Nahita ny fahasambarana izy — Taiza moa?
NILAZA i Jesosy hoe: “Sambatra izay mahatsapa fa mila ny zavatra ara-panahy.” (Matio 5:3, MN ). Ny ankizivavy tso-po iray tany Atsinanana Afovoany dia nahatsapa fa nila ny zavatra ara-panahy izy ary nitady ny hampifaly an’Andriamanitra. Tamin’ny farany izy dia nahita ny fahasambarana — nefa taiza moa? Avelantsika izy hanazava izany.
“Notezaina tao amin’ny fianakaviana katolika maronita nafana fo be aho. Nampianarina hivavaka isan-kariva teo anoloan’ny tsangambato izahay ankizy, ary hatramin’ny fahazazako aho dia naniry ny hanompo an’Andriamanitra.
“Tamin’ny faha-17 taonako aho dia niditra tao amin’ny tranon-drelijiozy iray mba ho tonga relijiozy, satria nihevitra aho fa izany dia hahatanteraka ny faniriako. Nahita zavatra maro nataon’ireo relijiozy izay nanelingelina ahy aho anefa. Nifampifosa izy ireo. Tsy ampy ny hanina nomeny ny mpianatra tao, nefa izy dia nankafỳ ny sakafo tsara indrindra. Ary nanana fitondrantena maloto tamin’ilay pretra tao koa izy ireo. Diso fanantenana mafy aho ka nandao io tranon-drelijiozy io rehefa afaka sivy volana ary nody tany aminay.
“Mbola maro be ireo fanontaniako tsy nahitako valiny, ary rehefa tsy nahazo valiny nahafa-po aho dia nanjary tsy niraharaha ny amin’ny fivavahana intsony. Avy eo, tamin’ny 1982, teo amin’ny faha-22 taonako, dia niara-nianatra ny Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah ny anadahiko sy ny rahavaviko ara-nofo. Nanohitra izany aho sy ny ray aman-dreninay. Nijaly mafy noho ny fanenjehana, ny fikapohana ary ny fanaovana azy an-tranomaizina noho ny finoany vaovao ny anadahiko. Ny nanohina ny foko anefa, dia ny fahitana ireo fiovana lehibe nataony teo amin’ny fiainany. Ambonin’izany, izy dia nanome valiny ara-baiboly mifandrindra tsara ho an’ireo fanontaniako hatramin’izay ela be izay. Nanomboka namaky ny Baiboly irery nangingina àry aho nandritra ny alina.
“Indray andro aho dia nandeha mba hijery ny fivoriamben’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nanohina ny foko ny fitiavana naseho tao. Tsy nisy fahasamihafana teo amin’ny manan-karena sy ny mahantra. Miaina mifanaraka amin’izay ampianariny ireo Vavolombelon’i Jehovah. Niaiky aho fa nanana ny fahamarinana izy.
“Taorian’io fivoriambe io avy hatrany dia nangataka ny iray tamin’izy ireo aho mba hiara-hianatra amiko. Nilazako ilay ramatoa fa ny hianatra fotsiny no tadiaviko, fa tsy ny hamonjy fivoriana na hivoaka hitory akory. Vetivety anefa dia tsapako fa ny fahamarinana no nianarako. Nivavaka aho ary nanapa-kevitra ny hanompo an’Andriamanitra. Tamin’ny 28 oktobra 1983, dia natao batisa aho sy ny anadahiko ary ny rahavaviko. Ankehitriny aho dia nahita ny fomba hanomezana fahafahampo ny faniriako ny hanompo an’Andriamanitra izay tato anatiko foana hatramin’ny fahazazako.
“Roa volana taorian’ny nanaovana batisa ahy, dia nanomboka ny asan’ny mpitory maharitra mpanampy aho, ary valo volana taorian’io dia tonga mpitory maharitra mandavantaona. Herintaona sy tapany taorian’izay aho dia nasaina mba hanompo ao amin’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah, antsoina hoe Betela, ary nanao izany tamin’ny naha-mpiasa vonjimaika nandritra ny roa taona. Nanohina ny foko ny fanetren-tena nasehon’ny rehetra tao. Na dia ireo anadahy nanana andraikitra lehibe indrindra aza dia nandray anjara tamin’ny fanasana lovia taorian’ny sakafo hariva.
“Ny 14 marsa 1988 aho dia tonga mpikambana maharitra ao amin’ny fianakavian’ny Betela. Hafaliana re izany! Eny, nahita ny fahasambarana aho. Taiza? Teo anivon’ny Vavolombelon’i Jehovah! Ankehitriny aho dia mitovy fihetseham-po amin’ilay mpanao salamo izay nanao hoe: ‘Ny indray andro eo an-kianjanao dia tsara noho ny arivo any an-toeran-kafa.’ ” — Salamo 84:10, MN.