‘Nandaitra ny torohevitra tao amin’ilay boky’
Izany no nosoratan’ny tanora iray any Maryland, any Etazonia momba ny boky Les jeunes s’interrogent — Réponses pratiques. “Voavakiko tao anatin’ny roa andro ilay boky manontolo”, hoy izy, “ary tsy nitsahatra niresaka momba azy io aho.
“Hitako fa nanampy ahy ny toko faha-6 hoe ‘Nahoana no sarotra ny fifanarahana amin’ny zokiko sy zandriko?” satria tamin’izay aho dia nahatsapa karazana fialonana ny zokiko vavy. Vetivety dia tsapako tamin’ny famakiana anefa fa tsy tokony hahatsiaro fialonana aho satria manana zo sasany izay tsy nananako izy. Rehefa mitady hipoaka ny ady hevitra dia ampihariko ny torohevitra ao amin’ilay boky. Mandaitra ilay izy! Amin’izao fotoana izao dia misy fifandraisana lehibe kokoa eo aminay mirahavavy.”
Tsy mora ny mihalehibe ao anatin’izao fotoana misamboaravoara izao. Miatrika toe-javatra vaovao maro ny tanora sady tsy maintsy manao fanapahan-kevitra lehibe. Tokony hisotro aho ve? Tokony hampiasa zavatra mahadomelina? Fitondrantena ahoana no mety atao amin’ny olona tsy lahy na vavy sahala amin’ny tena? Mila valiny mandaitra ny tanora. Azonay antoka fa handray soa lehibe avy amin’io boky misy sary manintona 320 pejy io ianao sy ny zanakao. Hahazo iray amin’izany ianao amin’ny famenoana sy amin’ny fandefasana amin’ny paositra ny tapakila miaraka amin’ny vola 1200 FMG monja.
Aza fady mba alefaso ho ahy, tsy misy fandoavam-bola eo am-pandraisana azy, ilay boky mifono baoritra 320 pejy hoe Les jeunes s’interrogent — Réponses pratiques. Ampiarahiko ny vola 1 200 FMG.