FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w90 15/12 p. 28
  • Ny hevitr’ilay Ohabolana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny hevitr’ilay Ohabolana
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Nahoana no iangaviana mafy ny fanorohan’ny fahavalo iray?
  • Ahoana no hahafahan’ny marina hihamaro rehefa ringana ny ratsy fanahy?
  • Mandehana ‘Amin’ny Fahitsiana’
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2001
  • ‘Mahazo Sitraka Amin’Andriamanitra ny Tsara Fanahy’
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2003
  • Fahamarinana, Fahitsiana
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • ‘Fitahiana ho An’ny Olo-marina’
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2001
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
w90 15/12 p. 28

Ny hevitr’ilay Ohabolana

Nahoana no iangaviana mafy ny fanorohan’ny fahavalo iray?

NANAO izao fanamarihana izao ilay lehilahy hendry nahazo tsindrimandry avy tamin’Andriamanitra: “Azo itokiana ny fery ataon’ny sakaiza; fa zavatra iangaviana mafy kosa ny fanorohan’ny fahavalo.” (Ohabolana 27:6, MN ) Ahoana no tokony hahatakarana ireo teny ireo?

Ny olona iray tia anao dia hampitondra fery ara-panoharana anao amin’ny fomba tsy mivadika. Mety hanoro hevitra anao amim-pitiavana avy amin’ny fony sy noho ny fanantenana ny hanao tsara aminao izy. Tsy voatery miangavy amin’ny tena sakaiza iray fanampiana toy izany na fanitsiana akory aza ianao rehefa mila izany. Ary toy inona moa ny fahendrenao raha manaiky amim-pifaliana ny torohevitra ilaina, na ny fanakianana manorina, na fanitsiana tsy maintsy ilaina ianao.

Raha tianao hanao zavatra tsara ho anao ny olona mankahala anao, na dia izany aza, dia tsy maintsy miangavy mafy azy ianao. Nahoana? Satria ny fankahalany dia tsy hampirona azy ho azy hanome oroka anao. Hirona hitondra anao amim-pahasiahana kosa aza izy. Izay mety ho hatsaram-panahy hasehony anao dia tsy ho azo avy aminy, raha tsy amin’ny fahasahiranana lehibe ary fiangaviana be avy aminao.

Mifandray amin’izany, dia mahaliana ny iray amin’ireo fanoharana nataon’i Jesosy Kristy. Indray mandeha izy dia niresaka ny amin’ny mpitondratena izay nahazo rariny tamin’ny mpitsara tsy natahotra an’Andriamanitra na mena-maso olona. Ahoana no nahitany fahombiazana? Nanao izay hahazoan’ilay vehivavy ny fanamaivanana mendrika azy ilay mpitsara satria fotsiny nitalaho tsy an-kijanona taminy izy. Nampiasa io fanoharana io i Jesosy mba hampiraikitra lalina ao an-tsain’ny mpianany ny “ilàna hivavaka mandrakariva ary tsy hitsahatra ny hanao izany.” — Lioka 18:1-8, MN.

Ahoana no hahafahan’ny marina hihamaro rehefa ringana ny ratsy fanahy?

Milaza toy izao ny Ohabolana 28:28: “Raha misandratra ny ratsy fanahy, dia miery ny vahoaka; fa raha ringana kosa izy, dia mihamaro ny marina.” Ahoana no maha-marina izany?

Mety ‘hisandratra’ amin’ny fahefana ny ratsy fanahy, angamba amin’ny maha-mpanapaka masiaka azy. Amin’ny fotoana toy izany, dia hiery ny lehilahy marina iray. Mety hanao izany izy noho ny fahatahorany ny fampahorian’izy ireo. Ary nahoana tokoa izy no tsy hanao izany? Marina fa “misy andro anapahan’ny olona ny namany ka ampidirany loza aminy”. — Mpitoriteny 8:9.

Rehefa ringana anefa ny ratsy fanahy, dia “mihamaro” ny olo-marina. Amin’ny ahoana izany? Toa miharihary amin’io toe-javatra io fa amin’izay ny marina dia hivoaka avy amin’ny fiereny ary hiseho vahoaka. Miroborobo izy ireo amin’izany ary toa nitombo isa satria tsy ilainy intsony ny miafina. Raha tahiny ka manapaka amin’izay ny olona mahitsy, dia hanasazy ny mpanao ratsy izy ary hampirisika ny fananana fitondrantena marina. Izany koa dia mety hitondra fampihenana ny isan’ny olona tsy marina ary hampitombo ny marina. — Ampitahao amin’ny Ohabolana 28:12; 29:2.

Ireo izay mahitsy dia hahita tsy ho ela ny handringanana ny ratsy fanahy tsy ho eto an-tany amin’ny “andro fahatezeran’i Jehovah” izay manatona haingana. Noho izany, dia tadiavo ny fahamarinana sy ny fandeferana mifanaraka amin’ny fari-pitondrantena araka an’Andriamanitra, dia mety ho voaro ianao ho ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra, izay tsy isalasalana fa hihamaroan’ny marina. — Zefania 2:2, 3; 2 Petera 3:11-13.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara