Ny fahalehibeazana mahatalanjon’ny hatsaram-pon’Andriamanitra
TSARA Andriamanitra! Impiry no nandrenesanao fomba fiteny toy izany na nampiasanao izany mihitsy aza? Kanefa, efa mba noeritreretinao ve ny halehiben’ny hatsaram-pon’Andriamanitra nasehony taminao? Ny fisaintsainana toy izany, dia mampitombo ny fankasitrahantsika ny hatsaram-pon’ilay Andriamanitra ivavahantsika.
Voalohany anefa, dia ilaintsika ny mahatakatra ny atao hoe hatsaram-po. Ekena fa ny hatsaram-po dia toetr’izay tsara mifanohitra amin’ny ratsy. Kanefa mihoatra lavitra noho izany izy io. Ny hatsaram-po dia toetra miasa. Ny olona tsara dia manao ny tsara. Ary, Andriamanitra, noho ny hatsaram-pony dia manao zavatra tsara maro ho antsika hany ka mitombo ny fitiavana azy ny fontsika.
Hita tao amin’ireo teniny tamin’i Mosesy tany amin’ny efitr’i Sinay ny halehiben’ny hatsaram-pon’Andriamanitra. Teo dia nampanantena toy izao an’io mpanompony nahatoky io Andriamanitra: “Izaho hampandalo ny fahatsarako [hatsaram-poko, MN ] rehetra eo anatrehanao.” Ankoatra ny fanatanterahany izany fampanantenana izany sy ny fampiasana ny anarany manokana, dia nilaza toy izao Andriamanitra: “Jehovah, Jehovah, Andriamanitra mamindra fo sy miantra, mahari-po sady be famindrampo sy fahamarinana, mitahiry famindrampo ho an’ny olona arivo mandimby, mamela heloka sy fahadisoana ary fahotana, kanefa tsy mety manamarina ny meloka.” — Eksodosy 33:19; 34:6, 7.
Noho izany, ny hatsaram-pon’Andriamanitra dia mahafaoka ny famindrampony, ny fiantrany, ny fahamoram-panahiny ary ny fahamarinany. Fanampin’izany, ny hatsaram-pony dia hita ao amin’ny “fahari-pony”. Tsy midika akory izany fa toy ny ray na ny reny mampihanta loatra ny zanany Andriamanitra ka mamela fahotana hitohy tsy misy fisakanana mandrakizay. “Kanefa tsy mety manamarina ny meloka” tsy mety mibebaka izy. Ny Andriamanitra tsara iray dia tsy afaka hamela ny hisian’ny faharatsiana tsy misy fisakanana.
Ny haben’ny hatsaram-pon’Andriamanitra.
Hevero izao ny sasantsasany amin’ireo fomba anehoan’Andriamanitra ny hatsaram-pony. Ho fanombohana dia nampiseho hatsaram-po tamin’ny olombelona izy rehefa namorona ny tany. Tsy nanome izay tena ilaina ho an’ny fiainan’olombelona fotsiny izy. Nomeny tamim-pahalalahan-tanana kosa ny planetantsika mba hahatonga ny fiainana eo aminy ho tena fahafinaretana. Nanome sakafo sy fisotro maro karazana izy. Nanao karazam-biby amam-borona mamabo ny fo Andriamanitra, ary namorona voninkazo ka nanampy loko sy hatsaran-tarehy ho an’ny manodidina antsika. Fanampin’izany; dia nanao karazan-toerana maro be Andriamanitra mba hahafinaritra ny maso. Araka izany, isaky ny mitazana ny famirapiratry ny masoandro mody sy ny fiforonana mahatalanjon’ny rahona iray isika, dia mahita porofon’ny hatsaram-pon’Andriamanitra!
Niharihary koa ny hatsaram-pon’Andriamanitra rehefa namorona ny lehilahy sy ny vehivavy izy. Nanome vatana lavorary sy salama tsara an’i Adama sy Eva Andriamanitra ary nametraka azy ireo tao amin’ny sahan’i Edena. Tamin’izay dia nanome didy nahaliana sy nanentana azy ireo toy izao Andriamanitra: “Mamenoa ny tany ary mampanompoa azy.” Araka izany, dia napetrak’Andriamanitra teo anoloan’izy ireo ny fahatsinjovana ny hifaly amin’ny fiainana mandrakizay ao amin’ny paradisa eto an-tany miaraka amin’ny taranany maro be (Genesisy 1:26-28; 2:7-9). Endrey izany fanomezana kanto ho an’ny mpivady vao, ho an’ireo mpivady olombelona voalohany!
Na dia rehefa nikomy aza ry Adama sy Eva dia tsy nahafoy azy tanteraka Andriamanitra. Tamin’izay, raha toa ka nanasazy azy ireo ho faty teo ny ho eo Andriamanitra, dia tsy ho nanao afa-tsy izay ara-drariny izy. Kanefa dia naneho hatsaram-po tamin’ireo mpivady tonga mpanota ireo izy, ka namela azy ireo mbola ho velona nandritra ny fotoana kelikely sy hiteraka. — Genesisy 5:1-5.
Hatramin’izay, dia nitohy ny hatsaram-pon’Andriamanitra tamin’ny olombelona mety maty. Hoy i Davida mpanjaka: “Manisy soa izao tontolo izao Jehovah; ary ny fiantràny dia eny amin’ny asany rehetra.” (Salamo 145:9). Nanome izay ilaina be dia be mba hahafahan’ny olona manohy miaina eo amin’ny fonenany, dia ny tany, Andriamanitra. Nilaza toy izao tamin’ireo Jiosy tamin’ny androny i Jesosy: “Ny Rainareo izay any an-danitra (...) mampiposaka ny masoandrony amin’ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy ary mampilatsaka ny ranonorana amin’ny marina sy ny tsy marina.” (Matio 5:45). Matoa misy ny mosary sy ny fahantrana, dia tsy noho ny fanaovan’Andriamanitra tsirambina tamin’ny fanomezana izay ilain’ny olombelona. Izany dia noho ny kolikoly, ny halozana ary ny tsy fahaizan’ny olombelona.
Namela ny olombelona hitrandraka ny harena an-kibon’ny tany koa Andriamanitra, ary tsy nanafina fahalalana sasany momba ny lanitra feno kintana sy izay mahaforona ny zavatra manodidina antsika. Marina tokoa fa tsara Jehovah ho an’ny olombelona, na dia maro be aza no milaza amim-pieboeboana fa tsy misy Andriamanitra, ary na dia manararaotra loatra ny hatsaram-pony ho amin’ny zava-kendrena feno fitiavan-tena aza ny hafa, ka tonga hatramin’ny fampahoriana ny mpiara-belona aminy. — Salamo 14:1.
Ny hatsaram-pon’Andriamanitra ho an’ny mpino
Na dia nanao tsara tamin’ny olombelona amin’ny ankapobeny aza Andriamanitra, ny fifampiraharahany amin’ireo mpino dia tena mampahafana ny fo. Voalohany indrindra, rehefa nikomy Adama sy Eva, dia naminany Andriamanitra fa hisy ‘taranaka’ hiseho izay hanafoana ny voka-dratsin’ny fahotan’izy ireo amin’ny farany (Genesisy 3:15). Rehefa nandeha ny fotoana, dia maro be tamin’ny taranak’i Adama no nanompo an’Andriamanitra tamim-pahatokiana na dia teo aza ny tsy fahatanterahany, ary io faminaniana tany am-boalohany io dia nanome azy ireo fanantenana ho avy tsaratsara kokoa. Iray amin’ireny mpivavaka mahatoky ireny Abrahama izay nantsoina mihitsy hoe “sakaizan’Andriamanitra”. — Jakoba 2:23.
Nampanantena an’i Abrahama Andriamanitra fa ny taranany dia hitombo ho firenena maro ary ny lehibe indrindra amin’io taranany io dia handova ny tany Kanana. Ho fahatanterahan’izany, ny Isiraelita taranak’i Abrahama, tatỳ aoriana, dia voalamina ho firenena (Genesisy 17:3-8; Eksodosy 19:6). Teo indray koa dia niseho ho tsara tamin’io firenena vaovao io Andriamanitra tamin’ny fanafahana azy tamin’ny fanandevozana tany Egypta, tamin’ny fiarovana azy tany an’efitra, tamin’ny fanomezana azy fitambaran-dalàna sy fisoronana ary farany, tamin’ny fanolorana azy ny tany mahavokatr’i Kanana ho lova.
Farany, tonga fanjakana ny Isiraely, ary Jehovah dia nanendry ilay mpanjaka olombelona fahatelo, Solomona, mba hanorina ny tempoly tany Jerosalema, ho foibe maneran-tanin’ny fanompoam-pivavahana Aminy. Rehefa vita ny tempoly, dia nisy fankalazana fitokanana lehibe sy firavoravoana. Tatỳ aoriana, dia nilaza ny fitantarana an-tsoratra fa ny Isiraelita dia “nisaotra andriana (...) dia lasa nandeha ho any an-dainy avy sady faly no ravoravo ny fony noho ny soa rehetra nataon’i Jehovah.” (1 Mpanjaka 8:66.) Nisy fisehoan-javatra hafa koa izay nampiboiboika hafaliana ny fon’ny Isiraelita noho ny hatsaram-pon’Andriamanitra.
Mampalahelo anefa fa tsy nankasitraka foana ny tombontsoany hanompo an’ilay hany Andriamanitra marina ny Isiraelita. Tamin’ny farany dia nanjary nivadika ilay firenena tamin’ny ankapobeny, ary tamin’ny 607 al. fan. ir. Jehovah dia namela azy ireo hoentina ho babo tany Babylona. Toy ny nolazainy tamin’i Mosesy, noho ny hatsaram-pony indrindra, dia “tsy mety manamarina ny meloka” Andriamanitra. — Eksodosy 34:7.
Kanefa, 70 taona tatỳ aoriana, Andriamanitra dia nitondra tamin-katsaram-panahy ireo sisa nahatoky tamin’ny Isiraelita hiverina ho any amin’ny taniny. Inona moa no nanosika azy hanao izany? Ny hatsaram-pony. Nanoratra ara-paminaniana ho an’ireo Isiraelita tafaverina avy tany Babylona toy izao i Jeremia: “Ka dia ho avy ireny ka hihoby ao amin’ny havoan’i Ziona, dia hitanjozotra ho any amin’ny zava-tsoan’i [hatsaram-pon’i, MN ] Jehovah.” Nanohy toy izao ilay mpaminany: “Ary ny oloko ho voky ny zava-tsoako [hatsaram-poko, MN ] hoy Jehovah.” — Jeremia 31:12, 14.
Farany, dia tonga teto an-tany i Jesosy ary nanaporofo ny maha-‘taranaka’ voalaza mialoha azy tao amin’ny faminaniana voatonona tany Edena (Genesisy 3:15). Hoy ny Baiboly: “Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino azy fa hanana fiainana mandrakizay.” (Jaona 3:16). Ny fahafatesan’i Jesosy dia nanolotra avotra mba hanafahana ny olombelona amin’ny fahotana ary hamerenana azy ireo ho amin’ny fahatanterahana. Noho izany, ny voka-dratsin’ny fahotan’i Adama dia ho resy tanteraka, araka ny nosoratan’i Paoly ho an’ny Romana hoe: “Fa tahaka ny nanaovana ny maro ho mpanota noho ny tsi-fanarahan’ny olona iray, no hanaovana ny maro ho marina kosa noho ny fanarahan’ny Anankiray.” (Romana 5:19). Noho ny hatsaram-pon’Andriamanitra, ny olona mahitsy fo, nanomboka teo, dia nanana fanantenana ny hahazo fiainana mandrakizay. Afaka ny ho sakaizan’Andriamanitra mihitsy aza izy ireo toa an’i Abrahama.
Mbola maneho hatsaram-po foana amin’ireo izay manompo azy Andriamanitra amin’izao fotoana izao. Manome torohevitra amin’ny alalan’ny Baiboly izy mba hanampiana azy ireo handamina ny zava-manahirana azy (Salamo 119:105). Nanolotra ny fanahiny ho fanomezana malalaka Andriamanitra mba hanampiana azy ireo hampifanaraka ny fiainany amin’ny fari-pitsipiny marina. Ary mampiharihary ny fikasany izy mba hiandrasan’ny kristiana marina amim-pahadodonana ny izao tontolo izao vaovao marina izay hisolo toerana ity izao tontolo izao tonta ity (Ohabolana 4:18; 2 Petera 3:13). Mino ireo zavatra ireo ny kristiana satria Andriamanitra, noho ny hatsaram-pony, dia nampiharihary tamin’izy ireo izany tao amin’ny Teniny tsy mety diso. — 2 Timoty 3:16.
Eny, ny fiheverana ny hatsaram-pon’Andriamanitra dia mahatonga antsika tokoa ho tia Azy. Nefa izany dia mampipoitra izao fanontaniana izao koa:
Ahoana no handraisan-tsoa avy amin’ny hatsaram-pon’Andriamanitra?
Raha ny marina, na iza ianao na iza, dia mandray soa sahady amin’ny hatsaram-pon’Andriamanitra. Na miaina, na mihinana, na misotro, na mifaly amin’ny fiainana ianao, izany rehetra izany dia fanomezana avy amin’Andriamanitra. Nefa mandray soa amin’ny fomba feno araka izay azo atao ve ianao? Tsarovy fa ny hatsaram-pon’Andriamanitra tamin’i Adama sy Eva dia voafetra rehefa nanota izy ireo. Toy izany koa, raha tsy mandray amin’ny fomba tsara ny hatsaram-pon’Andriamanitra isika dia hametra ny fahalalahan-tanany amintsika izy. Ahoana izany?
Nivavaka toy izao ny mpanao salamo: “Ampianaro fahafantarana tsara sy fahalalana aho.” (Salamo 119:66). Izany koa no tsy maintsy ho fivavahantsika. Koa satria tsara Andriamanitra, dia ilaintsika ny hianatra ho tsara tahaka azy. Nampirisika toy izao i Paoly: “Aoka hanahaka an’Andriamanitra hianareo tahaka ny zanaka malala.” — Efesiana 5:1.
Hanao izany isika, voalohany amin’ny fandinihana ny Baiboly mba hianarana ny atao hoe hatsaram-po. Avy eo dia hangataka ny fanampian’Andriamanitra isika mba hampitombo io toetra io. Ny hatsaram-po dia anisan’ny vokatry ny fanahin’Andriamanitra toy ny “fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, fahamoram-panahy, (...) fahamarinana [finoana, MN ], fahalemem-panahy, [ary] fifehezan-tena”. (Galatiana 5:22, 23.) Afaka hamboly ireo toetra rehetra ireo isika amin’ny fiankinana amin’ny fanahin’Andriamanitra, amin’ny fandinihana ny Baiboly avy amin’ny tsindrimandrin’Andriamanitra, amin’ny fivavahana aminy mba hanampy antsika, ary amin’ny fiarahana amin’ireo kristiana mitovy fiheverana amin’izany. — Salamo 1:1-3; 1 Tesaloniana 5:17; Hebreo 10:24, 25.
Milaza toy izao koa ny Baiboly: “Hanonona ny fahatsiarovana ny haben’ny fahatsaranao izy sy hihoby ny fahamarinanao.” (Salamo 145:7). Eny, manantena antsika Andriamanitra mba hiresaka amin’ny hafa ny hatsaram-pony. Tokony hiresaka amin-kalalahana ny amin’ilay Raintsika any an-danitra isika.
Farany, tsy afaka hanararaotra loatra ny hatsaram-pon’Andriamanitra isika. Marina fa mamela heloka i Jehovah. Natoky valiny nahafa-po i Davida mpanjaka fony izy nivavaka hoe: “Aza ny fahotan’ny fahatanorako na ny ratsy nataoko no tsarovanao; fa aoka ho araka ny famindramponao no hahatsiarovanao ahy, noho ny fahasoavanao [hatsaram-ponao, MN ] Jehovah ô!” (Salamo 25:7). Midika ve izany fa afaka hamela ny tenantsika hanao fahotana isika amin’ny fanantenana famelan-keloka avy amin’Andriamanitra? Tsy izany velively. Tsarovy fa, ny hatsaram-pon’Andriamanitra dia midika fa “tsy mety manamarina ny meloka”, dia ny mpanota tsy mibebaka, izy.
Aoka isika hifalia amin’ny hatsaram-pon’Andriamanitra
Rehefa mahatsapa ny hatsaram-pon’Andriamanitra isika, toy inona moa ny fitiavantsika Azy! Ampirisihina isika mba hanaraka ny anatra tsara nomen’ny apostoly Paoly hoe: “Mandehana tahaka ny zanaky ny mazava (fa ny vokatry ny mazava dia ao amin’ny fahatsarana rehetra [hatsaram-po, MN ] sy ny fahamarinana ary ny fahitsiana).” — Efesiana 5:8, 9.
Isan’andro, dia mahatsapa ny fiahiana feno fitiavan’Andriamanitra antsika isika. Na dia ao anatin’ny toe-javatra sarotra indrindra aza isika, dia fantatsika fa tsy handao ireo izay tia azy Andriamanitra. Eny tsapantsika ny fiadanana ambony indrindran’ilay mpanao salamo hoe: “Eny tokoa, fahasoavana [hatsaram-po, MN ] sy famindrampo no hanaraka ahy amin’ny andro rehetra hiainako, dia hitoetra ao an-tranon’i Jehovah andro lava aho.” — Salamo 23:6.