Manatsara ny fiainana any Soeda ny kristianisma marina
MANOLOTRA ho an’ny mponina ao aminy fari-piainana anisan’ny ambony indrindra eo amin’izao tontolo izao i Soeda. Ho fanampin’ny sakafo tondraka, fonenana malalaka, fiarakodia, sambo fanaovana fialamboly, vata fahitalavitra, ôrdinatera an’ny tena manokana, ny mponina any Soeda dia mandray soa amin’ny fikarakarana ara-pitsaboana saika maimaimpoana, vola raisina amin’ny fisotroan-dronono sy noho ny fahasembanana, volan-jaza, vola fanampiana hafa omen’ny fanjakana.
Mety hanatsoaka hevitra avy amin’izany àry ianao fa tsy misy afaka manatsara kokoa ny fiainana any amin’ny tany toy izany. Na dia eo aza anefa ny tombontsoa ara-nofo rehetra ananany, dia manana ny anjara fahasahiranany i Soeda: fisaraham-panambadiana, fahazaran-dratsy amin’ny fisotro misy alikaola, fampiasana zavatra mahadomelina, heloka bevava, ary famonoan-tena. Ny fivavahana izay mety ho ny hany nantenaina hanan-kery ara-pitondrantena mahery dia maty any Soeda. Maherin’ny 90 % amin’ny olom-pirenena no anisan’ny Fiangonana loterana, nefa ny 2,1 % aminy monja no miangona tsy tapaka. Niampanga toy izao ny pastora iray: “Miaina mitoka-monina ny Fiangonana (...) Nanary ny herim-piainany izy ary nampisaraka ny tenany tamin’izay ilain’ny vahoaka.”
Ny tsy fahombiazan’ny fiangonana hanatsara ny fiainana any Soeda anefa dia tsy midika ho tsy fahombiazan’ny kristianisma marina. Mahita fahombiazana ireo Vavolombelon’i Jehovah eo amin’ny 22 000 any amin’ny kongregasiona 331 amin’ny fanampiana olona hampihatra ny fotopoto-pitsipika ao amin’ny Baiboly ho fahasoavan’izy ireo. Tsy takona afenina io asa io.
“Tokony hoderaintsika ny Vavolombelon’i Jehovah noho ny zotom-pony amin’ny fanelezana ny hafatra entiny!” hoy ny mpampianatra ara-pivavahana iray tao amin’ny gazetim-pirenena pentekôtista atao hoe Dagen (Ny andro). Nanampy teny toy izao ilay lahatsoratra: “Ny Vavolombelon’i Jehovah no mahaforona ny antoko izay mahazo mpikambana vaovao betsaka indrindra isan-taona ary izy no manana andiana tanora maro indrindra (...) Tokony hianatra avy amin’ny Vavolombelon’i Jehovah isika!”
Marina tokoa fa izay tena maniry hianatra avy amin’ny Vavolombelon’i Jehovah, dia hahita zavatra. Inona izany? Ho hitany hoe hatraiza ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly no afaka manatsara amin’ny fomba manaitra ny fiainany.
Manampy ny fahalalana ny Baiboly
Diniho ange ity taratasy voarain’ny sampan’ny Fikambanana Watch Tower tany an-toerana ity avy tamin’ny reny tanora tsy manambady iray. Izao no nosoratany: “Iriko ny haneho ny fankasitrahako noho ny fiainana tsara hitako hatramin’ny nanombohako nianatra ny Baiboly niaraka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Tsy feno setro-tsigara intsony ny tranoko. Nanjary tsapako ny ilàna handany fotoana misimisy kokoa miaraka amin’ny zanako vavy. Nihatsara ny fiainako ara-bola na dia tsy niova aza ny karamako. Kely kokoa ny zava-manahirana hitako avy amin’ny tsy fahitan-tory. Faly amin’ny fananana tena sakaiza koa aho. Eny, tsy hatakaloko ny fomba fiainako ankehitriny mihitsy ilay nananako teo aloha.”
Ity ohatra hafa ity dia mahatafiditra ny zava-manahirana momba ny fisaraham-panambadiana — izay tena be mpanao any Soeda. Na dia izany aza, dia nampian’ny Baiboly i Arne sy i Ketie izay mpivady. Efa nivady hatramin’ny 13 taona ary nanan-janaka roa izy ireo rehefa nahatonga azy hisara-panambadiana ny zava-manahirana ny amin’ny tsy fitovian-toetra. Nifankahala izy ireo.
Nifandray tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah ary nanomboka nianatra ny Baiboly i Arne izay nifindra trano mba hiaina irery. Nafana fo aoka izany tamin’izay nianarany izy ka nandeha faingana tany amin’i Ketie ary nanandrana nanery azy sy ireo zanany mba hianatra koa. Rehefa nanda i Ketie, dia natosiny teo amin’ny rindrina sady nataony hoe: “Mianatra ianao raha tsy izany dia hovonoiko ho faty!” Niantso ny Vavolombelon’i Jehovah i Ketie ary nitaraina nanao hoe: “Karazana Andriamanitra lozabe toy inona moa izany Jehovah izany?”
Nolazaina tamim-paharetana tamin’i Ketie fa Andriamanitra be fitiavana i Jehovah ka tsy manery na iza na iza. Nanjary ta hahafanta-javatra izy ary naniry ny hianatra bebe kokoa. Arakaraka ny nahazoan’i Arne fahalalana bebe kokoa ny amin’ireo fotopoto-pitsipik’Andriamanitra no nahatony azy ka nihavana sy nifampiresaka tamin’i Ketie indray izy. Nifankahita tsy tapaka tamin’ireo fivoriana tany amin’ny Efitrano Fanjakana izy ireo. Inona no vokatr’izany? Nivady indray izy ireo rehefa samy vita batisa! Mpivady hatramin’ny 8 taona izy ireo, ary manompo amin’ny maha-loholona ao amin’ny kongregasiona i Arne. “Tsy mbola tsara toy ny amin’izao fotoana izao ny fanambadianay, hoy izy ireo. Manan-javatra maro isaorana an’i Jehovah izahay.”
Nanampy ny tanora hanatsara ny fiainany koa ireo fahamarinana ao amin’ny Baiboly. Izao no tsaroan’ny zatovolahy iray atao hoe David: “Nisaraka ny ray aman-dreniko, ary toa niharatsy avokoa ny zava-drehetra teo amin’ny fiainako. Tsy niraharaha na inona na inona aho. Tsy nandeha nianatra matetika aho, ary tsy nanao enti-mody mihitsy nandritra ireo telo taona farany. Nisy fotoana nahitako fa tsy mendrika hiainana ny fiainana. Nanao “jeans” rovidrovitra sy kiraro tonta aho. Lava hatrany amin’ny antsasaky ny lamosiko ny voloko. Nanandrana fomba fiaina isan-karazany aho, toy ny an’ny “punk rocker” sy ny an’ny “hard rocker”. Nifoka sy nisotro ary nanjary tafiditra tamin’ny fanaovana heloka bevava aho.
“Tamin’ny 1986, dia nitsidika ahy ny Vavolombelon’i Jehovah iray. ‘Iray amin’irony fivavahana maizimaizina irony indray ity’, hoy ny eritreritro. ‘Andeha hanaovako fanontaniana tsy ho hainy valiana’. Gaga aho fa voavaliny izany. Nandeha tany amin’ny fampianarany Baiboly iray aho ary hitako fa nanana valin-teny nifandrindra saika ny amin’ny zava-drehetra izy — tsy nisy lesoka mihitsy ny fahamarinana. Nanatrika fivoriambe iray aho ary nitolagaga nahita ireo olona madio sy milamina ary nampiseho fisakaizana ireo. Nanomboka nankany amin’ny fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah aho, ary gaga rehefa nisy olona maro aoka izany nanatona ahy ka nandray ny tanako. Endrey izay firaisankina eo amin’ireto olona ireto!”
Herintaona sy tapany tatỳ aoriana, dia natao batisa amin’ny maha-Vavolombelon’i Jehovah i David. Sarotra tamin’ny havany, ny namany taloha, ny mpampianatra azy sy ny hafa ny nino fa ilay David fantany taloha io zatovolahy madio sy milamina ary tsara fitafy io.
Vokany mihanaka toy ny onjan-drano
Mety hahakivy ny fitoriana isan-trano any Soeda indraindray. Miaro amim-pirehetana ny fiainany manokana ny mponina any Soeda. Rehefa maneno ny korintsana eo am-baravarana, dia mety hijery eo amin’ny lavaka kely izy, ary varavarana maro no mihidy mandrakariva eo anoloan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Tsy kivy anefa izy ireo. Fantatry ny Vavolombelona fa afaka mahita ny toerana misy ny olona tsara fikasa ny anjely (Apokalypsy 14:6; jereo Matio 13:41). Rehefa tafiditra indray mandeha eo amin’ny fiainan’ireny olona ireny anefa ny fahamarinana, dia matetika izany no miparitaka — toy ny onja kely eo amin’ny rano — any amin’ny havana aman-tsakaiza.
Izao no tsaroan’ny vehivavy iray tany Stockholm izay nitomany teo amin’ny latabatry ny lakoziany noho ny fahoriana teo amin’ny fiainany. “Namoy fo aho”, hoy izy. “Tampoka teo, dia nanomboka nivavaka aho hoe: ‘Andriamanitra ô, te hiresaka aminao ny amin’ny fiainana aho’. Naneno ny korintsana teo amin’ny varavarana. Teo amin’ny hirika kely amin’ny varavarana no nahatazanako lehilahy iray tsara fitafy, ka dia novohako ny varavarana. Nolazainy fa naniry ny hizara hevitra mampahery sasany avy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra izy. Iray amin’ny Vavolombelon’i Jehovah izy. Nanontany azy aho raha efa nitsidika olon-kafa tamin’ny rihana nisy ahy izy. ‘Tsia’, hoy izy, ‘Eo an-dalam-podiana avy nampianatra Baiboly aho no nanapa-kevitra hanao fitsidihana sasany. Sendra nanomboka tato fotsiny aho.’ Gaga aho satria nipetraka tany ambony rihana aho. Nahafinaritra izay nasehony tamiko.”
Tsy ela dia nanomboka nianatra ny Baiboly io vehivavy io. Tamin-kafanam-po no nanombohany nizara izay nianarany tamin’ireo havana aman-tsakaizany. Nizara Baiboly 28 izy ary boky 96. Inona no vokatr’izany? Tsy ela dia nianatra ny Baiboly sy vonona ho amin’ny batisa ny vadiny, ny rahavaviny roa, ny zana-drahavaviny mianadahy, ny zaodahiny, ny rainy sy ny reniny, ny zanakalahin’ny vadiny tamin’ny fanambadiana taloha, ny mpiara-miasa aminy ary mpivady naman’ny vadiny. Hatramin’izao, dia olona 13 no nanana fahafahana hanatsara ny fiainany avy amin’ny fitsidihana teo am-baravarana nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah iray. Hoy io vehivavy io: “Nitondra soa maro aoka izany teo amin’ny fiainantsika ny fanarahana ny sitrapon’i Jehovah ka tokony hisaotra azy eo am-pandohalehana isan’andro isika!”
Fanambarana any an-tsekoly
Misy zava-manahirana lehibe momba ny fifehezana any amin’ny sekoly maro any Soeda. Niseho ho hery mitaona tsara anefa ireo Vavolombelona tanora tamin’ny fizarana amin’ny mpampianatra sy ny mpiara-mianatra ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly. Ilay zatovo atao hoe Jorgen, ohatra, dia nanambara miharihary tamin’ny mpampianatra sy ny iray kilasy taminy fa Vavolombelon’i Jehovah izy. Nohajaina noho ny fahatsorany sy ny fitondrantenany tsara izy. Novalian’i Jorgen tamim-panajana foana na dia ny fanontaniana mihantsy aza, ary izany dia tamin’ny fakana teny avy ao amin’ny Baiboly. Nanaitra lalina ireo mpiray kilasy taminy ny fihetsiny. Mitantara toy izao i Jorgen:
“Herintaona taorian’ny nahavitan’ny fianarako, dia nifankahita tamin’i Peter, mpiray kilasy tamiko taloha aho. Taorian’ny ady hevitra maromaro, dia nanomboka nitarika fampianarana Baiboly taminy aho. Noho ny fanoheran’ny reniny, dia nianatra teny amoron-dranomasina izahay. Natao batisa tamin’ny martsa 1988 i Peter. Nomarihin-dreniny fa niova ho tsara kokoa ny zanany lahy, ka dia nanomboka nianatra koa izy. Fotoana kelikely tatỳ aoriana, dia natao batisa koa izy.
“Nanomboka nianatra ny Baiboly i Torbjorn, mpiray kilasy tamiko taloha hafa iray. Nanao izany koa ny reniny. Samy vita batisa izy ireo izao.” Amin’ny fitambarany, dia efatra amin’ireo mpiray kilasy tamin’i Jorgen no nanomboka nianatra ny Baiboly, ary maneho fahalianana ny fahadimy. “Manantena aho fa hampirisika ny Vavolombelona tanora any an-tsekoly tsy hitsahatra ny hanao fanambarana io fanandraman-javatra io”, hoy ny famaranan-tenin’i Jorgen. “Ny fitondrantena kristiana ananany sy ny fijoroana ho an’ny fahamarinana dia mety hamafy voa izay mety hanome vokatra tsara any aoriana.”
Ady ho an’ny fahafahana ara-pivavahana
Nanana anjara lehibe tamin’ny fanorenana fototra ho an’ny fahafahana ara-pivavahana any Soeda koa ny Vavolombelon’i Jehovah. Izany dia niasa ho tombontsoan’ny rehetra.
Ohatra, toy ny any amin’ny tany hafa rehetra, dia nanapa-kevitra manokana ny Vavolombelon’i Jehovah tsirairay any Soeda ny hitana ny fialanalanana kristiana (Jaona 17:16). Ho vokatr’izany, dia maro no voaheloka an-tranomaizina nandritra ny fotoana lava. Tamin’ny 1966 anefa, dia nisy zava-dehibe nitranga ho tombontsoan’ny fahafahana ara-pivavahana rehefa nanapa-kevitra ny manam-pahefana fa, eo am-piandrasana fanadihadiana manokana, dia tsy tokony hantsoina ho miaramila ny Vavolombelona. Ny fileferana ara-pivavahana any Soeda dia nampiasain’ny fitondram-panjakana hafa ho môdely.
Nahakasika ny zon’ny marary ny raharaha hafa iray. Heverin’ny Vavolombelon’i Jehovah ho zava-dehibe ny fandidian’ny Baiboly ‘hifady ny ra’, ka noho izany, dia laviny ny fampidiran-dra (Asan’ny apostoly 15:28, 29). Na dia tsy ny mpitsabo sy ny mpiasan’ny hôpitaly rehetra aza no manaja io toerana tanana miorina amin’ny Soratra masina io, tsy ela izay, dia nanambara toy izao teo amin’ny lohateny ny gazety lehibe indrindra any Soeda: “Tokony hohajaina ny fandavana fampidiran-dra raha toa ilay marary ka mahafantatra ny ho vokany.”
Ireo teny ireo no nanombohana ny tatitra ny amin’ny fivoriana nataon’ny Komitim-pirenena momba ny fahasalamana sy ny fiadanana ary ny Solontenan’ny Fikambanan’ny fitsaboana soedoazy momba ny fitondrantena ara-pitsaboana. Rehefa avy nandinika ny toeran’ny Vavolombelon’i Jehovah ireo manam-pahefana ireo, dia nanapa-kevitra ny hampirisika ny mpitsabo rehetra hanaiky rehefa marary tompon’andraikitra eo anatrehan’ny lalàna — 15 taona no ho miakatra — no mandà fampidiran-dra. Niaiky izy ireo fa misy famerana bebe kokoa ny fampidirana ra ankehitriny noho ny mety ho fifindran’aretina. Zava-dehibe kokoa anefa ny fanapahan-kevitra tamim-pahalalana tsara nataony dia manohana ny zo fototra ananan’ny marary handa endri-pitsaboana iray manokana.
Marina fa mifaly amin’ny fiainana ara-nofo tsara ny ankamaroan’ny mponina any Soeda. Maro anefa no mila hampiorenina ara-pitondrantena sy ara-panahy. Tsy azo lavina fa ny kristiana marina any amin’io tany io dia nanampy mba hanatsara ny fiainan’izay rehetra maniry hianatra sy hanaraka ny Tenin’Andriamanitra. Ny olona tsara fikasa toy izany dia mifaly koa amin’ny fahatsinjovana ny fiainana mandrakizay ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra ho avy. — Jaona 17:3; 2 Petera 3:13; Apokalypsy 21:3, 4.
[Sarintany, pejy 22]
(Jereo ny gazety)
NORVEZY
SOEDA
FINLANDA
U.R.S.S.
DANEMARKA
R.F.A.
R.D.A.
POLONINA