‘Mpanjono olona’ any Bélize
TANÀNA kely ambonin’ny fehintany miampify eo anelanelan’i Mexico sy Goatemalà i Bélize. Manaraka ny morontsirany, ny ranomasin’ny Antilles manga tanora dia voaravaky ny nosy kely miendrika faribolana (atolls) sy haran-dranomasina tsara tarehy izay mahaforona tandavana haran-driaka lava indrindra any amin’ny tapany andrefana amin’ny tany. Maina sady lemaka ny ankamaroan’ny tany eo amin’ny morontsiraka. Any afovoan-tany kosa anefa, any atsimo, dia mahatratra 1120 metatra ny haambon’ny tendrombohitra Maya. Io faritra be tendrombohitra rakotry ny ala mikitroka taloha io, dia miavaka amin’ny tevana sy ny renirano eny amin’ny hadilanana ary ny riambe mahafinaritra.
Tany am-boalohany, dia ny Maya no mponina tao amin’ilay tany araka ny hamarinin’ny sisan-javatra rava sy fitaovana maro be. Tamin’ny taonjato faha-16, dia nanomboka nipetraka tao ny jiolahin-dranomasina taloha izay tonga mpikapa hazo “campêche” sy “acajou”. Tatỳ aoriana dia lasa zanatany nantsoina hoe Honduras britanika izy io. Tonga tamin’ny 1981 ny fahaleovantenany sy ny fanekena azy ho firenena manokana.
Amin’izao fotoana izao dia manana mponina eo amin’ny 175 000 i Bélize. Izany dia tena fitambaran’olona mifangaro voaforon’ny Afro-Belizeana (kiriolona), sy safiotra, sy Maya ary Garinagus (karana avy any Karaiba), Aziatika sy Eoropeana ary firazanana hafa. Noho i Bélize zanatany britanika taloha, dia ny teny anglisy no fiteny ofisialy ao, miaraka amin’ny fiteny espaniola izay fiteny vahiny faharoa maro mpampiasa. Ampiasaina betsaka koa ny fiteny kiriolona sy maya ary garifuna mbamin’ny fiteny hafa.
Ny tandavana haran-driaka mirefy 280 kilaometatra miaraka amin’ireo akorandriaka miloko mamirapiratra sy ireo tilikambo keliny miendrika lapan’andriana ary ireo lava-batony dia mampialoka bibin-dranomasina isan-karazany maro izay fahafinaretan’ny maso sy ny vava. Anisan’ny fomba fahazoam-bola lehibe indrindra voajanaharin’ilay tany ireny toeram-panjonoana an-dranomasina ireny. Toy izany koa, fa noho ny karazan’olona sy kolontsaina maro be ao aminy, i Bélize dia tonga ‘toeram-panjonoana’ mamokatra ho an’ireo izay namaly ny fanasan’i Jesosy hoe: “Andeha hanaraka Ahy, fa hataoko mpanarato olona hianareo”. — Matio 4:19.
Nanomboka ny ‘fanjonoana’
Tamin’ny 1923 no nifindra nankany Bélize i James Gordon, Vavolombelona vita batisa tamin’ny 1918 tany Jamaika. Nanomboka nanipy ny haratony teo amin’ny mpifanolobodirindrina taminy tao amin’ny vohitr’i Bamba sy ny manodidina, tao amin’ny distrikan’i Bélize, izy. Nanjary tafiditra tamin’ny ‘fitaovam-panjonoany’ ny vata lehibe iray vita tamin’ny hazo “acajou” nisy boky eo amin’ny tanana iray, ary ny fônôgrafiny eo amin’ny tanana ilany.
Tany amin’ny 1931, i Freda Johnson, minisitra manontolo andro avy any Texas, dia tonga tao Bélize noho fitetezany ireo tanin’i Amerika Afovoany mba hampielezana ny vaovao tsara. Nandritra ny fijanonany enim-bolana tao izy dia nifandray tamina mpanao mofo nantsoina hoe Thaddius Hodgeson izay nampiditra ny fahamarinana indray kosa tamin’i Arthur Randall, mpanao mofo namany. Nanohy ny asa ny rahalahy Hodgeson mandra-pahatongan’i Charles Heyen sy Elmer Ihring, misionera voalohany nahazo diplaoma tany Gileada, tamin’ny 1945.
Ny taona nanaraka, dia nosokafana tao ny biraon’ny sampana nandritra ny fitsidihan’i N. Knorr sy i F. Franz, izay prezidà sy prezidà lefitry ny Fikambanana Watch Tower araka ny filaharan’ny anarana. Nanomboka tamin’izay no natsipy teny amin’ny faritra rehetra tao Bélize ny “harato”, ary nitombo hatrany ny asa. Nahatratra ny tampon’isa 844 tamin’ny 1989 ny nandray anjara tamin’ny ‘fanjonoana olona’.
‘Fanipazana ny harato’ ao amin’ny faritany
Amin’izao andro izao, dia iasan’ireo mitory ny vaovao tsaran’ny Fanjakana tsy tapaka i Bélize sy ny tanàna hafa, nefa vohitra mitokana sy nosy kely maro no tsy mba toy izany. Izany no nanjo an’i San Pedro, ao amin’ny nosy kely Ambergris, taona vitsivitsy lasa monja izay.
Nandritra ny taona maro, dia tsy nanana fifandraisana tamin’ny fahamarinana ny mponin’i San Pedro raha tsy nanao fitsidihana fohy tany ny Vavolombelona avy any amin’ny kôntinanta. Nametraka zavatra vita an-tsoratra momba ny Baiboly tamin’ny olona liana ireo Vavolombelona, nefa tsy afaka nikarakara azy ireo satria tsy maintsy niverina tany amin’ny kôntinanta. Tatỳ aoriana, dia tonga tany Bélize ny fianakaviana iray misy olona efa-mianaka, mba hanompo any amin’ny toerana ilàna mpitory bebe kokoa. Nifindra toerana an-tsitrapo izy ireo na dia voatery nipetraka tao anatin’ny fiara fampiasa amin’ny filasiana aza izy ireo mandra-panoriny trano. Tsara anefa ny ‘fanjonoana’. Nanomboka fampianarana Baiboly maro be izy ireo ary, amin’izao andro izao, dia misy ‘mpanjono olona’ 20 ao amin’ilay nosy. Tamin’ny septambra 1986, niaraka tamin’ny fanampian’ny Vavolombelona avy any amin’ny tany hafa, dia nanorina ny Efitrano Fanjakanany tao anatin’ny faran’ny herinandro iray monja izy ireo.
Ny faritany karakarain’ny sampana dia mahafaoka vohitra maya mitokana maromaro any atsimon’ny distrikan’i Toledo izay mampiasa ny fiteny “ketchi” sy “maya mopan”. Indray mandeha isan-taona, amin’ny fotoan’ny main-tany, rehefa azo iampitana ny renirano sy ny tendrombohitra, dia zatra mitsidika ireny vohitra ireny ny antokona Vavolombelona. Mitondra izay rehetra ilainy eo am-babena izy ireo ka mandeha an-tongotra any amin’ireo vohitra manao fanambarana ary miverina mitsidika ireo naneho fahalianana.
Tamin’ny iray amin’ireny “fandehanana any anaty kirihitr’ala” ireny tamin’ny 1968, no nitsidihan’ireo rahalahy ny vohitr’i Crique Sarco. Nahita boky Ny fahamarinana izay mitarika ho amin’ny fiainana mandrakizay izay nalatsaka rahalahy tsy nahy ny zatovovavy iray. Toy izao no nitantarany izay nanaraka izany:
“Sarobidy tamiko io boky io, nefa tsy nijery afa-tsy ireo sary vitsivitsy aho, ary tsy namaky azy mihitsy. Ny fitsidihana isan-taona nataon’ireo anadahy tamin-draiko dia namantsika tao an-tsaiko ny anaran’i Jehovah, ary nanjary fantatro fa manana fandaminana izy. Rehefa nanomboka nankany amin’ny sekoly ambaratonga faharoa tany amin’ny tanànan’i Punta Gorda aho, dia nisy fanontaniana toy izao tao an-dakilasy indray andro: Iza no anaran’Andriamanitra? Rehefa namaly aho hoe ‘Jehovah’, dia nomena sazy avy hatrany (fampitandremana dimy niampy fanendrena hanao asa ho famaizana, toy ny fanadiovana ny toeram-pivoahana). Avy eo dia nampiantso ahy ny pretra ka nilaza tamiko fa tsy tokony hampiasa io anarana io intsony aho, raha tsy izany dia mety ho voaroaka amin’ny sekoly. Tamin’izay, dia nandao an-tsitrapo ny sekoly aho ary tsy niverina tany intsony.
Taona maro tatỳ aoriana vao nifandray tamin’ny fahamarinana indray aho, fony aho efa nanambady ary nipetraka tany avaratra, tao amin’ny tanànan’i Corozal. Nahita tapa-taratasy nentin’ny rivotra aho ary nitsimpona izany ka hitako fa fonon’ilay bokikely hoe Ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny raharaha momba ny ra izy io. Nilaza tamin’ny namana iray aho fa izany dia finoan’ny Vavolombelona izay tsy azoko ekena. Niteny izy hoe angamba mbola hiray hevitra amin’izy ireo ihany aho indray andro any. Ny ampitson’iny dia niantso ahy ny anadahy iray ary nilaza fa reny hoe liana amin’ny fianarana Baiboly miaraka amin’ny Vavolombelon’i Jehovah aho. Na dia nilaza taminy aza aho fa raha ny marina dia tsy liana, dia nohazavainy fa tsy handany fotoana firy izany ka dia nanaiky aho. Tamin’ny farany, dia nampiasaina ilay boky Fahamarinana izay nolalaiko nandritra ny valo taona!
“Tsy ela ny rafozako dia nampirisika ny vadiko hampiato ny fianarako. Nifindra tany amin’ny vohitra mitokana àry izahay, ka tapaka ny fifandraisako tamin’ny Vavolombelona. Tamin’ny farany dia nitsidika ahy ny rahavavy iray tamin’ny fanompoana isan-trano, ary namerina indray ny fianarako aho. Nataon’ny vadiko izay rehetra azony natao mba hanapahana ny fianarana. Nimamo izy, nitabataba, nandroaka ahy hiala ao an-trano, na nandrahona ny haka vehivavy hafa. Tsy nivadika anefa aho fa niantehitra mafy tamin’i Jehovah tamin’ny vavaka. Roa taona lasa izay, dia namaly ny vavaka nataoko mihoatra lavitra noho izay nantenaiko i Jehovah.
“Indray andro dia tonga tao an-trano ny vadiko, mangana tanteraka ny tarehiny ary avy hatrany izy dia nankany am-pandriana. Taoriana kelin’izay, tamin’iny andro iny ihany, dia hoy izy: ‘Maniry hianatra Baiboly koa aho!’ Nitondra fifaliana lehibe ho ahy izany fiovana izany saingy nahatonga ny fahatezeran’ny fianakaviany koa. ‘Mitovy amin’ny miova ray aman-dreny ny miova fivavahana’, hoy izy ireo taminy, ‘noho izany dia tsy ho zanakay intsony ianao!’ Amin’izao maha-tafaray anay mivady izao, dia nandroso haingana izahay. Tamin’ny 5 desambra 1987, tamin’ny andro fivoriambe manokana voalohany natrehinay dia natao batisa izahay.”
Tamin’izany no nahazoana ‘trondro’ na dia tany amin’ny faritra mitokana any Bélize aza. Nadika tamin’ny fiteny ketchi ilay bokikely Mifalia amin’ny fiainana eto an-tany mandrakizay! noho ny fanantenana fa ho maro kokoa ny olona ho azo ampiana mba hanaiky ny vaovao tsara any amin’ireny vohitra ireny. Ireo izay navotana avy tao amin’ny rano maloton’ny fandehan-javatr’i Satana dia mifaly amin’ny ranon’ny fahamarinana mangarangarana toy ny kristaly ao amin’ny paradisa ara-panahin’i Jehovah.
Ohatra, nianatra ny amin’ny fari-pahadiovana nomen’i Jehovah avy ao amin’ny Baiboly ny tovolahy iray tao Belize City. Nitsahatra tsy nifoka “marijuana” sy zavatra mahadomelina hafa izy ary natao batisa. Fotoana fohy taorian’izay, dia tonga ‘mpanjono olona’ manontolo andro izy. Nahazo tombontsoa ny ho mpikarakara momba ny asa ao amin’ny kongregasiona misy azy koa izy. An-jatony maro hafa no nampiana mba hanadio ny fiainany tamin’ny fanaovana izay haha-ara-dalàna ny fanambadiany amin’ny fisoratana any amin’ny manam-pahefana. Nampianarina hanoratra sy hamaky teny ny maro hafa mba hahafahan’izy ireny mianatra ny Tenin’Andriamanitra samy irery. Noho izany, ny asa fampianaran’ny Vavolombelon’i Jehovah any Bélize, dia tsy manome izay ilain’ny olona eo amin’ny lafiny ara-panahy fotsiny, fa mitondra voka-tsoa hafa koa ho an’ny fitambaran’olona.
Fahazoana hazandrano betsaka
Indray mandeha, dia narahin’ireo mpianany ny toromarika nomen’i Jesosy ka natsipiny teo amin’ny ilan’ilay sambony ny haratony. Ho vokatr’izany, dia “tsy zakany nakarina noho ny habetsahan’ny hazandrano” ilay izy. (Jaona 21:6). Toy izany koa, lehibe aoka izany ny fandraisana ny vaovao tsara ka hitan’ireo Vavolombelona any Bélize fa sarotra ny fikarakarana ny vahoaka sesehena tonga ao anatin’ny Fandaminana.
Tena ilaina ny fisian’ny rahalahy matotra mba hitarika ao amin’ny kongregasiona. Amin’ny antsalany dia loholona iray na roa monja no ananan’ny kongregasiona tsirairay. Noho izany dia zava-tsarotra ny hahazoan’ny faritra rehetra amin’ilay tany ny vaovao tsara tsy tapaka. Faritra maro no tongan’ny arabe, saingy noho ny tsy fisian’ny fitateram-bahoaka, dia sarotra ho an’ny Vavolombelona ny manolokolo ny fahalianana hita, na ny mampirisika ny olona hamonjy ny fivoriana tsy tapaka. Ny fandehanana an-tongotra na ny fitana amin’ny lakana vita amin’ny vatan-kazo noloahana no mbola hany fomba ahatratrarana ny faritra mitokana sasany.
Mahita fahasahiranana koa ny Vavolombelona any Bélize amin’ny fitadiavana toerana mety ho an’ny fivoriana fanaon’ny kongregasionany isan-kerinandro sy ny fivoriamben’ny distrika fanao isan-taona ary ireo fivoriamben’ny fizaran-tany. Maherin’ny 2 200 ny mpanatrika tamin’ny fivoriamben’ny distrika “Matokia an’i Jehovah” tamin’ny 1987, izany hoe avo telo heny noho ny isan’ny mpitory ao amin’ilay tany. Ireny fivoriambe ireny no nananganan’ireo rahalahy fialofana vonjimaika teo amin’ny tany iray akaikin’i Ladyville. Izao izy ireo dia mikasa ny hanorina tena trano fanaovana fivoriambe eo amin’ilay toerana.
Na dia goavana aza ny zava-tsarotra, dia feno hafanam-po ireo Vavolombelona miatrika izany. Nasehon’izy ireo izany tamin’ny fampitomboana ny fandraisany anjara amin’ny fitoriana. Tamin’ny 1979 ny mpitory dia nandany 8,3 ora isam-bolana tamin’ny asa fitoriana teo amin’ny antsalany. Izao izy ireo dia mandany eo amin’ny 11,3 ora isam-bolana amin’ny antsalany. Misy fitomboana tsara koa eo amin’ny laharan’ny mpitory maharitra. Tamin’ny 1979, ny antsalan’ny isan’ny mpitory maharitra mpanampy dia 10 ary 12 ny mpitory maharitra mandavantaona isam-bolana. Amin’izao fotoana izao dia misy mpitory maharitra mpanampy 51 sy mpitory maharitra mandavantaona 42 isam-bolana, izay 14 ka hatramin’ny 74 taona.
Lehibe ny fahatsinjovana fitomboana raha jerena amin’ny isa miavaka teo amin’ny mpanatrika ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy natao tamin’ny 22 martsa 1989. Niasa mafy ireo rahalahy mba hanasana ireo olona liana. Inona no vokany? Niisa 3 834 ny totalin’ny mpanatrika — maherin’ny avo efatra heny noho ny tampon’isan’ny mpitory! Nampihetsi-po ny fahitana antokom-pirazanana maro — kiriolona, safiotra, Maya, Eorôpeana, Sinoa, Libane, sy ny hafa — mifangaro miaraka amin’ny fomba toy izany.
Ho fanampin’izany, dia mitarika fampianarana Baiboly any an-tokantrano maherin’ny arivo ireo mpitory 844 ao amin’ilay tany. Amin’ny fitadiavana hatrany ny fitarihan’ny Lohan’ny kongregasiona, dia Jesosy Kristy, dia tsy isalasalana fa mbola ho maro kokoa ihany ny olona any Bélize hamaly ny fanasana ho tonga “mpanjono olona”.
[Sarintany, pejy 22]
(Jereo ny gazety)
HELODRANOMASIN’I MEKSIKA
MEKSIKA
BÉLIZE
Belize City
Punta Gorda
GOATEMALÀ
HELODRANOMASIN’I HONDURAS
[Sary, pejy 24, 25]
Fanorenana Efitrano Fanjakana any San Pedro, eo amin’ny nosy kelin’i Ambergris.