FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w89 15/1 p. 7
  • Voromahery sa papango?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Voromahery sa papango?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny famantarana
  • Fiakarana Amin’ny Elatra Tahaka ny Voromahery
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
  • Voromahery
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Ny Mason’ny Voromahery
    Mifohaza!—2004
  • Inona no Ianarantsika avy Amin’ny Vorona?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2016
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
w89 15/1 p. 7

Voromahery sa papango?

Ny famantarana

“FA izay itoeran’ny faty, dia any no hiangonan’ny voromahery.” (Matio 24:28). Tsy mandray fianarana avy amin’io fanoharana io ny sasany fa mahita hokianina amin’izany. Manizingizina izy fa mihaza mitokana ny voromahery ary mivelona amin’ny remby velona, fa tsy faty. Ny Baiboly sasany tokoa dia mandika amin’ny hoe “papango” ny teny grika aétos izay ny dikany marina anefa dia hoe “voromahery”.

Ny anankiray amin’ireo karazana fahita any Isiraely dia ny voromahery mpipaoka. “Tahaka ny vorona mpihaza maro, hoy ny nosoratan’i John Sinclair sy John Mendelsohn, ny voromahery mpipaoka dia tia ny fatim-biby efa maimbo ary matetika tokoa no anisan’ny tonga voalohany eo amin’ny remby vao maty.” Ny mpandinika hafa iray dia nilaza ho nahita andiam-boromahery mpisodika sy voromahery mpipaoka eo amin’ny enimpolo tany amin’ny efitr’i Kalahari, atsy Afrika. Hoy ny nanampiny: “Ny voromahery mpipaoka no voalohany mpanodidina ny fatim-biby efa maimbo. Matetika tokoa no ahitana azy ireny tsiroaroa, azo inoana fa lahy sy vavy, mifampizara remby.”

Fatra-piely koa ny voromaherin-dranomasina any amin’ireo tany mediteraneana. Tao anatin’ireo taonjato lasa, ny voromaherin-dranomasina sy ny voromahery an-tanety dia nihinana fatin-tsoavaly maty an’ady. “Zava-misy fantatra tsara (...) ny fanarahany ny tafika noho ny fikendrena izany”, hoy ny novakina tao amin’ny Cyclopœdia nataon’i McClintock sy Strong.

Vorona haingam-panidina sy matsilo maso ny voromahery ka indraindray dia izy ireny no voalohany tonga eo amin’ny biby maty vao haingana. Fantatr’i Jesosy tsara ny teny nilazalazan’i Jehovah Andriamanitra ny amin’ny voromahery tamin’i Joba rehefa nanontany azy izy mba hitaomana azy hanetry tena: “Noho ny didinao va no iakaran’ny voromahery sy anaovany ny akaniny eny an-dringiringy (...), dia eo an-tampon’ny harambato sy ao amin’ny fiarovana; any no itazanany remby; mahatsinjo lavitra ny masony (...), ary izay itoeran’ny faty, dia any izy.” — Joba 39:27-30.

Nampiasa fanoharana nety àry i Jesosy mba hampisehoana fa ireo izay hanana fahitana azo ampitahaina amin’ny an’ny voromahery ihany no handray soa avy amin’ny famantarana.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara