Mahita zava-dehibe ny tany kely iray
AZONAO tondroina eo amin’ny sarintany ve ny “grand-duché”-n’i Luxembourg, misitrika eo anelanelan’i Belzika, Frantsa ary Alemaina? Na dia kely tokoa aza io tany io, dia tsy hoe tsy misy heviny velively. Ny renivohiny, Luxembourg, dia iray amin’ireo foiben’ny Fikambanana eoropeana. Fanampin’izany dia toerana lehibe momba ny vola izy io: banky 125 no manana solontena ao. Kanefa dia tsy mirefy afa-tsy 2 586 kilaometatra toradroa ny “grand-duché”-n’i Luxembourg, ho an’ny mponina zara raha misy 372 000.
Takatra àry fa ny anjara azon’ny Vavolombelon’i Jehovah any Luxembourg raisina amin’ny asa maneran-tany fitoriana ilay Fanjakana dia mety ho toa malefaka tokoa noho ny an’ireo Vavolombelona monina eo amin’ireo tany lehibe manodidina azy. Kanefa ny fandrosoan’ny asa ao amin’ilay “duché” dia mampahatsiaro antsika ny teny voarakitra ao amin’ny Zakaria 4:10 manao hoe: “Fa iza no nanamavo ny andron’ny zava-madinika?” Tahaka ny nanambaran’ny anjely iray azy tamin’io mpaminany hebreo io, dia “tsy amin-kery na amim-pahatanjahana, fa amin’ny Fanahiko, hoy Jehovah, Tompon’ny maro”. (Zakaria 4:6.) Noho izany, na dia antonontonony aza ny asantsika, dia tsy hoe mendrika marina tokoa ny fanamavoana. Miasa ho fiderana an’Andriamanitra isika, ary mitarika antsika ny fanahiny.
‘Ireo andron’ny zava-madinika’
Teo anelanelan’ny 1922 sy 1925, dia nisy kristiana sasany tonga avy any Strasbourg mba hizara trakitra; toy izany no nanombohan’ny asa fitoriana ilay Fanjakana tany Luxembourg. Na dia vitsy aza ireny mpitory ireny, ny hafatra noraketin’ireo zavatra vita an-tsoratra naeliny dia nahery. Ireto ny lohatenin’ny sasantsasany amin’ny trakitra nampieleziny: Fihaikana alefa ho an’ireo mpitarika eo amin’izao tontolo izao, Fampitandremana ho an’ny kristiana rehetra, Asa fiampangana ny klerjy. Nilaina ny herim-po mba hampielezana ireny hafatra ireny tao amin’ny “grand-duché”-n’i Luxembourg, izay katolika ny 96% taminy ary nifikitra mafy tamin’ny fivavahana sy ireo lovantsofiny.
Nandritra ireo taona 1930 sy 1931 dia naseho tany Luxembourg ny Photo-Drame de la création. Ireny fotoana nandefasana sary ireny sy ny vokatra naterany teo amin’ny mpanatrika dia mampahatsiaro amin’ny fomba iray, ny fanompoan’i Jesosy. Tonga maro be ny olona mba handre azy sy hahita azy manantanteraka fanasitranana, na mba ho sitrana mihitsy, nefa vitsy tamin’izy ireny no lasa mpianany (Matio 4:23-25; 23:37). Tao Luxembourg, ny efitrano misy toerana 300 nohofan’ny Vavolombelona ho an’ireo fampisehoana ny Photo-Drame dia feno tsy nisy toy izany isan-kariva. Kanefa dia olona vitsy no niverina, tamin’ireo herinandro nanaraka, mba hanatrika ny lahateny sy handray anjara amin’ny fiadian-kevitra nanaraka izany. Teo am-piandohana dia olona 20 ka hatramin’ny 30 no niseho, avy eo dia 10, ary farany dia 4 — ireo hany afaka nandray tamin’ny fomba feno ny hasarobidin’ny sakafo ara-panahy natolotra azy ireo.
Valian-tsoa ny faharetana
Ny taona 1931 no nahitana tera-tany Luxembourgeois voalohany nandray anjara tamin’ny asa fitoriana. Tsy raharaha mora akory izany. Nandefa fampielezan-kevitra feno fankahalana hanoherana ny vahoakan’Andriamanitra tokoa mantsy ny Eglizy katolika, tamin’ny fampiasana ny fahefany teo amin’ny pôlisy, mba hanakantsakanana araka izay azo atao ny fanompoana isan-trano. Saiky isaky ny handeha hitory ireo rahalahy, dia misy pôlisy maka ny bokiny, manome azy fampitandremana na misambotra azy. Ho voasakana ve ny fitaran’ny fanompoam-pivavahana marina tao amin’ny “grand-duché”-n’i Luxembourg? Mifanohitra amin’izany aza no hita, satria ny 25 septambra 1932 — taorian’ny fandroahana avy hatrany an’i August Riedmueller, ny minisitra manontolo andro voalohany izay nitory tao amin’ilay tany — dia Luxembourgeois folo no natao batisa. Na dia toa tao aza ny zava-manahirana napoitran’ny pôlisy, dia nanomboka nitory tsy tapaka ireny kristiana ireny.
Tamin’ny 1934, ireo mpitory 15 tany Luxembourg dia nizara boky 3 164 miorina amin’ny Baiboly. Matetika izy ireny no mandeha 80 ka hatramin’ny 100 kilaometatra isan’andro amin’ny bisikilety. Hoy ny anabavy iray taorian’izany: “ ‘Namana’ mahatoky ho ahy ny bisikiletiko. Nanjary asako mahafinaritra ahy indrindra ny fitoriana isam-bohitra, indrindra fa ny alahady.”
Tamin’ny 1940, dia nanafika ny “grand-duché”-n’i Luxembourg ireo tafika alemanina: nandritra ny dimy taona dia tsy maintsy hiasa amim-piafenana ireo rahalahintsika. Voasambotra ny sasany tamin’izy ireo. Nogadraina, avy eo dia nafahana rehefa afaka volana vitsivitsy ireny Vavolombelona ireny, ka nandray baiko hentitra mba tsy hitory ampahibemaso intsony (jereo Asan’ny Apostoly 4:17, 18). Nisy rahalahy roa nalefa tany amin’ny toby fitanana. Na dia izany aza ireo tavela dia nanao izay azony natao, ary ny isan’ny fampianarana Baiboly notarihina tany an-tranon’olona liana tamin’ny hafatra, ilay 6 tamin’ny 1942 dia tafakatra ho 20 tamin’ny 1944. Ankoatra izany, raha olona 23 no nandray anjara tamin’ny fitoriana tamin’ny 1939, dia nisy 39 izany tamin’ny 1946.
Miharihary ny fitahian’i Jehovah
Hatramin’io fotoana io, Jehovah Andriamanitra dia tsy nitsahatra nitahy tamin’ny fitomboana tsara, ny fitoriana ilay Fanjakana tany Luxembourg. Araka izany, tamin’ny 1988 dia tafakatra ho 1 336 ny isan’ny Vavolombelona. Amin’izao fotoana izao, ny faritanin’ny sampana dia manana amin’ny antsalany Vavolombelon’i Jehovah iray ho an’ny mponina 327. Tamin’ny 1 aprily 1988, dia olona maherin’ny 2 900 no nanatrika ny fankalazana ny Sakafon’ny Tompo, ka izany dia mampiseho mponina 1 amin’ny 148. Mpitory mihamaro hatrany koa no mitodika any amin’ny asa manontolo andro. Raha mitodika any amin’ny 1955 ny tena, dia tsy nisy afa-tsy mpitory manontolo andro, na mpitory maharitra 5 tamin’izay; tamin’ny may 1988, dia nahitana 190 tamin’izany.
Noho io fitomboana io, dia nila toerana malalaka kokoa ny sampana. Tamin’ny septambra 1955 no noforonina ny sampan’ny Fikambanana Watch Tower any Luxembourg. Efitra roa nalamina tao amin’ny trano manokana iray no nahaforona ny biraony tamin’izay. Izany no antony, tamin’ny 12 septambra 1987, nitokanana trano tsara tarehy iray misy efitra 20, ahitana ireo biraon’ny sampana sy tapany fonenana. Notokanana tamin’io andro io ihany koa ny trano vaovao iray an’ny misionera nahitana fitambarana efitrano telo tsara tarehy sy Efitrano Fanjakana roa.
Mitory amin’ny fotoana rehetra izy ireo
Fihaonan’ireo firenena i Luxembourg. Fiteny maro no iresahana ao; ary ny antony: tsy hoe miteny amin’ny fiteny telo fotsiny ny Luxembourgeois, fa mponina 1 amin’ny 4 no avy any amin’ny tany vahiny iray.
Ireny vahiny ireny dia miasa ho an’ny Fikambanana eoropeana na ho an’ny banky maro, na manatanteraka asa tanana. Mba hanomezana fahafahampo izay ilain’ireny olona rehetra ireny eo amin’ny ara-panahy, dia misy kongregasiona amin’ny teny frantsay, italiana sy portogay.
Mitantara izay nitranga taminy nandritra ny dia vao haingana nataony tamin’ny fiaramanidina ny iray amin’ireo anabavintsika portogay: “Nitondra niaraka tamiko gazety vitsivitsy aho, raha tahiny misy fahafahako hanao fanambarana. Tamin’ny fijanonanay kely voalohany, dia nisy fanamboarana tsy maintsy natao tamin’ny fiaramanidinay; kanefa tsy nomen-dalana hivoaka izahay. Teo am-piandohana, dia tsy nanana herim-po hanao izay nibaikoan’ny foko ahy aho. Kanefa dia tsy nitsahatra nivavaka tamin’i Jehovah aho mba hanomezany ahy ny hery hanararaotana ny fotoana izay natolotra ahy.
“Rehefa afaka fotoana kelikely, dia lasa nanatona ireo ‘hôtesses’ aho ary nanontany azy ireo raha azoko natao ny nanolotra ho an’ireo mpandeha gazety vitsivitsy mampahery sy mahasoa tokoa. Rehefa nahazo valiny manaiky aho, ka izany dia nameno fifaliana ahy, dia nanomboka niresaka tamin’ny olona tamin’ny fifindrana avy amin’ny laharana iray mankamin’ny hafa iray, toy ny hoe nitory isan-trano aho. Nahazara gazety 12 sy bokikely iray aho tamin’izany tamin’ny olona samihafa, ary nanao fifanakalozan-kevitra mahaliana.
“Ny olona farany nohatoniko dia namaly ahy tamin’ny toe-peo manambony tena fa tsy nila ny fanampiako izy: pastora evanjelika izy io. Nihevitra koa io mpitondra fivavahana io fa tsy nety ny niresahako tamin’ireo mpandeha toy izay nataoko. Tamim-pahaiza-mandanjalanja no nanohizako ny resadresaka tamin’ny hevitra niombonana, dia ny an’ny finoana sy fankasitrahana tokony homena an’Andriamanitra noho ny fitahiana rehetra homeny an’ireo izay mino azy. Taorian’ny dinidinikay dia nidera ahy io pastora io noho ny finoako sy ny fahasahiana izay nasehoko tamin’ny firesahako tamin’ny mpandeha rehetra.
“Tamin’izay, ilay olona nipetraka teo anilako dia nanomboka nanontany ahy, ary nifanakalo hevitra naharitra efa ho adiny telo izahay.”
Eo amin’ny fitoriana isan-trano, ireo rahalahintsika koa dia atosiky ny zotom-po tsy fahita firy. Izao no nolazain’ny mpiandraikitra ny fizaran-tany iray momba ny fanatrehana ireo fivoriana tao amin’ny kongregasiona iray: “Ny niavaka indrindra, izany dia ny alahady maraina, rehefa niara-nivory ho amin’ny fitoriana izahay. Tamin’ireo mpitory 109 tao amin’ny kongregasiona, dia 102 no nanatrika teo. Nanasa ireo olona tsara fikasa izy ireo ho tonga hihaino ny lahateny ampahibemaso izay tokony hatao ny tolakandro, ary nisy vokany ny fiezahana tsara dia tsara nataony satria nisy mpanatrika 198. Na dia 1 ho an’ny mponina 50 aza ny ara-kevin’ny Vavolombelona ao amin’ny faritanin’io kongregasiona io, dia olona maro tonga tamin’io andro io no vao voalohany no nanatrika fivoriana iray.”
Raha ny amin’ny fanambarana ny hafatr’ilay Fanjakana, ireo tanora ihany koa dia mahay mamorona fahafahana hanaovana izany. Taorian’ny famakiana, tao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana 1 jolay 1985, fa nampidirina an-tranomaizina ny sasany tamin’ireo rahalahintsika tiorka, ny zatovolahy roa dia tapa-kevitra ny handeha hitsidika ny ambasadaoron’i Tiorkia any Luxembourg. Aoka izy ireo havelantsika hitantara izay nitranga taminy:
“Ny fahazoana fotoana hihaonana no dingana voalohany. Teo am-boalohany dia nohamaivanin’ilay mpitantsorany ny dingana nataonay. Mba hampiaikena azy ny amin’ny maha-zava-dehibe ny fikasanay, dia nasehonay azy ny kopia amin’ny fiteny maromaro amin’ilay gazety izay miresaka ilay raharaha. Nampieritreritra azy izany. Noraisiny ireo zavatra vita an-tsoratra ary lasa izy nijery ny ambasadaoro tao amin’ny biraony. Rehefa afaka folo minitra dia niverina izy ary nilaza taminay fa afaka miverina izahay rehefa afaka tapa-bolana; nohazonin’ilay ambasadaoro ireo gazety mba hanamarinana ireo fiampangana mahery nalefa tao. Ho anay, dia famantarana tsara izany.
“Rehefa tafaverina izahay, dia niseho ho tena sariaka ilay ambasadaoro. Nasehony anay ny ‘télex’ izay nalefany tany amin’ny fitondram-panjakany mba hanamarinany ny tsipiriany sasany voarakitra tao amin’ilay gazety. Nanatanteraka ireny fanamarinana ireny i Tiorkia, ary nanome lanjany bebe kokoa ny fitarainanay izany.
“Hitany fa ilay lahatsoratra mihitsy dia araka ny tena izy, fa tsy nirakitra na zavatra tafahoatra na fanakianana tsy voamarina an’ireo tompon’andraikitra ara-politika tiorka izany. Nandritra ny ora iray sy sasany dia niresaka taminy ny amin’ny fiandrianan’Andriamanitra izahay, ny amin’ny fialanalanana kristiana ary ny tsy fahaizan’ny olona manapaka amim-pahombiazana ny namany. Nanambara tamim-pahatokiana taminay izy fa takany ny toeranay ary nanontaniany izahay ny amin’izay azony natao mba hanampiana anay. Nandroso hevitra taminy àry izahay mba hampahafantatra ny fitondram-panjakany ny amin’ny fihaonanay sy hilaza izay heverin’ny tenany mihitsy momba ilay raharaha. Nanaiky izy ary nangataka taminay maromaro tamin’ilay gazety mba halefany amina mpikambana samihafa amin’ny governemantany. Nilaza taminay izy fa handeha hamorona antontan-taratasy momba io raharaha io ary hiezaka hanampy anay araka izay rehetra azony atao.”
Volana vitsivitsy tatỳ aoriana, dia azo natao ny namaky tao amin’ireo laharan’ny Ny Tilikambo Fiambenana fa nafahana ireo Vavolombelona tiorka taorian’ny didim-panjakana navoakan’ny Fitsarana tampony any Tiorkia. Rehefa nahare izany vaovao izany ireo tanorantsika dia lasa nandeha nitsidika an’ilay ambasadaoro, izay nandray azy ireo tamin-kafanam-po.
Mampiseho amintsika ny tantaran’ny asa fitoriana ilay Fanjakana tao amin’ny “grand-duché”-n’i Luxembourg fa fahendrena ny tsy manamavo ny “andron’ny zava-madinika”, sy ny mametraka ny fitokiantsika amin’ny fanahin’i Jehovah izay manome ho an’ny tsirairay avy amintsika ny hery izay ilainy mba hanatanterahana ny sitrapon’Andriamanitra mandra-pahavitany tanteraka. Noho ny fanampian’i Jehovah, dia zava-dehibe no nitranga tao amin’ny faritany kely an’ny sampan’i Luxembourg. Ianareo izay mbola tsy manompo an’Andriamanitra, mamporisika anareo amin’ny feo mafy izahay hoe: “Miaraha-mankalaza an’i Jehovah” aminay, ary araka izany dia “andramo ka izahao fa tsara Jehovah”. — Salamo 34:3, 8.
[Sarintany, pejy 25]
(Jereo ny gazety)
Mer du Nord
Pays-Bas
République fédérale d’Allemagne
Belgique
France
Luxembourg
150 km
100 mi
Belgique
Luxembourg
Luxembourg
Trèves
France
Metz
[Sary, pejy 27]
Na dia maherin’ny 80 taona aza i Victor Bruch izay nohazonina tao amin’ny toby fitanana iray nandritra ny Ady Lehibe Faharoa, dia mbola mpiandraikitra kristiana hatrany.