Antomotra ny tontolo vaovao iray!
TONDRAKA ireo fanoloran-kevitra momba ny fomba hanasitranana ireo fahorian’izao tontolo izao. Amin’ny ankapobeny, izy ireny dia mangataka fiahiana sy fiaraha-miasa, ary koa fampifanarahana ny ezaka lehibe dia lehibe avy amin’ny firenena rehetra maneran-tany. Toa mahatsapa ny olona fa, noho ny tarehin-javatra miharatsy, ny ilàna fifampiarovana mba ho velona hatrany dia hanery ireo firenena handinika indray izay zavatra homeny ny toerana voalohany ary hiara-miasa mba hanorina tontolo iray vaovao sy azo tohanana. Eritreretina ny hampihenana be ny teti-bola omena ny tafika ka hampiasana ireo vola ananana mba hikarakarana ny amin’ireo loza mandrahona ny tontolo iainana, ary koa, araka ny marihina ao amin’ny State of the World 1990, “tsy ny hihazonan’ny fitondram-panjakana ireo fandaharam-piarovana miorina lehibe dia lehibe eo amin’ny taniny, fa ny hanaovany izay hiankinany amin’ny fahefana iray miantoka fandriampahalemana nohalehibeazina sy nohamafisina aoka izany ao amin’ny Firenena Mikambana, fahefana izay hanana ny hery sy zo hiaro ny tany mpikambana na iza izany na iza amin’ny mpanafika iray.”
Ny fikasana toy izany anefa dia tsy ampy mihitsy mba hitondrana ireo toe-javatra irina mafy ny hahatongavany izay voatanisa ao amin’ireo pejy voalohandohany amin’ity gazety ity. Raha ireo tetik’adin’olombelona fotsiny dia tsy afaka ny hanasitrana velively ny maha-mpanota ny olona sy ny faniriany zavatra mihoa-pampana; tsy mahafoana ny fanavakavahana sy ny fifanoherana ara-poko izy ireo; tsy miteraka fitiavana feno fandavan-tena eo amin’ny taranak’olombelona rehetra izy ireo, ary tsy afaka ny hanome antoka ny amin’ny hiafaran’ny aretina sy ny fahafatesana koa. Tsy karakaraina amin’ny fomba mahomby ny amin’ny heloka bevava, ary tsy misy firesahana momba ny handresena ireo tsy fitoviana sy fankahalana ara-pivavahana koa. Ary tsy azo heverina akory aza ny amin’ny hanafoanana ireo loza araka ny natiora. Ny fitiavan-tanindrazana, sy ny hery ananany hiteraka zava-manahirana, dia avela hitoetra eo ihany. Mampalahelo ary fa tsy maintsy manatsoaka hevitra isika fa tsy nahavita nitondra vahaolana azo ampiharina ny olombelona.
Kanefa misy ny vahaolana! Eny tokoa, ireo zavatra rehetra irin’ny olombelona mafy ny hahatongavany ireo dia efa nampanantenaina, ary avy amin’ilay Andriamanitra “tsy mahay mandainga” izany fampanantenana izany. (Titosy 1:2) Fantany tsara izay tsy maintsy atao, ary manana ny fahendrena, ny hery, ary ny fahaizana mba hanatanterahana izay nokasainy izy. — Apokalypsy 7:12; 19:1.
Mampanantena Andriamanitra fa: “Rehefa afaka kelikely, dia tsy hisy ny ratsy fanahy; handinika ny fonenany hianao, fa tsy ho hita izy. Fa ny mpandefitra kosa no handova ny tany ka hiravoravo amin’ny haben’ny fiadanana.” — Salamo 37:10, 11.
Amin’ny fomba ahoana no hanatanterahana izany? Mamaly ny Isaia 11:9 hoe: “Ary tsy handratra na hanimba eran’ny tendrombohitro masina izy; fa ny tany ho henika ny fahalalana an’i Jehovah, tahaka ny anaronan’ny rano ny fanambanin’ny ranomasina.” Eny, hampianarina “ny fahalalana an’i Jehovah” ny taranak’olombelona rehetra, ary izay tsy mety manaiky izany dia tsy havela hijanona ka hanimba ny fiadanan’ny hafa. Tsy ho simba mihitsy intsony ny tanintsika tsara tarehy.
“Jereo ny asan’i Jehovah (...). Mampitsahatra ady hatramin’ny faran’ny tany Izy”, hoy ny ampanantenain’ny Salamo 46:8, 9. (Jereo koa Mika 4:3, 4.) Ny anton-javatra lehibe iray hahatonga ny fiadanana hanerana ny tany dia ny famaranana ireo tsy fifanarahana eo amin’ireo firenena. Ho azo antoka ny fiaraha-miasa, satria ho iray monja ny fitondram-panjakana haneran-tany amin’izay — ny an’Andriamanitra. Ary ny fitondram-panjakany dia Fanjakana “izay tsy ho rava mandrakizay”. (Daniela 2:44) Ambonin’izany, ny Mpanjakany dia i Jesosy Kristy tafatsangana amin’ny maty sady tsy mety maty, izay hanapaka araka ny rariny sy ny hitsiny. — Isaia 9:5, 6; 3:1.
Tsy ho potiky ny tsy fahatanterahana raikitra ao amin’ny olombelona ve izany ka ho simban’ny fanaintainana, ny aretina, ny alahelo ary ny fahafatesana? Tsia, satria ho anisan’ny lasa ireo zavatra ireo. Manome antoka antsika ny Apokalypsy 21:4 hoe: “Ary hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny masony; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana; fa efa lasa ny zavatra taloha.” Ho voavela ny fahotana nolovana noho ny sorom-panavotan’i Jesosy. (Romana 6:23; Efesiana 1:7) Ary iza no afaka mifehy tsara kokoa ireo herin’ny natiora ka hanakana azy ireo tsy handratra ny olombelona noho ilay Mpamorona azy ireo? — Salamo 148:5-8; Isaia 30:30.
Ireo zavatra izay tsy hain’ny olona afa-tsy ny manantena azy sy ny manonofy ny aminy dia homen’Andriamanitra. Rahoviana anefa? Manambara ny faminanian’ny Baiboly fa ireo fiovana ireo dia ho tonga amin’ny fotoana ‘haha-tezitra’ ny firenena ary ‘hanimban’ny olona ny tany’. (Apokalypsy 11:18) Ireo andro faran’ity tontolo tranainy ity dia ho voamariky ny “andro mahory” — hitarika ho amin’ny tarehin-javatra hiharatsy izay efa hitantsika manodidina antsika dieny izao. (2 Timoty 3:1-5, 13) Ary i Jesosy dia nanambara mialoha fa ny taranaka hahita ireo zavatra ireo dia ilay taranaka hahita ny fahatanterahan’ireo fampanantenan’Andriamanitra. — Matio 24:3-14, 32-34.
Makà fotoana mba hanamarinana ireo fampanantenana voarakitra ao amin’ny Baiboly ireo. Satria, raha ny amin’izao manaraka izao, dia samy manaiky ny olona mahafanta-javatra tsara sy Andriamanitra: Izao no fotoana ilàna tontolo vaovao iray!