FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w90 1/2 p. 31
  • ‘Filazana soa avy any an-tany lavitra’

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • ‘Filazana soa avy any an-tany lavitra’
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny Fandrobana ny Ala Tropikaly
    Mifohaza!—1998
  • Fomba Itoriana ny Vaovao Tsara
    Voalamina mba Hanao ny Sitrapon’i Jehovah
  • Vaovao Teokratika
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1992
  • Tena Betsaka ny Vokatra!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2018
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
w90 1/2 p. 31

Mitantara ireo mpitory ilay Fanjakana

‘Filazana soa avy any an-tany lavitra’

◻ TANY GROENLAND, tany mangatsiaka be, dia nisy mpitory sasany nifankahita tamin’ny Norveziana tanora iray izay nandray ny boky La vie — comment est-elle apparue? Evolution ou création? nandritra ny fitoriany. Tsy nampiseho fahalianana be anefa izy. Tamin’ny fiverenan’izy ireo tany amin’io tany lavitra io, dia nilaza izy fa efa voavakiny imbetsaka ilay boky ary nila boky hafa maro izy. Namela boky sy bokikely maro ho azy izy ireo. Nalahelo izy fa tsy afaka ny hiverina alohan’ny herintaona ireo mpitory, kanefa nahazo ny adiresiny izy. Iray volana tatỳ aoriana, dia gaga izy ireo raha nandondòna teo am-baravarany izy. Nitantara izy fa nianjera tao anaty rano mandry niaraka tamin’ny “scotter-ny” (karazana “moto”) mandeha amin’ny orampanala raha nandeha ho any amin’ny sambony, ary avy eo dia nandeha adiny enina teny ambony sambo izy vao tonga teo amin’ny tranon’ireo Vavolombelona. Naniry ny hahazo boky betsaka kokoa sy hiresaka ny amin’ny fahamarinana izy. Nanatrika ny fivoriana izy ny hariva ary nanao fandaharana mba hanatrika fivoriana indray mandeha isam-bolana. Tonga izy tamin’ny fitsidihan’ny mpiandraikitra ny fizaran-tany ary nahazo fampaherezana lehibe. Niala tamin’ny fiangonana izy ary izao izy dia mitory ny vaovao tsara any amin’ny toerana misy azy. Rehefa manakana azy tsy handeha any amin’ireo fivoriana ny rano mandry amin’ny ririnina, dia mandeha “hélicoptère” izy, na dia mandoa eo amin’ny 225 000 FMG isaky ny mandeha aza.

Firy amintsika no tsy maintsy miezaka mafy toy izany mba handrosoana eo amin’ny fanompoantsika?

◻ Maro be ireo olona manaiky ny vaovao tsara eto Madagasikara. Mahery kelin’ny 3 200 ny mpitory ilay Fanjakana, nefa nisy 16 205 nanatrika ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy. Manao fiezahana be mba hahatratrarana ny olona rehetra eo amin’ny nosy ny rahalahy.

17 tamin’ireo mpitory 30 tao amin’ny kongregasionan’Isaonjo, ohatra, no nanapa-kevitra ny hanao fanambarana any amin’ny faritany kilaometatra maro be avy eo. Nandao ny tanànany tamin’ny roa ambin’ny folo ora sy sasany alina izy ireo. Nandeha an-tongotra tamin’ny lalan-kely nideza be sy tao anatin’ny heniheny feno fotaka izy ireo nandritra ny adiny roa. Avy eo, tamin’ny roa ora sy sasany maraina, dia niditra tao anaty ala matevina izy ireo. Koa satria nameno ny ala ny fahamaizinana, dia tafintohina tamin’ny vato maranitra ny rahalahy sasany. Ny hafa dia latsaka tao anaty rano niandrona tao anaty harambato. Nisy dinta nanaikitra tao amin’ilay ala ary voakaikitry ny bibikely maro isan-karazany izy ireo. Nijaly noho izany ny ankamaroan’ireo anabavy. Halohalika ny fotaka indraindray. Naratra daholo ireo mpitory 17, kanefa tafavoaka tamin’ilay ala tamin’ny enina ora sy sasany maraina izy ireo!

Nanomboka tamin’ny fito latsaka fahefany maraina ny fitoriana. Nandray ireo mpitory tamin-katsaram-po ny ankamaroan’ny olona. Nisy olona iray izay tsy nandray azy ireo tsara tamin’ny voalohany, dia ny vadin’ny filohan’ny fivavahana protestanta izany. Hoy izy: “Efa manana ny fivavahako aho; ampy ahy izany. Fantatro daholo izay lazain’ny Baiboly.” Vantany vao nasehon’ilay mpitory ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana iray dia nanda izany tamim-pieboeboana ilay ramatoa ka nanao hoe: “Efa manana zavatra hafa maro be hovakina aho.” Nefa teo dia nanomboka nanontany toy izao izy: “Iza moa ianareo, ary avy aiza ianareo, ary iza no naniraka anareo?” Rehefa avy namaly azy tamim-pahalemem-panahy izy ireo ka nitantara fohy ny fiezahana rehetra nataony mba hahatratrarana ny tanànany, dia nanaiky handray Ny Tilikambo Fiambenana ilay ramatoa ka nanao hoe: “Hovidiko ity. Iza no mahalala raha nirahin’Andriamanitra ianareo?”

Tamin’ny iray ora sy sasany tolakandro, dia nandao ny faritaniny mba hody ireo mpitory 17, ary nataony tao anatin’ny adiny efatra latsaka ny dia satria mbola nazava ny andro. Vizana izy ireo nefa tonga soa aman-tsara ary nampiseho hafaliana be ny endriny. Hoy izy ireo: “Tsy hohadinoinay 17 avy ao amin’ny kongregasionan’Isaonjo mihitsy iny andro iny.”

Azo antoka fa ny fanahin’Andriamanitra dia nanosika ireo mpanompony nanolo-tena ho azy mba hitory ny vaovao tsaran’ny Fanjakana “hatramin’ny faran’ny tany,” ary maro be no mandray tsara noho ny fiezahana be ataon’ireo Vavolombelona. — Asan’ny apostoly 1:8.

[Sary, pejy 31]

Seranan’i Umanak, Groenland.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara