“Mendrika ny hovakina ireo zavatra vita an-tsoratry ny Vavolombelon’i Jehovah”
Izany no lohatenin’ny lahatsoratra iray nivoaka tamin’ny 23 desambra 1988, tao amin’ny Creston News Advertiser, any Iowa, any Etazonia. “Ny filozofia sy ny fivavahana no mahaliana ahy,” hoy ny nomarihin’ilay mpanoratra tao antsoina hoe Randy Porter, “fa misy tantara maro isan-karazany tsy mifandray amin’ny fivavahana mivantana momba ny zava-mitranga eran’izao tontolo izao koa ao amin’ireny gazety ireny. (...)
“Ho fanampin’izany, dia ho gaga angamba ny sasany raha mahafantatra fa manonona matetika fahefana hafa ivelan’ny Baiboly ireo gazety. (...)
“Raiso, ohatra, ny nomeraon’ny Janoary [22 Janoary 1989]; nisy tantara kely sy sary milokon’ny “géode”, izay vato mampiseho ny fanjakan’i Iowa tao. Nilaza ilay lahatsoratra fa tahaka ny “géodes” ny olona. Toa tsotsotra ihany ny fisehoany ivelany, nefa rehefa sokafana ny “géode” iray dia mampiharihary hatsaran-tarehy anaty feno vato kristaly mampanjambena. Tahaka izany koa ny olona iray dia mety ho tsotra ny fijery azy etỳ ivelany, ary mipetrapetraka sy saro-kenatra aza; kanefa raha ‘maka fotoana hamantarana azy ny tena, dia misokatra izy ireo ary mampiharihary hatsaran-tarehy anaty mamirapiratra.’ (...)
“Tao amin’io nomeraon’ny Janoary io dia nisy koa lahatsoratra maro hafa izay tsy ho tonga teo ambonin’ny biraoko mihitsy angamba! Ny ankamaroan’ny olona, ohatra, dia efa nahare ny amin’ny ireo tantely mpamono any Afrika, kanefa nilaza ny lahatsoratra iray tao fa ireo manam-pahaizana momba ny bibikely dia ‘manelingelina’ ireo tantely. Nisy enjeniera amerikana sasany nanamboatra milina kely dia kely azo afatotra amin’ny lamosin’ny tantely iray ka manampy ireo mpahay siansa hanara-maso ny fihetsiketsik’ireo tantely ao anatin’ny iray na roa kilaometatra izany.”
Manana ny masoivohony any amin’ny tany am-polony maro manerana ny tany ny gazety Réveillez-vous!, ka noho izany, dia manana loharanom-baovao maro izay tsy azon’ny olona maro hafa raisina. Mihevitra izahay fa hahasoa anao sy ho tianao ireo lahatsoratra mahaliana ao amin’ny Réveillez-vous!. Ny isan’ny indray mivoaka amin’ny antsalany dia 11 250 000 ary avoaka amin’ny fiteny 54 izy io.
Aza fady mba andefaso famandrihana amin’ny fiaramanidina (“par avion”) herintaona amin’ny Réveillez-vous! aho. Ampiarahiko ny vola 13 000 FMG na eninjato sy roa arivo ariary, mba hahazoako ireo nomerao 24 amin’izany (izany hoe gazety roa isam-bolana).