FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w89 15/10 p. 21-23
  • ‘Tsy tiako ange Jehovah e!’

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • ‘Tsy tiako ange Jehovah e!’
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Fo, fieritreretana sy finoana
  • Mety ho tafarina ny tena
  • Izay azon’ny hafa atao
  • Avereno amin’i Jehovah ny fonao
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
  • Aoka ny Fonao Hampifaly An’i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2001
  • Aoka isika ho tapa-kevitra ny hanompo an’i Jehovah amin’ny fo rehetra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
  • Ny Fomba Hanohinana ny Fon’ireo Mpihaino Anao
    Boky ho An’ny Sekolin’ny Fanompoana Teôkratika
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
w89 15/10 p. 21-23

‘Tsy tiako ange Jehovah e!’

MBOLA vao kely tokoa i Robert fony tonga Vavolombelon’i Jehovah ny reniny. Nandritra ny taona maromaro, dia niaraka taminy tany amin’ny Efitrano Fanjakana izy, ary tamin’ny asa fitoriana koa aza, nefa tsy natao batisa mihitsy. Rehefa tonga teo amin’ny faran’ny fotoana naha-zatovo anefa izy dia nitsahatra tsy niaraka tamin’ny Vavolombelona. Nitombo tsy an-kijanona ny tsy fahombiazana ka nanimba ny fiainany izy. Na dia mbola milaza ihany aza izy fa mino zavatra maro nianarany tao amin’ny Baiboly, dia tsy ampy hanome azy faniriana ny hiverina ao amin’ny fandaminan’i Jehovah izany. Nahoana no tonga tamin’izany i Robert?

Inty misy ohatra hafa iray: Minisitr’Andriamanitra manontolo andro nandritra ny taona maromaro i Davida. Indraindray dia nisy fanontaniana momba ny fampianarana sasany ao amin’ny Baiboly, tonga tao an-tsainy. Nalaminy foana anefa ilay zava-nanahirana tamin’ny filazana anakampo fa, toy ny eo anoloan’ny piozila, dia tsy miala ny tena satria fotsiny hoe toa tsy mahita ny toerany avy hatrany ny silany iray na roa. Nianina tamin’ny fiankinana tamin’i Jehovah izy mba hahazoana fanazavana. Indray andro anefa dia nanapa-kevitra irery izy fa tsy nety taminy intsony izany alaolana izany. Niala tamin’ny tombontsoam-panompoany izy ary tsy ela dia niala tamin’ny fahamarinana. Inona no nanapoaka izany fiovana tampoka izany?

Mampahory tokoa ny mahita namana tiantsika miala amin’ny fihazakazahana ho amin’ny fiainana. Tsy isalasalana mihitsy fa tiantsika ny hanao izay rehetra azontsika atao mba hanampiana azy ireny (2 Korintiana 12:15; Galatiana 5:7). Fa inona marina tokoa moa no mitarika olona iray handa ny fahamarinana? Inona no azo atao mba hanampiana azy hanao ny fihazakazahana indray? Ary inona no tokony hataon’ny kristiana izay manomboka mampiseho ireo famantarana aretina ireo?

Fo, fieritreretana sy finoana

Ny miavaka raha ny amin’ireo izay niala tamin’ny fahamarinana, dia ny hoe amin’ny ankamaroany dia tsy nanao izany izy satria hoe tsy nino intsony fa izany no fahamarinana. Mifanohitra lavitra amin’izany fa maro izy ireny no milaza hoe: “Fantatro fa io no fahamarinana, kanefa...” na: “Raha misy fahamarinana, dia fantatro fa ao izany. Ao am-pony lalina dia maro amin’izy ireny no mbola mino ihany fa izay nianarany tamin’ny alalan’ny Baiboly no fahamarinana. Tamin’ny fomba iray na hafa anefa, dia nihamalaina izy ireny ary nanary ny zotom-pony. Izao anefa no nolazain’i Jakoba: “Maty (...) ny finoana raha tsy misy asa.” — Jakoba 2:26.

Ny tena finoana dia mihoatra noho ny fananana na ny fiaikena fa marina ny zavatra iray. Tsy asan’ny saina fotsiny ny finoana fa mampiasa ny fo ara-panoharana, satria izao no lazain’ny Baiboly amintsika: “Fa amin’ny fo no inoana hahazoana fahamarinana.” (Romana 10:10). Amim-pahalalana tanteraka àry no anondroan’ny Baiboly ny fo ho fototry ny zava-manahirana eo amin’izay manomboka maniasia. Nandefa izao fampitandremana izao i Paoly: “Tandremo, ry rahalahy, fandrao hisy aminareo hanana fo ratsy tsy mino ka hiala amin’Andriamanitra velona.” — Hebreo 3:12.

Ho porofo fa voakasika akaiky ny fo, dia aoka hojerentsika ny tenin’i Diane, izay nandao ny fahamarinana. Rehefa nanandrana nanampy azy ny kristiana hafa, dia namaly tamim-pahatsorana izy hoe: “Tsy afaka miverina amin’i Jehovah aho. Tsy tia azy aho!” Fantany fa ny hany zavatra hanampy azy hanakaiky an’i Jehovah Andriamanitra hatrany dia ny fitiavana azy amin’ny fiheverana azy ho Persona, ho Ilay mendrika ny fifikirany. Raha ny marina, tamin’ny voalohany dia izany karazam-pitiavana izany no nanosika azy hanolotra ny fiainany ho an’i Jehovah. Noho ny antony iray na ny antony hafa anefa dia tsy nahatsapa izany intsony izy. Fantany anefa fa raha tsy ao izany, dia tsy hanana fahatsorana izy raha miverina. Fa ahoana no anariana fitiavana tsapa lalina toy izany anefa?

Noresahin’i Paoly ny amin’ny “fo ratsy tsy mino”. Amin’ny toe-javatra sasany, ny tsy fahampiam-pinoana eo amin’ny kristiana dia avy amin’ny famelany ny fony haniry izay raran’i Jehovah na hanohitra zavatra takiny. Voazarazara amin’izay ny fony; tsy an’i Jehovah manontolo intsony izy amin’izay. Noho ny fahatsapany fa tsy ankasitrahan’Andriamanitra ny fitondrantenany, ny fomba mora fisorohana ny fampamoahana bebe kokoa dia ny ‘fialana amin’Andriamanitra velona’. (Jereo Genesisy 3:8-10.) Tsy mibebaka izany “fo ratsy” izany fa manosika ilay kristiana hikosoka an’i Jehovah sy ny fikasany tsy ho eo amin’ny fiainany; ary amin’izany, noho ny tsy fananany finoana intsony, dia miala amin’ny fahamarinana izy.

Amin’ny toe-javatra hafa, dia tsy mahatsiaro fanenjehan’ny fieritreretana noho ny fihetsika iray ilay kristiana fa manaiky ho voafitaky ny fony amin’ny fitadiavana fialana noho ny fisalasalana, ny fanakianana na ny fivadiham-pinoana mihitsy aza. Raha afaka mampiaiky ny tenany izy fa diso ny fototry ny finoany mihitsy, dia tsy mahatsiaro tena ho voatery hiaina ao anatin’ny faritra noferany intsony izy. Mandà izay rehetra mety ho fieritreretana tsara ny olona karazan’izany ka ‘vaky sambo ny amin’ny finoany’. — 1 Timoty 1:19.

Mazava ho azy fa mety hiala amin’ny fahamarinana ny tena noho ny antony hafa koa. Nefa na inona izany na inona, dia saika mifamatotra amin’ny fo mandrakariva. Noho izany antony izany, dia tena mety ity torohevitra ity: “Tandremo ny fonao mihoatra noho izay rehetra tokony hotandremana; fa avy ao aminy no ihavian’ny aina.” — Ohabolana 4:23.

Mety ho tafarina ny tena

Ilain’ny kristiana iray ny herim-po mba hanekena fa ireo fironan-dratsiny no nahatonga azy hanary ny finoana. Izany anefa no dingana voalohany ho amin’ny fiverenana amin’ny fifandraisana mafy orina amin’i Jehovah. Manazava tsara izany izay hita tamin’i Steve, mpitory maharitra tany Angletera.

Na dia tsy niala tamin’ny fahamarinana mihitsy aza i Steve, dia nisy fotoana nanombohany nahatsapa fahabangana sy tsy fahampiam-piaikena. Rehefa nitory tamin’ny hafa izy, dia tsy nilaza na inona na inona tao an-tsofiny izany. Rehefa niaraka tamin’ireo rahalahiny sy anabaviny ara-panahy izy, dia tsy nahatsiaro ho teo amin’ny toerany, toy ny hoe tsy naman’izy ireo izy.

Soa ihany fa niaiky i Steve fa avy aminy ny fahasahiranana. “Tsy nanao fahadisoana nitokana aho, hoy ny fahatsiarovany, mba hamadibadika tao an-tsaiko ilay zava-nanahirana, toy ny hoe loharanon-kevitra hitondra ny valiny tsara ho ahy ny nofo tsy tanteraka.” (Jereo Romana 7:10). Takatr’i Steve kosa fa tokony handinika ny fony izy ka hanaisotra avy ao ireo faniriana mamitaka izay nanalavitra azy tamin’ny fahamarinana. Tamin’ny fanombohana amin’ny fotony mihitsy, dia nikely aina izy nanamafy indray ny fitiavany an’Andriamanitra sy ny finoany ny Teniny. Minisitra sambatra i Steve ankehitriny.

Izay azon’ny hafa atao

Tsy mahita mazava ny zavatra tahaka an’i Steve daholo akory ireo izay niala na miala amin’ny fahamarinana. Ny fahaverezan’ny fahitana ara-panahy mazava koa no mitarika ho amin’ny fahalavoana. Eo no afaka mitondra fanampiana ireo kristiana hafa (Romana 15:1; Galatiana 6:1). Fa ahoana no hanaovana izany amin’ny fomba tsara indrindra?

Miharihary fa tsy ampy ny manasa na mamporisika olona naniasia hiverina. Tokony ho fantatra sy hofoanana ireo vato misakana. Ilaina ny manao fiezahana mba hanohinana ny fon’ilay kristiana osa na tsy miasa. Azo atao ny manampy azy amin’ny alalan’ny fifanakalozan-kevitra amim-pahalalaham-po voamariky ny fahatsorana, nefa koa ny hatsaram-po. Amin’ny alalan’ny andinin-teny toy ny 1 Timoty 1:19, Hebreo 3:12 sy Jeremia 17:9, 10, dia azo atao ny manampy azy hikaroka ao amin’ny fony mba hahitana ao izay mahatonga azy ‘hiala amin’ilay Andriamanitra velona’.

Rehefa fantatra ny mahatonga azy, dia ilaina ny manao fiezahana mba hahavitana izany. Mila fitsaboana, na fandidiana mampanaintaina mihitsy aza ny fo marary, mba hahaveloman’ilay marary. Toy izany koa rehefa tsy salama ny fo an’ohatra. Mba hahatonga azy ho mora handray tsara, dia ilaina ny manafoana tsy ho ao ireo fanirian-dratsy, ny fironana tsy hiankina na izay rehetra mety ho anton-javatra mahatonga azy tsy hankatò. Hisy kristiana marisika haniry hiara-mivavaka amin’ilay tsy miasa angamba, na hiara-mianatra ny Baiboly aminy mihitsy aza raha heverin’ireo loholona fa fahendrena izany. Amin’izany fomba izany ihany no azo amelomana indray ny fon’ilay olona mba hitiavany indray an’i Jehovah. — Ohabolana 2:1-5.

Voamarina izany tamin’i Diane. Noho ny fifanakalozan-kevitra natao tamina kristiana matotra, dia hainy ny nanavaka izay tokony hataony mba hamelomana indray ny fitiavany an’i Jehovah. Rehefa takany fa tokony hianatra hahafantatra akaiky an’i Jehovah indray izy, dia neken’i Diane ny fanampiana natolotra azy. Rehefa avy nianatra ny Baiboly nandritra ny herintaona teo ho eo izy mivady, dia tonga mpivavaka amin’Andriamanitra marisika indray.

Koa satria arahina asa ny fitiavana, matetika ny tsara indrindra dia ny fanaovana izay asain’i Jehovah atao sy ny fahatsapana ny fanampiany amim-piraiketam-po. Eny, ny asa dia manampy ilay olona hahita indray ny fitiavana nanohina ny fony taloha (Salamo 34:8). Angamba izy hanomboka hanao fandaharana tena tsapa mba hiadiana amin’ny fanirian-dratsin’ny fony na hanitsiana ireo fironana tsy mendrika ao. Amin’io ady io, ny fandresena tsirairay avy dia dingana iray amboniny ataon’ny fo mba hiverenana amin’i Jehovah (Ohabolana 23:26; 1 Petera 2:1-3). Rehefa azo ny fo, dia mitombo ny faniriana hizara amin’ny hafa izay raketiny. Noho izany, raha vao fenony ny fepetra takina, dia tokony hampiana ireo mpitory nanjary tsy niasa mba hitory, satria “amin’ny fo no inoana hahazoana fahamarinana, ary amin’ny vava no anekena [anaovana fanambarana ampahibemaso, MN ] hahazoana famonjena”. — Romana 10:10.

Ho an’izay rehetra mahatsapa fa tsy tia an’i Jehovah intsony izy, dia mety ho lava sy sarotra ny lalana. Porofoin’ny fahasitranana ara-panahin’i Steve sy Diane anefa fa mety hiova ny fo. Eny, mety hisy ny fahasitranana noho ny asan’ny fanahin’i Jehovah, ny fampiharana ny teniny sy ny fiasana indray miaraka amin’ny fandaminany. Mivavaka amim-pahatsorana izahay mba hahazoan’ireo kristiana naniasia fanampiana mba hahatongavana ho falifaly indray eo amin’ny fanompoam-pivavahana sy ny asa masin’Andriamanitra, sahala amin’ireo izay tia an’i Jehovah amin’ny fo rehetra. — Marka 12:30; 1 Korintiana 13:8; 3 Jaona 1-4.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara