Misy heriny eo amin’ny fiainanao ny fomba fiheveranao ny fanahy (âme)
“Tonga fanahy (âme) velona ny olona.” — GENESISY 2:7, MN.
1, 2. Inona no ampianarin’ny ankamaroan’ny fivavahana mikasika ny olona sy ny fanahy?
SAIKA ny fivavahana rehetra no mampianatra fa manana fanahy tsy mety maty ny olombelona. Milaza ny Firaketana katolika vaovao (anglisy) fa ny fanahy (âme) dia “noforonin’Andriamanitra ary nampidirina tao anatin’ny vatana tamin’ny fahatorontoronina”, ary koa ny tsy fahafatesan’ny fanahy dia “dia anisan’ny hevitra inoana fototra” ao amin’ireo Fiangonan’ny fivavahana lazaina fa kristiana. Toy izany koa, “any amin’ireo miozilimana, hoy ny Nouvelle Encyclopédie britannique, ny fanahy dia miara-misy amin’ny vatana ary, atỳ aoriana, dia mitokana ny fisiany satria vonjimaika ihany ny fiarahany amin’ny vatana.”
2 Mino ireny fivavahana ireny fa mandao ny vatana amin’ny fotoam-pahafatesana ny fanahy (âme), ary manohy miaina mandrakizay ka ny anjarany dia fahasambarana any an-danitra, na fandalovana any amin’ny afo fandiovana, na fijaliana mandrakizay any amin’ny afobe mirehitra. Heverin’izy ireo ho varavarana mivoha ho amin’ny fiainana mandrakizay any amin’ny faritra ara-panahy ny fahafatesana. Vavolombelon’izany ireto teny voatonona ao amin’ilay boky hoe Mino ny tsy fahafatesana izahay (anglisy) ireto: “Amiko, ny fahafatesana dia fisetran-javatra mahatalanjona, fanandratana avy amin’Andriamanitra”
3. Inona no ampianarin’ny fivavahana tatsinanana samihafa?
3 Mino ny fifindran’ny fanahy any amin’ny vatana hafa (réincarnation) ny hindoa sy ny bodista ary ny hafa. Mihevitra indrindra izy ireo fa mifindra vatana ny fanahy amin’ny fahafatesana ka teraka indray amin’ny endrika olona na zavamiaina hafa. Raha tsara toetra ilay olona, dia heverina fa teraka indray ao amin’ny olona manana toerana ara-tsosialy ambony kokoa ny fanahiny. Fa raha ratsy toetra kosa izy, dia heverina fa ho teraka indray ao amin’ny olona ambany ara-tsosialy kokoa, na ao amin’ny biby na voana (bibikely) mihitsy aza.
4, 5. Nahoana no zava-dehibe ny hahafantarana ny fahamarinana mikasika ny fanahy?
4 Ary raha ohatra moa ka tsy manana fanahy tsy mety maty ny olombelona, ary ny fahafatesana tsy “fanandratana avy amin’Andriamanitra” na varavarana mivoha avy hatrany ho amin’ny fiainana mandrakizay any amin’ny faritra ara-panahy na amin’ny fifindran’ny fanahy vatana (réincarnation)? Raha izany no izy, dia diso lalana ireo mino ny tsy fahafatesan’ny fanahy. Araka ilay boky hoe Fampianarana katolika ofisialy (anglisy), dia mifikitra amin’ny finoana ny tsy fahafatesan’ny fanahy ny Eglizy satria ny fialana amin’izany “dia tsy hampisy heviny na hanamaizina ny vavaka fanaony, ireo fombafombam-pandevenany, ary ny fanomezam-boninahitra ara-pivavahana ataony amin’ny maty”. Manan-kery eo amin’ny fiainantsika sy ny fanompoam-pivavahana arahintsika ary ny hoavintsika mandrakizay àry ny fomba fiheverantsika ny fanahy. — Ohabolana 14:12; Matio 15:9.
5 Zava-dehibe ny hahafantarana ny fahamarinana mikasika ny fanahy, satria hoy i Jesosy hoe: ‘Izay mivavaka amin’Andriamanitra tsy maintsy mivavaka amin’ny fanahy sy ny fahamarinana’. (Jaona 4:24). Ny Tenin’Andriamanitra, ny Baiboly no mampahafantatra ny fahamarinana ny amin’ny fanahy olombelona. Koa satria nambaran’Andriamanitra ao amin’ny Soratra ara-tsindrimandry ny fikasany, dia mahazo matoky isika fa marina izany (1 Tesaloniana 2:13; 2 Timoty 3:16, 17). Niteny toy izao tamin’Andriamanitra tao amin’ny vavaka iray i Jesosy: “Ny teninao no fahamarinana.” — Jaona 17:17.
Noforonina manana fanahy tsy mety maty ve ny olombelona?
6. Inona no voalaza mazava ao amin’ny fitantarana ny famoronana ny olombelona ao amin’ny Genesisy?
6 Izao no vakintsika ao amin’ny Genesisy 2:7: “Ary vovo-tany no namoronan’i Jehovah Andriamanitra ny olona, ary nofofoniny fofonaina mahavelona ny vavorony; dia tonga olombelona [fanahy velona, MN ] izy. Tsy milaza ny fitantarana hoe nampidiran’Andriamanitra fanahy tsy mety maty tao amin’ny olona. Ambarany fa, rehefa nanome aina ny vatana ny herin’Andriamanitra, dia “tonga fanahy velona” izy. Takatsika àry fa ny olombelona dia fanahy, fa tsy hoe manana fanahy izy akory.
7. Noho ny zava-kendrena inona no nametrahana ny olombelona teto an-tany?
7 Namorona an’i Adama mba ho velona eto an-tany fa tsy any an-danitra Andriamanitra. Tsy natokan’Andriamanitra ho toeram-pisedrana fotsiny akory ny tany mba hahitana raha mendrika ny ho any an-danitra i Adama na tsia. Noforonin’Andriamanitra mba “honenana” ny tany, ary i Adama no mponina olombelona voalohany tao (Isaia 45:18; 1 Korintiana 15:45). Tatỳ aoriana, rehefa namorona an’i Eva ho vadin’i Adama Andriamanitra, dia nilaza taminy mba hameno olona ny tany sy hanao azy ho paradisa hitoeran’ny olombelona mandrakizay. — Genesisy 1:26-31; Salamo 37:29.
8. a) Mba hahavelomana, dia fepetra inona no tsy maintsy nofenoin’i Adama? b) Raha tsy nanota i Adama, dia taiza izy no nanohy niaina?
8 Tsy voalaza na aiza na aiza ao amin’ny Baiboly fa manana tapany tsy mety maty i Adama. Mifanohitra amin’izany fa, mba hahavelona, dia tokony hameno fepetra izy: mankatò ny lalàn’Andriamanitra. Inona no hitranga raha mandika izany lalàna izany izy? Handeha hiaina mandrakizay any amin’ny faritra ara-panahy ve izy? Tsy izany velively. ‘Ho faty tokoa’ izy. (Genesisy 2:17.) Hiverina ho any amin’izay niaviany izy. Hoy Andriamanitra taminy: “Fa vovoka hianao, ary hiverina ho amin’ny vovoka indray hianao.” (Genesisy 2:7; 3:19). Tsy nisy Adama talohan’ny namoronana azy, ary tsy hisy intsony izy aorian’ny fahafatesany. Tsy nanana afa-tsy safidy tokana àry izy: na 1) mankatò dia velona, na 2) tsy mankatò dia maty. Raha tsy nanota i Adama, dia ho niaina mandrakizay teto an-tany izy, tsy nisy fankanesana any an-danitra mihitsy.
9. Inona no lazain’ny Baiboly ara-drariny mikasika ny fahafatesana, ary nahoana?
9 Tsy nankatò i Adama, ary maty (Genesisy 5:5). Ny fahafatesana no famaizana azony. Ho azy izany dia tonga varavarana nivoha, tsy ho amin’ny “fisetran-javatra mahatalanjona” akory, fa ho amin’ny tsy fisiana. Tsy sakaiza àry izany ny fahafatesana, fa ‘fahavalo’, araka ny voalazan’ny Baiboly. (1 Korintiana 15:26.) Raha toa i Adama ka nanana fanahy tsy mety maty izay ho nankany an-danitra raha nankatò hatrany izy, dia ho valisoa àry ny fahafatesana. Tsy izany anefa no izy. Izy io dia ozona. Noho ny fahotan’i Adama, dia niitatra ho amin’ny olona rehetra io ozona io, satria taranany izy rehetra. — Romana 5:12.
10. Fanontaniana tena lehibe inona no mipoitra raha inoana fa nanana fanahy tsy nety maty i Adama?
10 Ankoatra izany, raha tamin’ny namoronana azy i Adama no nomena fanahy tsy mety maty izay natao hampijalina mandrakizay any amin’ny afobe mirehitra raha manota izy, nahoana no tsy nampiomanina ny amin’izany izy? Nahoana no nilazana fotsiny izy fa ho faty ary hiverina amin’ny vovoka? Tsy ho rariny tokoa raha nomelohina ho amin’ny fijaliana mandrakizay izy noho ny tsy fankatoavany nefa tsy nampiomanina ny amin’izany! “Tsy misy fanaovana ny tsy rariny” anefa ao amin’Andriamanitra (Deoteronomia 32:4, MN ). Tsy nisy nilàna niresahana tamin’i Adama ny amin’ny afobe mirehitra ho an’ny fanahy tsy mety matin’ny olon-dratsy, satria tsy nisy ny toerana toy izany, toy ny tsy fisian’ny fanahy tsy mety maty. Tsy misy olona ampijalina mandrakizay rehefa miverina ho vovoka.
Ny teny hoe “fanahy” (âme) ao amin’ny Baiboly
11. a) Teny hebreo sy grika inona no adika hoe “fanahy” (âme) ao amin’ny Baiboly? b) Ahoana no andikan’ny Baibolin’i Jerosalema ny teny hebreo sy grika midika hoe “fanahy”?
11 Ao amin’ny Soratra hebreo dia “fanahy” (âme) no nandikana ny teny hebreo hoe nèphèsh izay hita maherin’ny in-750. Ny teny mifanitsy amin’izany ao amin’ny Soratra grika dia psukhê izay hita maherin’ny in-100. Adikan’ny Soratra Masina — Fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao amin’ny fomba mitovy hoe “fanahy” (âme) ireo teny ireo. Teny isan-karazany no andikan’ny fandikan-teny hafa azy ireo. Ireto ny sasantsasany amin’izay ampiasain’ny Baibolin’i Jerosalema mba andikana ny teny hoe nèphèsh: fanahy (âme), fahazotoan-komana, biby, fo, faniriana, vavony, zavamiaina, hanoanana, olona maro, tenda, faty, olona, ny tena ihany, fofonaina, ary aina. Mandika ny psukhê amin’ny hoe fanahy (âme), fo, saina, zavamiaina, olona ary aina io fandikan-teny io.
12. Ahoana no ampiasan’ny Baiboly ny teny hebreo sy grika midika hoe “fanahy”?
12 Lazain’ny Baiboly ho nèphèsh ireo zavaboary any anaty rano. Resahiny tokoa ny amin’ny “zava-mananaina [fanahy velona, MN ] izay ao anaty rano”. (Levitikosy 11:10.) Mety mihatra amin’ny biby eto ambonin’ny tany koa io teny io: “Aoka ny tany hamoaka zava-mananaina [fanahy velona, MN ], samy araka ny karazany avy, dia biby fiompy sy biby mandady na mikisaka ary bibi-dia.” (Genesisy 1:24). Injatony maro ny teny hoe nèphèsh no manondro olombelona. “Ny isan’ny olona [fanahy, MN ] rehetra naterak’i Jakoba dia [fanahy, MN ] fito-polo.” (Eksodosy 1:5). Amin’izany heviny izany no nampiasana ny teny hoe psukhê ao amin’ny 1 Petera 3:20 ohatra. Io andininy io dia miresaka ny amin’ny sambo fiaran’i Noa “izay nidiran’ny olona vitsy, dia izy valo mianaka [fanahy valo, MN ], ka dia namonjena azy ny rano”.
13. Ao anatin’ny teny manodidina inona no ampiasan’ny Baiboly ny teny hoe “fanahy”?
13 Ao anatin’ny faritra hafa maro be no ampiasan’ny Baiboly ny teny hoe “fanahy”. Izao no vakina ao amin’ny Genesisy 9:5: “Fa ny ranareo [ran’ny fanahinareo, MN ] kosa dia hadiniko.” Araka io andinin-teny io dia manana ra ny fanahy. Izao no voalaza ao amin’ny Eksodosy 12:16: “Afa-tsy izay hohanin’ny isan-olona [ny fanahy tsirairay avy, MN ], dia izany ihany no hamboarinareo.” Araka ireo teny ireo dia mihinan-kanina ny fanahy. Misy firesahana ny amin’ny lehilahy iray izay “mangalatra ny anankiray [fanahy iray, MN ] amin’ny (...) rahalahiny” ao amin’ny Deoteronomia 24:7. Azo antoka fa tsy fanahy tsy mety maty akory no nangalarina. Milaza ny Salamo 119:28, MN, hoe: “Tsy natory noho ny alahelo ny fanahiko”. Mety tsy hahita tory mihitsy àry ny fanahy. Asehon’ny Baiboly koa fa mety maty ny fanahy. Eny, maty izy io. “Izany fanahy izany dia tokony hofongorana tsy ho amin’ny fireneny.” (Levitikosy 7:20, MN ). “Tsy hiditra am-paty [ho eo amin’ny fanahy maty, MN ] izy.” (Nomery 6:6). “Ny ainay [fanahinay, MN ] no ho faty.” (Josoa 2:14). “Ary izay rehetra [ny fanahy rehetra, MN ] tsy hihaino izany mpaminany izany dia haringana tsy ho eo amin’ny olona.” (Asan’ny apostoly 3:23). “Ary maty ny zava-manan-aina [fanahy velona, MN ] rehetra tao aminy.” — Apokalypsy 16:3.
14. Inona no tondroin’ny Baiboly mazava ho fanahy?
14 Miharihary amin’ny fomba fampiasan’ny Baiboly ny teny hoe nèphèsh sy psukhê fa ny fanahy dia ilay olona na, raha biby no resahina, dia ilay zavaboary. Tsy tapany tsy mety maty na inona na inona ao amin’ilay olona akory izany. Na dia izany aza, dia ampiasaina mikasika ny tenan’Andriamanitra mihitsy ny teny hoe nèphèsh: “Fa (...) ny mifaly hampidi-doza dia samy halan’ny fanahiny.” — Salamo 11:5.
Filazana nanomezan-dalana maro be no mifanaraka
15. Inona no ambaran’ny boky fakàn-teny maro momba ny fampianarana ny amin’ny tsy fahafatesan’ny fanahy?
15 Mpivaofy teny maro no mifanaraka mba hilazana fa tsy miresaka ny amin’ny fanahy tsy mety maty ny Baiboly. Izao no ambaran’ny Firaketana kely jiosy (anglisy): “Tsy ampianarin’ny Baiboly ny tsy fahafatesan’ny fanahy, ary tsy hita ao amin’ny soratr’ireo raby voalohany koa io fampianarana io.” Izao no vakina ao amin’ny Firaketana jiosy (anglisy): “Ny finoana fa mitohy aorian’ny fahalevonan’ny vatana ny fisian’ny fanahy dia tsangan-kevitry ny filôzôfia na ny teôlôjia fa tsy fampianarana tsy maintsy inoana fotsiny akory; ankoatra izany, dia tsy mampianatra mivantana izany zavatra inoana izany na aiza na aiza ny Soratra Masina.” Manome izao fanazavana izao ny Rakibolana milaza hevitry ny Baiboly (anglisy): “Ny nèphèsh (...) dia tsy manohy ny fisiany any ivelan’ny vatana, fa maty miaraka aminy. (...) Tsy mihitsy misy andininy ao amin’ny Baiboly manohana ny filazana fa misaraka amin’ny vatana amin’ny fotoam-pahafatesana ny ‘fanahy’.
16. Filazana nanomezan-dalana inona no nambara mikasika ny fanahy?
16 Izao no ambaran’ny Rakibolana milaza hevitr’ireo teny ao amin’ny Baiboly (anglisy): “Ao amin’ny T[estameta] T[aloha], ny teny hoe ‘fanahy’ dia tsy manondro tapany tsy azo tsapaina amin’ny olombelona izay manohy ny fisiany aorian’ny fahafatesana. Ny [nèphèsh] dia mifanitsy indrindra amin’ny aina ananan’ny zava-miaina miavaka. (...) Ny hevitry ny [psukhê] voalohany dia nofaritan’ny teny izay mifanitsy aminy ao amin’ny T[estamenta] T[aloha], fa tsy ny heviny ao amin’ny kolontsaina grika akory.” Ary ambaran’ny Rakibolana momba ny Baiboly Eerdmans (anglisy) fa, ao amin’ny Baiboly, ny teny hoe fanahy dia “tsy manondro tapany amin’ny olombelona, fa ilay olona manontolo mihitsy. (...) Amin’izany heviny izany dia tsy manana fanahy ny olombelona — izy dia fanahy”. — Izahay no manipika.
17. Inona no eken’ny boky katolika roa mikasika ny fanahy?
17 Na dia ny Nouvelle Encyclopédie catholique aza dia miaiky fa “ao amin’ny Baiboly, ireo teny nadika hoe fanahy dia mazàna manondro ilay olona iray manontolo.” Manampy teny toy izao io boky io: “Tsy misy fisarahan’ny vatana sy ny fanahy ao amin’ny T[estamenta] T[aloha]. (...) Na dia nadika amin’ny fitenintsika hoe fanahy aza ny teny [nèphèsh], izany dia tsy midika na oviana na oviana ho fanahy miavaka amin’ny vatana na amin’ilay olona mihitsy. (...) Ny voambolana [psukhê] no teny ao amin’ny T[estamenta] V[aovao] mifanitsy amin’ny [nèphèsh]. (...) Tsy mora hita ao amin’ny Baiboly ny fiheverana ny amin’ny fitohizan’ny fahaveloman’ny fanahy aorian’ny fahafatesana. Atoa Georges Auzou, profesora katolika frantsay momba ny Soratra masina, dia nanoratra toy izao ao amin’ny bokiny hoe La Parole de Dieu: “Ny hevitra ny amin’ny ‘fanahy’ amin’ny maha-zava-misy ara-panahy na tsy azo tsapain-tanana tsotra fotsiny, miavaka amin’ny ‘vatana’, (...) dia tsy misy ao amin’ny Baiboly.”
18. a) Inona no ambaran’ny firaketana iray mikasika ny fampiasana ny teny hoe “fanahy” ao amin’ny Baiboly? b) Tany amin’iza no nindraman’ny teôlôjiana ny hevitra ilazana fa misy zavatra velona hatrany aorian’ny fahafatesan’ny vatana?
18 Izao no ambaran’ny Firaketana amerikana: “Mahita ny olombelona ho zava-tokana fa tsy ho fitambaran’ny fanahy sy ny vatana ny Testamenta Taloha.” Na dia nadika matetika hoe ‘fanahy’ aza ny teny hebreo [nèphèsh], dia ho fahadisoana ny hanomezana azy ny heviny teo amin’ireo Grika. (...) Tsy manondro na oviana na oviana zavatra manana ny maha-izy azy misy misaraka amin’ny vatana ny [nèphèsh]. Matetika no adika hoe ‘fanahy’ ny teny grika [psukhê], nefa, eo indray, dia tsy azo atao ny manombatombana fa manana ny heviny izay nomen’ny filôzôfa grika azy izy. (...) Tsy manome izany filazalazana mazava ny amin’ny fomba fitohizan’ny fahaveloman’ny olona aorian’ny fahafatesana izany ny Baiboly.” Nanampy teny toy izao io firaketana io: “Tsy maintsy naka ny hevitry ny filôzôfa ireo teôlôjiana mba hamariparitana amin’ny teny mety ny fitohizan’ny fahaveloman’ny olona aorian’ny fahafatesana.”
Tsy araka ny Baiboly fa araka ny filôzôfia
19. Inona no fifandraisana misy amin’ny filôzôfia grika sy ny finoana ny tsy fahafatesan’ny fanahy?
19 Marina fa nandray filôzôfian’ny mpanompo sampy ireo teôlôjiana mba hilazana ny fampianarana ny amin’ny tsy fahafatesan’ny fanahy. Miaiky izany amin’izao teny izao ny Dictionnaire Encyclopédique de la Bible: “Avy amin’ny fisainana grika ny hevitra ny amin’ny tsy fahafatesan’ny fanahy.” Milaza ny Firaketana jiosy hoe: “Nahita voalohany ny hevitra ny amin’ny fanahy tsy mety maty ny Jiosy rehefa nifampikasoka tamin’ny fisainana grika, indrindra fa ny filôzôfian’i Platon izay solontenan’izany lehibe indrindra.” Izao no nambaran’i Platon izay velona tany amin’ny taonjato faha-4 talohan’i Jesosy Kristy: “Tsy mety maty sady tsy mety simba ny fanahy, ary azo antoka fa hisy any amin’ny tontolo hafa any ny fanahintsika.” — Resaka nifamaly nataon’i Platon (anglisy).
20. Oviana ary tamin’ny fomba ahoana no nahatafiditra ny filôzôfian’ny mpanompo sampy tao amin’ny kristianisma?
20 Oviana no nitsofoka tao amin’ny kristianisma io filôzôfian’ny mpanompo sampy io? Mamaly toy izao ny Nouvelle Encyclopédie britannique: “Nanomboka teo antenatenan’ny taonjato faha-2, ireo kristiana nanana fahalalana sasany ny amin’ny filôzôfia grika dia nanomboka nahatsapa filana hilaza ny finoany araka ny tenin’io filôzôfia io noho ny fahafahampony ara-tsaina sy mba hitarihana ireo mpanompo sampy nanam-pahalalana hiova finoana. Ny filôzôfia nety taminy indrindra dia ny platonisma.” Tamin’izany, hoy ny fanazavan’io firaketana io, “no nandraisan’ireo filôzôfa kristiana voalohany ny hevitra grika ny amin’ny tsy fahafatesan’ny fanahy”. Ny tenan’ny papa Jean-Paul II mihitsy aza no niaiky fa mitondra ao aminy “ireo tsangan-kevitra avy any amin’ny fianarana filôzôfia grika sasantsasany” ny hevitra ny amin’ny fanahy tsy mety maty. Tamin’ny fanekena ireny tsangan-kevitra ireny no nandavan’ny fivavahana lazaina fa kristiana ny fahamarinana tena tsotra voalaza ao amin’ny Genesisy 2:7 (MN ) izay amakiana hoe: “Dia tonga fanahy velona ny olona.”
21. Hatramin’ny oviana no niandohan’ny finoana ny amin’ny fanahy tsy mety maty?
21 Nampianarina ela be talohan’i Platon anefa ny tsy fahafatesan’ny fanahy. Nanoratra toy izao tao amin’ny bokiny hoe Ny fivavahan’i Babylonia sy Asyria (anglisy) i Morris Jastrow: “Nitana marina tokoa ny sain’ireo teôlôjiana babyloniana (...) ny raharaha ny amin’ny tsy fahafatesan’ny fanahy. (...) Noheverin’izy ireo ho lalana mankamin’ny endri-piainana hafa iray ny fahafatesana.” Hazavain’i Siegfried Morenz ao amin’ny bokiny hoe Ny fivavahana egyptiana (anglisy) fa “noheverin’ny Egyptiana fahiny ho fitohizan’ny fiainana eto an-tany fotsiny ny fiainana aorian’ny fahafatesana”. Nomarihin’ny Encyclopédie juive fa misy fifandraisana eo amin’ireny fivavahana fahiny ireny sy i Platon; milaza tokoa izy io fa nanjary nanaraka ny hevitra ny amin’ny fanahy tsy mety maty io filôzôfa io noho ny zava-miafin’i Orphée sy Eleusis izay mifangaro amin’ny fomba hafahafa amin’ny fiheverana babyloniana sy egyptiana”.
22. Nahoana no azo atao ny milaza fa nafafy hatrany amin’ny fiandohan’ny tantaran’olombelona ny voan’ny fampianarana ny amin’ny tsy fahafatesan’ny fanahy?
22 Tena tranainy àry ny hevitra ny amin’ny fanahy tsy mety maty. Raha ny marina dia tonga hatrany amin’ny fiandohan’ny tantaran’olombelona ny fakan’izany. Rehefa avy nampiomanina i Adama fa ho faty izy raha tsy mankatò an’Andriamanitra, i Eva vadiny dia naharay filazana nifanohitra tamin’izany: “Tsy ho faty tsy akory hianareo.” Nafafy hatramin’izay ny voan’ny fampianarana ny amin’ny tsy fahafatesan’ny fanahy. Hatramin’izay, dia nisesy ny kolontsaina nandray ny fiheveran’ny mpanompo sampy hoe ‘raha ny marina dia tsy maty isika fa manohy miaina’. Izany no nanjo ny fivavahana lazaina fa kristiana izay nitarika ny mpanaraka azy ho ao amin’ny fivadiham-pinoana, mifanohitra amin’ny fikasana sy ny sitrapon’Andriamanitra. — Genesisy 3:1-5; Matio 7:15-23; 13:36-43; Asan’ny apostoly 20:29, 30; 2 Tesaloniana 2:3, 7.
23. Iza no namorona ny hevitra ny amin’ny fanahy tsy mety maty, ary nahoana?
23 Iza no nitarika ny olombelona hino izany lainga izany? Nanondro azy i Jesosy rehefa nanambara tamin’ny filoha ara-pivavahana tamin’ny androny izy nanao hoe: “Hianareo avy tamin’ny devoly rainareo, ka izay sitraky ny rainareo no tianareo hatao. (...) Raha mandainga izy, dia ny azy no lazainy, satria mpandainga izy sady rain’ny lainga.” (Jaona 8:44). Eny, i Satana no namorona ny hevitra ny amin’ny fanahy tsy mety maty mba hanodinana ny olombelona hiala amin’ny fanompoam-pivavahana marina. Diso hevitra sady mamelona fanantenana poakaty àry ireo izay mino ny fampianarana avy amin’ny lainga voalohany voatantara ao amin’ny Baiboly, na dia nahatonga an’i Eva hihevitra fa tsy ho faty ara-nofo mihitsy aza io lainga io tamin’ny fotoana nilazan’ilay menarana izany.
24. Fanontaniana inona no azo atao ara-dalàna amin’ny tena mikasika ny fiainana mandrakizay sy ny tsy fahafatesana?
24 Tsia, tsy ampianarin’ny Baiboly fa manana fanahy tsy mety maty ny olombelona. Nahoana àry izy no miresaka ny amin’ny fanantenana fiainana mandrakizay? Moa ve izy tsy milaza ao amin’ny 1 Korintiana 15:53 fa ‘ity mety maty ity tsy maintsy hitafy ny tsi-fahafatesana’? Ankoatra izany, moa ve i Jesosy tsy niakatra tany an-danitra taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty, ary moa ve tsy nampahafantariny fa ho afaka ho any koa ny hafa? Hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka ireo fanontaniana ireo sy ny hafa koa.
Famerenana
◻ Inona no inoan’ny ankamaroan’ny fivavahana mikasika ny fanahy?
◻ Ahoana no anehoan’ny Baiboly fa tsy noforonina manana fanahy tsy mety maty ny olombelona?
◻ Araka ny fampiasan’ny Baiboly azy, manondro inona miharihary moa ny teny hebreo sy grika nadika hoe “fanahy”?
◻ Inona no misongadina avy amin’ireo filazana maro nanomezan-dalana mikasika ny famaritan’ny Baiboly ny fanahy?
◻ Hatramin’ny oviana no nisian’ny fampianarana ny amin’ny tsy fahafatesan’ny fanahy?
[Sary, pejy 20]
Fanahy (âme) ireo.