Mitondra fifaliana ny fanangonana any Japon
“NIHARIHARY mazava fa mahatsapa fahakiviana bebe ihany ireo misionera.” Izany no voamarik’i Charles Taze Russel, prezidà voalohan’ny Watch Tower Bible and Tract Society, taorian’ny famotopotorany manokana ny tarehin-javatra ara-pivavahana tany Japon tamin’ny 1912. Niteny ny amin’ny tsy fahombiazan’ireo misioneran’ny fivavahana lazaina fa kristiana izy ary nanambara hoe: “Ny zavatra ilain’ny Japone dia ny ‘Filazantsaran’ny Fanjakana.’”
Moa ve io zavatra nilaina io mba ho tanteraka? Nisy tara-pahazavan’ny fahamarinana namirapiratra teo amin’ny Japone tamin’ny alalan’ny Vavolombelon’i Jehovah vitsivitsy nahatoky nandritra ireo taona 1920 sy 1930. Na dia nandritra ny Ady Lehibe II aza, dia nisy sasantsasany naharitra nampanakoako ny vaovao tsara na dia tao aza ny fampahoriana nataon’ny fitondram-panjakan’ny emperora. Kanefa nisy asa fanangonana niitatra bebe kokoa voatahiry ho an’io fitandaharana nosy any amin’ny Farany Atsinanana io.
Niaraka tamin’ny fahatongavan’ny misionera 15 an’ny Watchtower tamin’ny 1949, Jehovah dia nitsoka rivo-baovao teo amin’ny asa fitoriana ilay Fanjakana tany Japon. Hitan’ireo misionera vaovao tonga ny soritra navelan’ny Ady Lehibe II: Tanàna antontam-bato sisa, ary very hevitra ireo olona, satria nitsimbadika ny fandehan-javany fahiny momba ny hasarobidin-javatra. Tamin’izay fotoana izay ihany koa ireo misioneran’ny fivavahana lazaina fa kristiana no nanavao indray ny asany, nefa tsy nahomby izy ireo tamin’ny fanovana ny Japone ho kristiana marina. Ireo misioneran’ny Vavolombelon’i Jehovah tonga tamin’ny 1949 sy ireo 150 mahery izay nanaraka azy dia niatrika zava-tsarotra lehibe, dia ny fambolena ao an-tsaina sy ao am-pon’ny Japone ny finoana ny Mpamorona, dia Jehovah Andriamanitra. Ahoana no nandresen’izy ireo izany zava-tsarotra izany?
Fametrahana ny fototra
Nanomboka tao amin’ny trano kely iray misy rihana iray tao Tokyo ny fiezahan’izy ireo tamin’ny naha-misionera. Tao anatin’ireo taona 1950, dia niadana ny fanangonana. ‘Vitsy monja no ho tonga ao amin’ny fahamarinana eto Japon alohan’ny Haramagedona’, hoy ny eritreritry ny iray tamin’ireo Japone voalohany nandray ny vaovao tsara tamin’izany andro izany. Ny iray tamin’ireo mpiandraikitra ny fizaran-tany voalohany dia mahatsiaro ho nandinika avy eo amin’ny varavarankelin’ny fiarandalamby ary nanontany tena raha mbola ho tratran’ny vaovao tsara ny trano tao amin’ireo tanàna kely nandalovany.
Nanao fiezahana efa ho folo taona ireo misionera mba hahatratrarana ny tanjona arivo teo amin’ny isan’ny mpitory ilay Fanjakana. Nefa tamin’ny 1963, noho ny fitomboana tsy tapaka, ilay sampana marefo tao Tokyo dia noravana ary naorina teo amin’ny toerany ny trano misy rihana dimy vita amin’ny rihibato.
Nametraka fanorenana tsara dia tsara ho an’ny hoavy ireo misionera tamin’ny fampidirana ny fitiavana ny asan’ny mpitory maharitra tao am-pon’ireo olona nampianariny Baiboly. Notahin’i Jehovah ny fiezahana miaraka nataon’ireo misionera sy ireo mpitory maharitra japone, ary tafakatra ho iray alina ny isan’ny Vavolombelona tamin’ny 1970. Tamin’ny 1972, mba hikarakarana ny fitomboana, ny trano fanontam-pirinty misy rihana roa sy ny trano fonenana misy rihana efatra dia naorina tao Numazu, eo amin’ny 120 kilaometatra any atsimo andrefan’i Tokyo. Izao dia tsy nampiasaina intsony ny orinasa iray any ivelany mba hanonta pirinty ireo gazety, fa Ny Tilikambo Fiambenana sy Réveillez-vous! dia nivoaka avy tamin’ny milina manokana an’ny sampana japone mba hamatsiana amin’ny asa fitoriana ilay Fanjakana eo an-toerana.
Iza moa no hanampo fa hihoatra ireo toerana ao Numazu ny asa fanangonana ao anatin’ny folo taona hanaraka? Nefa izany no nitranga, ary Jehovah dia nanana asa fanorenana niitatra bebe kokoa ho fitsinjovana ny fijinjana mitombo.
Fitomboana na dia teo aza ny fanoherana
Vita tamin’ny 1982 tany Ebina, any atsimo kelin’i Tokyo, ny fitambaran-tranon’ny sampana vaovao izay avo telo heny noho ilay tany Numazu ny habeny. Mandra-pahatongan’ny fotoana nanokanana azy tamin’ny may tamin’io taona io, dia notahin’i Jehovah tamin’ny tampon’isa tsy an-kijanona nandritra ny telo taona mahery teo amin’ny isan’ny mpitory ireo Vavolombelona any Japon. Nitohy ny fitomboana, ary tamin’ny may 1985 dia tafakatra ho iray hetsy ny isan’ireo mpitory japone. Eny tokoa, nanafaingana ny asa tamin’ny fotoany i Jehovah, hany ka tsy azo nihodivirana ny fanitarana indray ireo tranon’ny sampana. (Isaia 60:22) Taona vitsivitsy monja taorian’ny nanokanana ireo fitambaran-trano voalohany ao Ebina, ny Kolejy Foibe dia nanaiky fanamboarana trano fanontam-pirinty vaovao misy rihana dimy sy efitra ambanin’ny tany iray ary trano ipetrahana misy rihana fito.
Hita miharihary fa tsy nahafaly an’i Satana io fitomboana teo amin’ny mpanompon’i Jehovah io satria nandritra ny volana taorian’ny nahatratrarana ny isa iray hetsy, dia nitranga tany Japon ny raharaha lehibe iray mikasika ny fampidiran-dra. Maty taoriana — fa tsy noho — ny tsy naneken’ny ray aman-dreniny fampidiran-dra taminy ny zazalahy kely folo taona. (Asan’ny apostoly 15:29) Ho vokatr’izany, ireo fampahalalam-baovao dia namely ireo Vavolombelona. Na dia mbola tsy Vavolombelona nanolo-tena aza ny rain’ilay zazalahy kely tamin’izay, dia nahatohitra ny fanafihana tsy nisy fiantrana sy tsy tapak’ireo mpanao gazety. Vita batisa izy tatỳ aoriana ary manompo amin’ny maha-mpitory maharitra mandavantaona miaraka amin’ny vadiny.
Nahakasika ny asa fanangonana ve io fanafihana io? Tamin’ny lafiny kely dia kely. Nisy olona nianatra ny Baiboly nanajanona ny fianarany, kanefa ny tampon’isan’ny mpitory isam-bolana dia tsy nitsahatra mihitsy, ary ny desambra 1988 dia nahamarika ireo folo taona nisian’ny tampon’isa tsy an-kijanona. Nandritra ireo 7 taona teo anelanelan’ny fitokanana ireo birao voalohany ao Ebina sy ny fitokanana ilay vaovao, dia nitombo avo roa heny ny isan’ ireo mpitory, hany ka tonga maherin’ny 135 000 ireo 67 000, ary nitombo avo telo heny ny isan’ireo mpitory maharitra mandavantaona, hany ka tonga 36 000 ireo 12 000, ary saiky nitombo avo roa heny ny isan’ireo fampianarana ny Baiboly, hany ka tonga 172 000 ireo 97 000. Porofo miavaka ny amin’ny fandresen’i Jehovah ireo fanafihana ataon’i Satana amin’ny vahoakany toy inona moa izany! — Ohabolana 27:11.
Ny fanorenana ireo trano vaovao
Tsy manao trano goavana mba hanaitra olona akory ny Vavolombelon’i Jehovah. Kanef, raha manaraka ny fitomboan’isa eo amin’ny mpitory ilay Fanjakana izy ireo, dia mazàna tsy maintsy atao lehibe ireo tranony. Ohatra tsara ny amin’izany ilay trano fanontam-pirinty japone vaovao. Efa ho 25 000 metatra tora-droa ny velarana azo ampiasaina ao aminy, izany hoe avo roa heny noho ny velaran’ilay trano fanontam-pirinty teo aloha. Nafindra ho ao amin’ny trano fanontam-pirinty vaovao ny sampana fanakambanam-boky, ny toerana misy ireo milina ary ny sampana fandefasana ireo boky, ary rihana roa no saiky ampiasaina avokoa mba hitehirizana ireo zavatra vita an-tsoratra. Na dia izany aza, dia mbola afaka mandray betsaka kokoa noho izany ilay trano fanontam-pirinty vaovao. Efa nasiana fanorenana ao ambanin’ilay trano mba hanasiana milina fanontam-pirinty mandeha haingana roa fanampiny, ary rihana roa manontolo no mbola tsy misy na inona na inona, vonona ho amin’ny fitomboana ho avy.
Misy efitrano fandraisana mpitsidika, tsara tarehy sy voaravaka tamim-pahaiza-mifidy zavatra, ilay trano fipetrahana vaovao misy rihana fito. Misy efitrano manokana 128 ho an’ireo mpiasan’ny Betela izy io ary 8980 metatra toradroa ny velarana azo ampiasaina ao aminy — mitovy amin’ny velaran’ny sambo fiaran’i Noa. Nisy mpifanolo-bodirindrina nanontany ireo nanao ilay trano mihitsy aza ny amin’izay tokony hataony mba hahatongavana ho tompon’ny iray amin’ireo fitambarana efitrano ao!
Samy niaiky avokoa ireo nandray anjara tamin’ny fanorenana fa i Jehovah no nitarika ny fanaovana ireo trano (Salamo 127:1, 2). Mpiasa an-tsitrapo tanora teo amin’ny roapolo taona mahery kely teo no nahaforona ny ankamaroan’ny mpiasa; feno faharisihana izy ireo fa tsy ampy fanandraman-javatra eo amin’ny fanaovan-trano. “Tamin’ny voalohany”, hoy ny fitantaran’ilay mpanao mari-trano niandraikitra ny fanaovana ilay trano, “dia sarotra tamiko ny nanao mari-trano tamin’ny fomba ho mora azon’ireo rahalahy tsy ampy fanandraman-javatra.” Noho ny fiaraha-miasan’ny rehetra anefa, dia naharesy ireo vato misakana izy ireo.
Io fahavononana hiara-miasa io dia nahamora ny fiasan’ny fanahin’i Jehovah teo amin’ireo mpiasa. “Rehefa nanomboka nandoaka ny tany ho an’ny fanorenana izahay,” hoy ny tsaroan’ny iray tamin’izy ireo, “isaky ny avy ny orana — na vao maraina koa izany na efa alina be — dia nandeha nivoaka ho an’ny amin’ny toeram-panorenana aho mba hijery raha nitana ireo rindrina natao hihazonana ny fanorenana. Isaky ny tonga tany aho, dia nahita rahalahy maro hafa feno fanahiana foana, ary niara-niasa izahay rehetra, na dia lenan’ny orana hatrany anatiny aza, mba hanamboarana izay ilàna fikarakarana maika. Nampitombo ny fisakaizana teo aminay ny fanandraman-javatra toy izany.
Fanohanana ho an’ny fanangonana maneran-tany
Koa satria natao hanohanana ny asa fijinjan’i Jehovah ireo trano vaovao ireo, dia nety raha hatokana ho azy izy ireo raha vantany vao vita. Natao tamin’ny 13 marsa 1989 ny fandaharam-pitokanana, ary tonga nanatrika izany i Carey Barber, i John Barr ary i Lloyd Barry, samy avy amin’ny Kolejy Foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah, ary ny vadin’izy ireo avy. Nasaina hanatrika io fandaharam-pitokanana io ny maherin’ny arivo tamin’ireo Japone voalohany natao batisa, ary faly izy ireo nahita ireo namany taloha mbola manompo an’i Jehovah amim-pahatokiana. Nisy solontena avy amin’ny tany 13 nanaiky ny fanasana azy hanatrika sy hiara-hifaly noho io andro lehibe io. “Tena tahaka ny fivoriambe iraisam-pirenena kely mihitsy ilay izy,” hoy ny nolazain’ny solontena iray.
