FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w88 15/10 p. 26-29
  • Ny dianay tsy hay hadinoina tany Vanuatu

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny dianay tsy hay hadinoina tany Vanuatu
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
  • Lohatenikely
  • Fivoriambe tao Port-Vila
  • Fihaonana tamin’ny “Small Nambas”
  • Afaka tamin’ny rivo-doza Uma izahay
  • Taorian’ny fandalovan’ny rivo-doza
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
w88 15/10 p. 26-29

Ny dianay tsy hay hadinoina tany Vanuatu

RAHA mbola nandao an’i Port-Vila ny fiaramanidina hitondra anay hiverina any Nouméa (Nouvelle-Calédonie), izay vao tsapanay hoe hatraiza ny dianay no feno zavatra tsy nampoizina. Fahatsiarovana maro be no nifanesy tao an-dohanay: ny toerana taza-maso sy ny feo mampiavaka ireo nosy kanton’i Vanuatu, ireo mponina mafana fo any amin’ny nosy, nefa koa ny fandalovana mampitebitebin’ny rivo-doza mpandrava izay nahafahanay.

Vanuatu dia fitambara-nosy sahabo ho 80 eo, milahatra toy ny Y any atsimo andrefan’i Pasifika, tokony ho 400 kilaometatra any avaratra atsinanan’i Nouvelle-Calédonie. Miely etsy sy eroa ao amin’ireny nosy ireny, dia misy 84 amin’ireo namantsika Vavolombelon’i Jehovah monina ao ary voazara ho kongregasiona roa. Faly izahay mivady raha vao nahare fa nirahina hitsidika an’i Vanuatu. Mazava fa tonga tao an-tsainay ny fanontaniana maro: Toe-piainana manao ahoana no misy eny amin’ireny nosy ireny? Mahay mandray vahiny ve ny mponina eo aminy? Ary ny zava-dehibe indrindra, hanao ahoana ny fandraisany ny vaovao tsaran’ny Fanjakana?

Fivoriambe tao Port-Vila

Saika nanahy kely izahay rehefa nandre fa na dia avy amin’ny fiaviana melaneziana aza ny ampahany lehibe amin’ny mponina, dia miteny maherin’ny zato ao amin’ilay fitambara-nosy. Nanamaivana anay ny fahalalana fa mahazatra ny fampiasana karazana teny “pidgin” mitovitovy amin’ny teny anglisy, dia ny “bichlamar” izany. Tsy hanan-java-manahirana loatra àry izahay rehefa hifandray amin’ny olona.

Ny toerana nijanonanay voalohany dia Port-Vila renivohitra, izay hanatrehanay ny fivoriamben’ny distrika “Ny fiadanan’Andriamanitra”. Niasa mafy tamin’ny fanomanana an’io fihaonambe io ny Vavolombelona tao an-tanàna. Faly izahay nihaona tamin’ireo solontena tonga avy tany amin’ireo nosy lavitra, izay tsy maintsy nanangom-bola am-bolana maro mba ho fitsinjovana ny diany.

Vao tamin’ny andro voalohany tamin’ny fivoriambe dia efa feno ny efitrano. Olona 300 mahery no nanaraka ireo fampisehoana tantara araka ny Baiboly izay noraiketina tamin’ny horonan-tsary “vidéo”. Miavaka tokoa io asa io, rehefa heverina fa mpitory ny Fanjakana 84 monja no misy any amin’ireo nosy rehetra any Vanuatu. Tsy azo lavina fa manomana fijinjana tsara any amin’ireny tany kely lavitra any amin’ny ranomasimbe Pasifika ireny Jehovah.

Fihaonana tamin’ny “Small Nambas”

Ny ampitso, dia nandray fiaramanidina niaraka tamin’ny Vavolombelona melaneziana iray aho, ka namonjy ny nosy Mallicolo izahay. Taorian’ny fisidihana nanasatra sady nihetsiketsika, dia tody tao South West Bay ny fiaramanidina. Lasa ilay namako nitady ny zanak’olo-mpiraitampo aminy, izay afaka hanome lakana ho anay, ny hany fitaterana hahatratrarana ny tanàna kelin’i Letokas, ny fitodianay farany.

Sady nipetraka tao anaty lakana izahay no nanaraka ny morontsiraka. Talanjona tamin’ny hankaton’ilay nosy aho. Nampitolagaga ny fijerena ireo hantsana avy mitsontsorika any amin’ny ranomasimbe. Mandrobona ny zavamaniry hatraiza hatraiza, voaravaka voninkazo marevaka ny saron’ny zavamaniry mandady sy ampanga ary ny hazomiavona mahafinaritra. Miparitaka avy eny amin’ny hazo ireo vorona mirenty, toy ny bolokin’ny nosy ohatra.

Avy eny ambonin’ny lakana dia afaka nahita ny haren’ny ranomasina koa izahay — ny harambaton-dranomasina, fitehirizan-tsakafo mahazatra ny mponina eny amin’ny nosy. Avy amin’ny vazan-tany efatra dia olona maro no tonga miroboka ao mba hitaratra ny hatsaran’ny haran-dranomasina sy ny trondro eny amin’ny tropika. Ahitana akorandriaka sy oran-dranomasina be dia be ao izay jonoin’ny tompon-tany amin’ny harato na ny firombaka.

Tsy ela dia hitanay avy eny lavitra eny ny setroka avy amin’ny toeram-pambolena voanio. Nanambara ny toerana halehany izany, dia helodrano madinika mahafinaritra tokoa eo akaikin’ny helodranomasin’ny Bambous. Raha mbola nanatona ny morontsiraka izahay dia nisy lambon-drano maromaro nanodidina anay sady nilalao. Avy eo dia nahatazana lehilahy vitsivitsy nitondra tsipìka sy zana-tsipìka nanao fihetsehana be izahay. Teo ampovoan’izy ireo dia voamarikay ireo rahalahinay, izay faly tamin’ny fahatongavanay.

Ireo no Small Nambas any atsimon’i Mallicolo, anankiray amin’ireo foko mitokana indrindra any Pasifika Atsimo. Monina any amin’ny tanàna kely miorina avo any an-tendrombohitra izy ireo, tonga an-tongotra andro maromaro avy any amorontsiraka. Ny lehilahy dia manao ny “namba”, sikina vita amin’ny ravinkazo voatazon’ny fehinkibo hodi-kazo. Ny vehivavy kosa, dia miakanjo sikina vita amin’ny bozaka. Ao amin’ny tanàna tsirairay dia ahitana foibe iray fanaovana fombafombam-pivavahana, toerana fandihizana rehefa manao sorona sy fombafomba hafa. Na dia nanaraka ny fomba fiaina tandrefana aza ny ankamaroan’ny mponina, ny fomba mifandray amin’ny finoanoam-poana sy ny spiritisma dia fanao foana ao amin’ilay nosy.

Fahafinaretana tokoa ny nihaona tamin’ireo rahalahintsika sy nifankahalala taminy. Ny lehilahy dia fonentana nefa tena nofosana. Nanohina ahy ny toetrany saro-kenatra sy ny hatsaram-pony. Natahotra ahy ny ankizy sasantsasany, satria ny olona fotsy hoditra fantany dia mpitsabo amin’ny ankamaroany ka nitahiry fahatsiarovana ny tsindrony izy ireo!

Voasaraka roa amin’ny tany voavoly voanio ilay tanàna kely. Natokana ho an’ireo izay nanaiky ny fahamarinana ny tapany anankiray amin’ilay tanàna kely. Tsy ela dia fantatro ny antony: raha toa ka maniry hiandany amin’ny fahamarinana izy ireo sady hanohy hianatra ny Baiboly, ny sasany dia voatery miaina mihataka amin’ireo mponina hafa.

Ny trano bongo dia naorina eo amin’ny tsatokazo volotsangana. Rehefa niditra tao amin’ny anankiray tamin’izy ireny aho, dia sempotra noho ny setroka matevina avy amin’ny afo narehitra teo ampovoan’ny efitrano. Manaikitra ny maso ny setroka nefa aloha mba mandroaka ny moka sy ny lalitra izy. Tsy lavitra teo, tao amin’ny trano bongo kely hafa iray dia nanomana vongana buluk (hena omby) maintin’ny lalitra teo ambonin’ny ravina laplap, ny vehivavy iray.

Nanasa ny olona rehetra izahay hanatrika fampisehoana sary “diapositives” nomanina hatao ny alarobia hariva. Famintinana ny tantaran’ny Vavolombelon’i Jehovah, nampitondraina ny lohateny hoe Aoka isika handroso hatrany maneran-tany, na eo aza ny fanenjehana. Ny anankiray tamin’ireo mpitory dia lasa nanao dia naharitra indray andro mba hanasana tantsaha vitsivitsy tany an-tendrombohitra. Dodona aho hahita raha ho tonga izy ireny. Rehefa somambisamby ny andro, dia tonga ny tovolahy iray nitondra ny tsipìka sy ny zana-tsipìkany. Olona maromaro no nanaraka azy. Tohina tokoa aho nahita fa tsy nahasakana azy ireo tsy ho tonga tamin’io fivoriana io ny fahalavirana!

Tsy ela izahay dia voahodidina tsipìka sy zana-tsipìka. Olona efa ho 80 no teo, ka natombokay ny fampisehoana. Nampihomehy ny nandre ny fanapoahany ny lelany, rehefa nahagaga azy ireo izay hitany.

Taorian’ny fampisehoana, dia nitodika tany amin’ny fomba amam-panaon’ny tompon-tany ny resaka nifanaovana. Nihaino tamim-pitandremana ny mponina, ary nekeny an-tsitrapo ny fampitandreman’ny Baiboly ho fanoherana ny spiritisma ao amin’ny 1 Korintiana 10:20, 21. Hatramin’ny elaela izao dia nanohitra ny fiezahan’ireo misioneran’ny Fiangonana ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana izay nitady hampanaraka azy ny fomba fiaina “kristiana” izy ireo. Izany dia satria tsy nankasitrahany ny fampianarana sasany nomen’ireny misionera ireny, ary satria koa nanafintohina azy ny fitondrantenan’ireo izay mihambo ho kristiana. Ankehitriny dia faly izy ireo nahafantatra fa mampanantena ny hamerina ny paradisa eto an-tany sy hanangana ny maty Andriamanitra. Tsy afaka ny tsy hieritreritra ireto tenin’i Jesosy voasoratra ao amin’ny Jaona 8:32 ireto ny tenako: “Ho fantatrareo ny marina, ary ny marina hahafaka anareo tsy ho andevo.”

Ny finoan’ireny olona ireny sy ny fitiavany ny Baiboly, dia nahazoany fanoherana. Ny filoham-pivavahana sasany dia nanery azy ireny hamantsika ny bokikelintsika eo am-baravarany mba hanambarana izao: ‘Tsy mila itony izahay ato’. Nefa izany karazana fanerena izany dia nanamafy fotsiny ny fanirian’ny mponina sasany hianatra ny Baiboly sy hahita ny fahamarinana. Nalahelo tokoa aho nandao an’ireny olona tia ny fahamarinana ireny, nefa nampanantenaiko izy ireo fa hiverina hitsidika azy any aminy aho, any an-tendrombohitra misy azy.

Afaka tamin’ny rivo-doza Uma izahay

Tafiditra tamin’ny dianay ny fijanonana tao amin’ny nosin’i Espiritu Santo, nosy hafa iray any avaratr’i Vanuatu, izay nitsidihanay ny kongregasiona tao Lungaville. Na dia loholona iray monja aza no tao amin’io kongregasiona io, dia manjaka ao ny toe-tsaina tsara. Tamin’ny lahateny ampahibemaso, ny alahady, dia gaga sady faly izahay nanisa mpanatrika 150, izany hoe avo telo heny noho ny isan’ny mpitory.

Tsy maintsy niverina tany Port-Vila izahay handray ny fiaramanidina hitondra anay hiverina any Nouméa, Nouvelle-Calédonie. Tao an-drenivohitra anefa, ny zoma tolakandro, dia nanambara ny fanatonan’ny rivo-doza Uma ny fampielezam-peo. Tsy taitra loatra ny amin’izany ny mponina amin’ny nosy satria tena mahazatra izany karazana fiovana eo amin’ny toetr’andro izany amin’io tapany amin’ny taona io. Avy eo dia dia renay fa araka ny famantarana ny toetr’andro dia ho tonga ny rivo-doza amin’ny 7 ora hariva. Avy hatrany dia nampitainay tamin’ny radiao teo an-toerana fa nahemotra ireo fivoriana. Nanahy kely ihany aho ankoatra izany ny amin’ny dianay ho any Nouméa ny alahady.

Tany amin’ny dimy sy sasany dia mafy aoka izany ny herin’ny rivotra ka nisy fitaratra vaky. Azonay an-tsaina fa tokony hogiazana ny varavarankely sy ny varavarambe mba hanakanana ny rivotra tsy hibosesika ao an-trano ka hanendaka ny tafo. Nampifanongoavinay teo anoloan’ny fidirana rehetra àry ny kidoro sy ny fandriana ary ny birao sy ny latabatra. Renay ny herin’ny rivotra namely ny trano, soa ihany anefa fa tsy nianjera izy. Tato aoriana dia fantatray fa nahatratra hatrany amin’ny 240 kilaometatra isan’ora ny herin’ny rivotra iny alina iny.

Nisy fitoniana avy eo. Nanararaotra izany izahay hivoahana teny ivelany sy hanontaniana ny amin’ireo Vavolombelon’i Jehovah mpifanolobodirindrina taminay. Talanjona izahay nahita ny hazo niongotra tao an-jaridainy sy ny rindrina amin’ny efitrano iray nirodana. Niandry vonjy tao amin’ny efitrano hafa ireo vehivavy telo. Nanomboka nanontany tena ny amin’ny tarehin-javatra hitan’ny Vavolombelona hafa izahay. Nivavaka tamin’i Jehovah izahay rehetra mba hiaro azy ireny.

Tany amin’ny misasakalina tany, taorian’ny adiny valo teo ho eo nampitebiteby dia nikisaka nankany atsimon’ny fitambara-nosy ilay rivo-doza. Tsy nitsahatra anefa ny varatra sy ny orana. Tamin’ny fahazavan’ireo tselatra tsy niato dia afaka nahita ireo tafo fanitso niongotra nanidina teny rehetra teny izahay. Avy eo dia niditra tao an-trano ny orana. Tamin’ny 2 ora sy sasany tamin’izay ka noheverinay fa nety ny nijery hoe nanao ahoana ireo rahalahy.

Taorian’ny fandalovan’ny rivo-doza

Rakotry ny ravin-kazo sy sampan-kazo, potika fanaka, fanitson’ny tafo niongotra ary fitaovana fampiasa ao an-tokantrano ny lalana. Ny ankamaroan’ny tsato-by dia niforitra ka nianjera tamin’ny tany. Tsy maintsy nisava lalana tao anatin’ireo poti-javatra rehetra ireo izahay. Fahitan-javatra tena nampalahelo tokoa izany! Hitanay avy eo ny mpiandraikitra prezidà sy ny fianakaviany tora-kovitra tao anaty fiara keliny. Nopaohin’ny rivo-doza ny tafo tranony ary rava ihany koa ny tranony. Fanamaivanana tokoa anefa ny nahita azy ireo velona soa aman-tsara!

Io rivo-doza io no hita fa nitondra fandravana indrindra tamin’ireo reheta namely an’i Vanuatu hatramin’ny 25 taona. Ny ranomasina nisamboaravoara dia naharendrika ny sambo rehetra, ary renay fa olona 46 no maty na tsy hita izay nanjavonany, ny ankamaroany tany an-dranomasina. Olona efa ho 4 000 no tsy nanan-kialofana intsony ary ny fahavoazana teo amin’ny fambolena sy tamin’ny fitaovana, dia notombanana ho 12 000 tapitrisa ariary eo ho eo. Na dia izany aza anefa dia faly izahay nahare fa tsy nisy tamin’ireo rahalahy namoy ny ainy na naratra.

Noforonina haingana ny komitin’ny vonjy rano vaky. Ny vavolombelon’i Jehovah any Nouvelle-Calédonie dia nandefa vatsy antsasa-taonina mahery: hanina, fitafiana sy fitaovana samihafa mba hanampiana ireo rahalahy hanorina indray ny tranony. Nanoroka anay ireo olona liana ny fahamarinana monina tany amin’ny morontsiraka hafa amin’ilay nosy rehefa nahita anay. Very ny vokatr’izy ireo, ary trano bongo tranainy iray no hany nahatohitra ny tafio-drivotra. Nanao izay hananany sakafo ampy hahavita roa andro izahay, avy eo dia niverina tany Port-Vila izahay.

Ny manam-pahefana teo an-toerana dia nandamina famonjena koa, ary nanomboka tonga ny fanampian’ireo firenena nanodidina. Koa satria nanomboka niakatra ny fofona maimbon’ny zavatra lò, dia namporisika ny mponina ny fanjakana mba hanadio ny tanàna haingana araka izay azo atao. Nanome fanipazan-kevitra ny amin’ny fitandremana tokony hatao amin’ny rano izahay mba ho fiarovana amin’ny fitaran’ny aretina toy ny tefoedra sy ny kolerà.

Ny alakamisy nanaraka dia afaka nanolotra ny fandaharana “diapositives” izahay ka nahafaly ny rehetra. Taorian’ny fivoriana, dia renay ny fimonomononan’ny resaka teo amin’ny mpanatrika. Maro taminy no mbola teo ambanin’ny fahatairana noho ny fahaverezan’ny fananany rehetra. Nefa nanana faniriana tsara dia tsara ny hanampy ny hafa sy hanome izay ilainy izy rehetra. Fampisehoana mendrika tokoa ny firaisan-tsaina kristiana re izany!

Tonga tamin’ny farany ny fotoana handaozana ireo rahalahy sy anabavy malala. Nampahery anay be dia be tokoa ny fitiavany sy ny zotom-pony. Ny fotoan-tsarotra niarahanay nandalo dia vao mainka mbola nampifanatona anay kokoa. Raha mbola niainga avy tao Port-Vila, ny fiaramanidina nitondra anay, ny fanirianay dia ny hiverina hitsidika azy rehetra. — Avy amin’ny mpamaky iray.

[Sarintany/Sary, pejy 26]

(Jereo ny gazety)

VANUATU

ESPÍRITU SANTO

Luganville

MALLICOLO

VATÉ

Port-Vila

Nouméa

NOUVELLE-CALÉDONIE

[Sary]

Port-Vila, renivohitr’i Vanuatu.

Mitory amin’ny mponin’ny nosy iray izahay.

Karazana tanàna kely fahita any.

[Sary, pejy 29]

Fifaliana toy inona moa ny mandre ny vaovao tsara!

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara