Ny kristiana: hentitra nefa mahay milefitra
SARIN’NY hery mihitsy ny oaka mijoalajoala. Tsy sarotra aminy mihitsy amin’ny ankapobeny ny mahatohitra rivo-mahery. Tsy matin’ny ankamaroan’ny tafiodrivotra ny oaka matanjaka iray noho izy mahery sady henjana be koa. Mety ho toy izany koa anefa ny singan’ahitra bitika, noho ny toetra hafa dia hafa noho izany. Inona no tsiambaratelony? Ny fahafahana hilefitra! Miforitra izy, nefa tsy tapaka.
Fileferana sa fahenjanana? Iza amin’ireo toetra ireo no lehibe indrindra. Raha ny marina, dia samy tokony hasehon’ny kristiana izy ireo. Kanefa, eo anivon’ny vahoakan’Andriamanitra, dia mety ho sarotra amin’ny sasany ny mampifanaraka ny fahenjanana sy ny fileferana. Marina fa mitandrina fotopoto-pitsipika ambony izy ireny, nefa indraindray dia mirona hiseho ho tsy milefitra. Ny hafa kosa anefa dia mahatonga hieritreritra ‘volotara hozongozonin’ny rivotra’. (Matio 11:7.) Resin’ny fangejan’izao tontolo izao ratsy izy, na milefitra loatra, hany ka manjary moramorainy loatra.
Araka ny nolazain’i Solomona: “Ny zavatra rehetra samy manana ny fotoany avy.” (Mpitoriteny 3:1). Amin’ny fotoana toy inona àry no tokony hampiasana fahenjanana ary amin’ny fotoana toy inona no tokony hanehoana fahaiza-milefitra?
Amin’ny fotoana toy inona no tokony ho henjana?
Nahazo izao baiko mazava izao i Saoly, mpanjakan’ny Isiraely, indray andro: “Koa mandehana (...), ka mameleza ny Amalekita [firenena fahavalo], ary aringano izay rehetra mety ho azy, ka aza asiana miangana, fa vonoy avokoa, na lahy na vavy, na ankizy madinika, na zaza minono, na omby, na ondry aman-osy, na rameva, na boriky.” (1 Samoela 15:3). Tokony haringana ny Amalekita satria nanohitra an’Andriamanitra sy ny olony foana (Deoteronomia 25:17-19). “Fa Saoly sy ny olona tsy namono an’i Agaga [mpanjakan’i Amaleka] sy izay tsara indrindra tamin’ny ondry aman-osy sy ny omby sy ny mifahy (...), fa tsy foiny ho naringana ireny”. Tsy afaka nanaiky ny hanolanan’i Saoly ny baikony i Jehovah. “He! ny manaraka no tsara noho ny fanatitra”, hoy Samoela mpaminany. — 1 Samoela 15:9-22.
Azo anatsoahana fianarana miharihary io fisehoan-javatra io: tsy manana ny toerany ny fileferana rehefa hoe hankatò ireo didin’Andriamanitra. “Fa izao no fitiavana an’Andriamanitra, hoy ny nosoratan’ny apostoly Jaona, dia ny hitandremantsika ny didiny, sady tsy mavesatra ny didiny.” (1 Jaona 5:3). Izay nitranga tamin’i Sadraka sy Mesaka ary Abednego dia mampiseho hoe vonona ny ho tonga hatraiza ireo mpanompon’Andriamanitra mba hankatoavana an’Andriamanitra. Nolavin’ireo lehilahy ireo ny hivavaka amin’ny sary natsangan’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babylona. Nahoana? Satria ny lalàn’Andriamanitra nanameloka tamin’ny fomba hentitra ny fanompoan-tsampy (Eksodosy 20:4-6). Tsy nilaza anakampo izy ireo hoe nanome lalana azy hody tsy hahalala an’io baikon’Andriamanitra io ny toe-javatra niseho. Nanilika izay rehetra mety ho fanekena lembenana izy ireo ka naleony ho faty toy izay tsy hankatò. — Daniela 3:16-18.
Tsy mahatsiaro fahasahiranana mihitsy amin’ny fanekena ireo lalàna mazava ao amin’ny Baiboly ny ankamaroan’ny kristiana. Kanefa, ilain’izy ireo koa ny ‘manaiky ny mpitondra azy’. (Hebreo 13:17.) Ao anatin’ny kongregasiona, indraindray ireo loholona dia mametra ny ora fihaonana ho amin’ny fitoriana, na manapa-kevitra ny amin’ny fomba hampiasana fitaovana toy izao na izao ao amin’ny Efitrano Fanjakana. Marina fa tsy ho hita izay andinin-teny ao amin’ny Baiboly mampiseho mazava tsara ny fomba mety indrindra fanitsiana ny milina fitanana ny hafanana tsy hiovaova na milaza amin’ny fomba hentitra hoe iza no tokony hikarakara izany. Kanefa, rehefa nanapa-kevitra ny amin’izany ireo loholona, moa ve tsy fanarahana fihetsika tsara dia tsara ny fiaraha-miasa amin’izy ireny?
Toy izany koa, manao izao karazam-panapahan-kevitra rehetra izao mahakasika ny fianakaviany ny lehilahy manambady. Na dia tsy mankasitraka ny anankiray amin’ny zavatra nofidiny aza ny vehivavy kristiana dia hanao izay hankatoavana “ny lalàn’ny lahy”. (Romana 7:2.) Tsy azo atao, amin’ny filazana tena ho mahay milefitra, ny tsy hankatò ireo loholona, ny lehilahy vady, ny ray aman-dreny na ny mpampiasa ny tena. — Kolosiana 3:18-24.
Amin’ny fotoana toy inona no mety ny hanehoana fileferana?
Misy fotoana tokony hanehoana fileferana koa anefa. Izany no miharihary amin’ireto tenin’ny apostoly Paoly ireto: “Aoka ho fantatry ny olona rehetra ny fandeferanareo.” (Filipiana 4:5). Ny hevitry ny teny grika ampiasain’i Paoly eo ary adika hoe ‘fandeferana’, dia hoe “izay tsy manantitrantitra ara-bakiteny ny lalàna; izany dia milaza ny karazam-piheverana avy amin’ny fandinihana ‘amim-pamindram-po sy fahendrena ny toe-javatra amin’ny raharaha iray’ ”. (W. Vine, Rakibolana filazana hevitry ny teny ao amin’ny Testamenta Vaovao [anglisy].) Ny teny hoe fahendrena dia matetika no milaza ny amin’izay vonona ny hampifanaraka ny ataony amin’ny tarehin-javatra samihafa.
Araka izany, ny misionera iray monina any amin’ny tany hafa iray dia mety hahatsikaritra vetivety tokoa fa ireo fitsipika mifehy ny fifandraisana ara-tsosialy ao amin’io tany io dia hafa noho ny an’ny tany niaviany. Kanefa raha tsy mihevitra ny fahazaran’ny olona manodidina azy izy ka tsy mety mampifanaraka ny fiainany amin’izany, moa ve mety hahavokatra ny fanompoany? Izany no antony tokony hanehoany fahendrena amin’ny fanarahana fomba fanaovan-javatra sasany mampiavaka ny toerana vaovao misy azy. — 1 Korintiana 9:19-23.
Rehefa avy niresaka ny amin’ny vehivavy kristiana roa tany Filipy izay tsy nifanaraka i Paoly dia nananatra ny Filipiana mba hiseho hahay handefitra (Filipiana 4:2-5). Na dia tsy nilaza mazava ny karazan-javatra tsy nifanarahany aza i Paoly, dia matetika noho ny tsy fahampian’ny fandeferana no mampihenjana ny fifandraisana. Tsy misy mihitsy mankasitraka ny fiarahana amin’izay miseho ho be fanakianana na sarotiny. “Aza marina loatra, hoy ny fampitandreman’i Solomona, ary aza miseho ho hendry loatra; nahoana no hosimbanao ny tenanao?” — Mpitoriteny 7:16.
Tsy tokony hihevitra loatra ny kileman-toetran’ny hafa ny kristiana. Mahasoa tokoa ny manandrana mipetraka eo amin’ny toeran’ny hafa! Mampalahelo anefa fa ny kristiana sasany tany amin’ny tanànan’i Korinto fahizay dia nifikitra aoka izany tamin’ny ‘zony’, hany ka tonga hatramin’ny fitarihana ireo rahalahiny ho eo anoloan’ny fitsarana. Tamin’ny fitondrana ny adiny teo anatrehan’ny tsy mpino, dia nanala baraka ny kongregasiona izy ireny ary tsy nanao afa-tsy ny nanitatra ny hantsana nampisaraka azy ireny tamin’ireo rahalahiny. — 1 Korintiana 6:1-6.
Nananatra ny kristiana tany Korinto àry i Paoly mba handefitra rehefa mahita fatiantoka. Hoy izy tamin’izy ireny: “Ary ankehitriny dia kilema aminareo ny anananareo ady amin’ny namanareo. Nahoana no tsy aleo mandefitra ny tsy rariny aza hianareo? Nahoana no tsy aleo maharitra hambakaina aza hianareo?” (1 Korintiana 6:7). Fandresena ho an’ny kristiana ny miaro ny fifandraisana tsara mampiray azy amin’ireo rahalahiny sy anabaviny ao amin’ny finoana. Ireo izay mampihatra fahefana indrindra no tokony hahay hilefitra. Mety hisy, ohatra, ray aman-dreny nametra ny ora tokony hodian’ireo zanany ao an-trano ny hariva. Aoka anefa hatao hoe mba sendra nangataka ny hody aoriana kokoa ny zanaka iray. Tsy ho fahendrena ve ny hitadiavana hahafantatra ny antony fara faharatsiny? Ary ireo loholona? Moa ve ny anankiray amin’ireo fepetra takina amin’ny mpiandraikitra tsy ny fandeferana indrindra (1 Timoty 3:3)? Izany tokoa. Nefa amin’ny toe-javatra manao ahoana ary amin’ny fomba ahoana no tokony hampisehoan’izy ireny an’io toetra io?
Ireo loholona: hentitra nefa mahay mandefitra
Nampifanoherin’ny apostoly Petera tamin’ny olona “mandefitra” ireo “sarotiny” (1 Petera 2:18, MN.) Aoka halaintsika sary an-tsaina fa hoe manao fanipazan-kevitra vitsivitsy amin’ny kristiana iray ny loholona iray mba hanampiana azy hampitombo ny fahaizany mandahateny. Inona no hitranga raha toa ka manery ilay namany hanaraka fomba henjana loatra tsy misy fiheverana ny fianarana azony, ny fahaizany sy ny toerany izy? Mety ho sosotra na ho kivy io kristiana io ka hihevitra fa “sarotiny” loatra ireo loholona.
Tokony hiseho hahay handefitra koa ireo loholona eo amin’ny fomba fampiharany fitsipika samihafa eo anivon’ny kongregasiona. Hitandrina izy ireo mba tsy hahatonga ireny fitsipika ireny ‘hanafoana ny tenin’Andriamanitra’ amin’ny tsy fiheverana izany ho zava-dehibe kokoa noho ireo fotopoto-pitsipika tonga lafatra ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. — Matio 15:6; 23:23.
Mety ny hanehoan’ireo loholona fileferana rehefa tsy tafiditra ireo fotopoto-pitsipika ao amin’ny Baiboly. Fantany, ohatra, fa toroana hevitra indrindra ny olona mba tsy hanokana toerana be loatra amin’ireo fivoriambe. Kanefa moa ve izy ireny tokony hanery ny hanarahana io fitsipika io ao amin’ny kongregasiona kely manana toerana maro? Na mety hihevitra izy fa tsy maintsy manao palitao sy fehilefitra (kravaty) ny lehilahy rehefa mitory isan-trano, ohatra. Izany no hita tao amin’ny kongregasiona iray any Afrika Atsimo. Ren’ny loholona iray anefa indray andro fa nisalasala ny hitory ny vaovao tsara ny zazalahy iray. Inona no antony? Tsy nanam-bola hividianana palitao sy fehilefitra izy. Noheverin’ilay loholona fa nety tamin’io toe-javatra io ny hanehoana fileferana ka nampirisika an’io zazalahy io izy hanomboka hanao fanambarana ampahibemaso ny finoany.
Lafiny hafa iray koa tokony hanehoan’ireo loholona fileferana ny raharaha ara-pitsarana. Na dia mety nanamarina ny fandroahana ilay nanota aza ny fahadisoana vita, inona no tokony hatao raha mibebaka izy io? Manome antsika fotopoto-pitsipika azo arahina ny fihetsik’i Jehovah teo anoloan’ny Ninivita amin’io lafiny io. Nilaza toy izao tamin’i Jona Andriamanitra: “Rehefa afaka efa-polo andro, dia horavana Ninive.” Rehefa nibebaka anefa ny Ninivita, dia tapa-kevitra Jehovah ny tsy hampihatra intsony ny fanamelohana handringana nolazainy. Niaiky izy fa niova ny tarehin-javatra (Jona 3:4, 10). Toy izany koa, tokony hahafaly ny loholona ny “hamela heloka dia hamela heloka” rehefa maneho fibebahana amim-pahatsorana ilay nanota. — Isaia 55:7.
Tsy zavatra mora akory ny fitadiavana fifandanjana tsara eo amin’ny fisehoana ho hentitra sy ny fileferana. Mirona avy hatrany hanao ny tafahoatra ny olombelona tsy tanteraka. Kanefa, ny kristiana izay miezaka manakambana ireo toetra roa ireo dia valian-tsoa be dia be. Amin’ny fanandramana miseho ho mahay milefitra no hitanany fifandraisana tsara kokoa amin’ny hafa sy hitsimbinany tena tsy ho azon’ny fikorontanana ara-pihetseham-po. Ambonin’izany, dia ohatra tsara dia tsara ireo loholona izay maneho fiorenana tsara, mifikitra amim-pahatokiana hatrany amin’ny fanaovana asa tsara sy mitana ny tsy fivadihany. Mahazo ny fitokisana sy ny fiaraha-miasa izy, avy amin’ny kongregasiona manontolo izay mandroso amim-piraisan-tsaina eo amin’ny lalana mitarika ho amin’ny fiainana mandrakizay. — Isaia 32:2; 1 Korintiana 15:58.