Ny tena naha-iraisam-pirenena ilay fandaharana dia ireo filazalazana avy amin’ny sivy amin’ireo tany ireo. Nisy fatoran’ny mpirahalahy mafy tsapa rehefa notantarain’ireo solontena avy any amin’ny tany samihafa ao Azia ny fisehoan-javatra sasany mampiseho fiaraha-miasa iraisam-pirenena ary rehefa nilaza izy ireo fa hampiasaina ho an’ny asa ao amin’ny tanin’izy ireo sy ao Japon io trano fanontam-pirinty vaovao io. Ny sampan’i Japon izao dia manonta zavatra vita an-tsoratra amin’ny fiteny 13 ary mandefa izany any amin’ny tany maro.
Ny tolakandro, dia niteny tamin’ny mpanatrika ny Rahalahy Barber ary nanantitrantitra ny maha-zava-dehibe ny fahatanterahan’ireo faminanian’i Ezekiela. Avy eo ny Rahalahy Barr dia nanao lahateny nitondra ny foto-kevitra hoe “Aoka isika hameno ny tany amin’ny voninahitr’i Jehovah,” izay nanampy ireo mpanatrika hahatakatra ny hery feno ananan’ny fahamarinana.
Ny rahalahy Barry, izay nanompo tamin’ny naha-misionera tao Japon nandritra ny 25 taona mahery, no nanao ny lahatenim-pitokanana. Tao amin’ny lahateniny nitondra ny lohateny hoe “Tokony hifaly eo anatrehan’i Jehovah Andriamanitrao ianao,” izy dia namporisika ny mpanatrika mba hifaly satria miaina amin’ny vanim-potoana nasehon’ny andro firavoravoana fitoerana amin’ny trano rantsan-kazo, na andro firavoravoana amin’ny fanangonana, teo amin’ny Isiraely fahizay. Nomarihiny ireo antony tokony hahafaly azy ireo raha nanao fitantarana fohy ny asa tao Japon izy. Rehefa nanoro hevitra ny Rahalahy Barry ny amin’ny tokony hanokanana ireo trano vaovao an’i Jehovah, dia namaly tamin’ny fitehafana feno hafanam-po ireo mpanatrika rehetra.
Ny andro manaraka, ireo solontenan’ny Kolejy Foibe dia niteny tamin’ny alalan’ny fifandraisana an-telefaonina tamin’ny mpanatrika 233 780 tafavory tamin’ny toerana 46 eran’ireo nosin’i Japon. Eny tokoa, araka ny nahitan’i Pastora Russell azy tamin’ny 1912, dia mila ny vaovao tsaran’ny Fanjakana ireo Japone. Nahatanteraka izany i Jehovah tamin’ny alalan’ny asan’ireo misionera mba hametrahana ny asa fanorenana sy tamin’ny fanomezana ny toe-tsain’ny mpitory maharitra tao amin’ireo Vavolombelona Japone. Ireo trano vao avy notokanana dia mijoro ho vavolombelona fa ‘manafaingana’ ny fanangonana mandritra ny andro firavoravoana fitoerana amin’ny trano rantsan-kazo nasehon’ny tandindona i Jehovah. — Isaia 60:22.
[Sary, pejy 24]
Eo ankavia: Ny trano fanontam-pirinty vaovao ao Ebina, (eo ambany ankavia) ny fandaharam-pitokanana, ary (eo ambany ankavanana) ny efitra fandraisana ireo mpitsidika ao amin’ny trano ipetrahana vaovao
[Sary, pejy 25]
Ny trano ipetrahana vaovao, ary (ao anaty sary kely) ny efitra famakiam-boky ao amin’ny rihana voalohan’ny trano misy ireo birao
[Sary, pejy 26]
Nanatrika ny fandaharam-pitokanana ireo misionera 19 avy amin’ny kilasy faha-11n’ny sekolin’i Gileada ireo. Mahafeno 1023 taona ny fanompoana manontolo andron’izy ireo — raha ampiana ny an’ireo misionera dimy hafa anisan’ny kilasy faha-11 koa izay maty nahatoky tao amin’ny asa nanendrena azy tao Japon
Nandray anjara tamin’ny fandaharam-pitokanana ny mpikambana telo amin’ny Kolejy Foibe — dia i Carey Barber, i John Barr, ary i Lloyd Barry