FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w89 15/9 p. 21-24
  • Mamboly fitokiana an’i Jehovah ny Venezoelianina

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mamboly fitokiana an’i Jehovah ny Venezoelianina
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
  • Lohatenikely
  • Nitsiry ireo voan’ny fahamarinana voalohany
  • Saha maro karazana, nefa lonaka
  • Fivoriambe ho fiderana an’i Jehovah
  • Fiomanana ho amin’ny fitomboana ho avy
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
w89 15/9 p. 21-24

Mamboly fitokiana an’i Jehovah ny Venezoelianina

IREO “taonam-pahatondrahana”. Mbola tsaroan’ny ankamaroan’ny Venezoelianina ihany io vanim-potoana taorian’ny 1976 io. Tamin’io taona io, ny fitondram-panjakana dia naka ny fikambanana hafa firenena rehetra mpitrandraka solitany tao amin’ilay tany, ka nandroso ny toe-kareny. Ho famantarana izany fitomboam-pananana vaovao tokoa izany, dia trano ary fomba maro no nanomboka nipoitra nanerana ilay tany, ka ny avo indrindra dia ireo Tilikambon’ny “Parque Central” ao Caracas renivohitra. Toa tena nisy antony nitokiana izany fandrosoana niroborobo izany.

Hita ho tsy mahabe fanantenana firy anefa ny hoavy amin’izao fotoana izao. Na dia mbola miroborobo ihany aza i Venezoelà dia tsy afa-nisoroka ireo zava-manahirana ara-toe-karena. Tsaroan’ny rehetra eto ny 28 febroary 1983, ilay ‘zoma maizina’ nampihenana ny sandan’ny “bolivar”, vola ampiasaina any amin’io tany io. Nanomboka teo, dia tsy nanan-kery intsony io vola vahiny io ary nanomboka nitombo ny trosa tany ivelany. Vetivety ireo “taonam-pahatondrahana” dia nanome toerana ho an’ny “taonam-pihafiana”. Maro be no diso fanantenana aoka izany, satria diso toerana ny fitokiany. Mifanohitra amin’izany, ireo Vavolombelon’i Jehovah any Venezoelà dia nianatra namboly fitokiana an’i Jehovah, ilay Andriamanitra marina ary, isan-taona isan-taona izy ireo dia nanamarika fitomboana isa hatrany.

Nitsiry ireo voan’ny fahamarinana voalohany

Tamin’ny 1936 ny voan’ny vaovao tsaran’ny Fanjakana voalohany no nafafy tany Venezoelà, tamin’ny alalan’ny mpitory maharitra, na minisitra manontolo andro roa, avy any Texas, Etazonia (Matio 24:14). Folo taona tatỳ aoriana dia tonga ny misionera roa nahazo diplaoma avy ao amin’ny kilasy fahadimin’i Gileada, Sekoly fianarana Baiboly an’ny Fikambanana Watchtower. Tamin’ny septambra tamin’io taona io ihany no nanokafan’ny Fikambanana Watch Tower sampana tany Venezoelà. Nanamarika ny filazana asa tamin’io taona io fa 19 ny mpitory tao amin’ilay tany.

Tamin’ny novambra 1953, ny prezidàn’ny Fikambanana, Nathan Knorr, sy ny mpitantsorany, Milton Henschel, dia nijanona tany Venezoelà tamin’ny diany tany Amerika Atsimo. Nahavory olona 942 ny fivoriambe iray natao tany Caracas. Tamin’ny 1977, ny isan’ny mpitory tany Venezoelà dia nihoatra ny 13 800. Nilaina àry ny trano vaovao ho an’ny sampana, ary tany La Victoria, 85 kilaometatra avy ao Caracas, no nanorenana izany. Notokanana tamin’ny 1985 ny fanitarana azy. Amin’izao andro izao, dia misy mpitory 42 900 mahery any Venezoelà, voazarazara any amin’ny kongregasiona na antokon’olona eo amin’ny 500. Ary mbola maro kokoa ihany ny Venezoelianina eo am-pianarana mamboly fitokiana an’i Jehovah, araka ny asehon’ny fahamaroan’ny mpanatrika ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy tamin’ny 1988: olona 154 881.

Saha maro karazana, nefa lonaka

Tanin’ny fifanoheran-javatra i Venezoelà, fifanoheran-javatra hita taratra koa eo amin’ireo izay mamboly fitokiana an’i Jehovah. Efa malaza ho maro mpiavy io tany io. Noho izany antony izany, na dia eo amin’ny Vavolombelon’i Jehovah aza, dia maro be no avy any Italia, Portiogaly, Alemaina, Espaina, Frantsa, Haïti, Trinite, Cuba, Repoblika dominikana, Equateur sy faritra lavitra. Na dia ao aza izany, izy ireo dia tafaray amin’ireo namany venezoelianina amin’ny fitokiany an’i Jehovah, ilay Andriamanitra marina, sy amin’ny asa ataony ho azy.

Maro koa ny tsy fitoviana araka ny faritra. Ny mpanjono any Atsinanana dia tsy mitovy velively amin’ny llanero, mpiompy any amin’ny tany lemaka atsimo. Mifanalavitra aoka izany ny Caraqueño (mponinin’ny renivohitra) maika lava, na ny mpiasa ao amin’ny solitany sariaka avy any Maracaibo, tanàna faharoa ao amin’ilay tany, sy ny mpamboly andino tsy rototra, monina any Atsimo Andrefana, eo amin’ny havoanan’i Andes. Samy manana ny fanaony sy ny fomba fiteniny ny tsirairay avy. Rehefa ampian’ny loko hafan’ny mpiavy izany, ny vokany dia mponina maro loko hafahafa.

Na dia ao aza ny fahamaroan-karazan’ny manodidina azy toy izany, dia misy olona avy amin’ny toerana ara-tsosialy rehetra mandre firesahana ny amin’i Jehovah. Vavolombelon’izany i María Luisa. Raha vao teo amin’ny fahafito taonany izy, dia nikasika spiritisma. Rehefa nitombo izy dia tonga mipitia fisotro mahamamo sy zavatra mahadomelina, avy eo dia latsaka tao anatin’ny fahalotoam-pitondrantena. Vonton’ny fanompoana ilay andriamani-bavy venezoelianina atao hoe María Lionzaa koa izy. Tofoka tamin’ny fiainana nananany izy ka naniry hiasa tao amin’ny misiona katolika iray teo amin’ny Indiana, tany andrefan’ilay tany. Tsy ela anefa dia nanatsoaka hevitra izy fa tsy nitondra na inona na inona ho azy na ho an’ireo Indiana ny asany. Liana tamin’ny metafizika sy ny fidirana indray ao amin’ny nofo hafa izy, nefa tsy nitondra azy na ho aiza na ho aiza izany. Tamin’izay fotoana izay no nisy Vavolombelon’i Jehovah nitsidika azy. Tamin’izany no nahazoany fahalalana ny Baiboly izay nanome azy ny hery ilaina mba hiadiana amin’ireo fanahy ratsy. Amin’izao andro izao izy io dia anisan’ireo izay matoky an’i Jehovah ka manambara amin-jotom-po ny vaovao tsaran’ny Fanjakana.

Misy aza olona kilemaina mianatra mametraka ny fitokiany amin’i Jehovah. Izany no hita amin’i Juan sy Carlos, mpirahalahy. Teo amin’ny fahasivy taonany dia voan’ny “méningite” izay nahatonga azy ho jamba, i Carlos. Tatỳ aoriana, rehefa tonga anisan’ny fihetsiketsehana karismatika katolika izy dia nanomboka niara-nianatra tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Vita batisa tamin’ny 1982 izy ary, hatramin’ny desambra 1983 izy dia minisitra kristiana manontolo andro. Na dia jamba aza izy, dia mitety an-tongotra ny faritaniny, irery raha ilaina izany. Hafa tanteraka kosa ny tantaran’i Juan rahalahiny.

Iray metatra sy valopolo mahery ny halavan’i Juan, ka nandray anjara mandrakariva tamin’ny tabataba teny amin’ny arabe izy. Indray andro, dia voan’ny bala roa tao an-damosiny izy. Tsy maty izy, nefa nalemy nanomboka teo amin’ny tratrany ary voatery niaina teo am-pandriana. Rehefa nitsidika azy ny Vavolombelona, dia nanaiky tsy fidiny ny fanoloran-kevitra hanampy azy hianatra ny Baiboly izy. Na dia izany aza, dia nihavelona tsikelikely ny fanajany ny Baiboly. Nanohina ny fony ny fanantenana fiainana tonga lafatra ao amin’ny Paradisa. Rehefa nitsahatra tsy nifoka, tsy nisotro sy niteny ratsy izy, dia nandao azy ny namany rehetra, satria, hoy izy ireo, nanjary “masina” izy. Na dia tao aza izany, dia nitana fitokiana an’i Jehovah i Juan, ary natao batisa izy tamin’ny farany.

“Tsy nahasakana ahy tsy hanao ny sitrapon’i Jehovah ny tsy fahafahako nihetsika, hoy izy, satria mbola miasa tsara fara faharatsiny ny tanako sy ny atidohako.” Ahoana no ataony mba hanompoana an’i Jehovah? “Ampiasaiko ny fandefasana horonampeoko mba hiantsorohana ny andraikitro, toy ny lahateny ao amin’ny Sekolin’ny fanompoana teokratika, ny fandraisako anjara amin’ny fivoriana momba ny asa, ary ny famakiana ny fianarana Ny Tilikambo Fiambenana isan-kerinandro. Manana tombontsoa aho mitarika fianarana ny bokin’ny kongregasiona atao ao an-tranoko. Mpitory maharitra mandavantaona koa aho.” Ary manao ahoana ny fihetseham-pony? “Velom-pankasitrahana tokoa ny fianakaviako sy ireo rahalahiko mbamin’ny anabaviko ara-panahy izay tena manohana ahy, aho. Mivavaka aho mba hanohizantsika rehetra mametraka ny fitokiana amin’i Jehovah ka hahafahantsika ho eo rehefa “hitsambikina tahaka ny diera ny mandringa.” — Isaia 35:6.

Fivoriambe ho fiderana an’i Jehovah

Mba hanohizana io asa manampy olona be dia be hametraka ny fitokiany amin’i Jehovah io, dia vao nanorina Efitrano fanaovana fivoriambe anankiroa ny Vavolombelona venezoelianina. Ny anankiray any Campo Elias (Fanjakan’i Yaracuy), ao afovoany andrefana amin’ilay tany. Ny faharoa, any amin’ny enimpolo kilaometatra any atsimon’i Caracas, dia misy dobo fanaovana batisa, fanaovana izay hahantonony ny hafanan’ny efitrano, lakozia sy fizarana sakafo.

Nanaitra tokoa ny sain’ireo olona tsy nahalala ny asantsika na liana amin’izany ireny efitrano ireny. Toy izany no hita tamin’ny mpamily fiarabe iray nitondra Vavolombelona ho any amin’ny fivoriamben’ny fizaran-tany iray. Rehefa tonga teo amin’ireo toerana izy ary rehefa nahita ny toerana midadasika fijanonan’ny fiara sy ny ivelan’ny trano voaravaka, dia liana ta-hahita ny ao anatiny koa. “Izay hitako tao amin’io Efitrano fanaovana fivoriambe io, hoy izy tatỳ aoriana, dia toy ny izao tontolo izao hafa, manana refy hafa, tamiko”. Nanaitra ny sainy aoka izany ny filaminana sy ny firaisan-tsaina, hany ka nihaino tamim-pitandremana ny fandaharana rehetra izy. Tatỳ aoriana, dia nangataka ny hianatra ny Baiboly izy ary vita batisa izy ankehitriny.

Tokony hanao fivoriamben’ny fizaran-tany tany El Tigre, tanàna any atsimo atsinanan’ilay tany ny Vavolombelona. Koa satria tsy nisy Efitrano fanaovana fivoriambe tao amin’ilay faritra, dia nanofa tany hanaovana izany izy ireo. Tsy fantany anefa fa nisy karnavaly nomanina tao amin’io tanàna io tamin’io andro io. Noho izany antony izany, rehefa nahita ireo mpiasan’ny tanàna nanomboka nanangana trano heva ho an’ny mozika teo akaikin’ny toerana hanaovana fivoriambe indrindra izy ireo, dia niangavy mafy ireo mpandamina ny karnavaly mba hamindra izany, nefa tsy nisy vokany. Ho fiala-nenina farany, dia hoy ny anankiray tamin’ireo Vavolombelona: “Fantaro tsara fa mitady fahasahiranana amin’i Jehovah ianareo.” Rehefa nandre izany teny izany ny anankiray tamin’ireo lehilahy dia namaly hoe: “Oadray! tsia! tsy tiako ny hahita fahasahiranana amin’i Jehovah!” Ary dia nafindra ho any an-toeran-kafa ny karnavaly, lavitra ny toerana hanaovana ny fivoriamben’ny fizaran-tany.

Indray mandeha, ny vehivavy kristiana iray dia nankany amin’ny fivoriambe ary niaraka taminy ny vadiny, mpanao politika, mba hanamarina sao nankany mba hihaona amin’ny lehilahy hafa izy. Gaga aoka izany izy noho ny hatsaran’ireo lahateny, hany ka hoy izy tamin’ny vadiny: “Raha nahay niteny tahaka an’iny mpandahateny iny aho, dia ho lasa ambony amin’ny raharahako ao amin’ny politika.” Taorian’ny fotoam-pivoriana, dia nanatona loholona iray izy mba hanontany azy ny fomba hahatongavana ho mpandahateny ampahibemaso tsaratsara kokoa, nefa izay ihany. “Aza manantena ny hitetezako varavarana mitondra kitapo”, hoy ny fampiomanany azy. Nanomboka nianatra ny Baiboly izy, ary tsy ela dia niova hevitra: naniry hitety varavarana mitondra kitapo izy mba hanambara ny vaovao tsara! Niala tamin’ny politika izy, avy eo dia natao batisa, ary amin’izao fotoana izao izy sy ny fianakaviany dia mametraka ny fitokiany amin’i Jehovah.

Fiomanana ho amin’ny fitomboana ho avy

Tamin’ny fandalovan’i Lyman Swingle, anisan’ny Kolejy foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah, dia olona 63 580 no tafavory tao amin’ny kianja Plaza Monumental ao Valencia. Maro no nandeha alina tamin’ny fiara. Toy inona moa ny fampaherezana ho an’ny mpanatrika rehetra rehefa nilaza tamin’ny fiara. Toy inona moa ny fampaherezana ho an’ny mpanatrika rehetra rehefa nilaza tamin’izy ireo toy izao ny rahalahy Swingle: “Tsy sampana kely intsony izao ny sampanareo, fa antonony. Ary, araka ny hita, ny taninareo dia antenaina fa tsy ho ela dia ho anisan’ireo manana mpitory 100 000 mahery!”

Misy volavolan-kevitra atao mba hanitarana ny tranon’ny sampana ao La Victoria, mba hiatrehana izany fitomboana isa mahatalanjona izany. Eny, an’arivony maro ny Venezoelianina mamboly fitokiana an’i Jehovah.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Jereo Réveillez-vous! tamin’ny 8 novambra 1969, pejy faha-9 ka hatramin’ny faha-11.

[Sarintany/Sary, pejy 21]

(Jereo ny gazety)

RANOMASIN’I ANTILLES

VENEZUELA

Maracaibo

LES ANDES

Campo Elias

Valencia

La Victoria

Caracas

El Tigre

COLOMBIE

BRÉSIL

GUYANA

600 Km

[Sary, pejy 24]

Ny efitrano fanaovana fivoriambe any Cúa, hita avy etỳ ivelany sy avy ao anatiny.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara