Rehefa mamoy olon-tiana noho ny fahafatesana isika
“Tamin’ny 1981, dia matin’ny homamiadana ny reniko nanangana ahy. Mafy be tamiko sy tamin’ny zandriko lahy tsy iray reny tamiko izany. 17 taona aho tamin’izay ary 11 taona ny anadahiko. Nalahelo azy aoka izany aho. Koa satria notezaina tao amin’ny fivavahana katolika aho ary nilazana fa any an-danitra izy izao, dia naniry ny hamono tena aho mba hahafahako hanaraka azy. Izy no namako akaiky indrindra. — Roberta, 25 taona.
Efa tao amin’ny tarehin-javatra toy izany ve ianao? Raha izany no izy, dia fantatrao tsara ny fahoriana entin’ny famoizana olon-tiana iray noho ny fahafatesana. Toa tena tsy rariny ny hananan’ny fahafatesana fahefana hanaisotra amintsika ny olona iray tiantsika. Rehefa mitranga izany, ny fieritreretana fa tsy ho azo atao intsony mihitsy ny hiresaka aminy, ny hamihina azy na ny hiara-mihomehy aminy, dia mety ho sarotra zakaina. Ary araka ny nolazain’i Roberta, na dia ilazana aza isika fa any an-danitra izy, izany dia tsy mampitony ny fijaliantsika.
Kanefa, hanao ahoana ny fihetseham-ponao raha toa ka fantatrao fa azo atao ny hahita indray iny olo-malalanao iny tsy ho ela, sady tsy any an-danitra fa etỳ an-tany, ao anatin’ny tarehin-javatra marina sy milamina? Ary raha ilazana koa ianao fa amin’izay ny olombelona rehetra dia ho afaka hiriaria amin’ny fahasalamana tonga lafatra ka tsy ho faty mihitsy? Hilaza angamba ianao hoe: ‘Nofinofy fotsiny izany!’
Tamin’ny taonjato voalohany, anefa, i Jesosy Kristy dia nanambara tamim-pahasahiana hoe: “Izaho no fananganana ny maty sy fiainana; izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray.” (Jaona 11:25). Izany dia fampanantenana fa ho velona indray ireo maty. Fahatsinjovan-javatra mampientana re izany!
Mety hanontany anefa ianao hoe: ‘Misy antony mafy orina hahafahana hino izany fampanantenana izany ve? Ahoana no hahafahako hahazo antoka fa tsy nofinofy fotsiny izany? Ary raha misy antony hahafahako hino izany, hidika inona ho ahy sy ireo olona tiako ny fahatanterahany?’ Ny lahatsoratra manaraka dia hamaly ireo fanontaniana ireo sy ny hafa koa.