Ny fitoriana ilay Fanjakana ao amin’ny tany iray misy fifanoheran-javatra: Malezia
MOSIKE misy tafo boribory voarakotra volamena, pagoda, fiangonana misy tilikambo, tempoly misy ambaratongany voaravaka tsangambato; eto Malezia isika izao. Tafahaona eto ireo fivavahana efatra lehibe indrindra eo amin’izao tontolo izao. Male, Sinoa, Indiana, Eoraziana, Ibana, Kadazana, mbamin’ny foko teratany maromaro, no mahaforona mponina 16 tapitrisa. Azo inoana fa tsy hita na aiza na aiza any an-toeran-kafa ny fahamaroan-karazan’ny fivavahana, kolon-tsaina, fanao, lovantsofina sy fiteny toy ny eto.
Eo avaratry ny fehintany indrindra, eo amoron’ny ranomasin’i Shina atsimo, no misy an’i Malezia misy fizarana roa ara-jeografia: any andrefana, ny sarinosy iray nantsoina taloha hoe Malaya, ary, any atsinanana, eo amin’ny nosy Bornéo, ny fanjakan’i Sabah sy Sarawak. Tany lemaka amoron-tsiraka be honahona, kirihitr’ala matevina matetika no tsy azo idirana sy tendrombohitra milingilingy — ny tendrombohitra Kinabalu (Sabah) mahatratra 4 101 metatra ny haavony — maro karazana tahaka ny mponina ao aminy sy ny kolon-tsainy ny toerana taza-maso any Malezia.
Ao anatin’ny faritra toy izany no iezahan’ny Vavolombelon’i Jehovah mitory ny “vaovao tsaran’ny fanjakana”. (Matio 24:14, MN.) Ahoana no ahafahany miresaka izany amin’ireny olona ireny, na dia ao aza ny tsy fitovian’ny fiteniny, ny fanaony, ny fiheverany sy ny fivavahany? Manao ahoana ny fitoriana ny hafatra momba ilay Fanjakana ao amin’io tany io? Ary indrindra, inona avy no vokatra azon’ny Vavolombelon’i Jehovah any?
Ny fahamaroan-karazan’ny fivavahana: zava-tsarotra tsy maintsy setraina
Mba hampitana ny vaovao tsara amin’ny olona avy amin’ny faritra ara-pivavahana samy hafa, ireo mpitory ny vaovao tsara dia tsy maintsy mianatra manavaka ny tokantrano silamo amin’ny tokantrano hindoa, ny fianakaviana bodista na taoista amin’ny fianakaviana katolika na protestanta. Ahoana no ahatongavany amin’izany?
Manampy azy ireo ny famantarana sasany. Ohatra, azo antoka fa mifampiraharaha amin’ny fianakaviana taoista na bodista ny tena rehefa mahita alitara mena midorehitra, toy ny ahazoana antoka fa mifampiraharaha amin’ny fianakaviana katolika rehefa mahamarika sarivaton’i Maria na Jesosy. Famantarana mampiavaka toy izany koa ny ravi-manga ao amin’ny tokantrano hindoa sy ireo andinin-tenin’ny Korana amin’ny teny arabo eo ambonin’ny fidirana ao an-tranon’ny silamo.
Zavatra hafa ny mahay manavaka hoe inona no finoan’ny tompon-trano, ary zavatra hafa ny mitarika azy ho liana ny vaovao tsara. Inty misy valin-teny fandre amin’ny teny sinoa sy male ary anglisy mifangaro: “Semua agama sama lah”, arahin’ny hoe: “Sorry, I am not interesting.” Tonga milaza aminao amim-pitsikiana fotsiny ny olona iresahanao fa heveriny ho mitovy daholo ny fivavahana rehetra ka tsy mahaliana azy ny hafatra entinao.
Male maro teraka bodista, taoista na hindoa no voasinton’ny resaka avy hatrany ataon’ireo misiona ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana ka tamin’izany dia nanaraka Fiangonana protestanta samihafa. Ny ankamaroany dia nanaiky ho voataonan’ireo filohany ara-pivavahana mba tsy hihaino ny hafatra momba ny vaovao tsara. Na dia izany aza, dia ambara mitohy ao amin’io tany feno fifanoheran-javatra io ny fikasana sy ny anarana lehiben’i Jehovah.
Ny faharetana sy ny fahatakarana ny fihevitry ny hafa asehon’ny Vavolombelon’i Jehovah dia mitarika olona tso-po maro be handray ny hafatra momba ilay Fanjakana. Horaisintsika ny ohatra ny amin’i Patrick. Nanao volo lava nisavoritaka io mpifoka taloha io. Zatra tamin’ny fahaizana miady izy ary nanjary nahery setra rehefa nisy nihantsy azy. Na dia tsy nanan-java-kendrena teo amin’ny fiainana aza izy dia nanaitra ny sainy ilay fitenenana hoe “tsy hisy fahafatesana intsony”, fitenenana novakin’ny mpitory ilay Fanjakana tao amin’ny Apokalypsy 21:4 indray andro. Koa nanaiky hianatra ny Baiboly izy. Nafana fo noho ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly nianarany izy ka tsy ela dia namelabelatra izany tamin-dreniny an-tsoratra ary am-bava rehefa nitsidika azy izy. Nanohitra mafy anefa io.
Indray andro, dia nanohana ny fananaran-dreniny i Patrick ka nanitsy ny zandriny lahy havanana amin’ny karate koa. Nikapoka sy nandaka azy io. Nitana ny fahatoniany anefa i Patrick, tsy namaly, ka gaga aoka izany ny reniny. Nihevitra akaiky dia akaiky izay nety hampiova ny zanany lahy toy izany àry izy. Nandroso haingana izy, ary rehefa afaka enim-bolana dia natao batisa. Mba nanao fanambarana tamin-dreniny, bodista mafana fo 73 taona, koa izy. Nanohina an’io koa ny fahatsinjovana ny hiaina mandrakizay. Na dia tsy mahay mamaky teny aza izy, dia nanomboka nianatra ny boky Azonao atao ny hiaina mandrakizay eo amin’ny paradisa eto an-tany, ka nitadidy soratra sinoa araka izay azony natao. Manambara ny vaovao tsara koa izy izao.
Ny zava-manahirana ny amin’ny fiteny sy fanao
Rehefa heverina amin’ny fahamaroan’ny fiteny itenenana any Malezia, dia ilaina ny hananana zavatra vita an-tsoratra maro be ao anaty kitapo rehefa mitory isan-trano. Mbola tsy hita ihany anefa ny vahaolana na dia izany aza.
Ohatra, ny Vavolombelona sinoa iray manana boky amin’ny fiteny sinoa dia tsy ho afaka hiresaka amin’ny sinoa hafa iray foana akory. Mitovy fitenim-paritra tokoa ve izy ireo? Raha Hokkien ilay mpitory ary Cantonais ilay iresahany, dia ho sarotra amin’izy ireo angamba ny hifampiresaka. Koa satria ny teny sinoa miavaka amin’ny toe-peo indrindra, ny fiovana na dia kely fotsiny aza amin’ny fanononana dia mety hanova tanteraka ny hevitry ny teny iray, araka ny porofoin’ity tantara kely mahatsikaiky ity: Ny anabavy mpitory maharitra iray niteny hokkien dia nitory tao amin’ny faritanàna cantonais ka nilaza tamin’ny olona fa “mpianatra adala” izy rehefa tiany ny hilaza fa “mpianatra ny Baiboly” izy!
Na dia marina aza ny teny ampiasaina, dia mety tsy hitovy ny heviny ho an’ny rehetra. Monina ao amin’ny fitambaran’olona ahitana firazanana maro ny Male ka amin’ny ankapobeny dia malemy fanahy sy mitandrina mba tsy hanafintohina na iza na iza. Tsy tiany indrindra ny milaza hoe tsia amin’ny olona tsy fantatra iray. Noho izany dia mianatra ny tsy taitaitra loatra ny tena rehefa manaiky hianatra ny Baiboly na hanatrika ireo fivoriana kristiana ny olona iray. Inona no antony? Satria tsy hoe tsy maintsy milaza izany fa manaiky ny zavatra rehetra izy. Ilaina ny fotoana sy ny fanandraman-javatra mba hanavahana hoe iza no tena mankafy ny Baiboly.
Malezia dia anankiray amin’ireo tany maro andro tsy fiasana sy fety ara-pivavahana indrindra. Sahirana mitsidika ny havana aman-tsakaizany ny olona amin’ireny fotoana ireny. Manararaotra ireny andro tsy fiasana ireny kosa ireo Vavolombelona male mba handraisana anjara feno kokoa amin’ny fitoriana ny vaovao tsara. Tsy maintsy maneho fahaiza-mandanjalanja sy fipetrahana eo amin’ny toeran’ny hafa anefa izy ireo mba hahazoana vokatra tsara.
Anankiray amin’ireny fety ireny ny taombaovao sinoa. Mino ny taoista fa mba hiantohana ny fanambinana azy ireo mandritra ny taona vaovao manontolo, dia ilainy ny manomboka izany amin’ny teny mampiseho fahalemem-panahy sy ny asa tsara. Amin’io andro io àry dia hohalavirin’ny Vavolombelona ny hampiasa teny toy ny hoe “fahafatesana”, “aretina” na “fahoriana”. Hovelabelariny kosa ny hevitra mahafaly, ohatra ny fahafahana “hiaina mandrakizay ao anatin’ny fahasalamana tsara ao amin’izao tontolo izao hisy fiadanana sy fanambinana haharitra”. Tsy mety amin’io andro io ny hampahatsiahivana ny olona ny fahoriana mitambesatra aminy.
Ao amin’ny “tanin’ny mpihaza loha”
Koa satria ny “olona betsaka” dia ‘avy amin’ny firenena rehetra sy ny fokom-pirenena sy ny olona ary ny samy hafa fiteny’, dia voatarika ny tena hieritreritra ireo foko teratany maro any Malezia atsinanana (Apokalypsy 7:9). Mampahery ny mahita fa mihamaro ny mponin’i Sarawak, faritra fantatra taloha ho tanin’ny mpihaza loha, mandray tsara ny hafatra momba ilay Fanjakana.
Aoka horaisintsika ny ohatra ny amin’i Miri, tanàna amoron-tsiraka any Sarawak mpamokatra solitany. Efa-taona lasa izay, dia telo monja ny mpitory ilay Fanjakana tao. Amin’izao andro izao dia maro amin’ireo mponina ao aminy no maniry hahafantatra ny Soratra Masina. Manamarika fampianarana ny Baiboly fito ambin’ny folo ny anabavy mpitory maharitra iray, ary mampianatra olon-kafa koa ny sasany amin’ireo miara-mianatra ny Tenin’Andriamanitra aminy. Misy kongregasiona iray mandroso izao ao amin’ny tanàna kelin’i Miri.
Ny trano iombonana dia anankiray amin’ny toetra mampiavaka ny fomba fiainan’ny Ibans any Sarawak. Vita amin’ny hazo mafy sy ny ravina palmie ireny zavatra naorina mitomandava ireny. Matetika no aorina eo amin’ny moron-drano avo an-tsisin’ny kirihitr’ala ireny trano misy tongony ireny ary misy efitra mifampiankina 30 ka hatramin’ny 40 na mihoatra aza, izay samy mifampitohy amin’ny lalantsara iray ihany. Matetika tokoa no ao amin’ny karazam-paritany toy izany no itorian’ny Vavolombelon’i Jehovah.
Indray andro, dia tokony hatao tao amin’ny anankiray tamin’ireny trano iombonana ireny ny lahateny araka ny Baiboly nitondra ny lohateny hoe “Inona no fanantenana ho an’ny maty?” Novorin’ny tuai rumah (na filoha) tao amin’ilay ruai, na lalantsara iombonana, ny olona rehetra. Tamim-pahanginana tanteraka, ny mponina rehetra tao amin’ilay trano dia nihaino tamim-pahalalam-pomba ny lahateny hatramin’ny farany. Nanontany toy izao ny lehilahy iray tamin’izay: “Ahoana no hetezan’izany hoe tsy mahalala na inona na inona ny maty?” Nanantitrantitra ny anankiray hafa fa efa any an-danitra ny tsara fanahy ary any amin’ny afobe mirehitra ny ratsy fanahy. Ny hafa kosa anefa voasinton’ny fahatsinjovana ny hiaina mandrakizay eo amin’ny tany paradisa ka naniry hahafantatra misimisy kokoa ny amin’izany. Sahala amin’ny an’ny Ateniana nitenenan’i Paoly tao amin’ny Areopago àry ny fomba fandraisan’ny olona. — Asa. 17:32-34.
Tao amin’ny trano niombonana hafa iray koa no nonenan’i Juing Insoll, Iban 72 taona anisan’ny Fiangonana anglikana. Fony izy mbola tanora, dia nahavery hevitra azy izao karazam-panontaniana izao: Ahoana no ahafahan’ny Andriamanitra fitiavana iray mampijaly mandrakizay ny maty ao amin’ny afobe mirehitra? Raha misy Andriamanitra, nahoana no be dia be toy izao ny tsy rariny? Tsy nisy afaka nanome valiny mahafa-po azy. Indray andro, ny anankiray tamin’ireo namany nonina tany an-tanàna dia nividy ilay boky hoe Ny fahamarinana izay mitarika ho amin’ny fiainana mandrakizay. Noho ny fiheverany fa namaly ireo fanontanian’i Juing angamba io boky io, dia nampindraminy azy ilay izy. Toy inona moa ny fifalian’i Juing! Rehefa avy nikatsaka ny fahamarinan’Andriamanitra nandritra ny 60 taona izy, dia nahita izany rehefa ela ny ela!
Tapa-kevitra ny hanao izay hahazoana anankiray tamin’io boky io i Juing. Nankany Kuching, renivohitr’i Sarawak, tany amin’ny 240 kilaometatra izy. Noteteziny ny mpivaro-boky rehetra tao amin’ilay tanàna: tsy nahitana soritr’ilay boky mihitsy. Tamin’io hariva io anefa, tao an-tranon’ny havany, dia reny fa nisy olona tao amin’ny fianakaviany nanana azy io. Natoro azy ny Efitrano Fanjakana, ka nahazo boky 15 samy hafa izay nentiny nankany amin’ny trano iombonana nonenany izy.
Rehefa avy namaky ireo boky rehetra ireo i Juing dia niverina nankany Kuching: nangataka ny hatao batisa izy! Nihifikifi-doha tamim-pitsikiana ireo loholona. Toy inona anefa ny hagagan’izy ireo rehefa tsapany tsy ela fa nahafeno tanteraka ny fepetra takina rehetra i Juing. Natao batisa àry izy! Rehefa tafaverina tany aminy i Juing, nanana tahirim-boky momba ny Baiboly maro kokoa izao, dia nanomboka nitory tamin’ny manodidina azy izy. Tamin’ny voalohany dia nanontany tena izy hoe nahoana ireo namany no tsy nanaiky ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly raha vao avy namaky ireo boky. Takany tsy ela anefa fa tokony hiara-hianatra ny Baiboly amin’izy ireny izy. Sahala amin’ny “agenda” foana ny filazana asan’i Juing!
Voarainay avy any Lahad Datu, tanàna mitokana iray any amin’ny Fanjakan’i Sabah izao fitantarana zava-nitranga izao. Nisy reny tanora nanan-janaka telo tany, nianatra Baiboly niaraka tamin’ny vehivavy kristiana tao Kota Kinabalu, renivohitr’io fanjakana io. Nianatra ireo fahamarinana ao amin’ny Baiboly àry io vehivavy io, ary, tamin’ny farany, dia tapa-kevitra izy ny hatao batisa tamin’ny fivoriamben’ny fizaran-tany. Nandritra ny lahatenin’ny batisa anefa, dia nitsofoka tao amin’ny toerana nanaovana ny fivoriambe ny lahy ka nandidy ny vadiny hody miaraka aminy.
Rehefa tafaverina tany an-tranony izy ireo, dia nanandrana niala tsiny ilay lehilahy, nefa tsy nisy vokany. Tsy hitany intsony izay holazainy ka nihiaka izy hoe: “Fa inona marina no tadiavinao?” “Tiako ny hatao batisa”, hoy ny navalin’ny vadiny. “Dia zava-dehibe toy izany aminao ve izy io?” “Eny, io no fotoana lehibe indrindra eo amin’ny fiainako.” “Eny àry, hoy ny navaliny azy tamin’ny farany, antsoy ny loholonao. Hanorina dobo filomanosana aho mba hanaovana batisa anao eto.”
Ary dia nanao araka ny nolazainy izy. Tamin’ny fitsidihan’ny mpiandraikitra ny fizaran-tany nanaraka, dia natao batisa io vehivavy io — tao amin’ilay dobo filomanosana naorin’ny vadiny ho azy! Fa taiza no nanovozan’io anabavy io izany fahavononana izany? Na dia nitokan-toerana aza izy, dia nandinika tsy tapaka ny fitambaran’ny zavatra natao hianarana isaky ny fivoriana. Raha diso ny anankiray tamin’ireny “fivoriana” ireny izy, dia toy ny tsy nisakafo. Mitaiza ireo zanany ao amin’ny lalan’ny fahamarinana izy izao ary mitarika fampianarana Baiboly telo.
‘Ny kely tonga arivo’
Alfred sy Thelma Wicke, tonga avy any Aostralia tamin’ny 1939, no nanokatra ny asan’ilay Fanjakana tany Malezia. Efa ho 50 taona izao no nanompoany tamim-pahatokiana tamin’ny naha-misionera, ary nitahy tokoa ny fiezahan’izy ireo Jehovah! Hatramin’ny nanokafana tamin’ny 1972, sampana iray tao Penang, sampana nanendrena ny rahalahy Wicke ho mpiandraikitra, dia nitatra tany Malezia ny asan’ilay Fanjakana. Tamin’izany fotoana izany, dia nisy mpitory 207 tao amin’ilay tany. Folo taona tatỳ aoriana, dia avo efatra heny io tarehi-marika io. Nafindra àry ireo tranon’ny sampana, tamin’ny jolay 1983, tany Klang, tanàna seranana akaikin’i Kuala Lumpur, renivohitra federaly. Laharan-trano telo misy rihana iray no misy ny fiasana vaovaon’ny sampana, izay mifanitsy tanteraka amin’ny zavatra ilaina ankehitriny (jereo pejy faha-26).
Taona vitsivitsy lasa izay, dia nampitomboina ny fiezahana mba hampahafantatra ny hafatra momba ilay Fanjakana amin’ny olona maro kokoa miteny sinoa sy tamola. Ankoatra ny kongregasiona sinoa roa, ankehitriny ilay tany dia ahitana antokona sinoa sy tamola any amin’ny kongregasiona hafa maromaro, sy antokona japone mandroso misy olona eo amin’ny roapolo.
Miisa efa ho 900 ankehitriny ny mpitory ao amin’ilay tany manontolo, ao amin’ny kongregasiona 20, ka izany dia mifanitsy amin’ny mpitory 1 isaky ny mponina 18 500; mbola misy asa lehibe tokony hatao àry. Tsara ny fahatsinjovana fitomboana, araka ny porofoin’ny nisian’ny olona 2 633 nanatrika ny Fahatsiarovana tamin’ny 1988. Nifaly aoka izany ireo Vavolombelona male, ary maro kokoa izy ireo no miezaka hanomboka ny fanompoana manontolo andro. Tsy andrin’izy ireo koa izay hahatratrarana ny tanjona mpitory 1 000. Mamela soritra ao an-tsainy ity fampanantenan’i Jehovah ity: “Ny kely ho tonga arivo, ary ny malemy ho tonga firenena mahery; Izaho Jehovah no hanafaingana izany amin’ny fotoany.” — Isaia 60:22.
[Sarintany, pejy 26]
(Jereo ny gazety)
TAILANDA
MALEZIA
Penang
Kuala Lumpur
Klang
Singapour
SARINOSY MALEZY
FEHINTANY
Ranomasin’i Sina atsimo
FILIPINA
SABAH
Kota Kinabalu
Tendrombohitra Kinabalu
Lahad Datu
BRONEY
Miri
MALEZIA
SARAWAK
Kuching
BORNEO
600 Km
400 Ml