FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w91 1/1 p. 30-31
  • Manaraka toromarika ve ianao?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Manaraka toromarika ve ianao?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ao anatin’ny fianakaviana
  • Ao anatin’ny kongregasiona
  • Vokatra mahafaly
  • Mahità fahombiazana eo amin’ny fiainam-pianakaviana
    Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-Tany
  • Efa Niomana ve Ianao mba ho Voavonjy?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2006
  • Ahoana no Hahasambatra ny Fianakavianao?
    Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?
  • Nanaraka Toromarika i Mosesy
    Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2020
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
w91 1/1 p. 30-31

Manaraka toromarika ve ianao?

MANOME toromarika an’ireo zanany ny ray be fitiavana iray mba hahombiazan’izy ireo eo amin’ny fiainana sy hahasambatra azy rehefa tonga olon-dehibe izy ireo. Ary ny ankizy tia sy manaja ny ray aman-dreniny dia hanaiky izany toromarika izany satria fantany fa hitondra soa ho an’ny tenany ihany izany. Toy izany koa, i Jehovah, ilay Raintsika be fitiavana any an-danitra, dia manome ny mpanompony fitarihana izay mitondra fahombiazana sy fifaliana eo amin’ny fiainan’izy ireo. Noho izany àry dia zava-dehibe ny hanarahantsika ireo toromarika omen’Andriamanitra antsika amin’ny alalan’ny Teniny, ny Baiboly, sy ny fandaminany eto an-tany.

Ao anatin’ny fianakaviana

Misy lafin-javatra samihafa anomezana toromarika antsika. Ny iray amin’izany dia ny faritry ny fianakaviana. Andriamanitra no loharanon’ny fanambadiana sy ny fianakaviana. Milaza ny Baiboly fa nampivady ny mpivady olombelona voalohany Andriamanitra ary nilaza tamin’izy ireo mba hiteraka. (Genesisy 1:27, 28; 2: 22-24) Nanome toromarika ny mpikambana rehetra ao anatin’ny fianakaviana ilay Mpamorona raha ny amin’ny andraikitry ny tsirairay avy. Ohatra, ny lehilahy manambady sy raim-pianakaviana no lohan’ny tokantrano, ka midika izany fa manana andraikitra hanome toromarika, sakafo, fitafiana, fialofana, fiarovana ary fifehezana izy. Manao ireo fanapahan-kevitra lehibe ao amin’ny fianakaviana koa izy. Amin’ny maha-vady azy, dia tokony haneho fiheverana ny vadiny izy ary haneho azy fanajana toy ny mety hatao amin’ny fanaka malemilemy kokoa. (Efesiana 5:22, 23; 1 Timoty 5:8; 1 Petera 3:7) Ny vehivavy manambady dia tokony hanaiky ny vadiny, haneho fanajana lalina azy, ary ho mpanampy sy fameno ho azy. Ary manondro ny Soratra masina fa tsy maintsy mankatò ny ray aman-dreniny ny ankizy. — Genesisy 2:18; Efesiana 6:1-3; 1 Petera 3:1,2, MN.

Inona no mitranga rehefa tsy tandremana ireo toromarika ireo? Mipoitra ny tsy fifanarahana sy ny fifandirana rehefa tsy ampy fiheverana ny vadiny ireo lehilahy manambady, ary rehefa tsy mampiseho fanajana firy ny mahaloha ny vadiny ireo vehivavy manambady. Raha ny marina, dia ny zavatra toy izany no nitarika ho amin’ny faharavan’ny fanambadiana maro. Ny tsy fankatoavan’ireo ankizy sy ny fikomiany dia niteraka alahelo be teo amin’ny ray aman-dreny maro. Mazàna dia ny ray aman-dreny no azo tsinina be noho ny tsy fitaizany ny zanany mifanaraka amin’ny fifehezana araka ny mety, ka mampahatezitra azy ireo. — Efesiana 6:4.

Na dia nanolotra karazana fanipazan-kevitra maro samy hafa momba ny fomba handaminana ireo zava-manahirana eo anivon’ny fianakaviana aza ireo mpanome torohevitra ara-tsosialy sy ireo mpandinika toe-tsaina ary ny hafa koa, dia tsy misy torohevitra mandaitra kokoa noho ireo toromarika omen’ilay Mpamorona ny fianakaviana ao amin’ny Baiboly. Mitondra ny tena fahasambarana sy fahafahampo ny fanarahana azy ireo. — Salamo 19:7-9.

Ao anatin’ny kongregasiona

Isika dia tokony hanaraka ireo toromarika omen’i Jesosy Kristy, ilay Lohan’ny kongregasiona kristiana, amin’ny alalan’ny “mpanompo mahatoky sy malina”, ilay mpitondra hafatra voatendry ampiasain’ny fandaminan’Andriamanitra eto an-tany. (Matio 24:45-47, MN; Efesiana 5:23) Mba hisian’ny fiadanana sy firaisan-tsaina ao anatin’ny kongregasiona, ireo mpikambana rehetra ao dia tsy maintsy manao zavatra mifanaraka amin’ny fitarihana omena. Ohatra, ireo izay mitari-dalana eo amin’ny fampianarana ao anatin’ny kongregasiona sy ny fanampiana ny hafa dia mila ny mifikitra akaiky amin’ireo toromarika azony avy amin’ny fandaminan’i Jehovah. Izany dia hanampy ho amin’ny fahombiazan’ny asany. Mety hahakasika ny fomba handraisana anjara amin’ny asa fitoriana, handaminana zava-manahirana ao anatin’ny kongregasiona, hanomezana torohevitra sy fampaherezana, hampiononana ny ory sy ny toy izany, ireo toromarika azony. Eo koa ireo torolalana momba ny fomba hanomanana fivoriana ahitana fianarana sy mampahery ho an’ireo miaraka amin’ny kongregasiona kristiana. — Asan’ny apostoly 20:20; Romans 12:6-8; Galatiana 6:1; 1 Tesaloniana 3:1-3.

Ireo loholona, na mpiandraikitra, ao amin’ny kongregasiona indrindra no tokony hanome ohatra tsara ny amin’izany. Ny Kolejy foibe dia mandefa toromarika izay tokony harahin’ireo loholona amim-pitandremana sy amim-pahatokiana. Tokony hampifanarahin’izy ireo sy hampihariny amin’ny toe-javatra eo an-toerana ireny toromarika ireny. Tsy maintsy tadidintsika ao an-tsaina fa ilay mitarika ny kongregasiona kristiana dia i Jesosy Kristy. Takany tsara izay ilain’ireo kongregasiona rehetra manerana ny tany, ary manome ny fampirisihana sy fanampiana ilaina izy. Noho izany, ireo loholona dia tsy tokony hisalasala ny hampihatra izay toromarika azony avy amin’ny fandaminana teokratikan’Andriamanitra. Izany dia ho ohatra tsara dia tsara ho an’ny rehetra ao amin’ny kongregasiona tsirairay avy ary hanampy azy ireo hiray saina eo amin’izy samy izy ary koa amin’ny mpianakavy kristiana rehetra manerana ny tany. — Asan’ny apostoly 15:1-31; Hebreo 13:7; Apokalypsy 5:6.

Vokatra mahafaly

Rehefa manangana trano lehibe iray ny mpanao trano iray, dia manaraka amim-pitandremana ny planina nataon’ireo mpanao mari-trano izy mba haharetan’izay aoriny. Nandritra ireo andro feno herisetra talohan’ny Safodrano, i Noa dia nasaina nanorina sambofiara. Nolazaina taminy ny fomba hanaovana izany ary koa izay olombelona sy biby tokony hampidirina tao anatiny mba hahatafitan’izy ireo velona tamin’ilay Safodrano ho avy. Nanao ahoana ny fihetsik’i Noa? Hoy ny Baiboly hoe: “Nataon’i Noa izany; araka izay rehetra nandidian’Andriamanitra azy no nataony.” I Noa sy ireo izay niaraka taminy tao anatin’ny sambofiara ihany no tafita velona tamin’ilay Safodrano. (Genesisy 6:5, 13-22; 7:23) Ankehitriny isika dia miaina amin’ny fotoana mitovy tokoa amin’ny andron’i Noa, ary noho izany antony izany no handringanan’Andriamanitra ny ratsy fanahy rehetra. Ambaran’ny Baiboly amintsika izay dingana tsy maintsy ataontsika raha tiantsika ny ho anisan’ireo ho tafita velona. — Matio 24:37-39; 2 Petera 3:5-7, 11.

Noho izany àry, dia aoka isika handray amim-pankasitrahana sy hampihatra ireo torohevitra omen’i Jehovah amin’ny alalan’ny Teniny voasoratra sy ny fandaminany eto an-tany. Hitondra fahombiazana sy fifaliana ho antsika ny fanaovantsika toy izany ary hamonjy ny aintsika koa.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara