FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w88 1/10 p. 31
  • Fanontanian’ny mpamaky

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fanontanian’ny mpamaky
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
  • Mitovitovy Aminy
  • Natolotra sy nentina
    Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany
  • Natolotra sy nentina
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
  • Pilato
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Iza moa i Pontio Pilato?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2005
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
w88 1/10 p. 31

Fanontanian’ny mpamaky

■ Moa ve ny Jiosy nanana zo hamono an’i Jesosy, araka ny ampahafantarin’ny tenin’i Pilato voasoratra ao amin’ny Jaona 19:6?

Tsy misy na inona na inona mamela hahafantatra amin’ny fomba azo antoka raha nanome lalana ny Jiosy hampamono olona ny Romana tamin’izany fotoana izany.

Rehefa avy nampisambotra an’i Jesosy ireo filoha jiosy dia nanao karazam-pitsarana. Nandritra izany fotoana izany izy ireo dia “nitady teny ho entiny hiampanga lainga an’i Jesosy mba hamonoany Azy”. Tamin’ny farany, dia nambarany izy fa meloka ho niteny ratsy ka, noho izany, dia “miendrika hohelohina ho faty”. (Matio 26:59, 60, 65, 66.) Kanefa, rehefa avy “niara-nihevitra hiampanga an’i Jesosy mba hamonoany Azy” izy ireo, dia nanolotra azy tamin’i Pilato, governora romana. — Matio 27:1, 2.

Maro be no nanatsoaka hevitra avy amin’izany fa tsy nanana fahefana hampamono an’i Jesosy Kristy nifototra tamin’io fiampangana ara-pivavahana io ny Jiosy tamin’izany fotoana izany. Toa manamarina izany ny valin-teny nomeny an’i Pilato rehefa nilaza taminy ireo mba hitsara ilay voampanga araka ny lalàn’izy ireo, dia ny hoe: “Izahay tsy manam-pahefana hahafaty olona.” (Jaona 18:31). Raha inoana ny lovantsofina voatantara ao amin’ny Talmoda any Jerosalema, dia namoy ny zony hampamono ny mpanao heloka bevava ny Jiosy, efapolo taona teo ho eo talohan’ny handravana an’i Jerosalema tamin’ny taona 70.

Mahagaga àry ny tenin’i Pilato voalaza ao amin’ny Jaona 19:6. Izao tokoa no nolazain’i Pilato tamin’ireo filoha ara-pivavahana niantsoantso mafy mba hanomboana an’i Jesosy tamin’ny hazo fijaliana: “Entonareo Izy, ka homboy amin’ny hazo fijaliana; fa izaho tsy mahita izay helony.{‘ Toa manohitra izay nolazain’ny Jiosy teo aloha, araka ny Jaona 18:31, io fanambarana io.

Manome fanalahidin’io olana io angamba ilay mpanoratra tantara jiosy atao hoe Flavius Josèphe ao amin’ny fitantarany momba ny fanafihan’ny Romana an’i Jerosalema tamin’ny taona 70, dia fanafihana hitan’ny masony. Tantarainy fa tamin’io famelezana io ireo Jiosy nikomy dia niaro tena tao anatin’ny fefin’ny tempoly. Ny sasany tamin’ireo mpiady nanana tanana voaloton’ny ra ireo dia niditra tao amin’ny toerana tsy azo nidirana noho ny fahamasinany. Tezitra noho ny fandotoana izay nila noheverin’ny Romana koa ho masina ny jeneraly Titus ka nanambara hoe:

“Moa ve tsy ianareo, (...) ry mahavanon-doza ratsy indrindra, no nametraka io fefy io eo alohan’ny Fitoerana masina? Moa ve tsy ianareo no nametraka eo anelanelany, tsangambato misy soratra grika sy latina manambara fa tsy misy olona tokony hihoatra an’io fefy io? Moa ve tsy nomenay lalana ianareo hamono hahafaty izay mihoatra an’io, na dia Romana aza izy? Nahoana àry izao ianareo, ry olo-meloka, no manosihosy faty ao anatin’io fefy io?” — Na adin’ny Jiosy, nadikan’i Pierre Savinel avy amin’ny teny grika, pejy faha-484. Izahay no manipika.

Noho izany, na dia tsy nanome lalana ny Jiosy hampiasa fanasaziana ho faty aza ny Romana tamin’ny fahadisoana sivily, dia toa nanome azy izany zo izany izy, mba hanasaziana fahadisoana ara-pivavahana lehibe sasany. Nihevitra angamba ireo Jiosy izay nanolotra an’i Jesosy tamin’i Pilato fa fahendrena ny hamelana ny Romana hanao ny famonoana mba hahatonga izany hahafa-baraka kokoa, fa raha misy fanomezan’ny vahoaka tsiny, dia ireny hafa firenena ireny no hiharan’izany (Galatiana 3:13; Deoteronomia 21:23). Mety ho mba tsy hisetrana izany no nahatonga an’i Pilato hilaza tamin’izy ireo tamin’izay hoe: “Entonareo Izy, ka homboy amin’ny hazo fijaliana.” Te-hilaza tamin’izany koa angamba izy fa raha nanao fahadisoana ara-pivavahana lehibe ihany i Jesosy, dia anjaran’ireo filoha jiosy ny nandray andraikitra hamono hahafaty azy.

[Sary, pejy 31]

Ireo soratra avy amin’ny kianjan’ny tempoly io (jereo ny meday kely) dia nandrara ny Jentilisa tsy handroso hihoatra ny manda kelin’ny tempoly.

[Sary nahazoan-dalana]

Sary mampiseho ny tanànan’i Jerosalema tamin’ny andron’ny tempoly faharoa (aseho ao ambany rihana amin’ny hotely Holyland, any Jerosalema)

[Sary nahazoan-dalana]

Pictorial Archive (Tantaran’ny Atsinanana Akaiky)

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara