‘Mahita toerana’ ho an’ny zanaky ny tena — Izany ve no lalan’ny fahendrena?
“FANTATRAO, ry Daniela, fa maro anaka aho. Koa tapa-kevitra aho ny hitady toerana ho an’ny sasany any amin’ny havana.” Rehefa avy eo, dia nanondro zazavavikely niaraka taminy ilay zanak’olo-mpiraitampo amin’i Daniela ka hoy ny teny nanampiny: “Anjaranao ity.”
“Misaotra”, hoy ny navalin’i Daniela, nanafina sento. Efa ampy anefa ny zanany ary tsy naniry velively ny hahazo hafa izy. Araka ny fanao anefa, dia tsy azo saintsainina tanteraka izany hoe handa, ho tena henatra! Hitombo zazavavy iray izao ny an’i Daniela nanomboka tamin’io andro io.
Any amin’ny tany maro eo an-dalam-pandrosoana, indrindra fa atsy Afrika, dia tsy mahalana no misy ray aman-dreny manankin-janaka amin-kavana mandritra ny volana maromaro, taona maromaro, ary amin’ny fomba raikitra mihitsy aza. Na dia toa hafahafa amin’ny Tandrefana aza io fanao io, dia mitovitovy, amin’ny fotopotony, amin’ny fandefasana ny zanaka hanao kilasimandry na hiaraka amin’ny antokon’olona mpaka fialan-tsasatra (colonie de vacances). Nahoana no mitady toerana hametrahana ny zanaky ny tena? Lalam-pahendrena ve izany?
Nahoana izy ireny no mitady toerana hametrahana ny zanany?
Na dia eo am-piovana aza ireo hevitra mahazatra, dia heverin’ny Afrikana fa an’ny fianakaviana amin’ny heviny malalaka ny zanaka fa tsy an’ny ray aman-dreniny ihany. Heverina fa manana zo koa amin’ilay zanaka ny dadatoa, ny nenitoa, ny raibe aman-drenibe mbamin’ny hafa koa. Izany no nahatonga ity oha-teny fandre atsy Afrika andrefana ity: “Olona iray monja no miteraka, fa maromaro no mikarakara ny zanaka.”
Noho izany, rehefa misy zava-manahirana lehibe, toy ny fahafatesan’ny ray aman-dreny, dia vonona handray ireo kamboty kely ny havana. Noho ny antony ara-bola indrindra anefa no itadiavan-toerana hametrahana ny zanaka. Raha tsy manana ny fianakaviana maro anaka, dia mety hieritreritra ny ray aman-dreny fa ho tsara kokoa amin’ny anankiray na ny maromaro amin’ireo zanany ny ho any amin’ny havany manana kokoa izay ho afaka mora kokoa hiantoka ny saram-pianarany, hanome fitafiana azy, hitsabo azy ary hanome sakafo azy. Araka izany, dia mitady toerana hametrahana ny zanany ny ray aman-dreny sasany, tsy noho ny tsy fitiavana, fa satria ho tiany ny hanome azy ireny izay tsara kokoa.
Manao izany ny hafa noho ny faniriana ny hahazoan’ireo zanany fianarana tsara. Lavitra ny tokantrano angamba ny sekoly akaiky indrindra. Raha sarotra na tsy azon’ny fianakaviana manontolo atao mihitsy aza ny mifindra fonenana, dia mety hihevitra ny ray aman-dreny fa tsaratsara kokoa ny hanankinana ilay zanaka amin-kavana monina tsy lavitra trano fianarana.
Raisina tsara ireny ankizy ireny amin’ny ankapobeny. Afa-tsy izany koa, raha mitombo iray hatramin’izao ny vava mpihinana, dia misy sandry roa amboniny koa mba hanao raharahan-tokantrano. Ambonin’izany, dia mandray anjara amin’ny lany ny ray aman-drenin’ilay ankizy indraindray amin’ny fandefasam-bola na sakafo.
Anton-javatra vitsivitsy tokony hoheverina
Na dia mety hisy tombontsoa amin’ny lafiny ara-nofo sy ny fianarana aza ny fametrahana ny zanaky ny tena any amin’olona, dia mendrika ny hoheverina koa ny anton-javatra hafa. Azo atao ny manontany tena hoe ahoana no mety hifankazaran’ilay ankizy amin’ireo ray aman-dreny hitaiza azy, ary ny mifamadika amin’izany. Mandeha tsara tokoa ny zavatra rehetra indraindray ary miforona eo amin’ireo ray aman-dreny mitaiza sy ilay ankizy nankinina tamin’izy ireo ny fifandraisana ara-piraiketam-po mafy. Izany no nitranga tamin’ity loholona tao amin’ny kongregasiona tany Sierra Leone sy ny zanaky ny iraitampo aminy kamboty. Izao no nolazain’io Vavolombelona io, taona maro atỳ aoriana rehefa nanontaniana ny amin’ilay zanaky ny iraitampo aminy izy: “Tsy mba zanaka natsangako fotsiny i Desmond fa tena zanako, menaky ny aiko.”
Tsy toy izany anefa no fiheveran’ny rehetra ireo zanaka natsangany. Hohazavaintsika amin’izay nitranga tao amin’ny tanàna iray tatsy Afrika andrefana nitrangan-tabataba izany. Raha mbola nisioka hatraiza hatraiza ny bala, dia nikiakiaka toy izao tamin’ny ankizy ilay renim-pianakaviana: “Haingana, ry Arthur a, miafena ao ambany farafara! Ary ianao, ry Sorie, mitazàna eo am-baravarankely, dia lazao anay izay mitranga!” Zanany i Arthur. Zanaka natsangany kosa i Sorie.
Matetika no miangatra amin’ny zanaka naterany ny ray aman-dreny. Noho izany, dia mahalana vao tena hita ny tombontsoa ara-nofo nantenaina aoka izany. Matetika tokoa ny ankizy mipetraka amin’olona no matin-draharaha, tsy ampianarina ary ela vao omena fitsaboan-tena na nify. Araka ny nolazain’ny misionera iray monina atsy Afrika hatramin’ny 23 taona, dia “saika mandrakariva ny ankizy tezain’olon-kafa no amin’ny toerana ambany”.
Tokony hoeritreretina koa ny fandonana ara-piraiketam-po mahazo ankizy iray mandao ny tokantrano. Mora tohina sy malaky taitra ny ankizy. Raha mbola vao kely izy ireny, dia mila tokoa ny hafanana sy ny tsy fananana ahiahy avy amin’ny fifandraisana akaiky amin’ny ray aman-dreniny. Mety ho faran’izay sarotra ho azy ireny izany hoe hendahina avy ao anatin’ny faritry ny fianakaviana mba handeha hiara-monina amin’olon-tsy fantatra.
Nankinina tamin’ny nenitoany i Comfort, izay monina any Sierra Leone, teo amin’ny fahasivy taonany. Izao no tsaroany: “Sarotra dia sarotra ireo taona lany lavitra ny tranoko ireo. Manina aoka izany ny fianakaviako aho, indrindra fa ireo anadahiko sy rahavaviko. Toy ny hoe nongotana niala teo amin’ny toerako aho mba hametrahana ahy tao amin’ny toerana iray tsy natao ho ahy. Na dia tsara fitondra ahy tokoa aza ny nenitoako, dia tsy nahatsiaro mihitsy ho sahy hiresaka aminy toy ny amin’ny tena reniko aho. (...) Na manao ahoana na manao ahoana tarehin-javatra ho hitanay, dia tsy halefako hiaina any amin’olon-kafa mihitsy ireo zanako.
Francis, avy atsy Afrika andrefana, dia notezain-drainy aman-dreny nanangana azy. Nanazava toy izao izy: “Nanenina aho noho ny tsy nahafahako mihitsy namatotra fifandraisana akaiky tamin’ny tena reniko. Tsapako fa samy tsy nihevitra zava-dehibe izahay mianaka.”
Zava-dehibe ny ilain’izy ireny ara-panahy
Ny anton-javatra lehibe indrindra anefa dia ny hahasoa ilay ankizy amin’ny ara-panahy. Noho ny fahendreny, dia ny ray aman-dreny no nanankinan’Andriamanitra ny andraikitra hikarakara izay ilain’ireo zanany ara-panahy. Nanome izao torohevitra izao ho an’ireo ray aman-dreny isiraelita izy: “Ary aoka ho ao am-ponao izao teny andidiako anao anio izao. Dia ampianaro tsara ny zanakao izany, ary resaho, na mipetraka ao an-tranonao hianao, na mandeha any an-dalana, na mandry, na mifoha.” (Deoteronomia 6:6, 7). Toy izany koa fa nananatra ireo ray kristiana toy izao ny apostoly Paoly: “Aza mampahatezitra ny zanakareo, fa tezao amin’ny famaizana sy ny fananaran’ny Tompo [amin’ny lalàm-pifehezana sy ny fanabeazan-tsain’i Jehovah, MN ] izy.” — Efesiana 6:4.
Ahoana no azo itaizana zanaka “amin’ny lalàm-pifehezana sy ny fanabeazan-tsain’i Jehovah” raha ankinina amin-kavana tsy kristiana izy ireny? Tsy fahampiam-pahiratan-tsaina toy inona moa izany hoe manao sorona ny fahasalamana ara-panahin’ny zanaka mba hanomezana azy tombontsoa ara-nofo na fianarana tsaratsara kokoa!
Fa ahoana izao raha kristiana hafa no anankinana ilay zanaka? Marina fa tsaratsara kokoa io vahaolana io, nefa misy tsininy amin’ny lafiny maro. Na dia amin’izany toe-javatra izany aza, dia mety ho tsy maintsy mandresy fikorontanana lehibe foana ilay zanaka, eo amin’ny lafiny ara-piraiketam-po sy ara-toe-tsaina na ara-tsosialy. Ny sasany latsaka ao anatin’ny fahaketrahana, mifidy naman-dratsy na manjary maditra. Ny hafa tsy mankafy intsony mihitsy ny zavatra ara-panahy.
Fantatry ny ray aman-dreny tsara fa ilàna fahakingana sy faharetana ary fotoana lava ny fampitana ny fitiavana an’i Jehovah amin’ny zanaka iray. Raha sarotra izany adidy izany ho an’ny ray aman-dreny izay mahalala tsara ny zanany hatramin’ny nahaterahany, dia vao mainka sarotra izany ho an’ny mpivady iray mitaiza zaza tsy nateraka! Tokony hoeritreretin’ny ray aman-dreny amim-pitandremana ao amin’ny vavaka ny zavatra setrainy raha manankina ny zanany amin’olon-kafa izy, satria voakasika amin’izany ny fiainany mandrakizay.
Anjaran’ny ray aman-dreny kristiana anefa ny manapa-kevitra ny amin’ny fomba hampiharan’izy ireo ity torohevitra omena ao amin’ny 1 Timoty 5:8 ity: “Fa raha misy tsy mamelona ny azy, indrindra fa ny ankohonany, dia efa nandà ny finoana izy ka ratsy noho ny tsy mino aza.” Raha tsy afaka manome izay ilain’ny zanany ara-nofo ny ray aman-dreny, dia tokony hiahy ny amin’ny hanomezana izay ilainy ara-panahy amin’ny fomba tsara indrindra izy ireo, arakaraka ny toe-javatra miseho.
Izao no nosoratan’ny mpanao salamo: “Jereo, ny tena fanomezana avy amin’ny Mandrakizay, dia zanaka; ny valisoa omeny, dia ny aloaky ny kibo.” (Salamo 126:3, Fikambanan’ny raby frantsay). Tiavo àry ny zanakao ka tano ho eo anilanao. Tiavo izy ireny ary omeo fahafahana ho tia anao. Ampio izy ireny ho tonga lehilahy sy vehivavy araka ny fanahy, satria hitondra soa mandrakizay ho azy ireo izany. Araka izany, dia ho azonao atao angamba ny hamerina ireto teny nataon’i Jaona ho an’ireo zanany ara-panahy ireto: “Tsy manana fifaliana mihoatra noho izao aho, dia ny andrenesako fa mandeha araka ny fahamarinana ny zanako.” — 3 Jaona 4.