FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w88 1/12 p. 19-23
  • Mpiara-miasa tamin’ny androm-piainana rehetra

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mpiara-miasa tamin’ny androm-piainana rehetra
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Fifandraisana voalohany
  • Fitoriana tany ambanivohitra
  • Faritany vaovao
  • Tarsisy sa Ninive?
  • Fitoriana teo ambanin’ny zera baomba
  • Fitadiavana “ondry” tany Pays de Galles
  • Nisy Telozoro Volomparasy ny Akanjon’izy Ireo
    Fitantarana Momba ny Vavolombelon’i Jehovah
  • Mitarika ny Olon-tsotra ho Amin’ny Fahamarinana i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2003
  • Ny Zavatra Tsara Indrindra Nanokanako ny Fiainako
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
  • ‘Katsaho Aloha Ilay Fanjakana’
    Vavolombelon’i Jehovah—Mpitory ny Fanjakan’Andriamanitra
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
w88 1/12 p. 19-23

Mpiara-miasa tamin’ny androm-piainana rehetra

Eto Cardiff, Pays de Galles, isika izao. Vao nifarana ny fianarana ny bokin’ny kongregasiona tao amin’ny efitrano kely madio an-dry Maud Clark sy Mary Grant, samy mpitory maharitra eo amin’ny fahasivy folo taonany mahery. Misaotra azy ireo ny mpitarika ny fianarana noho ny fitiavany mampiantrano vahiny ary manasa azy hitantara zavatra tsaroany...

Maud: 65 taona izao no nihaonanay sy Mary sy niarahanay nanao ny asan’ny mpitory maharitra.

Mary: Eny, indray takarivan’ny janoary 1923 tamin’izay. Namanala ny andro ary nisy orampanala! Tsaroanao ve, ry Maud? Nentiko nivantana avy any amin’ny garan’i Much Wenlock ho any an-tranoko ianao. Nisakafo kely isika dia niara-nianatra ny boky Les figures du Tabernacle. Ny ampitso maraina dia nandray bisikileta isika ary dia lasa nitory tany amin’ireo mpiompy sady mpamboly any Shropshire.

Fifandraisana voalohany

Maud: Mazava ho azy fa tsy vaovao tanteraka ho anay akory io asa io tamin’izay, satria samy efa mpitory maharitra hatramin’ny elaela izahay mirahavavy. Fony aho mbola zatovovavy dia efa tia ny Tenin’Andriamanitra aho. Tsaroako aza ny tenako nanao tsianjery salamo fito mba hahazoana Baiboly iray! Tamin’ny 1908, fony aho 11 taona, dia namaky ny boky Le divin plan des âges ny zokiko vavy ka nandao ny Fiangonanay mba hiaraka amin’ny Mpianatra ny Baiboly. Nanjary foto-dresakay ireo fahamarinana ao amin’ny Baiboly. Rehefa maty ny raiko, dia nanomboka nanontany tena toy izao aho: ‘Aiza moa ireo maty?’

Endrey ny fihetseham-poko nahita ny valiny rehefa nandeha hijery ny Le Photo-Drame de la création, izay nalefa tao amin’ny tanànan’i Sheffield nisy ahy. Nasehon’ireo sary nihetsika nampiarahina tamin’ny disika amin’ny fônôgrafy ireo indrindra ny nananganana ny zanakalahin’ilay vehivavy Sonemita. Fantatro koa fa tsy mahalala na inona na inona ny maty mandra-panangana azy. — 2 Mpanjaka 4:32-37.

Tsy nangataka andro aho fa niala tamin’ny fivavahana anglikana mba hanombohana izay nantsoiny hoe asan’ny mpiandry, natao hanolorana zavatra vita an-tsoratra momba ny Baiboly, ary izany dia teo aloha nampiely ireo gazetim-piangonana. Nanamarika ny fanolorana ny tenako ho an’i Jehovah aho tamin’ny aogositra 1918 tamin’ny fivoriambe iray natao tsy lavitra teo, tany Leeds.

Rehefa avy nandany fotoam-pialan-tsasatra nahafinaritra niarahana tamin’ny rahavavy anankiroa “colporteurs” tany Derbyshire aho, dia tapa-kevitra ny hanao ho anton-draharaha ny asan’ny mpitory maharitra. Tamin’ny aogositra 1922, dia nankany amin’ny faritaniko voalohany aho: Biggleswade, any Bedfordshire.

Nilaza tamiko toy izao ny “coloporteur” iray: “Raha mahatanty ianao ao anatin’ny enimbolana voalohany, dia handeha tsara ny zavatra rehetra.” Tsy anisan’ny mora indrindra akory ireo volana voalohandohany ireo. Niharam-boina tamin’ny bisikileta aho, avy eo dia nandao ahy ilay namako voalohany mba hody tany aminy. Tapa-kevitra ny tsy hiala anefa aho. Nanoratra tamin’ny Fikambanana àry aho mba hangataka mpiara-miasa ary dia nirahin’i Jehovah ho ahy i Mary!

Mary a, ataoko fa talohako ianao no nandray ny fahamarinana...

Mary: Izany tokoa. Tamin’izany fotoana izany izahay dia nonina tany Cardiff, tany atsimon’i Pays de Galles. Fony aho 16 taona, dia nampahafantarin-drenibeko ahy ilay boky hoe Le divin plan des âges azony tamin’ny fivoriana ampahibemaso nalamin’ny Mpianatra ny Baiboly. Niriko foana ny hahazo ny hevitry ny Baiboly sy ho tonga misionera rehefa lehibe. Rehefa namaky an’io boky io aho dia takatro fa nahita ny fahamarinana aho.

Nanomboka nanatrika ireo fivorian’ny Mpianatra ny Baiboly aho na dia tsy nankasitraka izany tanteraka aza ny reniko. Nanana ny ray aman-dreniko, ary satria tsy navelan’izy ireo hiasa aho, dia voafetra aoka izany ny fahafahako tao an-trano. Afaka nahazo ireo fizarana hafa tamin’ilay fitohitohizam-boky fianarana Baiboly anefa aho. Rehefa hitan-dreniko izany, dia tezitra izy ka nandoro azy tamin’ny filazana fa mbola kely loatra aho ka tsy tokony hahafantatra izany zavatra izany. Voatery nampiditra tamim-piafenana boky hafa tao an-tranoko àry aho, tsirairay, tamin’ny fandehanana vao maraina be tany an-tranon’ny Mpianatra ny Baiboly iray izay nonina tany amin’ny telo kilaometatra avy eo. Rehefa avy eo dia novakiko tamim-pahalianana izany talohan’ny hifohazan’ny tao an-trano. Tamin’ny antoandro dia nafeniko tao amin’ny toerana iray tao an-jaridaina izany.

Tamin’ny 1913, teo amin’ny faha-17 taonako, dia tonga tany Londres andro vitsivitsy aho mba hitsidika ny tanàna. Fifanitsian-javatra nahafinaritra tokoa fa tao indrindra ny anadahy Russell noho ny fivoriambe natao tao Kingsway Hall. Nankany àry aho ary nilaza ny faniriako hatao batisa. Lasa nanontany ny anadahy Russell ilay rahavavy “colporteur” tany Cardiff sao heveriny ho mbola kely loatra aho. Nanontany ny taonako ny anadahy Russell ary nametraka fanontaniana vitsivitsy tamiko mba hahafantarana raha azoko ny Soratra masina ary raha nanolo-tena ho an’i Jehovah aho. Rehefa avy eo, dia nampiditra akanjo mainty lava aho ary nankany amin’ny Tabernakelin’i Londres, niaraka tamin’ny mpilatsaka hatao batisa hafa. Mbola tsaroako tsara tokoa ihany ny tonon’ny hira nataonay rehefa nivoaka avy ao anaty rano:

“Nalevina tao amin’i Kristy,

natsangana miaraka aminy,

Inona no tokony hataoko izao

Mampitsahatra ny ady sy

fifandirana rehetra,

Ary mandeha ao amin’ny fiainana vaovao.”

Avy eo dia nanatona ahy ny anadahy iray ka niteny tamiko hoe: “Azo antoka fa tsy maintsy ho ianao no farany amin’ny 144 000; kely dia kely monja sisa fotoana tavela ho anao mba hiantoka ny fiantsoana anao sy ny fifidianana anao.” Toy izany no fihetseham-pon’ny maro tamin’ireo izay niandry tamim-pahadodonana lehibe ny taona 1914 antomotra dia antomotra. Vanim-potoam-pisedrana ho ahy izany noho ny fanoherana mafy tsy maintsy nosetraiko tao an-trano. Nanatrika ireo fivoriana araka izay azoko natao aho. Tamin’ny 1916, dia nanana tombontsoa aho nampandroso olona rehefa nalefa ny Photo-Drame de la création tany Cardiff. Tamin’ny 1922, dia nanomboka ny asan’ny mpitory maharitra aho rehefa avy nahavita ny fianarako ho mpanampy ny mpitsabo tany Manchester.

Fitoriana tany ambanivohitra

Maud: Tamin’izany fotoana izany dia tsy maintsy nitari-javatra izahay. Nohazavainay tamin’ny olona fa manatontosa asa kristiana izahay. Tia namaky boky ny olona tamin’izany fotoana izany. Natolotray azy ny La Harpe de Dieu sy ireo boky mahaforona ny Etudes des Ecritures. Mazava ho azy fa nila valizy lehibe ihany izahay mba hitondrana ireny boky rehetra ireny. Lehibe aoka izany ny ahy, hany ka indray andro, tao amin’ny toeram-piompiana sy fambolena nitokana iray, ilay vehivavy dia nihevitra ahy ho havana tonga avy any Kanada. Nikakakaka nihomehy izahay!

Koa satria nanokan-tena tanteraka ho amin’ny asan’ny mpitory maharitra izahay, dia nivelona tamin’ny fampielezana boky mirakitra ny hafatra momba ilay Fanjakana. Nampiasa tamim-pahendrena ny fanananay izahay ary tsotra ny fiainanay. Natakalonay dibera mbamin’ny zavatra hafa ireo bokinay; nitsimpona ovy, nave mavo sy laisoa latsaka avy amin’ny sarety teny amin’ny lalana nikintoantoana sy namovoka izahay. Nanjary nahay nanamboatra kodiaram-bisikiletanay izahay ary tonga mpanjaitra mahay ka izahay ihany no nanao ny fitafianay.

Nankany amin’ireo tanàna vao avy nandalovan’ireo mpandahateny mpitety faritany izahay sy Mary ary namelona ny fahalianana nateraky ny lahateny ampahibemaso nataon’izy ireo. Niforona ny antokon’olom-bitsy maromaro tany Shrewbury sy tany amin’ny tanàna hafa. Ary tsy andrinay ery izay hahatongavan’ireo fivoriambe! Ny an’i Londres, tamin’ny 1926, dia nanan-tantara. Nanana tombontsoa koa izahay nampiely ilay bokikely hoe L’étendard pour les peuples tany amin’ireo araben’ilay renivohitra. Nitombo koa ny hafanam-ponay rehefa namaky taratasy nalefan’ny Fikambanana ho anay izahay. Tsy inona izany fa fanendrena vaovao: Irlande Avaratra.

Faritany vaovao

Nankany amin’ny faritanin’i Antrim, any Irlande Avaratra, izahay mba hitory eo amin’ny mponina voasaratsaraka eo amin’ny lafiny ara-pivavahana. Nivahiny tany Greenisland aloha izahay. Nangatsiaka sy nanorana ny andro ary tsy afaka namelona afo izahay nandritra ny herinandro maromaro noho ny fitokanan’ny mpihady mineraly anglisy. Toa hitako indray izahay rehefa hariva, nanao gan-tanana sy kapaoty, nanandrana nianatra sady nivihivihy. Rehefa avy eo dia tonga ny lohataona. Nisaotra an’i Jehovah aoka izany izahay noho ny tombontsoa nanananay afaka nitory tao amin’ny faritra be lohasaha kanton’i Antrim! Nahaliana ny mponina ny hafatra momba ilay Fanjakana. Eny, matetika no nafana ny fifanakalozan-kevitra, kanefa nalemy fanahy ny olona. “Mandrosoa re e”, hoy izy taminay; avy eo dia napetrany teo ambony greesha (afom-popontra) ny vilany ary dia nitohy ny resaka.

Mary: Koa satria efatra mirahavavy izahay izao no mpitory maharitra ao amin’ny faritany iray ihany, dia tapa-kevitra izahay ny hanao ireo fivorianay araka ny fandaharana teokratika feno. Isa-maraina, dia nivaofy andininy iray ao amin’ny Baiboly izahay ary namaky ny “Fanapahan-kevitra maraina” izay toy izao ny tapatapany aminy: ‘Isan’andro, eo anoloan’ny seza fiandrianam-pahasoavana any an-danitra, dia hotadidiako ny maha-zava-dehibe ny asa fijinjana maneran-tany, indrindra fa ny tombontsoa ananako mandray anjara amin’izany miaraka amin’ireo mpiara-miasa malala ao amin’ny Betela sy maneran-tany.’ Ny alarobia hariva, dia nanao ny fivorianay nisy vavaka sy fiderana ary fanaovana fanambarana izahay. Ny alahady, dia niara-nianatra Ny Tilikambo Fiambenana izahay ary nivory nanodidina ny orga kely tao amin’ny efitrano fandraisam-bahiny nisy tany amin’ny tokantrano maro mba hihira tamin’ny Hymnes de l’aurore du Millénium tahaka an’ity:

“Aza miantsoantso fandresena,

Aza miraviravy tanana

Ho vita ny asa mafy ataonao

Rehefa handray ny Satroboninahitra ianao.”

Maud: Fiovana lehibe ho anay tokoa ny nanendrena anay hanao asa vaovao, dia ny an’ny “mpitory maharitra any amin’ireo faritany be mpivarotra”! Ahoana no hanaovanay fanambarana amina mpanao raharaham-barotra lehibe, talen’ny banky sy olon-kafa koa karazan’izany? Hitanay ho nahatahotra ireo trano avo be tao Belfast. Notadidinay ireto teny voasoratra ao amin’ny Filipiana 4:13 ireto: “Mahay ny zavatra rehetra aho ao amin’Ilay mampahery ahy.” Tsy nieritreritra na dia kely akory aza ny handa izany fanirahana izany izahay. Nandany fotoana tsy hay hadinoina izahay niresahana tamin’ireny lehilahy ireny ary nametraka boky maro taminy. Tamin’ny 1931, dia nitety ireo faritanàna be mpivarotra rehetra izahay. Dimytaona izay no naha-tao Irlande Avaratra anay ary nanontany tena izahay hoe aiza indray no hanendrena anay. Toy inona moa ny fahatairanay nandre fa nirahina ho any amin’ireo faritanàna be mpivarotra any Dublin izahay!

Tarsisy sa Ninive?

Marina fa tamin’ny voalohany izahay dia nitovy fihetseham-po tamin’i Jona izay, rehefa nirahina ho any Ninive, dia niainga ho any amin’ny mifanalavitra amin’izany, nankany Tarsisy. Ho tianay kokoa ny mifanohitra amin’izany. Vetivety dia takatray ny hoe tena ilaina tokoa ny hametrahana ny fitokisantsika amin’i Jehovah. Tena nahatahotra tokoa ny naha-teo akaikin’ny tsangambaton’i Nelson, Tany Dublin, sy ny nahita hatraiza hatraiza pretra sy relijiozy, na lehilahy nanala satroka sy vehivavy nanao mariky ny vokovoko teo anolonan’ny ‘Virijina masina’. Efatra monja tamin’izay ny Mpianatra ny Baiboly.

Afaka nilasy tao amin’ny fianakaviana katolika iray izahay. Tsy maintsy nanafina ireo bokinay tao ambany farafara izahay, satria nandalo tsy tapaka ireo pretra. Indray andro, ny mpanao raharaham-barotra iray tany Dublin dia tonga tao amin’ny fonenanay ary nilaza taminay hoe: ‘Nametraka boky tamiko ianareo tany amin’ny banky.’ Nahafinaritra azy tokoa ireny boky ireny, hany ka nitety ny trano fivarotana rehetra izy mba hanandramana hitady bokin’i Rutherford mpitsara. Rehefa avy eo dia nanoratra tany New York izy ka nahazo ny adiresinay. Nandamina fanasana izy mba hiresahana tamin’ny namany rehetra ny amin’izay hitany.

Tamin’io taona io ihany, tamin’ny fivoriambe tany Liverpool (Angletera), dia nandray ny anarantsika vaovao izahay, ny hoe Vavolombelon’i Jehovah. Rehefa tafaverina tany Dublin izahay, dia nandray anjara tamin’ny fampielezana manokana ilay bokikely mitondra ny lahatany hoe Le Royaume, l’espérance du monde, izay nirakitra ny fanapahan-kevitra nolanina tamin’ny fivoriambe. Notetezinay ireo monasitera sy tranon’ny relijiozy ary faritanàna be mpivarotra mba hanolorana maimaimpoana tamin’io. Noraisina daholo izy rehetra.

Mary: Indray andro, rehefa nahita sambo iray nita an’i Liffey izahay, dia nanan-kevitra ny hanao fanambarana tamin’ny tantsambo teo amin’ny fitodiana. Rehefa nairy ho any anefa izahay, dia nisy polisy nanontany anay hoe ho aiza izahay. Rehefa hitany ireo bokinay, dia hoy izy taminay: “Tsara.” Tojo kapiteny hafa firenena maromaro izay nahalala ny Vavolombelona izahay. Rehefa mieritreritra izany indray izahay dia mbola talanjona ihany noho ny fiarovan’i Jehovah anay, satria nisaraka izahay mba hiondrana an-tsambo.

Fitoriana teo ambanin’ny zera baomba

Maud: Rehefa nipoaka ny ady tamin’ny 1939, dia niverina tao Liverpool izahay mba hahita indray antolo-mpitory maharitra 20 niray trano. Tsy maintsy niaina teo ambanin’ny fitsofohan’ny tafika ana habakabaka sy ny zera baomba izahay izao, ka nanao fanambarana isaky ny nahita sofina nihaino. Matetika izahay no nametraka disika eo amin’ny fônôgrafy ka nanaomboka niresaka ny hafatra momba ilay Fanjakana, avy eo dia tsy maintsy nihazakazaka nody na niampitampita avy amin’ny toeram-pialofana iray mankamin’ny hafa. Tsy nahatsiaro tahotra anefa izahay nandritra izany fotoana rehetra izany, noho ny fahafantarana fa nanatanteraka ny asan’ny Tompo izahay.

Matetika ny olona no nanevateva anay teny amin’ny arabe noho ny fialanalanan’ny Vavolombelona tamin’izany vanim-potoan’ny ady izany. Tsaroako ny zazalahy iray izay nihaino ny disika nalefanay sy nanaiky hianatra ny Baiboly. Nisy zava-nanahirana anefa: vao nilatsaka an-tsitrapo hiasa ao amin’ny tafika an-dranomasina britanika izy. Nanoratra taratasy ho an’ireo lehibeny izy mba hanazavana aminy fa hatramin’izao dia hialanalana izy. Noho izany, dia nafahana tamin’izay rehetra mety ho adidy ara-tafika izy. Nanomboka ny asa manontolo andro koa izy tatỳ aoriana.

Mary: Tsy hohadinoiko na oviana na oviana io vanim-potoana tamin’ny ady io, ry Maud. Tsaroanao ve izay nitranga tamintsika rehefa nifindra isika mba hiorim-ponenana tany Knutsford, tany amin’ny faritanin’i Cheshire, tamin’ny 1942? Niantso antsika ny vehivavy iray tamin’ny filazana hoe: “Inona no ataonareo mba hanohanana ny fiezahana hiady?” Raha mbola tsy nahavaly akory isika, dia namaly toy izao ny mpandalo iray: ‘Manao izay tsy sahintsika atao izy ireo.’ Mba nanan-kolazaina koa ny lehilahy be taona iray ka hoy izy: ‘Manao asa tsara izy ireo.’

Maud: Ny asa fampianarana Baiboly no tena lehibe indrindra. Nandia fotoana tsy hay hadinoina aho indray andro, tao amin’ny toeram-piompiana sy fambolena iray rehefa nilaza tamiko ny vehivavy iray fa vao namoy ny zanany lahy kely tamin’ny lozam-piarakodia izy. Nametraka taminy bokikely iray hoe Fanantenana ho an’ny maty (anglisy) aho ary nanomboka fampianarana Baiboly izahay. Rehefa impito monja no nianarany, dia nanomboka niaraka tamiko tamin’ny fitoriana io vehivavy io. Rehefa afaka volana vitsivitsy, dia nanaiky ny fahamarinana koa ny vadiny ary, roa taona tatỳ aoriana, dia namidin’izy ireo ilay toeram-piompiana mba hahatongavana ho mpitory maharitra. Tatỳ aoriana dia nanaraka azy ireo tamin’ny asa ny zanany vavy. Miara-miasa amin’ny vadiny ao amin’ny Betelan’i Londres izy io ankehitriny.

Tao amin’ny fivoriambe tany Leiceser, tamin’ny 1941, dia nambaran’ny anadahy Schroeder fa hatramin’izao ireo mpitory maharitra manokana dia handray vola kely mba hanampiana azy ireny hahazo izay ilaina eo amin’ny fiainana. Nandritra ny 20 taona teo ho eo, dia nitahy anay Jehovah tamin’ny fampielezana ireo bokinay ka namela anay tamin’izany hahazo izay nilainay. Tsy nahafoy anay mihitsy izy. Tsapan’ny tenanay manokana fa “tsy misy latsaka na dia teny iray aza tamin’izay teny soa rehetra nampilazainy”. — 1 Mpanjaka 8:56.

Fitadiavana “ondry” tany Pays de Galles

Tamin’ny 1954, dia tany Milford Haven, any Pays de Galles, izahay. Na dia tao aza ny fanoheran’ny klerjy, dia nitory izahay ary nisy olona vitsivitsy azo nampitahaina tamin’ny ondry nihaino tsara anay. Nangoninay indray àry izy ireny ary nampianarinay nanao fivoriana sy nanome valin-teny fohy sy nety. Toy inona moa ny fifaliana nahita fito taminy natao batisa tao amin’ny dobo fisotroan’ny ondry feno rano mafana nentina tamin’ny sinin-dronono!

Tany Abercynon, tanàna niorina tao amin’ny lohasaha galoazy iray, dia nahazo vokatra tsara izahay tamin’ny vehivavy anankiray izay nandray gazety tsy tapaka taminay. Na dia naverimberiny taminay foana aza ny hoe: “Tsy mino izay lazainareo amiko aho”, dia nanaiky hamaky izany izy. Rehefa tonga nitsidika azy aho indray andro, dia tafahaona tamin’ny vadiny teo am-pandaloran-trano. Nanao fiaraha-midiniky ny mpinamana izahay ary nanao fandaharana mba hanomboka fianarana ny Baiboly ny herinandro nanaraka. Nifandray am-po tamin’ireo zanany telo lahy izay mba nianatra koa, izahay. Tamin’ny farany, dia nanolo-tena ho an’i Jehovah sy natao batisa ilay reny sy ireo zanany telo lahy. Amin’izao andro izao, dia tsy latsaka ny 35 ny anisan’io fianakaviana io nanaiky ny fahamarinana. Amin’izy ireny dia misy mpitory maharitra mpanampy, mandavantaona na manokana sy loholona.

Monina eto Cardiff izahay izao ary manana fahatsiarovana maro. Tsy mahatsiaro nenina mihitsy izahay. Nanome izay rehetra nilainay ara-nofo Jehovah. Nanana fiainana nahavariana izahay satria samy mpitory maharitra, ary mbola heverinay ho ny sarobidy indrindra amin’izay anananay ihany ny asa manontolo andro.

Mampihetsi-po anay aoka izany ny mahita fitomboana tsy an-kijanona eo amin’ny isan’ny mpitory maharitra. Toy inona moa ny fifaliana mahita ireny tanora rehetra ireny manao an’io asa sarobidy io! 65 taona izay no niarahanay sy Mary nanao ny asan’ny mpitory maharitra. Nanana fiainana tsotra nefa feno asa izahay, fiainana sarotra nefa mitondra soa be dia be. Manoro hevitra amin’ny fo rehetra izahay mba hanaovana ho anton-draharaha ny asan’ny mpitory maharitra.

[Sary, pejy 23]

Maud (eo ankavia) sy Mary dia mbola mihevitra foana ny asa manontolo andro ho ny sarobidy indrindra amin’izay ananany.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara