FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w91 15/3 p. 21
  • Indray mitopy maso amin’ny vaovao

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Indray mitopy maso amin’ny vaovao
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Rarana ny manambady
  • Nahoana no betsaka toy izao ny herisetra?
  • Aiza no misy ny “Tanànan’i Davida”?
  • Ziona
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Davida, Tanànan’i
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • “Anaram-baovao”
    Ny Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra II
  • Tanànan’i Jerosalema (Davida/Solomona)
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
w91 15/3 p. 21

Indray mitopy maso amin’ny vaovao

Rarana ny manambady

Ny fitondrantena ratsy eo amin’ny lahy sy ny vavy ataon’ny klerjy, izay nantsoin’ny eveka loterana iray hoe “zava-manahirana niafina nandritra ny fotoana ela dia ela”, dia ‘tafavoaka avy tao amin’ny nanafenana azy’ ihany rehefa ela ny ela. Kanefa, milaza ny Los Angeles Times fa niaraka tamin’izay koa ny “fanalana sarona ampahibemaso mahasadaikatra sy ny fiakarana am-pitsarana lafo dia lafo izay nitarika fiangonana maromaro ho bankirompitra.” Manamarika ny Times fa milaza ny mpikarakara raharaham-piantohana fa misy hatramin’ny 2 000 ireo raharaha ny amin’ny fitondrana ratsy eo amin’ny lahy sy ny vavy mahakasika klerjy izay mbola miandry ny handalo fitsarana.

Mendrika ny homarihina koa fa misy milaza fa ireo meloka fanta-daza indrindra dia mpitondra fivavahana katolika romana. I A. W. Richard Sipe, mpitsabo aretin-tsaina sady moanina “bénédictin” teo aloha, dia nanadinadina pretra 1 000 ary lehilahy sy vehivavy hafa 500 izay ny maro tamin’ireto farany dia nilaza fa nanana firaisana tamin’ny mpikambana amin’ny klerjy. Milaza ny gazetiboky Time fa maminavina izy fa misy eo amin’ny antsasak’ireo pretra katolika romana 53 000 any Etazonia ireo tsy mitana ny voady ny hitoetra ho mpitovo nataony. Araka ny hevitr’i Sipe, ny 28 isan-jato amin’ny pretra rehetra dia misakaiza amim-behivavy, ary, ambonin’izany, ny 10 ka hatramin’ny 13 isan-jato aminy dia manana firaisana amin’ny lehilahy lehibe, ary ny 6 isan-jato aminy dia mitady ankizikely, mazàna ankizilahy, mba hananana firaisana aminy. Nampandany vola teo amin’ny 100 ka hatramin’ny 300 tapitrisa dôlara (3 ka hatramin’ny 9 alina tapitrisa ariary) ireo mpitondra ao amin’ny fiangonana katolika ny fandaminan-draharaha maherin’ny 100 nahakasika ny fitondrantena ratsin’ny klerjy tao anatin’ireo enin-taona lasa.

Misy olona maro mihevitra fa ho voasoroka ny ankamaroan’ireo zava-manahirana ireo raha omen-dalana hanambady ireo pretra. Mety ho taitra ny sasany mahafantatra fa tsy misy na aiza na aiza ao amin’ny Baiboly mandrara ireo ministr’Andriamanitra kristiana tsy hanambady. Ny Fiangonana katolika anefa dia nandrara ireo pretra tsy hanambady hatramin’ny taonjato faha-12. Mahaliana fa, rehefa niresaka ny amin’ny fivadiham-pinoana lehibe amin’ny fanompoam-pivavahana marina izay hitsofoka aorian’ny hahafatesan’ireo apostoly, i Paoly dia nanoratra fa “hihemotra amin’ny finoana ny sasany, manaiky fanahy mamitaka sy fampianaran’ny demonia, amin’ny fihatsarambelatsihin’ny mpilaza lainga, (...) izay mandrara tsy hanambady”. — 1 Timoty 4:1-3.

Nahoana no betsaka toy izao ny herisetra?

Taitra sady nihorohoro i Kanada nahare fa namono olona maro nitambatra i Marc Lepine, 25 taona, tany amin’ny Oniversiten’i Montréal. Nandripaka tsy nisy indrafo vehivavy mpianatra ho enjeniera 14 ary nandratra mpianatra 13 hafa, anisan’izany ny lehilahy 4, izy talohan’ny namonoany tena tamin’ilay basy nampiasainy. Izany no iray tamin’ireo vonoana olona nahatsiravina indrindra teo amin’ny tantaran’io firenena io. Niantso io famonoana feno hadalana io hoe “lozan’olombelona goavana dia goavana” ny praiministra any.

Araka ny The Toronto Star, tany Etazonia, dia “nisy vonoana olona nitambatra maherin’ny 100 hatramin’ny Ady Lehibe faharoa ary ny ankamaroan’izy ireo dia nitranga tao anatin’ireo roapolo taona farany.” Kanefa, araka ny fanontaniana feno fitarainana nataon’ny rain’ny iray tamin’ireo novonoin’i Lepine, “nahoana no betsaka toy izao ny herisetra eo amin’izao tontolo izao? Nahoana ny olombelona no mifanao izany karazan-javatra izany amin’izy samy izy?”

Tsotra ny fanazavan’ny Baiboly momba ny fitomboan’ny herisetra amin’izao androntsika izao. Nanoratra toy izao ny apostoly Jaona: “Izao tontolo izao (...) dia mipetraka eo amin’ilay ratsy avokoa.” (1 Jaona 5:19). Mitovy amin’ny rivotra fohintsika, dia misy toe-tsaina ratsy avy amin’i Satana, “ilay ratsy”, izay mifehy ny fomba fisaina, ny faniriana, ireo zavatra ataon’ny ankamaroan’ny olona mihitsy. Amin’ny alalan’io toe-tsainy feno fikomiana sy fitiavan-tena ary avonavona io izy dia “mamitaka izao tontolo izao”. (Apokalypsy 12:9). Mahazo fampiononana anefa ireo mpanompon’Andriamanitra marina amin’ny fahafantarana fa “mandalo izao fiainana izao sy ny filany; fa izay manao ny sitrapon’Andriamanitra no maharitra mandrakizay.” — 1 Jaona 2:17.

Aiza no misy ny “Tanànan’i Davida”?

Raha atao hoe mitsidika an’i Jerosalema ianao ka manontany olona mba hitondra anao ho any amin’ny Tendrombohitra Ziona, dia ho azo inoana indrindra fa hasaina hankany amin’ny tendrombohitra na havoana iray izay mivelatra eo atsimon’ilay Tanàna tranainy ianao. Voafefin’ny Lohasahan’i Tyropoeon eo atsinanana, sy ny lohasahan’i Hinoma eo andrefana io havoana io ary voamariky ny Fiangonan’ny Dormition sy ny tafony kitsoloha.

Kanefa ireo sarintany sy sary atontan’ny Fikambanana Watch Tower dia mametraka ny Tendrombohitra Ziona eo amin’ny havoana kely kokoa iray any atsinanan’ilay antsoina ankehitriny hoe Tendrombohitra Ziona. Io havoana io dia sarahin’ny lohasahan’i Tyropoeon amin’ilay havoana iray mitovy anarana aminy ary voafefin’ny lohasahan’i Kidrona eo atsinanana.

Iza amin’ireo toerana roa ireo no tena mampiseho ilay Tendrombohitra Ziona tany am-boalohany? Ny gazetiboky hoe Biblical Archaeology Review (May/Jona 1990) dia manaiky fa “ilay tendrombohitra, na havoana, any atsinanana no ilay Tendrombohitra Ziona tany am-boalohany, (...) izay nobaboin’i Davida Mpanjaka tamin’ireo Jebosita.” Taorian’ny nianjerany, io batery fiarovana io dia nanjary fantatra ho toy ny “Tanànan’i Davida”, ary koa i “Ziona”. (2 Samoela 5:7). Manamarika ny Biblical Archaeology Review fa “ireo mpanao fikarohana ambany tany dia namaritra, tsy misy isalasalana, fa io tampon-kavoana ety io”, izay antsoina matetika hoe ilay havoana any atsinanana, no ilay Tendrombohitra Ziona ao amin’ny Baiboly nanorenan’i Davida ny foiben’ny fitondrana sy ny fivavahana ho an’ny firenena Isiraely. — 2 Samoela 6:11, 12, 17.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara