Indray mitopy maso amin’ny vaovao
Fampianarana vetaveta
Hatramin’ny folo taona eo ho eo, ny oniversite iray ao amin’ny Fanjakan’i New York dia manolotra fianarana momba ny mahalahy na mahavavin’ny olombelona, izay mifanandrify amin’ny foto-pampianarana telo. Ireo mpianatra dia “tokony ‘handeha ho eny an-toerana’ mba hiresaka amin’ny vehivavy janga, hitsidika toerana fisotroan’ny lehilahy mandry amin’ny lehilahy toaka na hanamarika ny moron-dranomasina misy an’ireo mpitanjaka”, hoy ny fitantaran’ny mpanoratra iray ao amin’ny New York Post. Ilay boky fianarana, hono, dia mivaofy mazava ny amin’ny firaisana amin’ny vava ary mampirisika ny fikasikasihana ny faritra mahalahy na mahavavy. Araka ny filazan’ny Post, ny fandaharam-pampianarana dia misy ny fandefasana sarimihetsika mampiseho “olon-droa eo am-panaovana firaisan’ny lahy sy ny vavy”, ary koa “tapatapany amin’ny sarimihetsika mampiseho ny endriky ny taova mahalahy sy mahavavy”. Inona no lavitra ny “madio” sy mendrika rehetra noho izany? — Filipiana 4:8, 9.
Marina fa mila mahafantatra ny zavatra eo amin’ny fiainana ireo tanora ary manana fahazoana an-tsaina mahasoa ny amin’izany. Nefa ireo ray aman-dreny no tompon’andraikitra voalohany indrindra amin’ny fampianarana azy ireo amin’izany lafiny izany (Ohabolana 22:6). Mazava ho azy fa ny fandaharana rehetra any an-tsekoly izay mampirisika ny firaisan’ny lahy sy ny vavy ivelan’ny fanambadiana ary mangataka an’ireo mpianatra mba hijery sarimihetsika maloto sy ho liana amin’ny fandrian’ny lehilahy amin’ny lehilahy sy amin’ny fijangajangana dia tsy azon’ny tena mpanompon’Andriamanitra ekena. Milaza tsy misy fihambahambana ny Baiboly fa ireo izay manao ny fijangajangana, ny fanitsakitsaham-bady ary ny fandrian’ny lehilahy amin’ny lehilahy dia manana “filan-dratsy mahavoafady” ary manao zavatra “mahamenatra”. Mandidy izy ny mba ‘hifadiana ny fijangajangana’ ary tonga mihitsy hatramin’ny filazana hoe: ‘Aza avela hotononina eo aminareo akory aza ny fijangajangana.’ — Romana 1:24-32; 1 Tesaloniana 4:3; Efesiana 5:3, 5; Galatiana 5:19, 21.
Fanantenana sandoka
Noho izy ireo ta-hahafantatra “fandalovana manokana kokoa” ao amin’ny fahafatesana, ny olona sasany dia manary ny fomba fandevenana mahazatra ka soloany amin’ny fanamboarana faty tsy ho lo izay fomba taloha, hoy ny nosoratan’ny Wall Street Journal. Amin’ny vola 11 250 000 FMG, vidiny farany ambany, “ilay faty dia hatsoboka mandritra ny roa volana ao anaty divay, zava-manitra ary mpitahiry ara-tsimia, avy eo dia hohosorana menaka manitra ary hofonosina fifangaroana rongonim-bazaha, tsiratsiraka vera, pôlietilenina ary platira”, hoy ny fanazavan’ny Journal. Mety hihoatra ny 150 000 000 FMG ny vidiny ho an’ireo izay manafatra vatam-paty vita amin’ny halimo (bronze) nopetahana volamena na noraiketana vatosoa ary manaraka ny bikan’ny vatany.
Tsy ny fiavahan’ny fanamboarana faty tsy ho lo ihany anefa no mahasodoka ireo mpividy. Hoy ny iray tamin’izy ireo: “Raha marina tokoa, araka ny filazan’olona kristiana, fa hiantso antsika avy ao am-pasana Kristy amin’ny Andro Fitsarana, dia tiako ho voatahiry tsara araka izay azo atao àry ny tenako.”
Tahaka an’ireo Egyptiana tamin’ny Fahagola, izay nihevitra fa ny vatana dia tokony harovana ho amin’ny fiverenan’ny fanahy (âme) avy any ankoatra, ireny olona ireny dia manorina ny fanantenany amin’ny fampianarana ny amin’ny tsy fahafatesan’ny fanahy mazàna. Misy filoham-pivavahana mampianatra fa amin’ny Andro Fitsarana ny vatan’ireo olona marina sy ireo ratsy fanahy dia hakambana amin’ny fanahiny avy mba hahazo ny anjarany amin’ny fahasambarana any an-danitra na hahita ny fahaverezana mandrakizay ao amin’ny afobe.
Kanefa ny Baiboly dia tsy mampianatra fa isika dia tsy mety maty. Mifanohitra amin’izany dia milaza izy fa mety maty ny fanahy. “Ny fanahy izay manota no ho faty.” (Ezekiela 18:4). Noho izany, ny fanantenana ny amin’ny fiainana ho avy dia miorina, tsy amin’ny fahaveloman’ny fanahy tsy mety maty iray, fa amin’ny fananganana hataon’Andriamanitra, fananganana izay hanome fahafahana an’ilay maty hahita indray ny fiainana, vatana salama tsara iray ary koa ny toetra maha-izy azy ary ny fahatsiarovana izay azy manokana tamin’ny nahafatesany. Izany no antony nahafahan’i Jesosy nilaza toy izao marina tokoa: “Avy ny andro, izay handrenesan’ny olona rehetra any am-pasana [fasam-pahatsiarovana, MN ] ny feony; dia hivoaka izy.” — Jaona 5:28, 29.
“Tsy naman’izao tontolo izao”
Tamin’ny taona lasa, ny Fikambanana Watchtower dia nangataka tamin’ny Biraon’ny Fikarakarana ny tanànan’i New York fanovana ny drafitra mametra ny fitsipika amin’ny fampiasana ny tany izay hamela ny fanorenana trano fipetrahana iray misy rihana 18. Na dia nanohitra an’izany volavolan-kevitra izany aza ny ankamaroan’ireo mpikambana ao amin’io Birao io, dia nanome ny latsa-batony roa i Edward Koch, ilay lehiben’ny tanàna, ho an’io fanovana io. Tamin’ny fanazavany ny toerany, dia hoy izy: “Ny Vavolombelon’i Jehovah (...) dia tsy azo lavina fa mpiara-monina tsara (...). Manaja azy ireo tokoa aho.” Izao no nanampiny: “Nolazaina tamiko, fa noho ny antony ara-pivavahana dia tsy mandray anjara amin’ny fifidianana na inona na inona izy ireo, ary izany angamba no anankiray amin’ireo antony miteraka fanoherana an’io volavolan-kevitra io. Sarotra tokoa amin’ny olona izay tsy mifidy ny mahazo fandresena amin’ny fifanolanana iray izay anaovan’ireo olona maro fanerena an’ireo olom-boafidy.”
Deraina Atoa Koch noho ny fahasahiana sy ny tsy fiangarana nasehony teo anatrehan’ny mpanohitra maro be toy izany. Mety ho hafa angamba ny fisehoan-javatra raha mifidy ny Vavolombelon’i Jehovah, nefa tsy manaiky ho voavily hiala amin’ny fialanalanany izy ireo, na manao ahoana na manao ahoana ny halehiben’izay ho azo na ho very. Mazava ny toeran’ny tena kristiana. Hoy i Jesosy: “Tsy naman’izao tontolo izao izy, tahaka Ahy tsy naman’izao tontolo izao.” — Jaona 17:16.