“Taratasim-panafody ho amin’ny fitaizana zaza sambatra sy mahomby”
TEO AMBANIN’izany lohateny izany no namoahan’ilay gazetiboky Medical Aspects of Human Sexuality (Ireo lafiny ara-pitsaboan’ny fiainana eo amin’ny maha-lahy sy ny maha-vavy eo amin’ny olombelona) ny lahatsoratra iray namariparitan’ny Dr. Irene Jakab, mpampianatra momba ny aretin-tsaina any amin’ny oniversite, izay heveriny fa ilaina eo amin’ny fitaizana zaza iray ho tonga olon-dehibe mitana andraikitra. Anisan’ireo zavatra voasoratra ao amin’ny “taratasim-panafodiny” ny tsy maintsy hitiavan’ny ray aman-dreny ny zanany, hitarihana azy hahalala izay tsara sy ratsy, ary hampiofanana azy hanao fanapahan-kevitra. Heveriny fa tsy tokony ho ao amin’izany “taratasim-panafody” izany velively ny fahamoran’ny ray aman-dreny ho tezitra, ny fitakiana fahatanterahana, ny fitebitebena tafahoatra, na ny fileferana loatra.
Azo ekena tanteraka ny ‘taratasim-panafodin’ny’ Dr. Jakab nefa voafetra ihany. An’arivony taona maro tokoa izay, ny Baiboly dia nanome torohevitra mitovy amin’izany an’ireo ray aman-dreny. (Jereo, ohatra, ny Ohabolana 4:1; 13:24; 22:6; Kolosiana 3:21.) Kanefa ao amin’ny Baiboly dia misy zavatra izay hadinon’ny Profesora Jakab: ny maha-zava-dehibe dia lehibe ny fampianarana ireo zanaka mba ho tia ny Mpamorona azy ary hifankazatra amin’ny Teniny. Hoy ny nosoratan’ny apostoly Paoly: “Ary hianareo ray, aza mampahatezitra ny zanakareo, fa tezao amin’ny famaizana sy ny fananaran’ny Tompo [lalàm-pifehezan’i Jehovah, MN ] izy.” — Efesiana 6:4; Deoteronomia 6:4-7.
Raha tsy mahazo fiofanana toy izany ny zanaka dia mety hitombo tsy hanana vatofantsika ara-pitondrantena tokoa. Mety hampidi-doza izany eto amin’ity tontolo maloto fitondrantena sy mikororosy ity.