Jesosy — Ny fiainany sy ny fanompoany
Fadiranovana mafy tao amin’ny zaridaina
REHEFA vita ny vavaka nataon’i Jesosy, dia nihira fiderana ho an’i Jehovah izy sy ireo apostoly nahatoky 11. Avy eo izy ireo dia nidina avy tao amin’ilay efitrano ambony ka nivoaka ho ao amin’ny alina mangatsiatsiaka, ary nandeha hita ny lohasahan-driaka Kidrona teny an-dalana ho any Betania. Teny am-pandehanana anefa izy ireo dia nijanona teo amin’ny saha iray tiany indrindra, dia ny zaridainan’i Getsemane. Teo amin’ny Tendrombohitra Oliva na teo akaikiny no nisy azy io. Mpankany matetika teo amin’ireo hazo oliva i Jesosy mbamin’ny mpianany.
Namela ny valo tamin’ireo apostoly — angamba teo amin’ny fidiran’ilay zaridaina — izy ary nananatra azy ireo toy izao: “Mipetraha eto aloha hianareo, raha mbola mankeroa hivavaka Aho.” Avy eo dia nitondra ireo telo ambiny — Petera sy Jakoba ary Jaona — izy, ary niditra tao amin’ilay zaridaina. Nanjary nalahelo am-po sy ory indrindra i Jesosy. “Fadiranovana loatra ny fanahiko, toy ny efa ho faty”, hoy izy tamin’izy ireo. “Mitoera eto, ka miaraha miari-tory amiko.”
Nandroso kelikely i Jesosy ary niankohoka tamin’ny tany ka nanomboka nivavaka mafy hoe: “Raiko ô, raha azo atao, dia aoka hesorina amiko ity kapoaka ity; nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao.” Inona no tiany holazaina tamin’izany? Nahoana izy no “fadiranovana loatra, toy ny efa ho faty?” Moa ve izy tamin’izany niova hevitra raha ny amin’ny fanapahan-keviny ny ho faty ka hanome avotra?
Tsy izany velively! Tsy nitalaho mba hanesorana ny fahafatesana taminy akory i Jesosy. Na dia ny fieritreretana ny handositra ny fahafatesana ho sorona, nanoroan’i Petera hevitra azy indray mandeha, aza dia naharikoriko azy. Ny naha-fadirovana mafy azy kosa dia noho ny tahotra sao hanome tsiny ny anaran-dRainy ny fomba hahafatesany tsy ho ela — toy ny mpanao heloka bevava tsinontsinona. Tsapany izao fa rehefa afaka ora vitsivitsy dia hohomboana eo amin’ny hazo toy ny karazan’olona ratsy indrindra izy — mpiteny ratsy an’Andriamanitra! Izany no tena naha-ory azy indrindra.
Rehefa avy nivavaka lava i Jesosy dia niverina ka nahita fa natory ireo apostoly telo mirahalahy. Niresaka tamin’i Petera izy ary nanao hoe: “Hay! tsy mahazaka ny miara-miari-tory amiko na dia ora iray ihany aza hianareo! Miareta tory sy mivavaha hianareo, mba tsy hidiranareo amin’ny fakam-panahy.” Takany tsara anefa ny fahaterena mafy nisy azy ireo sy ny fandrosoan’ny ora ka hoy izy hoe: “Mety Many ny fanahy, fa ny nofo no tsy manan-kery.”
Avy eo dia nandeha fanindroany i Jesosy ary nangataka ny hanesoran’Andriamanitra taminy “ity kapoaka ity”, izany hoe ny anjara asa nanendren’i Jehovah azy hataony, na ny sitrapony momba azy. Rehefa niverina izy, dia mbola nahita azy telo mirahalahy natory indray tamin’ny fotoana tokony ho nivavahany mba tsy hidirany amin’ny fakam-panahy. Rehefa niresaka taminy i Jesosy, dia tsy hitan’izy ireo izay havaly azy.
Farany, fanintelony, dia nihataka taminy tokony ho indray mitora-bato i Jesosy, ka nandohalika ary nivavaka tamin’ny fitarainana mafy sy ny ranomaso be nanao hoe: “Raiko ô, raha sitrakao, dia esory amiko ity kapoaka ity.” Nahatsapa fanaintainana mafy i Jesosy noho ny tsiny hoentin’ny fahafatesany toy ny mpanao heloka bevava amin’ny anaran-dRainy. Eny, nila ho mafy loatra ka tsy ho zaka ny fanendrikendrehana ho mpiteny ratsy an’Andriamanitra, ho manozona azy!
Na dia izany aza anefa, dia nanohy nivavaka toy izao i Jesosy: “Aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao.” Nanaiky tamim-pankatoavana ny sitrapon’Andriamanitra i Jesosy. Tamin’izay, dia nisy anjely avy tany an-danitra niseho ka nampahery azy tamin’ny alalan’ny teny feno fampirisihana. Azo inoana fa nolazain’ilay anjely tamin’i Jesosy fa nankasitrahan-dRainy izy.
Kanefa, enta-mavesatra re izany teo amin’ny sorok’i Jesosy izany! Ny fiainany mandrakizay sy ny an’ny taranak’olombelona manontolo no mbola tsy azo antoka. Goavana ilay fanerena ara-pihetseham-po. Nanohy nivavaka mafy kokoa ihany àry i Jesosy, ary ny dininy dia tahaka ny ra nipotrapotraka tamin’ny tany. “Na dia zava-mitranga mahalana dia mahalana aza izany”, hoy ny fanamarihan’ny The Journal of the American Medical Association (Ny Gazetin’ny Fikambanan’ny mpitsabo amerikana), “ny hatsembohana ra (...) dia mety hiseho ao anatin’ny fihetseham-po mafy dia mafy.”
Taorian’izay, i Jesosy dia niverina fanintelony teo amin’ireo apostoliny, ary nahita azy ireo natory indray. Reraky ny alahelo tsotra izao izy ireo. “Mbola matory ihany va hianareo ka miala sasatra!” hoy ny fihiakany. “Aoka izay! Indro, efa tonga ny ora! Ny Zanak’olona hatolotra eo an-tanan’ny mpanota. Mitsangàna, andeha isika; indro fa efa akaiky ilay mamadika Ahy.”
Raha mbola niteny izy, dia nanatona i Jodasy Isikariota, niaraka tamina vahoaka maro be nitondra fanilo sy fanala ary fiadiana. Matio 26:30, 36-47, MN; 16:21-23; Marka 14:26, 32-43; Lioka 22:39-47; Jaona 18:1-3; Hebreo 5:7.
◆ Rehefa avy nandao ilay efitrano ambony izy, dia nentin’i Jesosy taiza ireo apostoliny, ary inona no nataony tany?
◆ Raha mbola nivavaka i Jesosy, dia inona no nataon’ireo apostoly?
◆ Nahoana i Jesosy no fadiranovana mafy, ary fangatahana inona no nataony tamin’Andriamanitra?
◆ Inona no asehon’ny fahatsembohan’i Jesosy tonga tahaka ny ra?