Aoka isika hamboly ireo fomba kristiana eo amin’izao tontolo izao tsy manaja
“Endrey, tsara sady mahafinaritra raha ny mpirahalahy no miara-monina.” — SALAMO 133:1.
1. Manao ahoana ankehitriny ny fahalalam-pomba?
“NAILIKA ny fahalalam-pomba tao anatin’ireo 25 taona faramparany, hoy ny nosoratan’i Ann Landers, vehivavy mpandahatra tantara. Tsy vitan’ny hoe manadino ny mamoha ny varavaran’ny fiarakodiany ho an’ny vehivavy ny lehilahy na manome azy ireny ny toerany eny ambony fiarandalamby na fiarambahoaka. Tsia, mbola ratsy kokoa noho izany.” Marina tokoa fa na aiza na aiza itodihantsika, dia tsapantsika fa miaina eo amin’izao tontolo izao miha-tsy manaja isika. Mifanositosika ny olona rehefa milahatra eo am-piandrasana, mifoka ao amin’ireo “ascenseurs” feno hika, ary alefa mafy be ny mozika eny an-kalamanjana, ohatra. Ny andro tsirairay avy dia mampiaiky antsika bebe kokoa fa na dia ao aza ny fanatsarana ny fandaharam-panabeazana sy ny fari-piainana, dia tsy mahay manao hoe “misaotra” na “aza fady” intsony ny mpiara-belona amintsika ary nanadino ireo fitsipi-pahalalam-pomba madinika.
2. Nahoana no tsy mahagaga mihitsy ny tsy fanajana eo amin’izao tontolo izao ankehitriny?
2 Tokony hahagaga antsika ve izany tarehin-javatra izany? Tsy tena izany. Ampahatsiaroviny fotsiny izay nambaran’ny apostoly Paoly ara-tsindrimandrin’Andriamanitra momba ny ho fihetsiky ny olona amin’ny “andro farany”, rehefa ‘ho eo ny andro mahory’. Nambaran’i Paoly, ankoatra ny zavatra hafa, fa ny olona dia hanjary ho “tia tena, (...) ho mpandoka tena, mpiavonavona, (...) tsy misaotra, (...) tsy manam-pitiavana, (...) tsy mahonom-po”. (2 Timoty 3:1-3.) Ampy ny mijery manodidina ny tena mba hahatsapana fa hita eo amin’ny olona samy hafa taona sy fari-piainana ara-tsosialy ary firenena ireo toetoetra ireo. Nahoana no toy izany no izy? Inona no mampitombo ny tsy fisian’ny fahalalam-pomba mampiavaka izao androntsika izao?
Ireo antony mahatonga tsy fanajana
3. Amin’ny ahoana moa no ampitomboan’ny ‘rivotry’ ny fandehan-javatra ankehitriny ny tsy fanajana?
3 “Tia tena.” Toy izany tokoa ireo “taranaky ny izaho aloha” izay nitombo teo amin’izao tontolo izao miahy voalohany indrindra ny amin’ny zo sy ny fahafahana ary ny filazan’ny olona hevitra malalaka. Izany toe-tsaina izany, izay mamonto “ny rivotra” manodidina antsika, dia mifanohitra tanteraka amin’ity torohevitra ao amin’ny Baiboly natao ho an’ny kristiana ity: “Aza samy mihevitra ny azy ihany, fa samy ny an’ny namany koa.” (Efesiana 2:2, 3; Filipiana 2:4). Inona no vokatr’izany? Tsy tokony hantenaina hihevitra ny vokatry ny fitondrantenany eo amin’ny hafa ireo anisan’ny taranaka iray nitombo tamin’ny fieritreretana ny ‘hanao izay mahafinaritra azy’.
4. Ahoana no fiheverana ireo tsy miraharaha ny fitsipika mahazatra amin’izao androntsika izao, ary ahoana no tokony handraisan’ny kristiana izany?
4 Fahiny, dia nanampy be dia be hanaja ireo fitsipi-pahalalam-pomba ny tahotra izay holazain’ny hafa. Nandritra ny fotoana naharitra no niahiana ny amin’izay noheverin’ny hafa. Amin’izao andro izao anefa, arakaraka ny maha-ratsy ny fitondrantena iray no mety hitiavan’ny olona azy. Ireo izay manamavo ny fahatsarana nahazatra dia tsy heverina ho tsy mahalala fomba intsony, fa ho olona mahafinaritra, hafa kely, fidera. Tsy tokony hohadinoina anefa fa ny mpamaritra anarana hoe “hafa kely” dia milaza “izay tsy araka ny tena izy aminy, tsy madio na araka ny tamin’ny voalohany”. Izy io dia mitovy fototeny grika amin’ny teny nadika amin’ny fitenenana hoe “noforonin’ny fahafetsen’ny saina” ao amin’ny 2 Petera 1:16. Tsy isalasalana fa ho tsara ny hanarian’ny kristiana marina ny fihetsika toy izany.
5. Anton-javatra hafa inona no mampitombo ny fahaverezan’ny fahalalam-pomba?
5 “Saingy tsy tanterahina vetivety ny famaliana ny ratsy atao, dia izany no ikirizan’ny fon’ny zanak’olombelona amin’ny fanaovan-dratsy”, hoy ny vakina ao amin’ny Mpitoriteny 8:11. Io fanambarana io dia mampiharihary anton-javatra hafa iray miteraka fanjavonan’ny fahalalam-pomba. Mora aoka izany ny ho afa-maina, hany ka hitan’ny mpiara-belona amintsika ho ara-dalàna kokoa hatrany ny fandikana ireo fitsipika iaraha-manaiky. Noho izany antony izany, dia nanao izao fanamarihana izao ny lahatsoratry ny talen’ny New York Times: “Misy olom-pirenena ho tezitra raha ampitovina ampahibemaso amin’ny mpaniasia, kanefa mandika ampahibemaso izao karazan-dalàna rehetra izao: fitsipika mifehy ny fifamoivoizana, lalàna momba ny zavatra mahadomelina, ny fandrarana tsy hanary potipoti-javatra, ohatra.” Ho vokany, na tiana na tsy tiana, dia anisan’ny fiainantsika isan’andro “ny fikorontanana, ny fandravaravan-javatra tsy amin’ny antony, ny fanoratsoratana eny amin’ny rindrina”. Mihamahalana kokoa hatrany ny fahitana fahalalam-pomba mbamin’ny fanajana ny zo, ny fananana sy ny fiainan’ny hafa manokana.
6. Inona moa no vokatry ny fisamboaravoaran’ny fiainana eo amin’ny fahalalam-pomba, ary inona no fihetsika hafa noho izany nasehon’i Jesosy?
6 Koa satria mandrakariva dia alahatra ho anisan’ny fisehosehoana eo amin’ny fiainana ny fahalalam-pomba, dia mirona mora foana hanadino izany ny tena rehefa maika. Manana fiainana misamboaravoara anefa ny ankamaroan’olona amin’izao androntsika izao. Tsy mifampiteny izy ireo rehefa mifanena, tsy miraika tanteraka. Mifanositosika sy mifandronjina izy ireny rehefa milahatra miandry; eny amin’ny fiarakodia, dia miova laharana tsy an-kijanona izy mba hahazoana minitra na segondra vitsivitsy. Matetika tokoa izy ireny no voatana aoka izany amin’ny raharahany manokana, na mavesatra loatra ny fandaharany, hany ka manorisory azy izay rehetra mety ho fisehoan-javatra na mpitsidika tsy nampoizina. Endrey ny fahasamihafan’izany amin’ny fomba nandraisan’i Jesosy ny olona tonga nanatona azy, na dia tamin’ny fotoana tsy nety aza! — Marka 7:24-30; Lioka 9:10, 11; 18:15, 16; Jaona 4:5-26.
7. Tokony hitandrin-tena amin’inona moa ny kristiana marina raha ny amin’ny fahalalam-pomba?
7 Marina fa miaina eo amin’izao tontolo izao mampirimorimo ny zavatra rehetra isika ka itakian’ny asantsika fotoana sy hery bebe kokoa hatrany. Azo antoka fa tsy hanatsara zavatra anefa isika raha toa, noho izany tarehin-javatra izany ka manaraka fomba ratsy. Izany kosa aza dia varavarana mivoha ho an’ny fampisehoana herisetra amin-kadalana rentsika manodidina antsika — fifandirana, ady, ary vonoana olona mihitsy aza — satria valian’ny olona tsy fahalalam-pomba ny tsy fahalalam-pomba. Taratry ny toe-tsain’izao tontolo izao tsy tokony ho naman’ny kristiana marina izany fihetsika izany. — Jaona 17:14; Jakoba 3:14-16.
Ohatra tsy manam-paharoa ny amin’ny fahalalam-pomba
8. Na dia miaina eo amin’izao tontolo izao tsy manaja aza ny kristiana, amporisihana hanao inona moa izy ireny?
8 Mety hanaiky mora foana ho voataonan’ny olona tsy ampy fahatsaram-panahy manodidina antsika isika ka hanary ny fomba tsara nananantsika. Kanefa, mifanaraka amin’ny fananaran’ny Baiboly mba tsy ‘hanaraka ny fanaon’izao tontolo izao intsony’, dia aoka hojerentsika ny ohatra miavaka maro voatantara ao amin’ny Baiboly ka hiezaka isika hitana ny faritra ambonin’ny fomba kristiana eo amin’izao tontolo izao tsy manaja manodidina antsika (Romana 12:2, 21; Matio 5:16). Aoka hasehontsika amin’ny ataontsika fa arahintsika amin’ny fo rehetra ireto tenin’ny mpanao salamo ireto: “Endrey, tsara sady mahafinaritra raha ny mpirahalahy no miara-monina [ao anatin’ny firaisan-tsaina mafy, MN ]!” — Salamo 133:1.
9. Inona no ahariharin’ny Soratra masina raha ny amin’ny fomba fitenin’i Jehovah amin’ireo zavaboariny?
9 Ny ohatra ambony indrindra amin’ny fomba tsara dia ny Mpamorona sady Raintsika rehetra, dia ny tenan’i Jehovah Andriamanitra mihitsy. Mandrakariva ny olona ambony toerana dia ‘mandidy’ sy mitaky ny hanajana ny sitrapony. Ilay Lehibe indrindra eo amin’izao rehetra izao, Jehovah Andriamanitra, kosa anefa, dia mitondra amim-piheverana mandrakariva ireo eo ambany fahefany. Rehefa nanome fitahiana ho an’i Abrahama sakaizany izy, dia nilaza toy izao: “Atopazy [aza fady, MN ] ny masonao, ka hatramin’ity tany itoeranao ity dia mitazàna.” Ary koa: “Jereo ange [aza fady, MN ] ny lanitra, ka isao ny kintana.” (Genesisy 13:14; 15:5). Rehefa nanome an’i Mosesy famantarana manaporofo ny Heriny Andriamanitra dia nangataka taminy hoe: “Atsofohy ao an-tratranao ny tànanao [aza fady, MN ].” (Eksodosy 4:6). Taona maro tatỳ aoriana, tamin’ny alalan’i Mika mpaminaniny, na dia ny vahoakany nikomy aza dia nilazan’i Jehovah hoe: “Masìna hianareo [aza fady, MN ], mihainoa, ry loholon’i Jakoba, sy hianareo mpanapaka ny taranak’Isiraely. (...) Masìna hianareo [aza fady, MN ], mihainoa izao, ry loholon’ny taranak’i Jakoba.” (Mika 3:1, 9). Amin’izany, moa ve isika ‘tonga mpanahaka an’Andriamanitra’ amin’ny filazana hoe “aza fady” rehefa miteny amin’ny hafa? — Efesiana 5:1.
10, 11. a) Inona no azo lazaina ny amin’ny fomba fanaon’i Jesosy? b) Sahala amin’ny nataon’i Jesosy, ahoana no mety hampisehoana fomba tsara amin’ny rehetra?
10 Jesosy Kristy, “Izay ao an-tratran’ny Ray”, dia ohatra miavaka hafa iray koa mendrika ny hotahafina (Jaona 1:18). Teo amin’ny fifandraisany tamin’ny olona, dia naneho fahalemem-panahy sy fangoraham-po izy tetsy an-daniny, ary hery sy tsy fileferana tetsy an-kilany; tsy mba tsy nahalala fomba na nasiaka na tamin’iza na tamin’iza mihitsy anefa izy. Tao amin’ilay boky hoe Ilay lehilahy avy any Nazareta (anglisy), dia izao no novakina momba ny “fahaizany mahatalanjona tsy ho sakodiavatra niaraka tamin’ny karazan’olona rehetra”: “Na teny ampahibemaso na manokana, dia nentiny toy ny olona mitovy saranga aminy ny lehilahy sy ny vehivavy nanodidina azy. Tsy sanganehana izy niaraka tamin’ny ankizy kely tsy nanan-tsiny, nefa koa, ny mety ho toa hafahafa, niaraka tamin’ireo mpanao raharaham-panjakana nampiahiahy nenjehin’ny fieritreretana tahaka an’i Zakaiosy. Nisy vehivavy mpikarakara tokantrano mendri-kaja tahaka an’i Maria sy Marta afaka niteny taminy tamim-pahatsorana tanteraka, nefa nisy vehivavy janga koa nitady azy toy ny hoe nanana toky izy ireny fa hahatakatra ny fiheviny izy ka hitondra azy ireny amim-pahalemem-panahy (...). Ny anankiray amin’ireo toetrany niavaka indrindra dia ny tsy niheverany ny fefy natsangana nanodidina ny olona tsotra.”
11 Hita ho manana fomba tsara tokoa ny tena rehefa maneho amin’ny tsirairay avy ny fanajana sy ny fiheverana tandrifina azy. Ho tsara ny hanahafantsika an’i Jesosy Kristy amin’io lafiny io. Ny ankamaroan’olona tokoa dia miseho ho manaja ny sasany, indrindra fa ireo izay mitana toerana ambony noho ny azy. Miseho ho mihatakataka sy tsy mahalala fomba kosa anefa izy ireny amin’ireo izay heveriny ho ambany noho izy, na mitovy aza, ka toa mitondra fahatsapana fahamboniana sy hery ho azy izany. Kanefa, araka ny nisy nilaza ara-drariny tokoa, dia “fiadian’ny kanosa ny tsy fahalalam-pomba”. Manome antsika izao fananarana izao ny Baiboly: “Mitariha làlana [manomeza ohatra, MN ] amin’ny fifanomezam-boninahitra.” (Romana 12:10). Raha miezaka amim-pahatsorana hanaraka io torohevitra io isika, dia ho afaka mora kokoa ny hahalala fomba amin’ny olona rehetra, tahaka an’i Jesosy.
12. Inona moa no fototry ny fampianaran’i Jesosy raha ny amin’ny fifandraisan’olombelona?
12 Io toetran’i Jesosy izay nitondra azy hanatona ny hafa io dia hita koa teo amin’ny fampianarany, indrindra fa ao amin’izay antsoina hoe ny fitsipika volamena: “Koa amin’izany na inona na inona tianareo hataon’ny olona aminareo, dia mba ataovy aminy kosa tahaka izany.” (Matio 7:12). Ao amin’ny Resaka, anankiray amin’ireo Boky Efatra mamelabelatra ny fampianaran’i Conficius, izay noheverina hatramin’ny ela be ho ny mpanoro ny fitondrantena tsara nahay indrindra tany Atsinanana, dia vakina fa indray andro ny anankiray tamin’ny mpianany dia nanontany azy raha misy teny tokana azo ampiasaina ho fotopoto-pitsipika hifehy ny fiainana rehetra. “Ny teny hoe ‘fiheverana ny hafa’ (shu) angamba, hoy ny navalin’ilay mpampianatra azy.” Avy eo dia hoy ny nanampiny: “Aza atao amin’ny hafa izay tsy tianao hatao aminao.” Tsapantsika mora foana ny fahambonian’ny fampianaran’i Jesosy. Tsy azo atao tokoa ny mamatotra fifandraisana mafana, mahafinaritra sy mampiseho fisakaizana raha tsy ny tena no manomboka ‘manao soa amin’ny hafa’.
Avy amin’ny fitiavana kristiana ireo fomba kristiana
13, 14. a) Inona no fihetsika voamarika tato ho ato raha ny amin’ny fahalalam-pomba? b) Inona no manosika olona maro ho liana amin’ny fahalalam-pomba sy ny fomba fanajana?
13 Miely aoka izany ny tsy fahalalam-pomba amin’izao androntsika izao, hany ka misy miady ho an’ny fiverenana amin’ny fahalalam-pomba. “Nikomy tamin’ny fomba tsara isika tao anatin’ireo taona 60, hoy i Marjabelle Stewart, fantatra amin’ny zavatra nosoratany sy nampianariny momba io foto-kevitra io, kanefa eo am-pamerenana azy amin’ny toerany taloha ny fiovana vaovao. Fantatry ny olona ny maha-zava-dehibe ny fiheverana ny hafa ka tiany ny hahafantatra ireo fitsipika ara-pahalalam-pomba.” Izany fanavaozana ny fahalianana amin’ny fahalalam-pomba izany dia miseho amin’ny fahamaroan’ny boky, ny lahatsoratra sy fandaharana ao amin’ny televisiona natokana ho amin’izay rehetra mahakasika ny fahalalam-pomba — manomboka amin’ny sotrorovitra (fourchette) hampiasaina amin’ny fanasambe ka hatramin’ny fomba fiteny amin’ny hafa eo amin’ny fifandraisana ara-tsosialy sy ara-pianakaviana, izay sarotra sy mora miova haingana ankehitriny.
14 Fa inona no manosika hampitombo fahalianana toy izany amin’ny fahalalam-pomba? “Ao anatin’ny fitambaran’olona ankehitriny irehetan’ny fifaninanana, hoy ny fanazavan’i Marjabelle Stewart, dia raharaha mahakasika ny fitohizan’ny fahavelomana ny fahalalam-pomba.” Raha lazaina amin’ny teny hafa, dia heverina ho anton-javatra mitondra fahombiazana izany. Mamaky boky àry ny olona ary manaraka fiofanana atokana ho amin’ny fomba fanajana mba hianarana mifidy fisehoana ivelany mety, mba hanairana ny sain’ny hafa, mba hanaovan-javatra tsara araka izay farany azo atao eo anoloan’ny filan-kevi-pitondrana, sns.a Ny tsy maha-mety izany rehetra izany, dia satria ny fahalalam-pomba tonga raharaham-pitadiavana tombontsoa, karazana saron-tava fitondra rehefa manao fampisehoana fotsiny. Tsy mahagaga àry ny fandrenesana firesahana indraindray ny amin’ny fahadisoana maharikoriko aoka izany nataon’olona “tsara taiza” na “ambony toerana”.
15, 16. a) Inona moa no nambaran’ny manam-pahaizana iray momba ny fahalalam-pomba raha ny amin’ny “fitsipi-pitondrantena tsara indrindra”? b) Inona moa no fifandraisana misy amin’ny 1 Korintiana 13:4-7 sy ny tena fomba kristiana?
15 Tsy misy ifandraisana mihitsy amin’ny tokony ho toetran’ny fomba tsara izany. Izao no nosoratan’i Amy Vanderbilt, manam-pahaizana ny amin’io raharaha io, ao amin’ny Boky fianarana feno vaovao momba ny fomba fanajana (anglisy) nosoratany: “Ahitana ireo fitsipi-pitondrantena tsara indrindra ao amin’ny toko faha-13 amin’ny taratasy voalohany ho an’ny Korintiana, ny filazan-javatra iray loha mahafinaritra nataon’i masindahy Paoly momba ny fitiavana. Ireo fitsipika ireo dia tsy misy ifandraisana mihitsy amin’ny fisehosehoana eo amin’ny fomba fitafy na amin’ny fomba ivelany fotsiny. Izany dia mahakasika ny fihetseham-po sy ny fihetsika, ny fahamoram-panahy sy ny fanajana ny hafa.”
16 Miharihary fa eo i Amy Vanderbilt dia manisy fitenenana ny amin’ny andinin-teny ao amin’ny 1 Korintiana 13:4-7, izay ilazalazan’i Paoly amin’ny andinindininy ireo lafiny samihafa amin’ny fitiavana kristiana. Aoka hojerentsika ny vokatry ny sasany amin’izany. Izay “mahari-po sady mora fanahy”, ohatra, dia azo antoka fa haneho faharetana sy fanajana eo amin’ny fifandraisany amin’ny hafa. “Tsy manao izay tsy mahamendrika” izy, na, raha lazaina amin’ny teny hafa, ‘manao izay mahamendrika’. Ny “fahamendrehana” anefa dia lazalazaina ho “fanarahana ireo fitsipika amin’ny fitiavan-javatra, ny fahalalam-pomba na ny fahatsarana”. Izany no antony andikan’ny Parole vivante (nataon’i Kuen) an’io fehezanteny io toy izao: “Maneho fiheverana ny fitiavana ary manalavitra ny fanaovana izay hahasosotra na hahatafintohina.” Sarotra ny hieritreritra fa ny olona maneho izany karazam-pitiavana izany dia ho azo heverina fa tsy manaja.
17. Mampiseho inona moa ny fombantsika?
17 Mazava àry fa ny fomba tsara kristiana dia avy amin’ny fitiavana kristiana mivantana. Izany akory tsy fomba hahatongavana ho amin’ny zava-kendrena iray fotsiny na saron-tava anaovana mba handraisana tombontsoa avy aminy. Tsia, ny fombantsika, izany hoe ny fihetsitsika eo anoloan’ny hafa, ny fisehoantsika ivelany sy ny fitondrantenantsika isan’andro, dia mampiseho hoe manao ahoana ny fiahiantsika ny mpiara-belona amintsika ka mampiseho ny halalin’ny fitiavantsika azy ireny. Ny tanora sy ny efa be taona kokoa dia samy tokony hiezaka hanaraka izao torohevitra ao amin’ny Baiboly izao: “Aoka tsy hisy olona hitady ny hahasoa ny tenany, fa ny hahasoa ny namany.” (1 Korintiana 10:24). Araka izany, koa satria lafiny iray amin’ny fitiavana kristiana ny fomba tsara kristiana dia marika mampiavaka ny tena mpianatr’i Jesosy Kristy. — Jaona 13:35.
Aoka isika hahalala fomba amin’ny toe-javatra miseho rehetra
18. Tokony ho tapa-kevitra ny hanao inona moa isika na dia ao aza izay hitantsika manodidina antsika?
18 Raha niresaka ny amin’ny taranaka ankehitriny i Jesosy, dia hoy izy: “Ary noho ny haben’ny tsi-fankatoavan-dalàna dia hihamangatsiaka ny fitiavan’ny maro.” (Matio 24:12). Izany fangatsiahan’ny fitiavana izany dia hita mazava eo amin’ny tsy fisian’ny fiheverana sy ny tsy fiheverana afa-tsy ny tena asehon’ny olona maro be amin’izao andro izao. Tsy tokony hirona hamaly amin’ny tsy fanajana toy izany koa anefa isika, fa tokony hitadidy ao an-tsaina izao torohevitr’i Paoly izao: “Aza mamaly ratsy na amin’iza na amin’iza. Miomàna hanao izay mahamendrika eo imason’ny olona rehetra. Raha azo atao, dia ataovy izay hihavananareo amin’ny olona rehetra.” (Romana 12:17, 18). Tokony ho tapa-kevitra isika ny hahalala fomba amin’ny toe-javatra miseho rehetra, na ankasitrahana ny fiezahantsika na tsia. — Matio 5:43-47.
19. Amin’ny ahoana moa ny fombantsika no mahakasika ny lafiny rehetra amin’ny fiainantsika?
19 Eny, ny fomba tsara kristiana dia taratry ny fitiavana sy ny fiheverantsika lalina ny hafa. Toy ny ampihariharian’ny tenintsika ny maha-isika antsika ao anaty, dia toy izany koa fa ny fombantsika dia mampiseho na miahy ny hafa isika na tsia, ary hatraiza (Matio 12:34, 35). Tokony hisy heriny eo amin’ny lafiny rehetra amin’ny fiainantsika àry ny fomba tsara, ho anisan’ny fiainantsika. Amin’ny lafiny inona avy izany no tokony hiseho amin’ny fomba feno kokoa? Ahoana no azontsika ampitomboana bebe kokoa ny fomba kristiana? Izany no hojerentsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Aoka tsy hohadinointsika fa amin’ny heviny ara-bakiteny ny teny hoe “étiquette” (fomba fanajana) dia manondro soratra apetaka ho famantaran-javatra na hilazana ny andefasana azy. Manome izao fanazavana izao anefa ilay boky hoe Ny niandohan’ny teny sy ny tantarany misy nofinofy (anglisy), nataon’i Wilfred Funk: “Ireo fitsipika voalohany amin’ny “étiquette” (fomba fanajana) dia napetaka talaky maso tao amin’ireo fitobian’ny tafika. Nilaza ny fitsipika tokony harahina tao anatin’ilay andro ny lisitra (...). Ho azo atao ny hilaza fa ny “étiquette” (fomba fanajana) dia “karatra” fidirana ao amin’izao tontolo izao tsara.”
Hazavao:
◻ Nahoana moa no tsy mahagaga raha tsy hita intsony ny fahalalam-pomba?
◻ Inona moa no sasany amin’ny antony miteraka tsy fanajana eo amin’izao tontolo izao ankehitriny?
◻ Amin’ny ahoana moa no tsy itovian’ny foomba kristiana amin’ny fahalalam-pomba sy ny fomba fanajana araka ny iheveran’izao tontolo izao azy?
◻ Nahoana moa isika no tokony hiezaka hanana fomba tsara amin’ny toe-javatra miseho rehetra?