FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w90 15/5 p. 32
  • Ambara maneran-tany ny vaovao tsara

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ambara maneran-tany ny vaovao tsara
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
  • Lohatenikely
  • ‘Mankalaza an’i Jehovah izy ireo any amin’ny nosin-dranomasina’
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
w90 15/5 p. 32

Ambara maneran-tany ny vaovao tsara

Any Espaina, eo amin’ny 80 km eo ho eo avy eo Madrid, no misy fonja roa izay ihazonana mpamono olona sy mpampihorohoro mampidi-doza. Ny iray amin’ireo fonja ireo, izay eo an-dalam-panavaozana, dia ikarakarana ao aminy, efitrano iray izay hampiasaina manokana ho “Efitrano Fanjakana” sy efitrano fianarana ho an’izay rehetra maniry hianatra Baiboly miaraka amin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Ao amin’ilay fonja iray kosa, dia misy mpigadra dimampolo eo ho eo miara-mivory tsy tapaka mba hihaino ny fandraisam-peo an’ireo fivoriana ataon’ny kongregasiona any an-toerana.

Tsy mitovy amin’ny sasany ny mpigadra manatrika ireny fivoriana ireny. Manana fitafy milamina tsara izy ireo ary mitondra karavato mihitsy aza, tsy tahaka an’ireo mpigadra hafa. Misy takela-by mitondra ny soratra hoe “Rarana ny mifoka sigara” mazava tsara ao amin’ilay efitrano fivorian’izy ireo

Ny mbola zava-dehibe kokoa dia mampihatra izay ianarany ireo mpigadra ireo. Ny iray tamin’izy ireo dia efa nanomana hatramin’ny antsipiriany indrindra ny fanafihana banky iray, izay noeritreretiny hatao raha vao afaka izy. Ny fahalalany ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly dia nitarika azy hamela io volavolan-kevitra io. Ny iray hafa koa dia nanapa-kevitra ny hisoratra ara-dalàna amin’ilay vehivavy niara-niaina taminy nandritra ny 9 taona. Ny iray hafa koa dia tonga tao am-pivoriana indray andro nefa ny masony iray nivonto sady mangana. Rehefa nanontaniana izy hoe inona no nahazo azy dia nohazavainy tamim-pifaliana fa ny namany iray izay iray fonja aminy dia namely azy nefa faly be izy satria nahay nifehy tena ary tsy namaly ratsy ny ratsy.

‘Mankalaza an’i Jehovah izy ireo any amin’ny nosin-dranomasina’

Misy feo misandratra avy any amin’ireo nosin-dranomasina izay midera tokoa ny anaran’i Jehovah (Isaia 24:15). Re any amin’ny nosy la Réunion izany, nosy atsy atsinanan’ny kaontinanta afrikana no sady voahodidin’ny ranomasina Indiana, ary anisan’ny faritany karakarain’ny sampana ao amin’ny nosy Maurice. Tafahaona tamin’ny lehilahy iray mpahay mozika izay efa manana ny sasantsasany amin’ireo zavatra vitantsika an-tsoratra ny Vavolombelona tanora iray. Io lehilahy io dia anisan’ny vondrona “rock” iray voaforon’ny lehilahy dimy, izay mamboly sady mivarotra rongony indiana. Na dia izany aza dia nasain’ilay mpitory izy mba hanatrika ny fivoriamben’ny distrika tamin’ny 1986. Tonga ny telo tamin’ny vondrona “rock”, tamin’ny andro voalohan’ny fivoriambe, ary tonga avokoa izy dimy tamin’ny andro famaranana. Niaraka nanomboka nianatra ny Baiboly izy rehetra. Ny efatra amin’izy ireo dia avy amin’ny fianakaviana iray, ary na dia teo aza ny fanoheran’ny havany, dia noravany ny toeram-pamboleny rongony indiana. Avy eo, dia nataony ho fanomezana ho an’ny kongregasiona ny fanamafisam-peo nampiasainy taloha tamin’ny fanaovana mozika “rock”. Nony afaka telo volana, dia samy nanova ny fomba fiainany avokoa izy dimy mirahalahy ka efa mahafeno fepetra takina ho amin’ny fitoriana.

Any atsinanan’i Aostralia no misy an’i Nouvelle-Calédonie. Nandritra ny taom-piasana lasa, ny biraon’ny sampana dia nandefa rahalahy maromaro ho any amin’ny nosy Wallis sy Futuna ananan’ny Eglizy katolika fahefana lehibe amin’ny mponina no sady anoherany ny asantsika. Misy Vavolombelona sasantsasany monina any Nouvelle-Calédonie manana fiaviana avy amin’ireo nosy ireo. Nandritra ny fitsidihana vao haingana natao tany, dia nisy mpitory tafahaona tamin’ny mpampianatra katolika iray. Nilaza tamin’izy ireo izy fa vao tsy ela akory izay dia nitarika ady hevitra tany am-pianarana izy mikasika ireo fivavahana tsy katolika, ary ny mpianatra rehetra dia liana amin’ny zavatra inoan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nanao fanamarihana toy izao ny mpianatra iray, rehefa avy nanao fikarohana sy nihaino famelabelarana mifototra amin’ireo zavatra vitantsika an-tsoratra: “Mahagaga ny mahatsapa fa ireo olona avy amin’ny foko misy antsika tonga Vavolombelon’i Jehovah dia miseho ho mivelatra kokoa, mahay mandanjalanja kokoa ary manana fahalalana mahavariana ny amin’ny Baiboly. Toa afaka manova olona io fihetsiketsehana io. Tsy izany no hitantsika ao amin’ny Fiangonantsika.”

Ny biraon’ny sampana any amin’ny nosy Hawaii dia mampahafantatra anay koa fa misy mpianatra tanora momba sy mifikitra mafy amin’i Jehovah. “Noho izaho natahotra sao haratsin’ny mpiara-mianatra amiko, dia tsaroako tsara fa nisy fotoana nialako araka izay azo natao rehefa hoe hanazava ny antony tsy nanarahako ireo fomba mampiavaka izao tontolo izao ankehitriny, hoy ny fieken’ny zatovovavy Vavolombelona iray. Nefa tsy amin’izao intsony izany! Nianarako ny nanararaotra ny fahafahana hanao fanambarana isaky ny misy manao fanamarihana manafintohina. Nanatsara ny fifandraisako tamin’i Jehovah aho tamin’izany ary tsy dia menatra ny amin’ny tenako intsony aho izao.”

Noho ireo fiezahany feno fahatsoram-po, dia nahazara zavatra vita an-tsoratra maro be izy ary mitarika fampianarana Baiboly hatramin’ny fito. Hoy ny mpampianatra siansa azy taminy: “Efa niady hevitra tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah sasantsasany izay tonga nitsidika ahy aho, nefa tamin’ity taona ity, rehefa niady hevitra niaraka taminao aho ka nomenao zavatra vita an-tsoratra hovakiko ary niaro izay noheverinao fa marina ianao vao nitombo ny fahalalako ny fandaminan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Tena midera ny fiezahana ataonao ny tenako, ary afaka manaja ny fivavahanao koa aho izao. Misaotra noho ny tsy nanakombonanao ny vavanao sy ny nakanao fotoana mba hanazavana ny zavatra inoanao tamiko.”

Toy izao ny fandinihan’io zatovovavy mpitory io ny amin’ny fihetsiny teo anoloan’ny fanambarana any am-pianarana: “Izao no tsapako: Na dia tsy miaraka amin’ny mpitory hafa sy ny mpitory maharitra ao amin’ireo fivoriana ho amin’ny saha fitoriana aza izahay, dia tsy any ivelan’ny faritaninay mihitsy izahay. Isan-kerinandro, dia manana faritany izay tsy azon’ny olon-kafa tsidihina izahay mandritra ny 30 ora.”

[Loharanon-kevitra]

Sombin-dahatsoratra avy ao amin’ny Diary 1988 (anglisy)

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara