Nahita ny firindran’ny firazanana aho tao Afrika Atsimo rotidrotika
Nataon’i Merlyn Mehl
AFRIKANA tatsimo aho, na koa, araka ny fiteny hafakely eto an-toerana, dia Afrikana tatsimo miloko. Profesoran’ny Oniversiten’i Cap andrefana, ny oniversite lehibe indrindra misy ny ankamaroan’ny mainty hoditra eto Afrika Atsimo koa ny tenako. Nahazo ny “doctorat” amin’ny siansa fizika momba ny fahaiza-mampianatra aho. Ankoatra izany dia Vavolombelon’i Jehovah hatramin’ny 20 taona mahery ny tenako. Iza tamin’ireo toe-javatra roa ireo no nanampy ahy hahita ny firindran’ny firazanana ato amin’ity tany feno fifandonana sy fifanoherana ity?
Ny fahazazako teto Afrika Atsimo
Lazaina fa Le Cap, any amin’ny tendrony atsimon’i Afrika, no ‘tanjona tsara indrindra eto ambonin’ny tany’. Fisehoan-javatra mahatalanjona ny lanitra feno kintana eo ambonin’ilay tanàna amin’ny fotoana mampahazava ny lanitra. Nahatsiaro alina toy izany aho raha nilaza tamina sakaiza nanao hoe: “Inona no ao ambadik’izao rehetra izao? Tsy maintsy misy fanazavana momba izany; tsinontsinona loatra anefa ny zavatra etỳ an-tany. Inona no mahatonga olona hifanavakavaka aoka izany toy izao? Nahoana no misy tsy rariny be toy izao?”
Izay teraka eto Afrika atsimo dia nahafantatra aloha be ny fanavakavahana. Toa hita hatraiza hatraiza izany. Hatramin’ny fahazazany, ny olona dia nozaraina sy nalahatra araka ny firazanany. Araka ny lalàna afrikana tatsimo, ny fianakaviako dia tafiditra ao amin’ny sokajin’ny “safiotra”. Fony mbola zaza izahay dia nianaranay fa ny mpampahory dia ny Fotsy hoditra ary anisan’ny ampahorina izahay. Koa satria saika tsy nanana fifandraisana tamin’ny firazanana hafa mihitsy izahay rehefa nihalehibe na tany an-tsekoly na teo amin’ny fiaraha-monina, dia tsy mahagaga raha nampiahiahy anay ny olona hafa firazanana. Taminay, dia toa nanana ny tsara indrindra tamin’ny zavatra rehetra ny Fotsy hoditra: trano, asa atao ho an’ny vahoaka ary sekoly. “Apartheid” izay manondro ny fanavakavahana ara-dalàna ny firazanana dia nanjary ny teny fankahala indrindra amin’ny voambolanay.
Mbola tao amin’ny sekoly fanabeazana fototra aho raha voatery nilaozanay ny trano nahaterahako sy ny anabaviko izay tao amin’ny fizaran-tanàna misy firazanana mifangaro. Ny antony dia ny famoahana ny “Group Areas Act” (lalàna mikasika ny faritra ara-pirazanana) izay namela ny faritra iray miavaka tsara ho an’ny antokom-pirazanana tsirairay. Nipetraka tany amin’ny faritra hafa izahay ary nijanona tao taona maromaro. Nambara fa “faritra ho an’ny fotsy” koa ilay izy avy eo, ka tsy maintsy nifindra indray izahay.
Noho ireo tsy fitoviana mibaribary ireo dia nanosika anay hianatra mafy any an-tsekoly ny ray aman-dreninay sahala amin’ireo mpampianatra anay. “Asehoy ny Fotsy hoditra fa tsara kokoa noho izy ianareo”, izany no hafatra, ary namolavola ny fihetsiko teo anatrehan’ny fianarana izany. Na dia saro-kenatra aoka izany aza aho, dia tia nianatra. Nandany ny ankamaroan’ny fotoanako hamakiana izay rehetra teo am-pelatanako aho. Izany no nahatonga ahy ho anisan’ireo mpianatra nahay indrindra tao amin’ilay tany tamin’ny fifaranan’ny fianarako. Nitodika mora foana tany amin’ny oniversite àry aho. Koa satria tiako ny siansa sy ny matematika, dia tsy nisalasala aho nifidy ny lisansy amin’ny siansa, ka ny fizika sy ny matematika no taranja fototra.
Noho ny nanombohan’ny “Separate Universities Act” (lalàn’oniversite nosarahina) nanan-kery tamin’ny 1960, taona nidirako tao amin’ny oniversite, dia voatery nianatra tany amin’ny oniversite voatokana ho an’ny sokajim-pirazanana misy ahy aho. Noresahina betsaka ny amin’ireo mpianatra any amin’ireny oniversite nosarahina ireny. Voaray tamin’ny fanadinana nahazo “mention” tena tsara aho isan-taona, ary tonga hatramin’ny “maîtrise” — niofana manokana momba ny fizika niokleary aho. Tsy takona afenina izany indrindra satria nahazo asa tao amin’ny toeram-pampianarana ambony ao amin’ny oniversite tao Cap andrefana aho, ary ny tenako no mpianatra safiotra voalohany nitana izany toerana izany.
Kanefa teo amin’io ambaratonga io, dia tsy afa-po velively ny tenako. Tsy nahazoako valiny ny fanontaniana tena lehibe eo amin’ny fiainana manao hoe: Inona no zava-kendren’izao rehetra manodidina antsika izao? Tamin’izay fotoana izay no nanaovako ny fanambarana etsy ambony tamin’ny sakaiza iray.
Valin’ny fanontaniako
Hatreo, dia nitana toerana faran’izay kely teo amin’ny fiainako ny fivavahana. Fony mbola zaza aho dia niangona tany amin’ny Eglizy anglikana, ary natao “confirmation” teo amin’ny faha-16 taonako. Tsy nahazo valiny ihany anefa ny fanontaniako. Rehefa nandeha ny taona, dia natsahatro tsikelikely àry ny fandehanako miangona.
Indray andro, tatỳ aoriana, dia nitsidika mpiara-miasa tao amin’ny oniversite aho. Nasehon’i Julia vadiny tamiko tamin’ny alalan’ny Baiboly fa nisy valiny ny zava-manahirana ara-politika sy ara-pirazanana manjò an’i Afrika Atsimo sy, mbola tsara kokoa, izao tontolo izao manontolo. Na dia gaga sady be fisalasalana aza aho dia nandray ihany ilay bokikely hoe Raisons de croire en un monde nouveau. Nony tonga tany an-trano dia natomboko novakina izany noho ny fahalianana ta-hahafanta-javatra.
Mbola revo tao amin’ny vakiteniko aho hatramin’ny roa ora maraina. Tao amin’io bokikely io no nahitako fanaporofoan-kevitra mazava tsara mampiseho hoe nahoana no marina ny Baiboly, nahoana no mendri-pitokiana ny faminaniany, nahoana ny olombelona no ao anatin’ny fikorontanana lehibe toy izao, nahoana ny 1914 no daty tena lehibe ary nahoana isika no afaka manantena ny fiorenan’ny fandehan-javatra vaovao marina iray eto an-tany. Tsy isalasalana fa ny fahamarinana izany!
Niverina tany amin’ilay mpiara-miasa tamiko aho ny ampitso mba hanontany ny vadiny raha manana boky hafa mitovy amin’ilay novakiko izy. Nody tany an-tranoko aho niaraka tamin’ny antontam-boky miresaka fampianarana fototra ao amin’ny Baiboly ary manazava ny faminanian’i Daniela sy ny Apokalypsy, ny toetran’ireo andro famoronana enina ary ny maro hafa koa. Ny tena zava-dehibe dia ny nanehoany fa tsy ahitana na inona na inona manamarina ny fanavakavaham-bolon-koditra ao amin’ny Baiboly satria “tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra”. (Asa. 10:34.) Poatoizay dia voavakiko ny boky rehetra. Izay vao azoko ny valin’ireo fanontaniana izay nanitikitika ahy mandrakariva. Rehefa afaka herintaona teo ho eo nianarana tsy tapaka ny Baiboly, dia tonga Vavolombelon’i Jehovah aho rehefa nanaiky hatao batisa tamin’ny 21 novambra 1967.
Tena tsy manavakava-bolon-koditra sady tsy manao politika ny fandaminan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Manolotra ny fankatoavany fitondrana tokana ny mpikambana ao aminy, dia ny Fanjakan’Andriamanitra. Tsy tena zava-dehibe amin’izy ireo ny laharana ara-tsosialy. Misy zava-manahirana mifandray amin’ny firazanana foana anefa eto Afrika Atsimo. Noho ny lalàna momba ireo faritra ara-pirazanana, dia hita taratra ao amin’ny kongregasiona ny karazana firazanana misy eo amin’ny faritany iorenany. Izany no mahatonga ny ankamaroan’ny mpikambana ao amin’ny kongregasion’i Claremont misy ahy ho safiotra. Ireo Fotsy hoditra vitsivitsy tonga ao dia misionera na olona nomena andraikitra.
Nandeha ny taona, nefa tsy nohadinoiko ny fisehoan-javatra roa izay nampiseho fa sarotra ny miala amin’ny toe-tsaina mpanavakava-pirazanana. Tamin’ireo fivoriambe, dia nisongona teo amin’ny filaharana amin’ny sakafo ny Fotsy hoditra, nandray ny sakafony ary lasa nihinana nitokana raha mbola niandry teo am-pijoroana ny hafa. Nahasosotra ahy izany. Nanana fironana hampahalala ny vadiny amin’ny hafa toy izao koa ny Vavolombelona Fotsy hoditra: “Malala â, izy no Merlyn. Mianatra ny Baiboly izy”, ary: “Merlyn, izy kosa no vadiko, ny anabavy Ranona.” Niantso ahy tamin’ny fanampin’anarako izy, nefa izaho tsy maintsy mampiasa hoe “ranabavy” na “rahalahy”. Nisafoaka aho!
Nieritreritra aho avy eo. Mino foana ny tena fa ny mpanavakava-bolon-koditra dia ilay hafa, ary eo indrindra no ipetrahan’ny fahasahiranana. Ambonin’izany, ny fitambaran’olona voasaratsaraka toy ny eto Afrika Atsimo dia tsy maintsy misy heriny eo amin’ny mpikambana rehetra ao aminy. Raha marina fa tsy maintsy mamerina mijery ny fihetsiny eo anatrehan’olona hafa fihodirana ny Vavolombelona Fotsy hoditra sasany, dia tokony hanao izany koa ny tenako. Manome izao torohevitra izao mikasika izany ny Baiboly: “Aoka tsy halaky tezitra ny fanahinao; fa ny fahatezerana mitoetra ao an-tratran’ny adala.” (Mpitoriteny 7:9). Eny, tsy maintsy nitandrina aho mba tsy ho mora tohina sy tsy hihevitra foana fa avy amin’ny fanavakavaham-bolon-koditra izay rehetra fahatafintohinana.
Tokony holazaiko koa, ankoatra ny zavatra hafa, fa nisy fiovana sasany teo amin’ny toe-javatra ankapoben’ilay tany hatramin’izay. Tamin’ireo taona lasa, dia voafetra ihany ny isan’ireo Fotsy hoditra afaka nanatrika fivoriana ara-pivavahana alamin’ny firazanana hafa, ary tokony hisakafo mitokana izy ireo. Tsy toy izany intsony amin’izao fotoana izao.
Ny zava-dehibe anefa, dia ny nahitako fandaminan’olona izay niharoharo tamin-kalalahana sady nifandray tsara ka nifampiantso hoe rahalahy sy rahavavy, ranadahy sy ranabavy, ary izany dia avy amin’ny fo! Nanana finoana mafy sy miorina amin’ny fotopoto-pitsipiky ny Baiboly izy ireo. Noho izany, rehefa mipoaka ny fifandirana ara-pirazanana — ary saika tsy azo sakanana izany eto Afrika Atsimo — dia saintsainiko izany rehetra izany ary dia tony aho. Rehefa nandeha ny taona dia nianarako nampiharina tsaratsara kokoa ny fotopoto-pitsipiky ny Baiboly ary nahazo fiadanana anaty bebe kokoa aho mikasika ny raharaha ara-pirazanana. Tsy hoe tsy nila fiezahana akory izany!
Ny fanompoana manontolo andro
Fotoana fohy taorian’ny batisako, dia tsapako fa mila manitatra ny fanompoana kristiana nataoko aho. Tsy nanam-bady aho ary vitsy ny andraikitro. Izany no nahatonga ahy ho mpitory maharitra mandavantaona nanomboka tamin’ny 1 oktobra 1968. Nahatonga resa-be ny fanapahan-kevitro, satria niala tao amin’ny oniversite aho ary nandao izay heverin’ny maro fa asa mamirapiratra. Nohazavain’ny gazety iray ny fialako teo ambanin’ny lohateny hoe “Mpahay siansa malaza lasa nitory Baiboly”. Tsy ela dia nitarika fampianarana Baiboly folo aho fara fahakeliny na manokana izany na miaraka amin’ny fianakaviana. Tamin’ny fivoriambe iray dia natao batisa ny olona roa niara-nianatra Baiboly tamiko, tamin’ny nanaraka dia efatra; avy eo dia fito ary toy izany hatrany.
Tamin’ny 17 septambra 1969 dia nanambady an’i Julia, ilay kristiana nampahalala ahy ny fahamarinana aho. Fotoana fohy talohan’izay, dia nahazo fisarahana noho ny antony ara-dalàna sy araka ny Baiboly izy. Avy hatrany àry aho dia nandova fianakaviana iray satria nanan-janaka roa lahy i Julia, dia i John sy i Leon. Nanapa-kevitra izahay fa hijanona ho mpitory maharitra mandritra ny fotoana ela araka izay azo atao, ary tena fiaingana tsara izany ho an’ireo zazalahy, sady nanampy ahy hahita fahombiazana amin’io fanambadiana fanindroany io.
Tena nahavariana izany hoe mpanompon’i Jehovah manontolo andro tamin’ny fiandohan’ireo taona 70 araka izay asehon’ireto toe-javatra manaraka ireto. Rehefa nanao isan-trano izahay dia nahita vehivavy iray antsoina hoe Annabel. Noraisiny avy hatrany ny boky Ny fahamarinana izay mitarika ho amin’ny fiainana mandrakizay sy Baiboly iray. (Fantatray tatỳ aoriana fa tamin’ny vola rehetra sisa tany aminy no nividianany ireo, ka voatery nampiverina ny mpitondra ronono izy ny herinandro manaraka mba haka ny volany!) Hatramin’ny voalohany dia nomaniny tsara ny fianarany isan-kerinandro na dia teo aza ny zanany kely nipelipelika. Nanomboka niresaka tamin’ny fianakaviany izay nianarany koa izy. Tsy ela dia nanaraka azy tany amin’ireo fivoriana kristiana i Billy vadiny. Vavimatoa i Annabel ary ny ray aman-dreniny dia nanome anarana ireo zanany dimy araka ny abidy. Nanomboka nianatra i Beattie rahavaviny; tsy latsaka noho izany ny nataon’i Charlie sy ny vadiny; i Daphne koa dia nanjary liana ny fahamarinana; ary farany, dia nanaraka ny ohatra navelan’izy ireo i Edna sy ny vadiny. Hatramin’ny taona maromaro izao dia manompo amim-pahatokiana an’Andriamanitra ny fianakaviana iray manontolo. Loholona sy mpikarakara momba ny asa ny lehilahy, ary maromaro tamin’ireo vehivavy no nanao ny asan’ny mpitory maharitra.
Tokony horesahinay koa ny momba an’i Stanley. Hitanay teny amin’ny isan-trano io lehilahy io indray alatsinainy tolakandro nangatsiaka; izy no olona farany tokony hotsidihinay. Toy inona anefa ny fandraisany anay! Nampandroso anay ny vadiny, ary hitanay avy hatrany fa nanan-draharaha tamina lehilahy feno fanajana izahay. Afa-tsy izany dia vao avy nivavaka mba hahazo fanampiana hahatakatra ny hevitry ny Baiboly izy. Mikasika ny fampianarana momba ny Trinite ny dinidinika voalohany nataonay. Rehefa afaka adiny iray dia toa niaiky izy. Nandray anay tamin’ireto teny ireto izy ny herinandro manaraka: “Marina ny anareo. Namaky ny ‘Testamenta Vaovao’ hatramin’ny voalohany ka hatrany amin’ny farany aho; tsy misy firesahana ny amin’ny Trinite ao. Nandeha nanatona ny pasitera aho mba hanontany azy hoe nahoana izy no namitaka ahy. Tsy nety nandray ahy izy; ka naveriko taminy ireo valopy izay nampiasaiko mba hanangonana ny rakitra avy any amin’ny mpiangona.” Nanao izany rehetra izany i Stanley na dia tsy mbola nahazo zavatra vita an-tsoratra avy amintsika mihitsy aza izy! Naniry hanatrika ireo fivoriana izy ary nampanantena ny haka azy izahay. Diso aoriana dimy minitra anefa izahay ny alahady. Efa teo ambonin’ny bisikiletany i Stanley tamin’izay ary hiainga ho any amin’ny fivoriana! “Noheveriko fa nanadino ahy ianareo”, hoy izy. Niara-nianatra taminay intelo isan-kerinandro izy ary afaka telo volana taorian’ny nifankahitanay dia natao batisa izy. Hatramin’ny taona maromaro izao dia manompo an’Andriamanitra amin’ny zotom-po mitovy amin’ny tamin’ny voalohany izy.
Nisainay sy Julia fa, nandritra ireo taona, dia nanana fifaliana nanampy olona 50 mba ho tonga Vavolombelon’i Jehovah izahay.
Niverina niasa manontolo andro aho
Rehefa afaka efa-taona nanaovana ny asan’ny mpitory maharitra izahay dia sahirana ara-bola. Niakatra ny vidim-piainana ary nitombo koa izy roa lahy. Tamin’alahelo sy tsy fidiny anay tokoa ny nanapahanay hevitra handao ny fanompoana manontolo andro. Nitranga izany tamin’ny septambra 1972. Ary avy eo? Naherin’ny herintaona taorian’izay, ny 1 janoary 1974, raha vao nisy toerana malalaka tamin’ny asa momba ny fizika, dia niverina nampianatra tao amin’ny oniversite indray aho. Voatery nampifanaraka ny fiainako tamin’ny lafin-javatra maro aho sady niady tamin’ny fahakiviana. Noho ny fanohanana maherin’i Julia anefa, dia afaka nampifanaraka ny fiainako tamin’io toe-javatra vaovao io aho. Tena nahasoa anay ny fiasana faran’izay mafy hatrany teo amin’ny fanompoana sy tao amin’ny kongregasiona, dia ny fanohizana tokoa ‘mikatsaka hatrany ny fanjakana’. — Matio 6:33.
Koa satria tokony hanao fikarohana ny profesora rehetra ao amin’ny oniversite dia nipoitra ny fanontaniana hoe: Tokony hiverina hanao fizika niokleary ve aho sa tsia? Tena sarotra ny hakana sary an-tsaina fa ho vitako ny hanao fikarohana manokana toy izany, nefa ny fotoanako rehetra any ivelan’ny oniversite dia laniko amin’ny fampianarana olona ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly. Toa zava-poana tamiko ny fanaovana fikarohana noho ny fikendrena hanao fikarohana fotsiny. Tsy lazaina intsony amin’izany ny mety hampiharana ny fikarohana momba ny fizika niokleary hataoko amin’ny antony ara-tafika, ka izany dia mety hampiala ahy amin’ny fialanalanana kristiana. — Isaia 2:2-4.
Eto Afrika Atsimo, ny oniversite toy ny an’i Cap dia ahitana mpianatra maro lazaina ho “niangaran’ny vintana”. Miditra ao amin’ny oniversite tsy voaomana tsara izy ireny noho ny fianarana tsy zarizary sy noho ny antony hafa ara-tsosialy sy ara-bola. Matetika izy ireny dia manana fahaizana nefa tsy nanana fahafahana fotsiny hampiasa izany. Nandritra ny 13 taona farany, tao anatin’ny faritry ny asako ato amin’ny oniversite, dia nandinika ny fikorontanana momba ny fianarana mahazo ireo mpianatra ireo aho, ary nanangana fomba fampianarana hafa. Nahatonga ahy hahazo ny “doctorat” amin’ny fizika momba ny fahaiza-mampianatra sy ny fisondrotana ho profesora ireo fikarohana ireo. Manao fandaharam-pikarohana miaraka ny oniversite maro any Etazonia sy any Israely. Mahaliana ny mampitaha ny vokany amin’ny fomba fampianaran’ny Vavolombelon’i Jehovah.
“Ny fianarana avy amin’olona mpanelanelana” no tsangan-kevitra novelabelarin’i Profesora Reuven Feuerstein sy ny mpiara-miasa aminy. Araka io tsangan-kevitra io, dia mampitombo ny fahaizany ara-tsaina ny ankizy, tsy amin’ny alalan’ny fanaitairana ivelany izay ampitain’ny vavahadin-tsainy aminy fotsiny, fa amin’ny alalan’ny mpanalalana olombelona koa izay mandika aminy ireo fanaitairana ireo. Raha tsy misy an’io farany io dia tsy afaka mampivelatra ny fahaizany ara-tsaina araka izay mety ho vitany izy.
Antitranterin’ny Vavolombelon’i Jehovah fatratra ny amin’ny anjara asan’ny ray aman-dreny amin’ny maha-mpampianatra voalohany ny ankizy azy. Mandany fotoana maro miaraka amin’ireo zanany ny ray aman-dreny Vavolombelon’i Jehovah mba handinihana boky fianarana ara-baiboly misy sary sy amin’ny fanontaniana azy ny amin’izay hitany ary amin’ny fanaovana izay hahazoany ny hevitr’ireo tantara ao amin’ny Baiboly. Antitranteriny betsaka ny amin’ny fianarana Baiboly isan-kerinandro sy ny ilàna fianarana tsy tapaka koa, indrindra amin’ireo fotopoto-pitsipika ao amin’ny Baiboly (Deoteronomia 6:6-8). Toa hamarinin’ny fikarohana nataon’ny profesora Feuerstein fa mampitombo tokoa ny fahaizan’ireo zanany ny ray aman-dreny amin’io fomba io.
Mbola eo koa ny “constructivisme”. Araka io tsangan-kevitra io, ny fampianarana akory tsy famindrana fahalalana avy ao an-tsain’ny mpampianatra mankany amin’ny mpianatra fotsiny, fa ny tsirairay kosa no manorina ny azy avy amin’izay hitany, reny na iainany. Izany no mahatonga olon-droa mety hanao famaranan-kevitra samy hafa avy amin’ny zavatra re mitovy. Mba hianarana amin’ny fomba mandaitra dia ilaina ny mianatra manokana ilay foto-kevitra.
Izany indrindra no amporisihan’ny fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah. Tokony ho efa nanomana ny fandaharana hodinihina avy amin’ny zavatra vita an-tsoratra misy ny mpanatrika tsirairay. Asaina hanome fanazavana mikasika ilay foto-kevitra nomanina ny mpihaino mandritra ny fivoriana. Amin’izany fomba izany dia mandray fampaherezana ny rehetra, tsy amin’ny fanambarana izay nianarany fotsiny fa amin’ny fandraisan-tsoa avy amin’ny fanomanana nataon’ny hafa koa.
Ny fahatongavan’ny “informatique” ao amin’ny fanabeazana dia noraisina ho toy ny fomba fanomezana endriny manokana ny fampianarana. Efa hatramin’ny taona maro anefa no nahaizan’ny Vavolombelon’i Jehovah tsara izany avy amin’ireo fampianarana Baiboly tarihiny any an-tokantrano. Amin’io fomba fanao io dia misy mpampianatra manampy olona iray na roa na telo, nefa mahalana no mihoatra an’izany, handinika foto-kevitra ao amin’ny Baiboly avy ao amin’ny boky iray. Tokony ho niomana sy hahalala ilay foto-dresaka ny mpianatra. Amporisihina izy hanazava izay azony isaky ny fehintsoratra, ary arahin’ny dinidinika izany avy eo. Azo atao tokoa ny milaza fa manana endriny manokana ny fampianarana Baiboly. Noho ny halalin’ireny fotopoto-pitsipika ara-pampianarana feno fahendrena ireny, dia tsy mahagaga raha mahita fitomboana haingana ny Vavolombelon’i Jehovah. Mazava ho azy fa tsy voatery nianatra izany fotopoto-pitsipika izany tany amin’ny oniversite iray izy ireo: mahazo ny fampianarany avy amin’ny loharano ambony, dia ny Baiboly izy. — Matio 28:19, 20; Jaona 6:45.
Misolo ny fihenjanana ara-pirazanana ny firindran’ny firazanana
Maherin’ny 20 taona izay no lasa hatramin’ny nahatongavako ho Vavolombelon’i Jehovah. Samy vita batisa sy manompo amim-pahatokiana an’Andriamanitra i John sy i Leon zana-badiko izay efa olon-dehibe amin’izao fotoana izao. Nahazo zanaka lahy izahay tamin’ny 1976, i Graeme, ary faly koa izahay manabe azy ao amin’ny lalan’ny fahamarinana. Voatahy ny fianakaviako satria afaka manao ny asan’ny mpitory maharitra indray i Julia, ary manao ny asan’ny mpitory maharitra mpanampy aho intelo isan-taona farafahakeliny. Eto amin’ny taninay, dia hita eny amin’ny soratsoratra eny amin’ny rindrina sy eo amin’ny rivo-piainana ny fitombon’ny fihenjanana ara-pirazanana mampivadi-po. Misy fahagagana mitranga anefa eo anivon’izany fisaratsarahana ara-pirazanana izany. Noho ny fanalefahana ny lalàna momba ny fivoriana, dia saika afaka mivory amin-kalalahana ny Vavolombelon’i Jehovah hatramin’izao, indrindra mandritra ny fihaonambe. Raha ny amin’ny tenako, dia nanana fifaliana nandray anjara tamin’ny fandaminana ny sasany tamin’ireny fivoriambe iraisan’ny firazanana ireny. Hita miasa ao izay mifanohitra amin’ny fanavakavaham-bolon-koditra, eo anivon’ny olona izay nohajambain’ny fitsipika ambony ao amin’ny Baiboly mba tsy hahitany loko! Izy ireo dia olona tsy mijery ny volon-koditry ny hafa fa maneho fahalianana amin’ny maha-izy azy kosa.
Ny Vavolombelon’i Jehovah no mahaforona ny hany tena fianakavian’ny mpirahalahy iraisam-pirenena amin’izao andro izao. Tsy ho ela, ao amin’ny fandehan-javany vaovao i Jehovah dia ‘hamafa ny ranomaso rehetra amin’ny masony; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana’. Miandry fatratra an’io tontolo vaovao mahatalanjona sy marina ary tsy misy fanavakavaham-bolon-koditra io ny tenako toy ireo rahalahiko sy anabaviko an-tapitrisany maro. — Apokalypsy 21:3-5.