Ny SIDA: ‘Fanombohan’ny toe-pitondrantena vaovao ve?’
Rehefa avy nitantara ny tonian’ny gazety kanadiana iray fa araka ny filazan’ny mpitsabo iray, dia “firaisana amin’ny vady tokana” no hany fomba tsy hahavoan’ny SIDA amin’ny lahy sy ny vavy dia hoy ny fanontaniany: “Moa ve ny SIDA mahatahotra mety hanamarika fanombohan’ny toe-pitondrantena vaovao tanteraka ao anatin’ny fitambaran’olona misy antsika?” Nanontany tena koa io lehilahy io raha tsy “hafahafa” ny hoe ny fanambadiana tokana, ampianarin’ny Baiboly hatramin’ny ela be, dia “raharaha iankinan’ny aina mihitsy amin’izao andro izao ho an’ny olombelona”. Nanonona koa “ny zavatra mahadomelina, ny paraky na sigara, ny fitiavana zava-mahamamo ary ny fahalotoam-pitondrantena eo amin’ny lahy sy ny vavy izay tsy ny kely indrindra akory, ilay tonian’ny gazety ka nanampy teny hoe: “Vidintsika lafo ny fiainam-bahoaka vonton’ny sary sy soratra maloto, ny filalaovan-dratsy sy ny fandraisana kolikoly noforonintsika.”
Na dia mendri-piderana aza ny hanantenana ny hiovan’ny olona fitondrantena sy ny hiarovany ny ainy, moa ve ny tahotra fahafatesana aloha be na ny faran’ny olombelona ho ampy hiteraka “toe-pitondrantena vaovao tanteraka?” Azo antoka fa tsy izany. Ny porofo dia ny hoe na dia eo aza ny fampitandremana miverimberina ataon’ny mpitsabo sy ny mpanao fikarohana, ny ankamaroan’ny mpifoka sigara sy ny fatra-pitia zava-mahamamo dia mikiry manimba ny fahasalamany sy manafaingana ny fahataperan’ny androny. Nisy koa lehilahy mandry amin’ny lehilahy nanantitrantitra fa mbola hanana firaisana amin’olona maro ihany izy ireo na dia mety ho voan’ny SIDA aza. — Ohabolana 10:21, 23.
Inona àry no tena hamarana ny fitondrantena ratsy? Tsy isalasalana mihitsy fa tahotra sy fanajana an’i Jehovah mahasoa aseho amin’ny fanarahana ny lalàny momba ny toe-pitondrantena. “Ny fahatahorana an’i Jehovah no fiandoham-pahalalana.” Ary izany fahalalana izany dia miteraka fahendrena izay “maharo ny ain’ny manana azy”. — Ohabolana 1:7; Mpitoriteny 7:12.
Misy heviny ny nilazan’ilay tonian’ny gazety izao fanontaniana hafa izao rehefa avy nanao fanamarihana izy fa mety hahavoan’ny SIDA ny fampidiran-dra: “Tsy misy fifanoheran-javatra ve amin’ny hoe rehefa avy nanameloka tsy misy fandinihana ny Vavolombelon’i Jehovah isika noho izy ireny tsy mety mandray ra (. . .) dia mba mandà ny ra koa isika noho ny antony hafa?”