“Anao ity trano ity”
“ANAO ity trano ity — nohalehibeazinay izy io.” Mety tokoa ireo teny ireo mba hamintinana izay tsapan’ireo vao avy nandany roa taona tamin’ny asa mafy tao amin’ny biraon’ny sampan’ny Fikambanana Watch Tower any Aostralia! Nolazaina tamin’i Jehovah Andriamanitra ireo teny ireo, ary izany dia anisan’ny hira iray noforonina hatao ho amin’ny fotoana manokana. Fotoana inona? Ny fitokanana ny fanitarana vaovao ny tranon’ny Betela sy ny fanontam-printy.
Fanitarana sahady ve?
Mahagaga fa fito taona latsaka talohan’izay, dia nisy ny fitokanana toy izany natao ho an’ny fitambaran-tranon’ny Betela vao vita tany Ingleburn, faritra atsimo andrefana amin’ny sisin-tanànan’i Sydney, any Aostralia. Nahoana no nilaina sahady ny fanitarana fanampiny?
Ankoatra ny zavatra hafa, ny isan’ny Vavolombelona any Aostralia izay latsaka ny 32 000 tamin’ny 1981 dia nitombo ka nahatratra ny tampon’isa 51 152 tamin’ny oktobra 1989, ary izany dia nitaky fitomboan’ny mpiasa ao amin’ny Betela. Fanampin’izany, dia nisy fitomboana nahatalanjona teo amin’ny habetsahan’ny zavatra vita an-tsoratra nalefan’i Aostralia tany amin’ny sampana hafa. Amin’izao fotoana izao i Aostralia dia mamoaka zavatra vita an-tsoratra amin’ny fiteny 37 samy hafa mba hanomezana izay ilain’ny nosy Fidji, Indonésie, Papouasie-Nouvelle-Guinée, Nouvelle-Calédonie, Nouvelle-Zélande, ny nosy Salomon, Tahiti, Vanuatu, Niue, Samoa andrefana, Tonga, Tuvalu, ny nosy Wallis, ary koa ny an’i Aostralia. Noho izany antony izany, dia nitombo haingana nahatratra 164 ny mpikambana amin’ny mpianakavin’ny Betela.
Mba hanomezana izay ilain’io fianakaviana mitombo io, teo am-piandohan’ny 1987, dia vita ny fanitarana ny birao nisy rihana vaovao roa, nanome ny velarana fanampiny nilaina fatratra ho an’ny birao. Nanaraka izany, dia neken’ny Kolejy Foibe ny fanorenana rihana roa ho fanalehibeazana ny fanontam-printy ary fanitarana ny trano fonenana misy rihana efatra. Tamin’ny janoary 1988 no nanomboka ny asa fanamboarana ny fanontam-printy vaovao fanampiny, izay hanome velara-ngorodona 3 600 metatra toradroa amboniny. Volana vitsivitsy tatỳ aoriana, dia nanomboka ny asa fanitarana ny fonenana, izay hanome efitrano fatoriana 51 fanampiny.
Fahafoizan-tena sy fanomezana amim-pahalalahan-tanana
Nalefa tany amin’ireo kongregasiona manerana ilay tany ny fanasana nitadiavana mpiasa an-tsitrapo izay afaka ho anisan’ny “mpianakavin’ny fanorenana” hatramin’ny roa taona. Be dia be no namaly ny antso, ary nisy mpiasa an-tsitrapo avy tamin’ny karazan’asa rehetra namaly tamin’ny fo ny antso. Taratasy fangatahana nofenoina isam-batan’olona maherin’ny 700 no voaray, ary nandritra ny fotoana fanorenana, dia mpiasa an-tsitrapo 270 no tonga nanatanteraka ny asa nandritra ny vanim-potoana naharitra tapa-bolana ka hatramin’ny roa taona latsaka.
Nisy Vavolombelona iray nanana orinasa mpandravona tany, any amin’ny fanjakana avaratr’i Queensland. Namidiny ny ampahany tamin’ny raharahany, ka tonga anisan’ny mpianakavin’ny fanorenana izy sy ny vadiny hatramin’ny fanombohan’ny asa. Nividy fiara mpitrongy tany lehibe izy ary nataony ny ankamaroan’ny asa fandravonana tany nilaina tsy nisy fampandoavana na inona na inona ny Fikambanana. Rehefa vita ny ankabeazan’ny asa fanarenana tany, dia namidiny ilay milina ary avy teo, dia nijanona teo an-toerana izy mba hiasa amin’ny lafiny hafa amin’ny fanorenana. Izany dia ohatra iray monja ny amin’ny toe-tsaina mahafinaritra sy mahafoy tena izay nasehon’ny rehetra nandritra ny fanatanterahana ny asa.
Nisy Vavolombelona nampindrana kamiao mpitondra rihibato (béton) mba hitaterana ny rihibato 3 300 metatra toratelo nilaina ho an’ny rihana fiton’ireo trano roa. Ny hafa nanome ny fitaovana nilaina ho an’ny fitoeran-drano telo vita amin’ny rihibato mahazaka 22 000 litatra avy, ary nanome ny herin-tsandriny ny Vavolombelona miasa ao amin’ny fanontam-printy ho fanamboarana izany.
Ekena fa tsy mpiasa za-draharaha avokoa akory ny mpiasa an-tsitrapo rehetra. Raha ny marina, dia efa teo an-toerana ny tovolahy maro vao nianatra asa vaovao. Maro no lasa mpandatsa-biriky mahay rehefa nanampy tamin’ny fandatsahana ireo biriky antsasa-tapitrisa nilaina tamin’ny fanorenana. Ny hafa nianatra nametaka taila-ngorodona (carreaux) tamin’ny rindrina sy ny ngorodona, ary tao anatin’ny herinandro vitsivitsy monja, dia nanjary za-draharaha tamin’ny fametahana temitra ny anabavy iray.
Andro fitokanana
Ny andro fitokanana ny asabotsy 25 novambra 1989, dia nazava sady nibaliaka vao maraina — andro nahafinaritra amin’ny faramparan’ny lohataona. Ny rihana voalohany amin’ny trano fanontam-printy vaovao fanampiny dia nodiovina mba hahaforona ny efitrano fanaovana lahateny lehibe indrindra ho an’ny fandaharan’ny fitokanana. Nampifandraisina tamin’ny alalan’ny fahita lavitra mifandray ny tapany amin’ny rihana misy ny fanontam-printy roa hafa sy ny rihana misy ny fandefasana entana, ary ny efitrano fanaovana lahateny sy ny trano fisakafoana ao amin’ny Betela. Izany dia nahatonga hisy fipetrahana mampiadana ao an-trano ho an’ny olona maherin’ny 3 000.
Noho ny toerana voafetra, dia ireo vita batisa hatramin’ny 40 taona ihany no nasaina hanatrika, niaraka tamin’ireo nasain’ny mpianakavin’ny Betela sy ny mpianakavin’ny fanorenana manokana. Nisy sakafo maivana azo noraisina ny maraina, ary sakafo matsiro natao tao anaty fonosana no naroso tamin’ny mitataovovonana. Tamin’ny 9 ora maraina, no natao ny fivoriana fanaon’ny Fikambanana Watchtower any Aostralia isan-taona, ka nanatrika teo ny mpikambana ara-dalàna rehetra 21 amin’io fikambanana io. Taorian’ny fikarakarana ireo tsipirian-javatra ara-panjakana, dia nisy hafa nasaina tamin’ilay fivoriana, ary faly ny rehetra nihaino ny lahatenin’i Theodore Jaracz anisan’ny Kolejy Foibe.
Tamin’ny 2 ora latsaka fahefany, dia nampiditra ny fandaharan’ny fitokanana ny feon-kiran’ilay Fanjakana nandritra ny 15 minitra. Faly ny mpanatrika nandre filazana, fitantarana fohy, fanandraman-javatra, ary fanazavana nataon’ny mpikambana telo amin’ny Kolejy Foibe nanatrika teo. Tamin’izy telo ireo, dia i Carey Barber sy i Daniel Sydlik no vao voalohany nitsidika an’i Aostralia. Niresaka ny amin’ny foto-kevitra hoe: “Ny fijinjana dia ny faran’ny vanim-potoana” ny rahalahy Barber, fa ny rahalahy Sydlik kosa dia nivaofy ny foto-dresaka hoe: “Sambatra ny vahoaka izay manana an’i Jehovah ho Andriamaniny”. Ny rahalahy Jaracz, izay nitsidika ny sampana tao Aostralia tamin’ny naha-mpiandraikitra ny zaonina azy no nanao ny lahateny fitokanana.
Endriny nahafinaritra aoka izany tamin’ilay fandaharana ny fihirana ny hira nisy andininy efatra talohan’ny lahateny fitokanana. Niorina tamin’ny tenin’i Isaia ao amin’ny Isaia 60:22 ny lohatenin’ilay hira manao hoe “Ny kely ho tonga arivo”. Tao amin’ilay tonon-kira dia fankasitrahana no natolotra an’i Jehovah noho ny nahazoan’ny mpiasa an-tsitrapo maro tombontsoa nanitatra ny “tranony” teo amin’io tapany amin’ny saha maneran-tany io.
[Sary, pejy 15]
Trano vaovao nanampy ny trano fanontam-printin’ny Watch Tower any Ingleburn, Aostralia
C. Barber
T. Jaracz
D. Sydlik