Faritra vaovao ho an’ny Sekolin’i Gileada
NY 1 FEBROARY 1943, Nathan Knorr, izay prezidàn’ny Fikambanana Watchtower dia nanao ny lahateny fitokanana ny sekoly vaovao iray. Hoy ny nambarany tamin’ny mpianatra zaton’ny kilasy voalohany: “Tsy hahatonga anareo ho minisitra voatendry ity [sekoly] ity, satria efa minisitra marisika ianareo hatramin’ny taona maro (...). Ny fandaharam-pianarana (...) dia mikendry fotsiny ny hanomanana anareo ho tonga minisitra mahay kokoa.” Hatramin’izao andro izao, Gileada, Sekoly fianarana ny Baiboly an’ny Fikambanana Watchtower dia nanohy namolavola minisitra ho fikendrena ny asa misionera any an-tany hafa.
Tamin’ny 1943, ny Sekolin’i Gileada dia nanokatra ny varavarany tao amin’ny faritanin’ny Finger Lakes, tany amin’ny Fanjakan’i New York. Nijanona tao nandritra ny 17 taona izy. Avy eo, tamin’ny 1961 dia nifindra ho any Brooklyn izy. Tamin’ny fikendrena inona? Natokana hatrany hanomezana izay ilain’ny fandaminan’Andriamanitra io sekoly io. Kanefa, mba hampitomboana sy handaminana tsaratsara kokoa ireo sampana mizarazara maneran-tany, dia hita fa nilaina ny hisian’olona anisan’ny mpiasa ao amin’ny foibe maneran-tanin’ny Vavolombelon’i Jehovah hanome fampianarana feno kokoa ho an’ireo mpianatra. Noho izany, nandritra ny taona maromaro, dia nifikirana ny famolavolana ny mpiasa ao amin’ireo sampana ka taorian’izay dia nohamafisina indray ny famolavolana misionera.
Nandritra ny 27 taona nanaraka, tamin’ny 1961 ka hatramin’ny 1988, ireo mpianatry ny Sekolin’i Gileada dia nanana tombontsoa niaina nandritra ny faharetan’ny fianarany niaraka tamin’ny mpiasa tao amin’ny foibe maneran-tanin’ny Fikambanana, ao Brooklyn. Tamin’izany no nandraisany tombontsoa nifanerasera akaiky tamina mpikambana amin’ny Kolejy foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah sy tamin’ny minisitra kristiana hafa nahita fanandraman-javatra. Inona indray no tsaratsara kokoa noho izany mba hianarana ny fomba fiasan’ny sampana iray an’ny Fikambanana Watchtower? Tsy hoe nandray soa fotsiny tamin’ny famolavolana nomena azy tao an-dakilasy ireo mpianatra, fa nandinika koa ny asa notanterahin’ny mpiasa tao amin’ny foibe maneran-tany isan’andro.
Inona moa no vokatry ny Sekolin’i Gileada teo amin’ny fitoriana amin’ny ambaratonga iraisam-pirenena? Amin’ireo mpampifandrindra raharaha 93 ao amin’ny komitin’ny sampana izay mikarakara ny fandaminana ny asa maneran-tany, dia 74 no nahazo diplaoma tao amin’ny Sekolin’i Gileada. Izany dia mba hilazana ny fampiofanana tsara dia tsara azon’ireny lehilahy ireny mba hiantsorohana ny andraikiny mavesatra natao hamahanana ny vahoakan’Andriamanitra amin’ny androntsika. Maro amin’ireo mpiandraikitra mpitety faritany miasa ankehitriny ho an’ny fandaminan’i Jehovah no nahazo diplaoma koa tao amin’ny Sekolin’i Gileada. Eny, nampifanentanina amin’izay ilain’ny fandaminana ny fandaharam-piofanana ao amin’io sekoly io.
Mandao an’i Brooklyn ny Sekolin’i Gileada
Nefa dia notapahina indray ny hevitra fa hafindra ny Sekolin’i Gileada. Araka izany, tamin’ny fararanon’ny 1988, dia nisy kamiao efatra feno fanaka sy fitaovana momba ny birao tonga teo amin’ny toerana fahatelon’io sekoly io: ny Toeram-piompiana sy fambolena an’ny Fikambanana Watchtower any Wallkill, ao amin’ny Fanjakan’i New York. Tao anatin’ny roa volana monja, ny antoko-mpiasa amin’ny sampan’ny fikojakojana dia nandamina tao efitrano fianarana mahafinaritra, toerana fitehirizam-boky iray ary birao ho an’ny sekoly. Ny sasany niasa andro aman’alina mba hahatonga ireo efitra natokana ho an’ny sekoly ho vonona ara-potoana ho amin’ny fanombohan’ny fianaran’ny kilasy manaraka.
Ny 17 oktobra 1988 no nanaraka ny fianarany voalohany ny kilasy faha-86 amin’ny Sekolin’i Gileada. Tsy nisy fahatapahana mihitsy, ilay sekoly àry dia nanohy ny zava-kendreny, dia ny ‘hamolavola lehilahy sy vehivavy mba ho minisitra mahay kokoa’. Ao amin’ny faritra vaovao misy azy, tena mahafinaritra, ao amin’ny Toeram-piompiana sy fambolena an’ny Fikambanana Watchtower, ny sekoly dia nahita indray tapany amin’izay nampahafinaritra ny toerany tany am-piandohana, dia ny faritanin’ny Finger Lakes.
Ny fanolorana diplaoma ho an’ny kilasy faha-86
Tamin’ny 5 martsa 1989 dia tafavory tao amin’ny Efitrano fanaovana fivoriambe any Jersey City ny mpiasa rehetra ao amin’ny foibe maneran-tany any Brooklyn sy ny Toeram-piompiana sy fambolena, mba hanatrika ny fanolorana diplaoma ho an’ny kilasy faha-86 amin’i Gileada. Daniel Sydlik, mpikambana amin’ny Kolejy foibe, no nanomboka ny fandaharana tamin’ny fanononana vavaka. Karl Klein, anisan’ny Kolejy foibe ihany koa, no nitarika ny fivoriana. Tao amin’ny teny fanokafany, dia nasongadiny ny fahasamihafana eo amin’ireo misioneran’ny fivavahana lazaina fa kristiana sy ny an’ny Vavolombelon’i Jehovah. Ireto farany, nampiofanina tao Gileada dia mampianatra amim-pahombiazana tokoa ny Tenin’Andriamanitra ao amin’ny tany toa an’i Japon, izay andraisan’ny Vavolombelona maherin’ny 131 000 anjara amin-jotom-po amin’ny fanompoana ankehitriny.
Tao amin’ny foto-kevitra iray mitondra ny lohateny hoe “Ny asa tsara: famantarana anareo”, Donald Krebs dia niresaka ny amin’ny anjara asa lehibe raisin’ireo misionera nampiofanina tao amin’ny Sekolin’i Gileada eo amin’ny fampitomboana maneran-tany ny fandaminan’i Jehovah. “Ny asa tsara hataonareo eo amin’ny asa misionera amin’ny maha-mpampianatra ny Tenin’Andriamanitra dia hahaforona ny (...) marika hampiavaka anareo. Mamporisika anareo izahay handany hery amin-jotom-po. Hitahy be dia be ny fiezahanareo Jehovah.”
George Gangas, mpikambana amin’ny Kolejy foibe dia nanolotra lahateny nafana momba ny foto-kevitra hoe: “Ny Baiboly: ny boky tsara indrindra misy etỳ ambanin’ny masoandro.” Nanome izao torohevitra izao ho an’ireo nahazo diplaoma izy: “Aza manadino ny mianatra ny Baiboly. Feno vatosoa ara-panahy (...) manjelanjelatra izy io. Izay olona mankasitraka ny hasarobidin’izany manontolo dia tsy sasatra ny mijery ireny sy mampiseho fahatalanjonana amin’ny famirapirany.”
Richard Eldred dia namelabelatra ny foto-kevitra hoe “Azonareo atao ny mampiova azy ireny”. Amin’ny fananana fitaomana eo amin’ny fiainan’ny mpiara-belona aminy, ireo misionera vaovao dia afaka manova azy ireny ho tsara. Lehilahy sy vehivavy tamin’ny andro Fahiny toa an’i Davida, Nehemia, Debora, Abigaila no nampihatra fitaomana tsara teo amin’ny hafa tamin’ny fiahiana azy ireny tamim-pahatsorana, tamin’ny fitoerana ho be herim-po tao amin’ny finoana sy tamin’ny fisehoana ho malemy fanahy sy araka ny fanahy.
Lyman Swingle, mpikambana amin’ny Kolejy foibe, dia nandefa izao fanasana izao ho an’ireo ho misionera: “Isao ny soa noraisinareo.” Rehefa avy nitanisa sasantsasany izy, ohatra ireo dimy volana lany nandalinana ny Baiboly, dia nandefa ho azy ireo izao fampaherezana izao: “Raha mbola manakaiky ny farany, dia angamba ho hitanareo fa mihafaingana ny dia, fa mihamikitoantoana kokoa ny lalana, mideza kokoa. Nefa mitandrema mba tsy ho kivy na oviana na oviana, mba tsy hiala mihitsy, mba tsy hiraviravy tanana na oviana na oviana.”
Ny iray amin’ireo mpampianatra, Jack Redford, dia namelabelatra ny foto-kevitra hoe “Aoka ny herinareo tsy ho tonga fahalemena”. Avy amin’ny torohevitra nomen’i Solomona mba ‘tsy ho tonga marina loatra’, dia nampitandremany ireo nahazo diplaoma hanohitra ny fironana hiantehitra bebe kokoa amin’ny fahaizan’ny tenany manokana fa tsy amin’i Jehovah (Mpitoriteny 7:16, 17). “Mety hiova ho fandrika ny toetra tsara raha ambolena tafahoatra”, hoy izy. Ohatra, izay olona fatra-pifikitra amin’ny lalàna sy ny filaminana, izay toetra tsara, dia mety ho tonga mihoam-pampana amin’ny fisehoana ho henjana loatra. Nomeny ny iray kilasy àry ity torohevitra ity: “Tokony hahatsapa ny fahalementsika isika rehetra, nefa koa ny lafiny mampahatanjaka antsika. Aoka ianareo ho marina nefa tsy ho vonton’ny fahamarinanareo. Miantehera amin’i Jehovah. Ataovy ho herinareo Jehovah.”
Ulysses Glass, mpampianatra sady mpitantsoratry ny sekoly, dia nanazava ireto tenin’i Jesosy ireto: “Ento ny ziogako”. (Matio 11:29, 30). Amin’ireo teny ireo Jesosy dia manasa ny mpianany ‘hipetraka eo ambany ziogany’ miaraka aminy. Tsy maniry hametraka enta-mavesatra eo amin’izy ireo izy. Tena mora nahatsapa izay nilain’ny hafa i Jesosy. Naneho fanetren-tena izy ary tsy nitondra tamin’ny fomba ratsy ireo mpianany. Hoy izy tamin’izy ireo: “Mianara amiko”. Tokony hanana ny sain’i Kristy ny misionera iray. Nidera an’ireo ho misionera ny mpandahateny noho ny fahalalan-tanan’izy ireo ary namporisika azy hanohy hampiseho izany toe-tsaina izany ihany any amin’ireo tany hafa izay hanirahana azy.
Raha mbola nanakaiky ny farany ny fandaharana ny maraina, Carey Barber, mpikambanana amin’ny Kolejy foibe, dia nanolotra lahateny nahavariana iray momba ny foto-kevitra hoe “Ny fijinjana dia ny fifaranan’ny fandehan-javatra”. Nohantitranteriny ny fahatanterahan’ny fanoharana ny amin’ny vary sy ny tsimparifary amin’izao androntsika izao (Matio toko faha-13, MN ). Voalohany aloha dia ireo mpianatr’i Kristy voahosotry ny fanahy no nangonina. Avy eo, indrindra fa hatramin’ny 1935, dia anjaran’ireo ondry hafa ny ‘nojinjaina’. Nandray anjara tamin’ny ampahany lehibe tamin’ny fanangonana ny mpianatr’i Kristy ny Sekolin’i Gileada.
Taorian’ny nandraisan’ireo mpianatra ny diplaomany, ny iray tamin’izy ireo dia namaky taratasy mafana izay nanehoan’izy ireo ny fankasitrahany noho ny fampiofanana izay nandraisan’izy ireo soa sy ny fiheverana nasehon’ireo mpampianatra sy ny fianakavian’ny Betela taminy. Ankoatra ny zavatra hafa dia hoy ilay taratasy: “Ny fiheverana nasehonareo tsy tamin’ny fitambaran’ny kilasinay fotsiny, fa tamin’ny tsirairay aminay manokana koa dia nanohina anay indrindra ary mendrika ny hotahafina. Amin’ny fananana fihetseham-po iombonana no ilazanay aminareo hoe mandra-pihaona — malahelo izahay handao anareo, satria tsy hahita anareo izahay, nefa faly sy dodona ny handeha any amin’ny faritaninay vaovao.”
Nandritra ny fotoam-pivoriana ny tolakandro, ireo nahazo diplaoma dia nandray anjara tamin’ny fianarana ny Ny Tilikambo Fiambenana notarihin’i Ralph Walls. Avy eo, ireo anisan’ilay kilasy dia nanao fampisehoana vitsivitsy momba ny zavatra hita teny am-pitoriana izay niainan’izy ireo nandritra ny fivahiniany tao amin’ny Toeram-piompiana sy fambolena an’ny Fikambanana Watchtower. Ny Kolejy foibe (Komitin’ny fampianarana) dia nanolotra fandaharana nisy fampisehoana kely momba ny foto-kevitra hoe “Mampitombo ny firaisan-tsaina ny fanajana ny fahefana”, sy fandefasana sary maizina mampiseho ny fifaliana tsapan’ireo misionera tany amin’ny tany maro tao anatin’ireo taona. Ny fotoam-pivoriana dia nifarana tamin’ny vavaka nampientana notononin’i Frederick Franz, prezidàn’ny Sekolin’i Gileada, izay 95 taona ankehitriny.
Tamin’ny hafanam-po nasehony nandritra ny fizotran’ny fandaharana, ny mpanatrika dia naneho ny fanohanany ireo ho misionera sy ny fankasitrahany ireo lahateny natolotra. Tsy isalasalana mihitsy fa ireo 24 nahazo diplaoma avy amin’ny kilasy faha-86 an’i Gileada dia tapa-kevitra hanao an’i Jehovah ho heriny ao amin’ireo faritany vaovao izay mahafaly azy ny mandeha ho any.
[Efajoro, pejy 21]
ENDRIKY NY KILASY
Isan’ny mpivady: 12
Isan’ny mpianatra: 24
Isan’ny tany niaviana: 6
Isan’ny tany haleha: 12
Antsalan’ny taona: 32,3
Antsalan’ny taona naha-tao anatin’ny fahamarinana: 14,1
Antsalan’ny taona naha-tao amin’ny fanompoana manontolo andro: 9,1
[Sary, pejy 23]
Kilasy faha–86 an’i Gileada, Sekoly fianarana ny Baiboly an’ny Fikambanana Watchtower.
Ao amin’ny lisitra eto ambany, ireo laharana dia nasiana nomerao avy any aloha mankany aoriana ary ny anarana tononina avy any ankavia miankavanana:
1) R. Parrott; E. Imig; G. Benig; E. Bengtsson; W. Baart; K. Ihander. 2) J. Lewis; L. Hilario; A. Lindmark; C. Antoncich; C. Agurs. 3) R. Bengtsson; J. Parrott; J. Benig; J. Imig; A. Baart; S. Rissell. 4) M. Rissell; L. Lewis; M. Antoncich; R. Hilario; H. Agurs; L. Lindmark; J. Ihander.