Indray mitopy maso eo amin’ny vaovao
Ny fitaoman’i Satana
Rehefa avy nanao fikarohana momba ny fitaoman’i Satana eo amin’ny mozika “rock” sy “hard rock” ny mpanoratra gazety iray atao hoe Tom Harpur dia nanoratra toy izao tao amin’ny Sunday Star atonta any Toronto: “Tsy maintsy mandefa fampitandremana faran’izay maika momba izay mitranga aho. (...) Mbola tsy nahita faharatsiana toy izany aho hatramin’izay. Ireo hira dia tsy miresaka afa-tsy fahaverezan-tsaina, ireo demonia sy ireo demoniaka, ra, fanozonana, herisetra isan-karazany, anisan’izany ny fisavihana, ny fanimban-tena, ny famonoana olona ary ny famonoan-tena. Fahafatesana sy fandringanana, faminaniana loza, fandavana izay rehetra mety ho tsara ary fanekena izay rehetra mety ho maharikoriko sy faharatsiana — izany no foto-kevitr’izy ireo.
Miara-dalana amin’ny mozika satanika ireo fivavahana manompo an’i Satana dia mandroso sy vokatra tokoa any Etazonia sy any Kanada. Raha nanisy firesahana ny amin’ny fivoriana nataon’ny pôlisy vao haingana tany Ontario, ny Globe and Mail, gazety kanadiana iray, dia nilaza fa ao amin’ireo fivavahana manompo an’i Satana dia “misy fanaovana fanatitra biby, fandotoana fasana ary fombam-pivavahana atao hamelezana ireo ankizy”. I James Bradley, pôlisy iray any Washington, dia nahita fa misy fifandraisana eo amin’ny famelezana ankizy an-jatony maro sy ireo heloka andidian’ny fanompoam-pivavahana amin’i Satana hatao. Araka ny Globe and Mail, dia nanampy i Bradley fa tao anatin’ireo dimy taona lasa dia “ankizy an-jatony maro, mpanampy ara-tsosialy sy mpampianatra an-jatony maro” no nanao tatitra ny amin’ireo famelezana atao amin’ny ankizy vokatry ny fombam-pivavahana.
Nanoratra toy izao ny apostoly Jaona momba ireo “andro farany” amin’izao fandehan-javatra ratsy ankehitriny izao: “Nidina ho aminareo ny devoly sady manana fahatezerana lehibe, satria fantany fa kely sisa ny androny.” (2 Timoty 3:1; Apokalypsy 12:12). Tafatsofoka ao amin’ny mozika tian’ny olona eo amin’izao tontolo izao manodidina antsika mihitsy ny fitaoman’i Satana, ilay “mpanapaka ny fanjakana eny amin’ny ivotra” (Efesiana 2:2). Izany ny antony namporisihin’ny apostoly Paoly ireo namany kristiana mba ‘hifaharana amin’ny fanangolen’ny devoly’. — Efesiana 6:11.
“Tsy tan-dalàna”
Ankona sy nivadi-po ny olona an-tapitrisany maro raha nahare fa novonoana sy nosavihina ny vehivavy iray 28 taona tao amin’ny Central Park, any New York. Nahoana izy ireo no varahontsana toy izany? Satria ankizy tanora no nanao izany famelezana mahatsiravina sy tsy mifadotrovana izany. “Mampatahotra mihitsy ny hafaliana maharikoriko tsapan’izy ireo tatỳ aoriana sy ny tsy fisian’ny fangoraham-po teo anatrehan’ny fijaliana nomen’ny tenany ihany”, hoy ny fitantaran’ny New York Post. Araka ireo tatitra, dia tsy ampy 14 taona akory ny sasany tamin’ireo zatovo nanao io heloka io. Ny mpanoratra iray ao amin’ny New York Post dia hendratra nahare io fanafihana io, ary niaiky fa ny firaisan’ny mpiara-monina dia lasa “tsy mpanara-dalàna, milefitra loatra, voafehin’ny zavatra mahadomelina, tsy miheritreritra afa-tsy ny amin’ny maha-lahy sy ny maha-vavy, feno fianakaviana misaratsaraka ary simban’ny herisetra”, raha lazaina amin’ny teny fohy “tsy tan-dalàna, ary ny fanontaniana mitranga dia ny hoe: nahoana?
Raha ny tena izy, ity taranaka feno herisetra tsy manam-paharoa ity dia mifanentana tsara amin’ny faminaniana nomen’ny apostoly Paoly ao amin’ny 2 Timoty 3:1-5. Manazava ao amin’io teny izy fa ‘ireo andro farany’ dia ho voamariky ny olona “tia tena, tia vola, mpandoka tena ary mpiavonavona”. Ratsy kokoa noho izany aza fa ‘hiteny ratsy an’Andriamanitra izy ireo ary hikomy amin’ireo ray aman-dreniny, tsy hahay hankasitraka ary tsy hanaja izay masina; ho lozabe izy ireo, tsy hanana indrafo, ho mpanendrikendrika, hahery setra, hasiaka ary tsy ho tia ny tsara; ho mpamadika, kirina sy mpieboebo izy ireo; ho tia ny fahafinaretana toy izay Andriamanitra’. (Francais Courant.) Hitoetra ho ‘tsy tan-dalàna’ mandrakizay ve ity fandehan-javatra feno herisetra ity? Tsia; izao tokoa no nolazain’i Jesosy marina: “Raha vao miandoha izany zavatra izany dia miandrandrà, ka asandrato ny lohanareo; fa manakaiky ny fanavotana anareo.” — Lioka 21:28.