FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w90 1/1 p. 22-26
  • Azo atao foana ny manao zavatra ho an’i Jehovah

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Azo atao foana ny manao zavatra ho an’i Jehovah
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny fitoerana mialanalana
  • Ny faritaniko vaovao: ny tranomaizina
  • Ny fifindran-toerana
  • Mpigadra an’ady
  • Notorina tamin’ny karazan’olona rehetra ny fahamarinana
  • Fanompoana miitatra
  • Jehovah: tilikambo mafy
  • Mahita zavatra betsaka kokoa hatao ho an’i Jehovah aho
  • Lasa Kristianina Ilay Mpitolona Nafana Fo
    Mifohaza!—2002
  • Tsy Mofo Ihany no Iveloman’ny Olona—Tafavoaka Velona Tany Amin’ny Tobin’ny Voafonja Aho
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2009
  • Miandry An’ilay Fanjakana “Tsy Anisan’ity Tontolo Ity”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2007
  • Mikely Aina mba ho “Mpiasa Tsy Mahazo Henatra”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
w90 1/1 p. 22-26

Azo atao foana ny manao zavatra ho an’i Jehovah

Nosoratan’i Jean Queiroy

NAHAFINARITRA ny fahavaratry ny taona 1939. Nanjelanjelatra ny manodidina an’i Martigny, ao amin’ny fizaran-tany kely soisa any Valais, teo ambany masoandron’ny volana aogositra. Nanerinerina nanodidina anay ny sasany tamin’ireo tendron’i Alpes avo indrindra, anisan’izany i Grand Combin, rakotry ny orampanala, izay mirefy 4314 metatra ny haavony. Nandray ahy nandritra ny andro vitsivitsy ny fianakaviana kristiana iray ary nitsangantsangana an-tongotra naharitra tany an-tendrombohitra izahay. Toy ny efa ao amin’ny paradisa sahady no niheverako ny tenako.

Nefa tsy ela, vetivety loatra, dia tonga ny fotoana hanaovana mandra-pihaona an’ireo mpampiantrano ahy sy hiverenana any Paris. Nividy gazety iray aho mba hovakina ao anatin’ny fiarandalamby; namerina ahy tampoka ho amin’ny zavatra tena nisy ny vaovao nanaitra. Nikororosy aoka izany ny toe-javatra naneran-tany, nandrahona ny ady.

Raha vao tafaverina aho dia nanohy indray ny asako tao amin’ny Biraon’ny Fikambanana Watch Tower tao Paris, izay niasako hatramin’ny herintaona mahery kely izao. Kanefa andro vitsivitsy taorian’izay dia naharay taratasy fiantsoana ho any an’ady aho: tokony hiseho ao amin’ny Tobin’i Vincennes, any atsinanan’i Paris, aho. Teo am-pihilangilanana ny fiainako.

Ny fitoerana mialanalana

Nampahafantatra ny fanapahan-keviny hiady amin’i Alemaina i Frantsa sy i Grande-Bretagne ny 3 septambra 1939. Niseho tany Vincennes aho ary nandray ny toeran’ny fialanalanana kristiana momba ilay raharaha. Taoriana kelin’izay dia nasaina hitondra ahy tamin’ny side-car (fitoerana kely miraikitra amin’ny bisikileta ahodi-milina) ho any amin’ny tobin’i Charenton, tsy lavitra avy eo, ny miaramila tanora iray. Na dia teo aza ny fipoapoaky ny miliny dia nanandrana nampiova hevitra ahy ilay miaramila, izay nahafantatra ny antony nandefasana ahy ho any amin’io toby io. Tonga hatramin’ny fiangaviana ahy tamin’ireto teny ireto mihitsy izy: “Aza manao izao, ry Queiroy a. Aza mandà ny hiady, raha tsy izany dia ho ratsy ny zavatra ho anao.” Dodona aho nanome toky azy fa tsy natahotra na inona na inona aho.

Nandany ny aliko voalohany tao amin’ny efitrano kelin’ny tranomaizina aho. Nirefy 2 metatra ny halavany ary 1 metatra sy sasany ny sakany. Tsy nisy afa-tsy hazo fisaka iray izay nisolo ny fandriana, sy bodofotsy roa, no mba hany fanaka. Nieritreritra izay azoko atao ho an’i Jehovah tao anatin’ny toe-javatra nisy ahy aho. Rehefa nifoha aho dia nahatsikaritra fa hay tsy nisy varavarankely fitaratra an-tafontrano akory hamela ny tara-masoandro kely indrindra hiditra. Nanana zo hivoaka kely isan’andro nandritra ny fahefatr’adiny aho mba hanadiovako ny tenako. Nisy miaramila serizà iray, nitondra basy poleta teny an-tanany, sy miaramila tsotra roa, nanana basy lava teo an-tsorony, nanatitra ahy hatreo amin’ny fisasan-tanana. Nentina toy ny mpanao ratsy mampidi-doza aho!

Miaramila hafa no nitondra ny sakafoko. Nahavariana azy ireo ny toerana nisy ahy, izany dia nanome ahy fahafahana hanao zavatra ho an’i Jehovah: nanao fanambarana feno tamin’izy ireo aho. Tsy ela akory dia nifankazatra tamiko ny sasany tamin’izy ireo ary nitondra afokasoka, labozia ary sakafo fanampiny ho ahy mihitsy aza. Teo am-boalohany dia nalaina tamiko ny Baiboliko nefa, noho ny fandraisana anjara nataon’ny manamboninahitra iray, dia naverina tamiko izany. Endrey ny nitiavako namaky azy teo amin’ny fahazavan’ny labozia!

Avy eo dia tonga ny fotoana hamindrana ahy tany amin’ny tranomaizina miaramila izay tsy misy intsony ankehitriny, ao amin’ny lalana Cherche-Midi, ao Paris. Natao am-ponja aho, hany ka nanana fotoana be dia be hisaintsainana ny amin’ny toerana nisy ahy.

27 taona aho tamin’izay ary efa roa taona izay no nanompoako an’i Jehovah manontolo andro. Nandre firesahana voalohany ny amin’ny Vavolombelon’i Jehovah ny fianakaviako noho ny fandaharana nalefa tamin’ny Radiao Vitus, fandraisam-peo tsy miankina tao Paris. Tamin’ny taona 1933 tamin’izay. Nanapa-kevitra hiandany amin’ny fahamarinana aho tamin’ny taona 1935, rehefa avy nanatanteraka ny raharaha miaramila tsy maintsy nataoko. Natao batisa aho ny aogositra taona 1936 tany Lucerne, any Soisa.

Anisan’ilay hany kongregasiona tao Paris ny ray aman-dreniko, ny rahalahiko, ny anabaviko ary ny tenako. Nampirisika mandrakariva ny Vavolombelona tanora ny rahalahy Knecht, tompon’andraikitra tamin’ny asa tao Frantsa tamin’izay, mba hanao ny fanompoana manontolo andro. Noho izany, tamin’ny aprily 1938 dia nanapa-kevitra ny ho tonga mpitory maharitra, na ministra manontolo andro, ny rahalahiko, ny anabaviko ary ny tenako. Ny faritany natolotra anay dia tany amin’ny 150 kilaometatra eo ho eo any atsimo atsinanan’i Paris, any Auxerre. Nitory tany an-tanàn-dehibe i Jeannette anabaviko raha namakivaky am-bisikilety ny tanàna kely hatreo amin’ny 30 kilometatra manodidina izaho sy i Marcel rahalahiko. Tamin’izany fotoana izany ny fitoriana dia natao indrindra hizarana zavatra vita an-tsoratra momba ny Baiboly; tsy nanao fiverenana mitsidika izahay. Tsaroako ihany fa nahasanganehana ahy fatratra izany raharaha izany.

Tamin’ny jona 1938 dia nasaina ho tonga hiasa tao amin’ny Biraon’ny Fikambanana Watch Tower tany Paris aho. Tamin’izany fotoana izany, ny mpiasa na mpianakavin’ny Betela, dia tsy nisy afa-tsy mpikambana folo tany Frantsa. Notendrena ho ao amin’ny sampany fandefasana entana aho. Tao no niasako raha voantso ho any an’ady aho, ka nandray “faritany vaovao” tamin’izany.

Ny faritaniko vaovao: ny tranomaizina

Raha vao teo am-piandohan’ny fanaovana ahy an-tranomaizina dia takatro fa raha tsy mitady fomba hanaovan-javatra ho an’i Jehovah aho, na dia zavatra kely monja aza, dia hihena haingana ny finoako. Nefa tsy nila fotoana lava aho mba hamoronana fisehoan-javatra nahafahako niresaka ny fahamarinana voarakitra ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Herinandro vitsy taorian’ny nahatongavako tao amin’ny tranomaizin’i Cherche-Midi dia nafindra tao amin’ny efitra iraisana aho, niaraka tamin’ny mpigadra hafa. Tao no nahafantarako ny mpianatra lalàna iray, voaheloka am-ponja satria andro maromaro taorian’ny fahataperan’ny andro tsy niasany vao nody indray tao an-toby izy, sy seminarista katolika iray voampanga ho nangalatra. Nanao fifanakalozan-kevitra lava maro momba ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly izahay telo lahy.

Indray andro, raha nitsangantsangana teo an-tokotany aho dia nahatsikaritra mpigadra iray nitokana irery teo amin’ny toerana iray. Rehefa nanatona azy aho dia hitako fa namaky boky izy. Niresaka taminy aho, ary rehefa nitodika izy, dia namela ahy hahita Baiboly iray. Hevero kely ange e! Vavolombelon’i Jehovah izy io! Azonareo sary an-tsaina mora foana ny hafaliana tsapanay. Nanomboka hatreo izahay dia nandany ora maro nifampaherezana.

Nomen-dalana hijanona ora maromaro isan’andro teo amin’ireo tokotanin’ny fonja izahay. Nataoko àry izay hiresahana amin’ny mpigadra vitsivitsy izay nankasitraka ny hafatry ny Baiboly. Indraindray aza dia nandray anjara tamin’ny ady hevitra nataonay ny mpiambina. Nahita zavatra hatao ho an’i Jehovah aho. Tonga faritaniko vaovao ho amin’ny fitoriana ny tranomaizina ary, rehefa dinihina, dia nahatratra ny zava-kendren’ny mpitory maharitra aho, na dia tsy afaka namerina rapaoro aza. Kanefa na dia izany aza dia tsy nampanahiran-tsaina ahy izany.

Ny fifindran-toerana

Nandalo ireo volana ary tsy nisy zavatra niavaka nitranga - “ady hafahafa” ilay izy. Nifarana anefa izany fahatoniana izany tamin’ny may 1940 rehefa nanafika an’i Frantsa i Alemaina. Tamin’ny volana jona, noho ny fandroson’ny tafika alemanina dia namoaka ny tao amin’ny tranomaizin’i Paris rehetra ny manam-pahefana frantsay. Nampiakarina tao anaty kamiaon’ny miaramila izahay ka io no tokony hitondra anay ho any Orléans, an-jatony kilaometatra any atsimon’i Paris. Taorian’ny fiatoana fohy, ny mpigadra rehetra, na sivily na miaramila, dia nakambana ary nahazo baiko hanohy an-tongotra ny dia ho any atsimo atsinanana amin’ny fanarahana ny moron’i Loire avaratra. Mpiambina mitondra fiadiana no nanara-maso ny mpandeha. Nanasatra ny dia an-tongotra tao anatin’ny hafanana maherin’ny volana jona.

Nisy mpanao heloka bevava niaraka taminay. Ireo mpiambina dia nahazo toromarika hanapitra ny ain’izay rehetra nijanona, nianjera, na tsy afaka nandeha intsony. Tratran’ny aretina mafy noho ny herin’ny masoandro i Ceglarski tamin’ny andro fahatelo. Ho famelana azy ho amin’ny fahafatesana azo antoka ny fandaozana azy. Nanaiky ny hanampian’ny mpigadra hafa ahy hamono bodofotsy azy sy hitondra azy ny mpiambina. Ny ampitso dia nihatsara kokoa izy ary afaka nandeha indray.

Taloha kelin’ny hahatongavana tao Briare, tanàna kely eo amin’ny moron’i Loire ankavanana, ny andiany nisy anay dia nifanehatra tamin’olona maro be nivesatra ny fananana rehetra azony natao niavosa teo ambony sarety. Nandositra ho any atsimo izy ireo, teo anolon’ny tafika alemanina. Hitanay tamin’ny ampahany ny halehiben’ny fifindra-monin’ny sivily an’arivony maro izay nandositra mba hanavotany ny ainy.

Avy eo dia tsikaritray fa nandositra avokoa ny mpiambina anay. Tsy nisy mpanara-maso intsony izahay. Inona àry no tokony hataonay? Tsy afaka hiampita an’i Loire izahay mba hanohizana ny dianay ho any atsimo, satria mivelatra loatra izy io, ary ny tetezana rehetra dia efa potika. Nanapa-kevitra ny hody tany Paris àry ny andiany kely nisy anay (ny rahalahy Ceglarski, mpigadra roa hafa ary izaho).

Nahita soavaly nilaozan’ny tompony izay nasianay lasely ratsiratsy izahay. Koa satria naratra ny lohaliko havia ary tsy afaka namoritra ny tongotro aho dia voatery nanampy ahy hiakatra teo ambonin’ny soavaliko ireo namako. Tsikaritray teo fa hay nandringa koa ilay izy! Nandroso tamim-pahasahiranana izahay satria nitarika ny tongony ilay soavaliko. Na ahoana na ahoana, vetivety dia niova tampoka ny dianay. Raha vao nahavita kilaometatra vitsivitsy monja izahay dia nifanehatra tampoka tamin’ny miaramilan’ny tafika alemanina vitsivitsy. Nasain’ny “feldgendarme” (zandary alemanina ambony) iray nidina avy teo amin’ny soavaly izahay. Ny hany mba vitanay dia ny niova mpiambina!

Mpigadra an’ady

Taoriana kelin’izay dia nosarahin-toerana izaho sy i Ceglarski. Notazonin’ny Alemanina foana izy mandra-pahatapitry ny ady. Volana vitsivitsy taorian’ny nampidirana ahy tao amin’ny tobin’i Joigny, tao afovoan’i Frantsa, dia natao sesitany tany Stettin, seranan’ilay Prusse Atsinanana tamin’izany fotoana izany, seranan’i Szczecin ankehitriny, any Pologne, aho.

Koa satria noheverina hoe tao amin’ny tranomaizina miaramila frantsay iray aho talohan’ny nitanan’ny Alemanina ahy, dia natao tao an-tobin’ny mpigadra an’ady aho; ny toe-javatra tao dia tsy nampahory loatra toy ny tany amin’ny toby fitanana. Trano lehibe iray nialofan’ny mpigadra 500 nambenan’ny mpiambina nanana fitaovam-piadiana no nahaforona io toby io. Niasa tao amin’ny orinasa tany an-tanàn-dehibe ny mpigadra nandritra ny andro ary nentina nody tany an-toby ny hariva. Koa satria any ivelany ireo lehilahy rehetra ireo manontolo andro, ahoana no hahitako zavatra hatao ho an’i Jehovah?

Tao amin’ilay trano lehibe dia nisy tabilao lehibe iray filazam-baovao. Nomen-dalana hampiasa toerana kely teo amin’io tabilao io aho. Nandika foto-dresaka ara-baiboly fohy maromaro aho tamin’izay taratasy hitako sy efa nalako oritra tsara. Nosoratako teo ambanin’ilay takelaka ny toerana nisy ahy sy ny ora hahafahan’izay rehetra liana ny hafatry ny Fanjakan’Andriamanitra ho tonga hihaona amiko.

Notorina tamin’ny karazan’olona rehetra ny fahamarinana

Nanome vokatra tsara maro izany fomba izany. Tsy ela dia afaka nitarika fivoriana kely niaraka tamin’olona enina, valo ary indraindray folo isan-kariva aho. Matetika dia naharitra adiny iray na mahery ny ady hevitray, arakaraka ny fanontaniana nipoitra. Indraindray aza dia nanatona anay ny mpiambina alemanina iray izay nahay niteny frantsay.

Koa satria tsy nanana afa-tsy Baiboly iray aho dia nanoratra tany amin’ny Vokovoko Mena tany Genève ary nangataka mba handefasana faran’izay betsaka azo atao amin’izany. Fotoana fohy taorian’izany dia naharay ny fanafarako voalohany aho: Baiboly efa niasa. Indray andro, dia nasaina ho tonga tao amin’ny biraon’ny toby aho satria nisy mpitsidika, solontenan’ny Vokovoko Mena, nangataka ny hiresaka amiko. Pasitera protestanta izy io ary toa nihevitra fa iray amin’ireo mpiray finoana taminy aho. Diso fanantenana kely izy rehefa nahafantatra fa Vavolombelon’i Jehovah ny tenako!

Na dia izany aza dia niseho ho tsara fanahy izy ary nidera ahy noho izay nataoko. Nanome toky ahy izy fa azoko atao ny manohy manafatra Baiboly sy hahazo izany. Izany tokoa no nitranga. Afaka nizara Baiboly efa ho 300 àry aho nandritra ny nitanana ahy tao amin’io toby io. Taorian’ny ady dia faly aho nahafantatra fa ny iray tamin’ireo mpigadra belza izay nanaovako fanambarana tao amin’ny tobin’i Stettin, Wattiaux no anarany, dia niandany tamin’ny fahamarinana.

Nandritra ny nitazonana ahy tany Alemaina dia nanana tombontsoa nandray fonosan-tsakafo nalefan’ny fianakaviako aho. Tsy ela dia tsikaritro fa ny fonosana tsirairay dia nirakitra sakafo ara-panahy sarobidy betsaka koa. Nosoratan’ny anabaviko tamin’ny milina fanoratana amin’ny taratasy manify dia manify ny lahatsoratra amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana izay nafeniny tao anatin’ny fonosana “macaronis”. Tsy nahita izany mihitsy ny mpiambina. Tao amin’ny fonosana iray aza aho dia naharay boky Enfants iray izay nanampy ahy be dia be tokoa tamin’ny fanompoako.

Fanompoana miitatra

Koa satria mahay manamboatra milina aho dia niasa tao amin’ny trano fanamboarana “tracteurs” aho tat? aoriana. Mpiasa alemanina teo amin’ny roapolo teo no niasa tao, ny ankamaroan’izy ireo dia lehilahy efa nihoatra ny taona fanompoam-pirenena ao amin’ny tafika. Niezaka nianatra teny alemanina kely aho, nataoko am-po mantsy ny tsy hametra ny fanompoako ho amin’ireo mpigadra niteny frantsay fotsiny.

Nila niseho no malina ihany anefa aho, satria ny mpiasa alemanina dia natahotra ny hamoaka ny heviny ampahibemaso. Niresaka tamin’izy ireo tsirairay avy àry aho. Tamin’ny ankapobeny dia nahalala ny Baiboly ihany izy ireny, ary tsy vaovao taminy ny Vavolombelon’i Jehovah. Ny sasany aza dia nahafantatra mihitsy fa Vavolombelona maro no nalefa tany amin’ireo toby fitanana.

Isan’andro dia nahodidina ny trano fiasana aho mba hiresahana ny fahamarinana amin’ireo mpiara-miasa tamiko. Nankasitraka ny hafatra ny sasany taminy, fa tsy mba toy izany kosa ilay tompon’andraikitra tao amin’ilay trano fiasana. Tsy isalasalana fa lasa lavitra loatra aho rehefa nanoratra hoe Jehovas Zeugen (Vavolombelon’i Jehovah) tamin’ny tsaoka teo ambonin’ny dabilio fiasany mba hanampiana azy hahatakatra hoe iza aho. Rehefa nahita izany ilay lehilahy dia toa natahotra ary dia nofafany haingana izany. Tsy nosaziny anefa aho. Arakaraka ny fandehan’ny fotoana dia nihatsara fanahy ireo mpiasa hafa. Nitondrany sakafo betsaka aoka izany mihitsy aza aho hany ka afaka nizara izany tamin’ireo mpigadra maromaro tavela tany amin’ny toby.

Jehovah: tilikambo mafy

Tao anatin’ireo taona maro ireo, dia nianatra aho fa azontsika atao foana ny manao zavatra ho an’i Jehovah sy ny mpiara-belona amintsika, na dia mety ho sarotra toy inona aza ny tarehin-javatra. Nianjeran’ny baomban’ny mpiray dina imbetsaka i Stettin. Nitady fiarovana tao anaty hady voasaron’ny hazo fisaka sy tany izahay. Fiarovana anarana fotsiny ihany anefa ireny satria mpigadra am-polony maro no namoy ny ainy tao anatin’ireny hady ireny. Nandritra ireo zera baomba, indraindray aho dia nahare tanana namikitra ahy tao amin’ny maizina, kanefa dia niala izany raha vao tapitra ny zera baomba, ary tsy fantatro mihitsy hoe iza ilay nihazona ahy. Toa nino ny mpigadra sasany fa nahazo fiarovana manokana aho satria niresaka momba an’Andriamanitra.

Nandritra ny zera baomba iray dia main’ny baomba mandoro tanteraka ny toby nisy anay. Tavela irery teny amin’ny arabe izahay, ary nahita zava-nitranga nampangorohoro maro be teo anoloan’ny masonay. Nisy sivily nijaly noho ny fôsfôrô nandoro azy ireo ka nitsambikina tao amin’ireo lakan-dranon’i Oder, renirano iray namakivaky an’i Stettin. Raha vao nivoaka avy tao amin’ny rano izy ireo dia mbola nandoro azy ihany ilay fôsfôrô. Maro be no maty.

Noho ny fandrosoan’ireo tafika rosiana, dia nahazo baiko handao an’i Stettin izahay ary handeha hiankandrefana ho any Neubrandeuburg ary avy eo any Gustrow. Nipetraka teo ambonin’ny “tracteur” be iray izahay ary nandeha tamin’ny lalana iray izay nianjeran’ny baomban’ny rosiana indraindray. Nahatratra anay tao Gustrow ihany ireo tanky rosiana tamin’ny farany. Nanjaka tao an-tanàna nandritra ny herinandro ireo tafika britanika, ary teo am-piandrasana ny fotoana hifandonan’ireo tafika isan-karazany, dia nosarahin’ireo tompon’andraikitra sovietika ireo mpigadra militera sy ireo mpigadra sivily. Notazoniny ny mpigadra sasany ary nomeny an’ireo Britanika ny hafa izay nisy ahy.

Nifarana tamin’izay ny nofy ratsy iray. Herinandro vitsivitsy taorian’izay, dia tafaverina teo amin’ny Gare du Nord, garan-dalamby iray any Paris, aho. Vao niposaka ny hazavan’ny andro tamin’izay. Teo antenatenan’ny may 1945 tamin’izay, ary tafody indray aho taorian’ny 69 volana nahababo ahy.

Mahita zavatra betsaka kokoa hatao ho an’i Jehovah aho

Tamin’ny 1946 dia nasain’ny Fikambanana indray aho hiasa ao amin’ny Betela, izay tany Montmorency, any avaratr’i Paris, tamin’izay. Volana vitsivitsy tatỳ aoriana, dia voatendry ho mpiandraikitra ny fizaran-tany hitsidika ireo kongregasiona tao Frantsa izaho sy ny rahalahy Paul Dossman. Tamin’izany fotoana izany, zara raha nisy 2000 ny isan’ny Vavolombelon’i Jehovah eran’ny Frantsa manontolo. Ankehitriny anefa, 40 taona mahery atỳ aoriana, dia miisa maherin’ny 100000 ireo mpitory.

Tat? aoriana dia nantsoina aho hiverina hiasa tany amin’ny Betela, izay nafindra tany amin’ny faritra fonenana iray ao Paris. Tamin’ny 1949, rehefa namporisihin’ny rahalahy misionera roa avy any Angletera aho dia nanomboka nianatra teny anglisy - voatery miaiky aho fa tsy mora akory izany. Tamin’ny taona nanaraka izay aho dia nasaina hianatra tao Gileada, Sekoly ara-baibolin’ny Watchtower.

Rehefa tafaverina tao Frantsa aho dia nitsidika ny fizaran-tany nandritra ny fotoana kelikely, ary avy eo dia nangatahin’ny Fikambanana hanompo tany Afrika tamin’ny naha-misionera. Nandritra izany fotoana izany aho dia nanambady an’i Titica, kristiana iray izay avy any Grisia ny fiaviany. Nijanona tany Senegal nandritra ny dimy taona izahay ary nahazo tombontsoa nahita ny famoronana ny kongregasiona voalohany tao Dakar. Noho ny antony ara-pahasalamana dia voatery niverina tany Frantsa izahay tat? aoriana.

Eo amin’ny faha-50 taonan’ny fanompoako manontolo andro aho izao ary nahita fifaliana nandritra ireny taona rehetra ireny nanampy olona maherin’ny zato niandany tamin’ny fahamarinana. Tena tsy nitsahatra nampiseho hatsaram-po sy fahalalahan-tanana tamiko mihitsy i Jehovah. Nianatra tamin’ny fiainako manokana aho fa na inona na inona tarehin-javatra mety hisy antsika, dia azontsika atao foana ny mahita fomba hiderana sy hankalazana an’i Jehovah Andriamanitsika.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara