FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w89 1/7 p. 31
  • Mampiray ireo fianakaviana ny fitiavana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mampiray ireo fianakaviana ny fitiavana
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Hong-Kong
  • Grande-Bretagne
  • Pasifika Atsimo
  • Vehivavy manambady iray tiana amim-piraiketam-po
    Ny Fomba Hahitana Fiainam-pianakaviana Sambatra
  • “Tsy Mizaha Tavan’olona Andriamanitra”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
  • Mahasoa ny Manaraka ny Tari-dalan’i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2016
  • Vehivavy Manambady
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
w89 1/7 p. 31

Mitantara ireo mpitory ilay Fanjakana

Mampiray ireo fianakaviana ny fitiavana

Mba hahatongavana amin’ny firaisam-pianakaviana, dia tokony hifaneho fitiavana voamariky ny fandavan-tena ny mpivady. Koa satria Jehovah, ilay Andriamanitry ny fitiavana no Loharanon’izany, ny fitiavana toy izany dia anisan’ny vokatry ny fanahy (Galatiana 5:22, 23; 1 Jaona 4:8). Ny fisehoan-javatra tantaraina manaraka dia mampiseho ny fomba nampiraisan’ny fitiavana miorina amin’ny fahalalana ny Baiboly an’ireo fianakaviana.

Hong-Kong

◻ Tany Hong-Kong dia nanomboka fampianarana Baiboly tamin’ny vehivavy iray sy ny zanany vavy roa ny anabavy mpitory maharitra anankiray. Nilaza ny fanahiany ny vadin’io ramatoa io: natahotra izy sao tafiditra tamin’ny antokom-pivavahana mirehitra tsy amin’antony ny vadiny. Noho izany dia nanipy hevitra tamin’io vehivavy io ilay anabavy mba hanasa ny vadiny hanatrika ny fianarana: ny tenany mihitsy amin’izay no hitsara. Izany no nataony. Tao anatin’izany fotoana izany ihany dia nanomboka nanatrika ireo fivoriana kristiana ilay ramatoa. Nisy zavatra tsy nandeha anefa tamin’ny fomba fitaizany ny zanany. Niadiany foana ny zokiny ary nampihanta ny zandriny kosa izy. Tato aoriana dia nanjary nazava fa tsy nandeha tsara koa ny zavatra rehetra teo amin’izy mivady. Nihahenjana matetika ny fifamaliny ka imbetsaka no voatery nantsoina ny pôlisy. Tamin’ny fampiasana ny Baiboly, ny Teny miasan’Andriamanitra, dia nasehon’ilay anabavy tamin’izy ireo ny fomba hanomezana taratry ny fitiavan’Andriamanitra ao amin’ny faritry ny fanambadiany. Tsy ela dia nanomboka nanavao ny fomba fanaovany zavatra izy ireo sady niara-nanatrika tsy tapaka ireo fivoriana. Ankehitriny dia manjaka ao an-tokantranony ny rivo-piainana sambatra kokoa. Nitsahatra tsy nifoka sigara ilay lehilahy ary izao izy dia nisoratra anarana tamin’ny Sekolin’ny fanompoana teokratika. Raha ny amin’ny vadiny kosa dia mpitory vita batisa izy izao.

Noho izy ireo naneho fitiavana, anankiray amin’ny vokatry ny fanahin’Andriamanitra, ireo mpianakavy ireo izao dia miaina ao anaty firaisan-tsaina.

Grande-Bretagne

◻ Rehefa maneho fitiavana sy faharetana amin’ny vadiny ny lehilahy, dia tahin’i Jehovah izy. Izany no asehon’ny fitantarana manaraka azonay avy any Grande-Bretagne. Nisy lehilahy anankiray nanaiky ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly, 12 taona lasa izay. Nanohitra mafy izany ny vadiny ka nangataka fisaraham-panambadiana ary nahazo izany. Nanohy naneho hatsaram-po taminy anefa ny vadiny; nanao izay hahazoany fivelomana izy ary nanao raharaha madinidinika ho azy tsy tapaka. Ny fanoherana tany am-boalohany nasehon’ny vadiny, dia tsy nanakana azy hiresaka taminy indray ireo fahamarinana ao amin’ny Baiboly, efa-taona tatỳ aoriana. Akory ny hagagany raha nanipy hevitra taminy mba hianatra Baiboly miaraka amin’ny anabavy iray izy, ka nanaiky izany izy. Tamin’ny farany, dia niandany tamin’ny fanompoam-pivavahana madio izy ary natao batisa. Tsy nitsahatra ny ho tia ny vadiny io lehilahy io, ary rehefa noporofoiny fa nifikitra tamin’ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly izy, dia nangataka azy ho vady indray izy. Nentanin-kafaliana ravehivavy! Noho ny fihetsika ratsy nasehony taona vitsivitsy teo aloha tokoa, dia tsy nampoiziny mihitsy ny hanaovan-dralehilahy zavatra tahaka izany. Izao dia efa ho valo taona izy ireo no nivady indray, ary samy mandroso tsara izy roa eo amin’ny lalan’ny fahamarinana.

Pasifika Atsimo

◻ 20 taona mahery lasa izay, ny tovolahy iray nonina tany Tuvalu, any Pasifika Atsimo, dia nanoratra tamin’ny Fikambanana Watch Tower mba hangataka boky iray. Na dia tsy nisy Vavolombelona aza tao amin’io nosy io tamin’izany fotoana izany, dia namaky irery ilay boky izy ary nekeny fa feon’ny fahamarinana izany. Tsy ela anefa dia namela ny finoana vaovao nananany izy, satria nanohitra izany tamin-kalozana ny vadiny.

Faramparany teo, rehefa nanjary nisy tamin’ny fiteny tuvalu ny boky, dia naka sasantsasany tamin’ireo io vehivavy io ary ny tenany mihitsy no afaka namaky ireny. Fantany tamin’izay ny fahamarinana ka nanome tsiny toy izao ny vadiny izy: “Nandritra izay taona rehetra izay dia fantatrao hoe taiza no nisy ny fahazavana, nefa tsy nahariharinao izany. Nahoana raha nohazavainao tamiko fara faharatsiny izay nitarika anao hino fa nilaza ny fahamarinana ny Vavolombelona?” Nanomboka nifanerasera tamin’ny Vavolombelona tamin’izay io mpivady io, tafaray noho ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly.

Rehefa nody tao an-tokantrano ny zanany vavy roa, izay nandeha tany Fidji nanohy ny fianarany, dia nampahafantariny azy ireo ny fanapahan-keviny ho tonga Vavolombelon’i Jehovah sady namporisihiny izy ireo hianatra Baiboly miaraka amin’izy mivady. Toy inona moa ny hagagany nahafantatra fa efa nanatrika ireo fivoriana kristiana izy ireo tany Fidji! Nahafaly ireo mpianakavy ireo àry ny nanaiky ny fahamarinana niaraka. Ilay ray, ilay reny ary ny anankiray amin’ireo zanany vavy izao dia mpitory ny Fanjakana.

Fifaliana toy inona moa ny mahita ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly sy ny fitiavana mampiray fianakaviana maneran-tany!

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara