aoka izany aho ka latsa-dranomaso rehefa nahita antokona rahalahy tanora, mpiasa an-tsitrapo, nanorina indray ny tranon’ny ray aman-dreniko. Na dia ny mpifanila trano aminay izay tsy Vavolombelona aza dia nampiseho ny fankasitrahany. Tena velom-pankasitrahana an’i Jehovah sy ny fandaminany tokoa izahay noho ny fanohanana azo tsapain-tanana izay nomena anay. Marina tokoa ny tenin’ny mpanao salamo ao amin’ny Salamo 144:15 manao hoe: ‘Sambatra ny firenena izay manana an’i Jehovah ho Andriamaniny.’ ”
“Karazana olona inona àry ianareo?”
Nanoratra toy izao ny anabavy iray manana ankohonana: “Maniry hanambara ny fankasitrahako lalina ny fitiavan’i Jehovah sy ny fandaminany aho. Voatifitry ny balan-tafondro maro ary may ny tranoko. Nisy olona maro nilaza taminay fa tsy azo amboarina izy io. Na dia izany aza, dia indro izy eto voamboatra tanteraka toy ny hoe tsy nisy na inona na inona nanjo azy, voahodidin’ireo trano an-jatony maro izay may sy rava eo amin’ny arabe misy anay.
“Na dia ireo mpifanila trano aminay izay tsy Vavolombelon’i Jehovah aza dia manontany hoe: ‘Avy aiza io fitiavana io? Karazana olona inona àry ianareo? Iza ireo olona miasa amin-jotom-po aoka izany sy tsy mitabataba ary tsara fitondrantena aoka izany ireo? Isaorana ny Andriamanitra izay nanome anareo io fitiavana sy toe-tsaina mahafoy tena io.’ Mety tokoa ireo teny ao amin’ny Salamo 84:11, 12 manao hoe: ‘Fa Masoandro sy Ampinga Jehovah Andriamanitra; fahasoavana sy voninahitra no omen’i Jehovah; tsy hiaro zava-tsoa amin’izay mandeha amin’ny fahitsiana Izy. Jehovah Tompon’ny maro, ô, sambatra izay olona matoky Anao.’ ”
Nanoratra toy izao ny lehilahy iray izay Vavolombelon’i Jehovah ny vady aman-janany: “Maniry ny hisaotra anareo aho noho ny fanampiana nataonareo tamin’ny fanamboarana ny tranonay. Ny asanareo dia nampiseho fitiavana kristiana feno fahatsorana izay tsy fahita firy intsony amin’izao andro izao. Enga anie hotahin’Andriamanitra ny fiezahanareo.”
Rehefa avy naverina tamin’ny laoniny ny tranony, dia hoy ny loholona iray: “Tsy mahalaza izay ato am-ponay ny molotray. Tsy mahita ny teny hilazana aminareo ny fankasitrahanay an’i Jehovah sy ny fandaminany izahay. Mahatsapa ny naha-akaiky an’i Jehovah tamin’ny voina nanjo anay izahay. Nampirisika ny mpikambana rehetra amin’ny fianakaviako handray anjara amin’ny fanampiana ny hafa izay sahirana ny fitiavanareo.”
Nandritra ny volana Aprily, dia nisy olona 194 any Liban nifaly tamin’ny asan’ny mpitory maharitra mpanampy. Tony kokoa noho ireo alina hafa ny alina nanaovana ny Fahatsiarovana izay nahitana mpanatrika 5 034 tamin’ny fitambarany. Natao avokoa ireo fivoriambe rehetra izay nokasaina, ary ny totalin’isan’ny olona vita batisa nandritra ny taona dia 121 na dia teo aza ny fikorontanana tao amin’ilay tany. Nisy fianakaviana maro tao amin’ny kongregasiona nandao tanteraka ilay tany. Kanefa misy olona liana vao haingana mandroso ho amin’ny batisa, ary tsy mitsaha-mitombo ny isan’ny mpitory ilay Fanjakana 2726. Nandritra ny taom-piasana 1990, ny vahoakan’i Jehovah rehetra eto Liban dia nahatsapa ny fahatokian’i Jehovah tamin’ny nikarakarany anay sy nitantanany anay hamakivaky fotoana misamboaravoara. — Salamo 33:4, 5; 34:1-5.