FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w89 1/7 p. 26-29
  • Raharaha iray mahatalanjona

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Raharaha iray mahatalanjona
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Izay nisy akony teo amin’ny fiainanay
  • Mpitory maharitra tany Frantsa, tamin’ny bisikileta
  • Espaina: nisetran-java-tsarotra
  • Nampangaina ho fasista
  • Nolazaina fa kaominista tany Irlanda
  • Ny Ady Lehibe Faharoa, ary... an-dalana ho any Gileada!
  • Misionera tany Afrika
  • Fiovana indroa teo amin’ny fiainako
  • Ny fanompoana teto Afrika Atsimo
  • Ireo fitahiana entin’ny asa misionera
  • Fizarana 2: Vavolombelona any Amin’ny Faritra Lavitra Indrindra Amin’ny Tany
    Vavolombelon’i Jehovah—Mpitory ny Fanjakan’Andriamanitra
  • ‘Sambatra Izay Rehetra Manohy Miandry An’i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
  • Fizarana 4: Vavolombelona any Amin’ny Faritra Lavitra Indrindra Amin’ny Tany
    Vavolombelon’i Jehovah—Mpitory ny Fanjakan’Andriamanitra
  • Fiovana Faritany teo Amin’ny Faha-80 Taona
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
w89 1/7 p. 26-29

Raharaha iray mahatalanjona

Ireo 57 taona laniko tamin’ny asa misionera:

Nosoratan’i Eric Cooke

SADY niankina tamin’ny fefy niaro ny tokotanin-tsambo aho no nitsinjo tao anatin’ny hazavana malefaky ny andro vao mangiran-dratsy ny faravodilanitra very tao anaty zavona. Ny omaly harivan’iny, dia niondrana an-tsambo tao Southampton (Angletera) ho any Saint-Malo izaho sy ny rahalahiko. Tsy ny hizaha tany akory no anton-dianay: ny hanely ny hafatr’ilay Fanjakana any Frantsa no nokasainay hatao. Tamin’ny fahatongavanay tao Saint-Malo, dia naka ireo bisikiletanay izahay ary nianatsimo.

Toy izany no nanombohanay, dia i John (zandriko) sy ny tenako, ny asa misionera tany an-tany hafa, 57 taona mahery lasa izay. Inona moa no nanosika anay hirotsaka amin’ny asa manontolo andro ka handao fiainana nilamina tao amin’ny trano ary fomba iray tany Angletera?

Izay nisy akony teo amin’ny fiainanay

Tamin’ny 1922, dia nanatrika ilay lahateny ampahibemaso nitondra ny lohateny hoe “Aiza ireo maty?” ny reniko. Feno hafanam-po aoka izany izy ka tsy ela dia nanolo-tena ho an’i Jehovah. Nefa tsy nahafaly ny rainay, izay mpikambana tao amin’ny Eglizy anglikana, izany. Nandritra ny taona maro, dia nentiny tany am-piangonana foana izahay isaky ny alahady maraina, fa ny reniko kosa dia nanao fampianarana ny Baiboly ny tolakandro.

Tamin’ny 1927, dia 14 taona i John. Tamin’io taona io izy dia nanomboka nanatrika ireo fivoriana kristiana niaraka tamin’ny reniko sy nanao fanambarana isam-baravarana. Raha ny amiko, dia nahafa-po ahy ny toerana notanako tao amin’ny banky Barklay. Nefa noho ny fanajana ny reniko, dia nianatra ny Baiboly tamin’ny alalan’ny bokin’ny Fikambanana Watch Tower ihany aho tamin’ny farany. Nanomboka teo dia haingana ny fandrosoko, ka, tamin’ny 1930 dia natao batisa aho.

Tamin’ny 1931, tamin’ny fifaranan’ny fianarany, i John dia nanao ny fanompoana manontolo andro tamin’ny naha-mpitory maharitra. Rehefa nasainy mba hiaraka aminy tamin’io endri-panompoana io aho, dia nandao ny asako tao amin’ny banky ka niara-dia taminy. Ny anarana hoe Vavolombelon’i Jehovah, vao noraisinay indrindra tamin’izany, dia nanamafy ny fahatapahan-kevitray. La Rochelle sy ny manodidina io tanàna any amoron-tsiraka andrefan’i Frantsa io no faritaninay voalohany.

Mpitory maharitra tany Frantsa, tamin’ny bisikileta

Rehefa avy nandao an’i Saint-Malo nianatsimo izahay, dia nijery tamim-pahafinaretana teny am-pandehanana bisikileta, ireo saham-paoma any andrefan’i Frantsa. Nivoaka avy amin’ny fanaovana sidira ny hanitry ny voankazo masaka. Tsy nieritreritra velively izahay fa hoe, 13 taona atỳ aoriana, amin’ny Ady Lehibe Faharoa, dia ho ravan’ny sasany amin’ny ady nampandriaka ra indrindra teo amin’ny Tantara ny moron-tsiraka normandy. Tsy nampoizinay haharitra ela toy izany koa ny fanompoanay manontolo andro. Hoy aho tamin’i John nanao vazivazy: “Heveriko fa afaka ny ho mpitory maharitra mandritra ny dimy taona isika. Tsy mety haharitra ela intsony izao Haramagedona!”

Tonga tany La Rochelle izahay rehefa afaka hateloana. Koa satria samy nahay teny frantsay kely izahay mirahalahy, dia tsy sarotra taminay mihitsy ny nahita efitrano tsotra iray efa nisy fanaka. Nitety tamin’ny bisikileta ny vohitra rehetra teny amin’ny manodidina izahay, hatrany amin’ny roapolo kilaometatra eo ho eo ka nampiely zavatra vita an-tsoratra momba ny Baiboly tany. Nankany amin’ny tanàna hafa iray izahay rehefa avy eo ary nanao toy izany koa. Izahay no hany Vavolombelon’i Jehovah tao amin’io tapany amin’i Frantsa io.

Tamin’ny jolay 1932, ny Fikambanana dia naniraka an’i John ho any Espaina. Nianatra teny espaniola izy tany am-pianarana. Nijanona tany atsimon’i Frantsa kosa aho, ary, nandritra ny roa taona, dia nitory niaraka tamin’ny namana samy hafa avy any Angletera. Rehefa tafasaraka tanteraka tamin’ny Vavolombelona hafa rehetra izahay, dia tsy maintsy nivavaka sy nianatra tsy tapaka ny Baiboly mba hahatanjaka hatrany eo amin’ny lafiny ara-panahy. Nody indray mandeha isan-taona tany Angletera koa izahay tamin’ireo fivoriambe lehibe.

Tamin’ny 1934, dia noroahina hiala tao Frantsa izahay. Ny Eglizy katolika, be fahefana tokoa tamin’izay, no fototr’io fanapahan-kevitra io. Tsy niverina nankany Angletera aho, fa niaraka tamin’ny mpitory maharitra anglisy roa hafa, ary dia lasa nankany Espaina izahay tamin’ny bisikileta toy ny mahazatra. Natory tao anaty kirihitra izahay indray alina, indray alina hafa teo ambony antonta-mololo, ary indray alina hafa koa teny amin’ny moron-dranomasina. Farany, dia tonga tany Barcelone, tany avaratra atsinanan’i Espaina, izahay. Tany no nihaonanay indray tamin’i John izay nandray anay tamin-kafanam-po.

Espaina: nisetran-java-tsarotra

Tsy nisy kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah mihitsy tao amin’io tany io tamin’izany fotoana izany. Rehefa avy nitory volana vitsivitsy tao Barcelone izahay dia nankany Tarragone. Tao no nampiasanay voalohany fonografy fitondra mandeha sy lahateny momba ny Baiboly tamin’ny teny espaniola noraisina feo. Niharihary fa nisy vokany tsara tokoa izany, indrindra fa tao amin’ireo trano fisotroana sy fivarotan-java-mahamamo feno hika.

Tany Lérida, any avaratra andrefan’i Tarragone, ny mpitory nitokan-toerana iray natao hoe Salvador Sirera dia niaraka taminay. Nahazo fampeherezana noho ny fivahinianay tao amin’ilay faritra izy ka nanao ny asan’ny mpitory maharitra nandritra ny fotoana kelikely. Tany Huesca, i Nemesio dia nandray anay tamin-kafanam-po tao amin’ny fitambarana efitranon-keliny tao ambonin’ny fanamboarany famantaranandro. Io no olona voalohany niarahanay nianatra ny Baiboly tao an-tokantrano. Nampiasainay tamin’izany ny anankiray tamin’ireo bokikely navoakan’ny Fikambanana Watch Tower tamin’izay. Natao isan’andro nandritra ny adiny roa teo ho eo ny fianarana, ary tsy ela dia niaraka taminay tamin’ny naha-mpitory maharitra i Nemesio.

Tany Saragosse, tanàna nitorianay nanaraka, dia faly izahay nanampy an’io Antonio Gargallo sy José Romanos, zatovolahy roa nanakaiky ny faharoapolo taonany. Tonga tao amin’ny efitrano kelinay isan-kariva izy mba hiara-hianatra ny Baiboly taminay nifototra tamin’ilay boky hoe Gouvernement. Rehefa nandeha ny fotoana, dia samy niaraka taminay nanao ny asan’ny mpitory maharitra izy ireo.

Nampangaina ho fasista

Nandritra izany fotoana izany, dia nitatao teo ambonin’i Espaina ny rahona manjombon’ny ady an-trano. Io ady io, izay hamoizan’ny olona ana hetsiny maro ny ainy, dia nadiva hipoaka. Tojo fahasahiranana izahay sy Antonio tao amin’ny vohitra iray tany akaikin’i Saragosse. Ny vehivavy iray izay nandray ireo bokikelinay dia nihevitra izany tamin’ny fomba diso ho fampielezan-kevitra katolika ka niampanga anay ho fasista. Voasambotra izahay ary nentina ho any amin’ny paositry ny pôlisy. Tamin’izay ny lehiben’ny brigady dia nanontany anay tamim-pahasiahana hoe: “Inona no ataonareo eto amin’ity vohitra ity? Kaominista ny olona eto, ary tsy tiany ny fampielezan-kevitra fasista!”

Nahafa-po azy ireo ny fanazavanay momba ny zava-kendren’ny asanay. Nampiseho hatsaram-panahy izy nanome sakafo anay, ary dia nanoro hevitra anay mba handao mangingina ilay vohitra tamin’ny fialan-tsasatra antoandro. Rehefa nivoaka anefa izahay, dia nisy vahoaka niandry anay. Nalain’ny olona an-keriny tamin’izay ny bokinay rehetra; nivadika ho ratsy ny tarehin-javatra. Maivamaivana anefa izahay rehefa tonga ilay lehiben’ny brigady ka niteny tamim-pahaiza-mandanjalanja tamin’ny vahoaka. Nahafa-po an’ireo mpamorona tabataba ny fanolorany hevitra ny hitondra anay any Saragosse mba hisehoanay eo anatrehan’ny manam-pahefana. Tany izy dia niaro anay teo anatrehan’ny mpanao raharaham-panjakana iray tao an-tanàna, ka dia nalefa izahay.

Tamin’ny jolay 1936, rehefa nipoaka ny ady an-trano, dia novonoina ho faty Antonio noho ny tsy netezany hiady tao amin’ny tafik’i Franco. Ho toy inona moa ny ho fifalianay sy John handray azy rehefa hatsangana amin’ny maty izy ka hahita indray ny tsikiny amim-pahalemem-panahy!

Nolazaina fa kaominista tany Irlanda

Taloha kelin’ny hipoahan’ny ady an-trano, dia nody tany Angletera toy ny isan-taona izahay sy John. Noho ny ady, dia tsy afaka niverina tany Espaina izahay. Nanao ny asan’ny mpitory maharitra nandritra ny volana vitsivitsy àry izahay tany Kent, any akaikin’i Broadstairs nonenanay. Nirahina ho any Irlanda izahay nony avy eo. Joseph Rutherford, prezidàn’ny Fikambanana, dia nanao fandaharana mba hankanesanay tany amin’io tany io sy hizaranay tany, trakitra manokana nitondra ny lohateny hoe Nampiomanina ianareo (anglisy). Nisy Vavolombelona nitokana vitsivitsy tany Irlanda Atsimo, fa tsy nisy kongregasiona.

Noho ny nataon’ny klerjy katolika, dia nampangaina ho kaominista izahay izao. Izany dia ny mifanohitra indrindra amin’ny fiampangana anay tany Espaina! Indray andro, ny andian-katolika nisafoaka dia nitsofoka tao amin’ny trano nonenanay, naka an-keriny ireo baoritra nisy ny bokinay ka nandoro izany. Tsy indray mandeha izahay no niharan’ny famelezana karazan’izay mandra-piverinay tany Angletera tamin’ny lohataonan’ny 1937.

Ny Ady Lehibe Faharoa, ary... an-dalana ho any Gileada!

Tamin’ny fipoahan’ny ady, tamin’ny septambra 1939, dia tany Frantsa, tany Bordeaux i John. Izaho kosa mpiandraikitra ny kongregasionan’i Derby, tany Angletera. Ny mpitory maharitra sasany, anisan’izany John izay niaraka tamiko, dia afaka tamin’ny raharaha miaramila nandidiana hatao. Ny hafa kosa tsy nafahana. Anisan’izy ireny aho. Imbetsaka àry aho no nampidirina am-ponja nandritra ny ady. Nilaina ny fahaiza-miaritra mba hizakana ny toe-piainana nanjaka tao amin’ireo tranomaizina nandritra ireny taona nisian’ny ady ireny. Fantatray anefa fa nijaly mafy lavitra ireo rahalahinay tany amin’ny tany hafa any Eoropa.

Taorian’ny ady, dia nanao fitsidihana tany Angletera ny prezidà vaovaon’ny Fikambanana Watch Tower, Nathan Knorr. Tamin’izay fotoana izay, dia nanao fandaharana izy mba hisian’ny mpitory maharitra hanatrika ny Sekolin’i Gileada, Fianarana Baiboly an’ny Fikambanana Watch Tower nanana trano tany avaratry ny fanjakan’i New York, izay handraisan’izy ireo fampiofanana ho misionera. Koa tamin’ny may 1946, izahay sy John dia namakivaky an’i Atlantika tamin’ny “liberty ship”, karazan-tsambo natao maro be nandritra ny ady.

Ny kilasy fahavalon’i Gileada no voalohany tena niraisam-pirenena. Nahatonga izany fianarana izany hampahery tokoa ny fifaneraserana nandritra ny dimy volana tamin’ny mpitory maharitra hatramin’ny ela sy ny fiaraha-mianatra tamin’izy ireny. Farany, dia tonga ny andro fizarana ny diplaoma, ary fantatray rehefa ela ny ela hoe aiza no hitorianay. Nirahina ho any Rhodésie Atsimo (Zimbabwe amin’izao andro izao) aho, ary John ho any Portiogaly sy ny Espaina.

Misionera tany Afrika

Tamin’ny novambra 1947, dia tody tao Cap (Afrika Atsimo) aho. Ian Fergusson sy Harry Arnott, izay nanaraka ny fianarana tamin’ny kilasy fahavalon’i Gileada koa dia tonga tamin’ny sambo hafa. Tsy ela dia nitsidika anay ny Rahalahy Knorr, ary nanatrika fivoriambe iray natao tany Johannesburg izahay. Nanohy ny dianay nianavaratra izahay rehefa avy eo; nankany Nyassaland (Malawi ankehitriny) Ian, Harry nankany Rhodésie Avaratra (Zambie ankehitriny), ary ny tenako nankany Rhodésie Atsimo (Zimbabwe). Rehefa nandeha ny fotoana, dia nanokatra sampana tao amin’io tany farany io ny Fikambanana, ka voatendry ho mpiandraikitra tao aho. Nahitana mpitory teo amin’ny 3 500 sy kongregasiona 117 tamin’izay i Rhodésie Atsimo.

Tsy ela tatỳ aoriana, dia tonga ny misionera efatra hafa. Trano bongo vita amin’ny tany, liona mierona amin’ny alina, bibilava misosa any ambany farafara, toe-piainana tsy mandroso, toy izany no nakany sary an-tsaina ny faritany nanirahana azy ireo. Tsy izany anefa no hita fa hazo mamoa namefy ireo arabe an’i Bulawayo ka ary fomba ny tanàna ary vonona ny hihaino ny hafatra momba ilay Fanjakana ny olona. Nanjary niresaka ny faritaniny ho paradisan’ny mpitory maharitra àry ireny misionera ireny.

Fiovana indroa teo amin’ny fiainako

Tamin’ny fotoana nanaovana batisa ahy, tamin’ny 1930, dia zavatra kely monja no fantatra momba ny olombelona izay hiaina mandrakizay eto an-tany. Koa nandray ny marika sahala amin’ny Vavolombelona hafa rehetra izahay sy John nandritra ny Fahatsiarovana. Na dia rehefa fantatra ho kilasin’ny “ondry” ho eto an-tany aza ny “olona betsaka” resahina ao amin’ny Apokalypsy toko faha-7 tamin’ny 1935, dia mbola tsy niova ihany ny fomba fiheveranay (Apokalypsy 7:9; Jaona 10:16). Avy eo, tamin’ny 1952, ny La Tour de Garde (pejy faha-79) dia namoaka fanazavana ny amin’ny tsy fitovian’ny fanantenana ny ho eto an-tany sy ny fanantenana ny ho any an-danitra. Takatray tamin’ny farany fa tsy ny hiaina any an-danitra no fanantenanay, fa eo amin’ny tany voaova ho paradisa. — Isaia 11:6-9; Matio 5:5; Apokalypsy 21:3, 4.

Ny fiovana faharoa ve? Niharaiki-pitia tamin’i Myrtle Taylor, izay niasa teo anilanay hatramin’ny telo taona aho. Koa satria nanjary niharihary fa toy izany koa ny fihetseham-pony ny amiko ka samy nifikitra mafy tamin’ny asa misionera izahay, dia nifamofo izahay, avy eo dia nivady tamin’ny jolay 1955. Niharihary ho mpanohana ahy tokoa i Myrtle.

Ny fanompoana teto Afrika Atsimo

Tamin’ny 1959, ny rahalahy Knorr dia nanao fitsidihana tao Rhodésie Atsimo, ary nirahina ho any amin’ny faritany vaovao izahay sy Myrtle: Afrika Atsimo. Tsy ela, dia nanomboka ny asa fitetezam-paritany izahay tao, satria voatendry ho mpiandraikitra ny fizaran-tany aho. Nandia andro nahafinaritra tokoa izahay. Nitombo anefa ny taonako, ary niteraka fanahiana ho anay ny fahasalaman’i Myrtle. Rehefa afaka kelikely, dia nanjary tsy naharaka io karazam-panompoana io izahay. Nanokatra trano misionera tany Cap izahay ary niasa tao amin’io tanàna io nandritra ny taona vitsivitsy. Tatỳ aoriana, dia nirahina ho any Durban, any Natal, izahay.

Tany izahay no nahazo fanirahana hitory any Chatsworth, faritanàna indiana midadasika. Nitaky fiezahana taminay efa be taona izany! Faritany vahiny tao anatin’ny faritany vahiny tokoa izy io! Rehefa tonga izahay tamin’ny febroary 1978, dia nisy kongregasionan’ny mpitory 96 tao, indiana ny ankamaroany. Tsy maintsy nodinihinay ny zavatra inoan’ny hindoa ary nofantarinay ny fanaony. Ohatra sarobidy ho anay ny fomba nanombohan’i Paoly resaka tamin’ny olona rehefa nitory tany Atena izy. — Asa. 17:16-34.

Ireo fitahiana entin’ny asa misionera

78 taona aho izao, ary 57 taona izay no naha-misionera ahy. Loharanom-pampaherezana tokoa ny mahita ny fitomboana mahafinaritra tao amin’ireo tany nitoriako! Tany Frantsa, dia tratra ny tanjona amin’ny mpitory 100 000, ary 70 000 mahery ny any Espaina. Teto Afrika Atsimo dia 15 000 ny isany fony izahay vao tonga, ary nihoatry ny 43 000 izy izao.

Ry tanora, moa ve ny toeranareo mamela anareo hiditra amin’ny fanompoana manontolo andro? Raha izany no izy, dia manome toky anareo aho fa io no raharaha tsara indrindra. Tsy vitan’ny hoe harovana amin’ireo fahasahiranana sy ireo fakam-panahy mamely ny tanora amin’izao androntsika izao ianareo, fa ho afaka hamolavola ny toetranareo koa hifanaraka amin’ireo fotopoto-pitsipika marin’i Jehovah. Na tanora ny tena na efa be taona kokoa, dia tombontsoa lehibe sy loharanom-pitahiana ny fanompoana an’i Jehovah amin’izao androntsika izao.

[Sary, pejy 29]

Mpitsidika iray tao amin’ny ‘lakozian’i’ Myrtle Cooke.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara