FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w88 15/10 p. 31
  • Indray mitopy maso amin’ny vaovao

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Indray mitopy maso amin’ny vaovao
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny soratsoratra amin’ny zebra
  • Ministra mpiasa ve?
  • Ny Zebra—Soavalidian’i Afrika
    Mifohaza!—2002
  • Zebra
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Lesona 2
    Andao Hianatra Baiboly!
  • Andao Hianatra Baiboly!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2012
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
w88 15/10 p. 31

Indray mitopy maso amin’ny vaovao

Ny soratsoratra amin’ny zebra

Ny zebra dia nahazo ny soratsorany noho ny “fivoarana miandalana tao anatin’ny an-tapitrisany taona maro”, hoy ny filazan’ny revio afrikana tatsimo atao hoe Izao tontolo izaon’ny biby (angl.). Inona no mety ho antony? Araka ny mpahay siansa sasany, niaraka tamin’ny fandehan’ny evaolisiona dia nipoitra teo amin’ny volon’ity biby ity ny mitsoriadriaka mba hiarovana azy amin’ireo biby mitady remby. Izany vinavina izany dia toa tohanan’ny hoe ny soratsoratry ny zebra, dia mahatonga azy tsy ho hita loatra rehefa lavitra. Tsy mitovy hevitra amin’izany daholo anefa ny manam-pahaizana momba ny biby. Ny anankiray aminy, Gerrie de Graaff, mpanolo-tsaina ara-tsiansa ao amin’ilay revio hoe Custos (angl.), natokana hiresahana ny amin’ny biby, dia manao izao fanamarihana manaraka izao: “Tsy misy na inona na inona mamela antsika hihevitra fa ny biby dia mahita ny zavatra mitovy amin’ny fomba fahitantsika azy.” Mamelabelatra ny heviny io mpahay siansa io ka nanao fanamarihana fa ny fihetsiky ny zebra dia tsy mifanaraka amin’ny tsangan-kevitra hoe vokatry ny fivoarana miandalana ny soratsorany. Inona no hevitr’izany? Ny zebra dia tsy manandrana miafina, tahaka ny ataon’ny biby izay miantehitra amin’ny sorany mba hanafenana ny tenany. Mifanohitra amin’izany, fa manao tabataba sady mipelipelika no manintona ny maso amin’ny firaohana ahitra eny amin’ny lemaka tsy misy manakona izy ireny.

Ny mpanohana ny fivoarana miandalana hafa dia mihevitra fa ny soratra fotsy sy mainty amin’ny zebra, dia mahatonga ny fahitana azy ho hafa. Araka an’i Gerrie de Graaff, dia milaza ny sasany fa “rehefa mamely ny liona dia tsy afaka manavaka ny biby iray amin’ny hafa satria mifangaro amin’ny andiany izy.” Kanefa, hoy izy, “mihevitra ny hafa fa noho ny mitsoriadriaka aminy dia jambena ny liona na tsy manombana tsara ny fitsambikinany farany.” Araka ny anamarihany azy anefa, “ireny tsangan-kevitra ireny dia mirodana rehefa hita ny fahamoran’ny famonoan’ny liona ny zebra.”

Ho famaranan-kevitra dia miaiky i Gerrie de Graaff fa “amin’izao aloha, dia tsy haintsika mihitsy hoe nahoana ny zebra no misy mitsoriadriaka”. Ny mpianatry ny Baiboly anefa dia mahatakatra ny anton’izany. Ao amin’ny Genesisy 1:20-25, dia vakintsika fa ny zava-manan’aina rehetra etỳ ambonin’ny tany, dia noforonin’Andriamanitra “samy araka ny karazany avy”. Fandehan’ny zavatra ara-biolojika nataon’Andriamanitra àry, no nahatonga ny soratsoratry ny zebra. Ireny dia anisan’ny karazana kanto voamarika eo amin’ny zavatra noforonin’Andriamanitra.

Ministra mpiasa ve?

Manampo ny hisian’ny fiovana lehibe hahakasika ny raharahany, amin’ny ho avy tsy ho ela ny mpitondra fivavahana sasany. Izany no fanahiana nambaran’ny pastora loteriana iray, Jean-Pierre Jornod, tao amin’ny gazety loteriana iray avoaka any Soisa (Reformiertes Forum). Izao no nambarany tao: “Ho tonga hatramin’ny filazana mialoha aho, fa amin’ny ankamaroan’ny toe-javatra, ny pastora amin’ny taona 2000 dia hanana asa tapa-potoana ambonin’ny fanompoany.” Inona no antony? Hoy ny nanampiny: “Tsy noho ny antony ara-bola ihany, fa voalohany ary ambonin’ny zavatra rehetra, satria ny fitambaran’olona dia mihamila bebe kokoa hatrany pastora izay mahafantatra tsara ny zava-manahirana isan’andro hitan’ny olona.”

Mamelabelatra ny amin’izany raharaha izany i Jean-Pierre Jornod ka niteny hoe: “Ny pastora amin’ny taona 2 000 dia ho lehilahy na vehivavy mahay amin’ny fifandraisany amin’ny olona. Tsy milaza akory aho fa tsy hisy intsony ny tempoly. Kanefa, ny olona tian’ny pastora iray hotratrarina, dia hihataka amin’ny Fiangonana, araka izay efa miseho sahady andehitriny. Ny hafatry ny pastora àry dia tokony hazava kokoa, mora azo sady hentitra.”

Aoka homarihintsika fa tsy nisy mpiandry nandray karama teo amin’ny kristiana voalohany. Ny apostoly Paoly ohatra, dia namelon-tena tamin’ny alalan’ny asa iray ivelan’ny fivavahana: mpanamboatra lay izy. Ambonin’izany, dia mahakasika ny olona tamin’ny fomba mandaitra tokoa izy tamin’ny nampianarana azy ireny “teo imason’ny olona ary tao amin’ny isan-trano.” (Asa. 18:3; 20:20, 21, 33, 34.) Mifanohitra amin’ireo ministra mandray karama amin’izao androntsika izao, ny Vavolombelon’i Jehovah izay loholona, na mpiandry eo anivon’ny kongregasiona, dia manaraka foana ny ohatra ao amin’ny Baiboly navelan’ny kristiana tamin’ny taonjato voalohany.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara