Indray mitopy maso amin’ny vaovao
Tsy ampy ny manana Baiboly
Hita avy tamin’ny fanadihadiana natao vao haingana fa ny antsasak’ireo olona manana Baiboly dia nilaza fa tsy mbola namaky azy io mihitsy. Anisan’izany dia nisy olona maro be izay nilaza azy ho kristiana nateraka indray. Saiky ho 30 isan-jato tamin’ireo nilaza azy ho kristiana nanontaniana no tsy nahafantatra fa tany Betlehema i Jesosy no teraka. Araka ny The Detroit News, dia “namaly hoe Jerosalema ny valo ambin’ny folo isan-jato taminy, ary hoe Nazareta ny valo isan-jato”. Nilaza toy izao i George Barna, ilay nitarika ny fanadihadiana: “Raha tsy fantatr’izy ireo akory aza ny zavatra tsotra dia tsotra toy izany, ahoana no ahafahana manampo ny hahaizany hiresaka ny amin’izay raketin’ny Soratra Masina amin’ny tsy mpino, na ny hanarahany ireo fotopoto-pitsipiky ny Baiboly eo amin’ny fiainany?”
Nahamarika tarehin-javatra tahaka izany i Paoly teo amin’ireo izay ‘nazoto ho an’Andriamanitra saingy tsy araka ny fahalalana’. Niresaka ny amin’ny “fanompoam-pivavahana noforonin’ny tenany ihany sy ny fanetren-tena ivelany fotsiny” koa izy ary nilaza mialoha fa “ny andro farany” dia ho voamariky ny fisian’ireo “manana ny endriky ny toe-panahy araka an’Andriamanitra, nefa nandà ny heriny”. (Romana 10:2; Kolosiana 2:23, MN; 2 Timoty 3:1-5.) Ny kristiana marina anefa dia mampiseho fanajana lalina ny Baiboly. Manaiky izy ireo fa tsy ampy ny manana Baiboly. Manaraka amin’ny fony tanteraka izao famporisihana omeny izao kosa izy: “Maniria ny rononom-panahy tsy misy fitaka”. — 1 Petera 2:2.
Ny zavatra mahadomelina sy ny tsy fankatoavan-dalàna
Ny iray amin’ireo zavatra notononin’i Jesosy fa hahaforona ny “famantarana” ny andro faran’izao fandehan-javatra izao dia “ny fitomboan’ny tsy fankatoavan-dalàna”. (Matthieu 24:3, 12, MN ) Nanan-kery betsaka teo amin’ny fitomboan’ny tsy fankatoavan-dalàna ny fampiasana zavatra mahadomelina tato ho ato. Ny gazety aostraliana The Sydney Morning Herald, ohatra, dia nilaza fa ny fito amin’ireo heloka bevava folo atao any New South Wales dia mifandray amin’ny zavatra mahadomelina, ary eo amin’ny 85 isan-jato amin’ireo halatra misy fampiasana fiadiana ao amin’io toerana io dia ataon’ny olona mampiasa “héroine”. Ary mihamitombo hatrany ny zava-manahirana momba ny zavatra mahadomelina.
Ny U.S. News & World Report dia milaza fa “tsy misy toerana na dia iray aza any Eoropa tsy voakasik’io loza io”. Voatombana fa miisa any amin’ny an-tapitrisany maro any ny isan’ireo mpampiasa zavatra mahadomelina any amin’ny Firaisana Sovietika. Miezaka amim-pamoizam-po mba hanohanana ny fisondrotan’ny fampiasana zavatra mahadomelina ny fitondram-panjakana sovietika ka nanokatra fifampiresahana amin’ny birao miady amin’ny zavatra mahadomelina any amin’ny tany 25. Toa tsy araka ny zava-misy anefa ny manantena fa hanatanteraka ny zava-kendreny ireo fitondram-panjakana satria ny vola azo avy amin’ny zavatra mahadomelina dia ampiasaina mba handoavana kolikoly amin’ireo pôlisy sy mpisolo vava ary na dia ireo mpitsara aza. Hoy ny mpiasam-panjakana ambony very hevitra iray: “Tsy mbola nisy fahefan’ny pôlisy mihitsy eo amin’izao tontolo izao afaka nanakana na dia kely akory aza ny zavatra mahadomelina tsy hanafika ny saram-babem-bahoaka.” Nanampy toy izao izy: “Tena mahatrotraka izany satria tsy misy valiny aroso mihitsy.”
Mampahatsiahy antsika ny faminanian’i Jesosy momba ny andro farany ireo teny ireo. Nolazainy mialoha izy fa ‘ho reraka ny fon’ny olona noho ny fahaverezan-kevitra’. — Lioka 21:25, 26.
Jesosy sy ny politika
Nisy lohateny toy izao tao amin’ny Star, gazety iray any Johannesburg, any Afrika Atsimo: “Nampiharihary ny fikasany ho an’i Afrika Atsimo ny Fiangonana Katolika.” Izany fikasana izany dia ny “hanao izay hahatongavan’ny Fanjakan’Andriamanitra” ao Afrika Atsimo” amin’ny alalan’ny “fiezahana sy ny fahavononan’ny fiangonana mba hanafoana ny fanavakavaham-bolon-koditra”. Mba hahatratrarana io zava-kendrena io, hoy i Jude Pieterse, mpitan-tsoratry ny kaonferansan’ireo eveka katolika any Afrika Atsimo, ny fiangonana dia mitady ny fanohanan’ireo fiangonana hafa sy ny an’ireo “lafiny hafa rehetra ao amin’ny fitambaran’olona ao Afrika Atsimo”. Mihevitra anefa ny katolika sasany fa io fikasana io dia “tetik’ireo eveka izay mitady ny hahatongavan’ireo katolika handray anjara amin’ny politika”, hoy ny fanazavan’i Reginald Orsmond, evekan’i Johannesburg. Raha niaiky i Pieterse fa nanam-pifandraisana ara-politika io fikasana io, i Orsmond kosa dia nilaza fa “tsy zava-baovao akory” izy io fa “mitovy taona amin’i Jesosy”.
Raha ny marina, dia tsy ho nanome baiko ny mpianany mba handray anjara amin’ny politika mihitsy i Jesosy Kristy. Rehefa nanontanian’i Pontio Pilato i Jesosy dia namaly tsy nihambahamba hoe: “Ny fanjakako tsy avy amin’izao tontolo izao.” (Jaona 18:36). Ankoatra izany, Vavolombelon’i Jehovah maherin’ny telo tapitrisa no miaina ao anatin’ny firaisana ara-pirazanana satria manaraka ny ‘didy vaovao’ nomen’i Jesosy izy ireo, dia ny ‘hifankatiavany tahaka ny nitiavan’i Jesosy azy’ — tsy ao Afrika Atsimo ihany, fa maneran-tany! — Jaona 13:34.