Miova ny fanapahana an’izao tontolo izao
RAHA manan-tsafidy ianao, karazana fitondram-panjakana inona no ho tianao hitarika anao? Amin’ny ankamaroany angamba isika, dia hifidy fitondram-panjakana iray tsy miovaova, izay hamela fahalalahana sasany ho antsika. Hifidy fitondram-panjakana iray afaka handresy ny fanaovana heloka bevava sy hampandroso ny fiadanana, ny fahamarinana ara-tsosialy ary ny fanambinana ara-nofo isika. Tsy isalasalana fa ho tia kokoa fitondram-panjakana iray, izay tsy mampahory sady tsy mandray kolikoly isika.
Mampalahelo anefa fa tsy toy izany no miseho amin’ny ankamaroan’ny fitondram-panjakana. Manao ahoana moa ny toetran’izao tontolo izao tao anatin’izao tapany faharoa amin’ny taonjato faha-20 izao? Fahantrana, fandraisana kolikoly, tsy fahaizana, fampahoriana, tsy fitoviana ara-tsosialy, heloka bevava ary fihenjanana iraisam-pirenena, izany no zava-miseho isan’andro eto amin’izao tontolo izao ankehitriny, rehefa nanapaka an’arivony taona maro ny olombelona.
Marina fa nisy ihany mpitondra fanjakana vitsivitsy naningana, izay niseho ho tsy niangatra sady nahay, na endri-pitondram-panjakana izay azo lazaina fa tsy niovaova sy nahomby nandritra ny fotoana iray. Amin’ny fitambarany anefa ireo fitondram-panjakana, dia tsy nitondra ho an’ny olombelona izay tokony ho nantenainy avy aminy. Milaza ny marina àry ny Baiboly: “Tsy an’ny olombelona ny làlan-kalehany, na an’ny mpandeha ny hahalavorary ny diany.” (Jeremia 10:23). Raha lazaina amin’ny teny hafa dia tsy natao hanapa-tena irery ny olona.
Izany no maha-zava-dehibe ny hahalalana fa efa hiova izao ny fanapahana an’izao tontolo izao. Inona no hevitr’izany? Fa tsy ho ela ny fiainan’ny olombelona dia hotarihin’ny fitondram-panjakana iray, karazany vaovao tanteraka sady hahomby amin’ny asany. Io fiovam-pitondrana tanteraka io dia nambaran’Andriamanitra; raha ny marina, ny Baiboly iray manontolo dia mifantoka amin’io foto-kevitra io.
Miahy ny amin’ny fanapahana an’izao tontolo izao Andriamanitra
Hatramin’izay Andriamanitra dia niahy ny amin’ny fomba anapahana ny olombelona. Arahiny akaiky hoe hatraiza no anatanterahan’ireo fitondram-panjakan’olombelona ny andraikiny, ary indraindray dia manadina azy ireny izy. Ny Baiboly koa dia nanambara mialoha ny tantaran’ny herim-panjakana sasany izay nanamarika ireo 2 500 taona farany. Ny bokin’i Daniela, nosoratana 500 taona mahery talohan’ny nahaterahan’i Kristy, dia mirakitra faminaniana nanambara ny fianjeran’i Babylona fahiny, na koa ny fiakarana sy ny fianjeran’ny Empira mediana sy persiana, Grisia sy Roma. Nilaza mialoha mihitsy ny fiforonan’izay ho tonga ny Herim-panjakana anglisy amerikana amin’izao androntsika izao aza ireny faminaniana ireny. Amin’ny fandinihana fohy ny sasany amin’ireny faminaniana ireny, dia ho takatsika tsaratsara kokoa hoe nahoana no azo lazaina fa hiova ny fanapahana an’izao tontolo izao.
Ny voalohany amin’ireny faminaniana mahatalanjona ireny, dia nofy iray azo avy tamin’ny tsindrimandrin’Andriamanitra, ahitana sariolona lehibe iray mampiseho ireo herim-panjakana ara-politika izay nifandimby nanomboka tamin’ny andron’i Daniela ka hatramin’izao androntsika izao. Ao amin’io nofy io, ny vato iray niendaka tsy tamin’ny tanan’olombelona dia namely ilay sary ary nanorotoro azy. Nanamontsana ireny herim-panjakana ireny izy ka tonga ‘toy ny akofa eo am-pamoloana fahavaratra, ary nopaohin’ny rivotra ka tsy nisy hitoerany’ ireny. — Daniela 2:31-43.
Manome ny hevitr’ilay nofy ny tohin’ilay toko. Araka izany dia fantatra fa ny fitondram-panjakan’olombelona tsy nahomby dia hosoloana anankiray ambony lavitra. Izao no vakintsika: “Ary amin’ny andron’ireo mpanjaka ireo, Andriamanitry ny lanitra dia hanorina fanjakana izay tsy ho rava mandrakizay. Ary izany fanjakana izany tsy havela ho an’olon-kafa, fa ireo fanjakana rehetra ireo [ny an’olombelona] dia hotorotoroiny sy holevoniny, fa izy kosa hitoetra mandrakizay. (...) Marina ny nofy, ary tsy maintsy ho to ny heviny.” — Daniela 2:44, 45.
Tsy izany ihany anefa, Ao amin’ny fahitana faharoa, dia hita ny biby lehibe mampiseho ny fifandimbiasan’ireo herim-panjakana. Manana ireo toetoetra mampiavaka ilay herim-panjakana asehony ny tsirairay avy taminy. Nomena an’i Daniela tamin’izay fotoana izay ny fahafahana hahita tany an-danitra ny seza fiandrianana lehiben’ny “Fahagola”, ary naseho tamin’ilay mpaminany ireo fisehoan-javatra tsy ho tanteraka amin’ny androny, fa rehefa hanapaka kosa ny Herim-panjakana anglisy amerikana, dia amin’izao androntsika izao izany. Nahita ny Fitsarana be voninahitr’Andriamanitra naka toerana mba hitsara ireo herim-panjakana ireo izy (Daniela 7:2-12). Araka ny tondroin’ireo andininy manaraka, dia navoaka ny didim-pitsaran’Andriamanitra: hiova ny hitondra ny fanapahana. Iza no homena izany?
Nomena an’ilay toy ny zanak’olona
Indro ny valin-teny manaitra nomen’i Daniela:
“Ary mbola nahita tamin’ny fahitana tamin’ny alina ihany aho, ary, indro, nisy toy ny zanak’olona avy tamin’ny rahon’ny lanitra, ary nankeo amin’ny Fahagola Izy, dia nampanakekeny teo anatrehany. Ary nomena fanapahana sy voninahitra ary fanjakana Izy, mba hanompoan’ny fokom-pirenena sy ny firenena ary ny samy hafa fiteny rehetra Azy; ny fanapahany dia fanapahana mandrakizay ka tsy ho tapaka, ary ny fanjakany tsy ho rava.” — Daniela 7:13, 14.
Tahaka izany no nampiasana an’i Daniela mba hanambara fa ny “Fahagola”, ny tenan’i Jehovah Andriamanitra mihitsy, no hamarana ireo fitondram-panjakan’olombelona mampahory sy ny fomba fitantanany ratsy. Hosoloany fitondram-panjakana iray izay hihoatra izay mety ho fanantenan’ny olombelona rehetra izy ireny, dia fanjakana iray tsy hita maso, hanapaka sy hampihatra ny fahefany avy any an-danitra. Iza àry io “toy ny zanak’olona” izay tokony hahazo ny fanjakana io?
Tsy misy isalasalana ny hoe iza moa izy io. Ny tenan’i Jesosy mihitsy no nilaza fa izy no “Zanak’olona”. Ny fanatrehany, araka ny fanazavany, dia hifanitsy amin’ny fotoana ‘hahatongavan’ny Zanak’olona amin’ny voninahiny, arahin’ny anjely rehetra’. (Matio 25:31.) Rehefa nangatahin’ny mpisoronabe jiosy izy mba hilaza mazava amin’ny fitsarana raha “Kristy, Zanak’Andriamanitra” marina tokoa izy, dia hoy ny navaliny: “Voalazanao; ary koa, lazaiko aminareo, hatramin’izao dia ho hitanareo ny Zanak’olona mipetraka eo amin’ny tànana ankavanan’ny Hery sy avy eo amin’ny rahon’ny lanitraa.” — Matio 26:63, 64.
Ny herim-panjakan’olombelona farany
Taonjato enina teo ho eo taorian’i Daniela, dia nanoratra teo ambany tsindrimandrin’Andriamanitra boky iray ao amin’ny Baiboly, ny Apokalypsy, ny apostoly Jaona. Miresaka ny amin’ireny herim-panjakana ireny ho toy ny “mpanjaka” mahery io boky io: “Ary mpanjaka fito ireo: efa lavo ny dimy, fa ny iray mbola eo ihany, ary ny iray koa mbola tsy tonga; ary rehefa tonga izy, dia tsy maintsy mitoetra kelikely.” — Apokalypsy 17:10.
Ny dimy efa lavo tamin’ny fotoana nanoratan’i Jaona dia Egypta, Asyria, Babylona, ny Empira mediana sy persiana ary Grisia. Mbola ‘teo’ ny Empira romana. Marina fa ny fahafito, izany hoe ny Herim-panjakana anglisy amerikana amin’izao fotoana izao, dia tsy mbola nisy tamin’izany fotoana izany. Mampahafantatra antsika ny Apokalypsy fa tsy tokony hisy herim-panjakana ho velona aorian’ilay fahafito, izany hoe ilay eo amin’ny toerany amin’izao androntsika izao. Izy io àry no ho farany, aorian’izany dia tsy hisy hafa!
Aoka anefa tsy hampitahotra antsika izany hevitra izany, fa hahafaly antsika kosa! Indro tokoa manatona ny fiafaran’ny fanapahana tsy marina sady masiakan’ny olombelona. Araka ny asehon’ny faminaniana rehetra, dia hahita fiovam-pahefana malaza ny tany: avy eo amin’ny fanapahan’ny olombelona feno fitiavan-tena izy dia ho lasa eo ambanin’ny an’ny Fanjakan’Andriamanitra, izay hampiharina araka ny rariny avy any an-danitra.
Ilay Fanjakana
Inona moa io Fanjakana io? Mihoatra lavitra noho ny fironana ho amin’ny tsara fotsiny, izay hoe hipetraka ao am-pon’ny olona sy ao amin’ny fiainany izany. Mbola mihoatra lavitra noho ny fiainan’izay lazaina fa Eglizy kristiana koa izany. Tena fitondram-panjakana, misy mpanjaka iray, mpitondra manampy azy, faritra anapahana ary vahoaka entina ny Fanjakan’Andriamanitra. Hitondra ireo soa mahatalanjona noresahina tetsy ambony izy io.
Ekena fa Jesosy no Mpanjakan’io Fanjakana io. Indray andro dia nampitaha ny tenany tamin’ny andriandahy anankiray “nandeha nankany an-tany lavitra mba handray fahefana hanjaka, dia hiverina”, izy. Mikasika izany fisehoan-javatra mbola ho avy izany, dia hoy ny nambarany: “Raha tonga ny Zanak’olona amin’ny voninahiny, arahin’ny anjely rehetra, dia hipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianan’ny voninahiny Izy.” — Lioka 19:12; Matio 25:31.
Oviana no tokony ho tonga “ny Zanak’olona”? Tsy ilaina ny hitadiavana ny valiny lavitra. Ny teny notononin’i Jesosy tetsy aloha dia tapany amin’ny valim-panontaniana nomeny: “Lazao aminay (...) izay ho famantarana ny fihavianao [fanatrehanao, MN ] sy ny fahataperan’izao tontolo izao [fifaranan’ny fandehan-javatra, MN ]?” (Matio 24:3, 30). Araka izay nasehon’ny pejin’ity gazety ity matetika, izany “fanatrehana” izany dia nanomboka tamin’ny fomba tsy hita maso tany an-danitra, tamin’ny faran’ny andron’ny jentilisa [fotoana voafetra ho an’ireo firenena, MN ]” tamin’ny 1914b. — Lioka 21:24.
Araka ny nanambarana azy mialoha tao amin’ny Apokalypsy toko faha-12, Jesosy dia nandray ny fahefana avy eo, ary nandroaka an’i Satana avy tany an-danitra ka namarina azy tetỳ amin’ny manodidina ny tany. Nanambara ny feo iray tany an-danitra hoe: “Ankehitriny dia tonga ny famonjena sy ny hery sy ny fanjakan’Andriamanitsika ary ny fahefan’ny Kristiny, satria nazera ilay mpiampanga ny rahalahintsika.” Izany no manazava ny fiharatsian’ny tarehin-javatra hitan’izao tontolo izao hatramin’io daty io. Manohy toy izao ilay feo: “Loza ho an’ny tany sy ny ranomasina, fa nidina ho aminareo ny Devoly, sady manana fahatezerana lehibe, satria fantany fa kely sisa ny androny.” — Apokalypsy 12:9-12.
Hifarana izao io ‘andro kely sisa’ io. Toko vitsivitsy manaraka ao amin’ny Apokalypsy, dia aseho mitaingina soavaly fotsy Jesosy nomem-boninahitra. Antsoina hoe “Ny Tenin’Andriamanitra” izy; ‘hamely ny firenena’ izy sady “hanapaka azy amin’ny tehim-by”. Izany dia mampahatsiahy ny fanazavan’i Daniela, izay nilaza fa tokony hotorotoroin’ny Fanjakan’Andriamanitra oharina amin’ny vato iray nitombo ka nahafeno ny tany manontolo, ny firenena. — Apokalypsy 19:11-16; Daniela 2:34, 35, 44, 45.
Na oviana na oviana dia tsy hampahorin’ireo hery ara-politika entin’olombelona azo oharina amin’ny biby intsony, ny olombelona!
Mpanjaka ampiarahina amin’i Kristy
Tsy mbola izay ihany anefa. Teo ambany tsindrimandrin’Andriamanitra, dia nilaza Daniela fa tsy homena ho an’izay “toy ny zanak’olona” ihany akory ny Fanjakana, fa ho an’ny “olo-masin’ny Avo indrindra” koa. — Daniela 7:27.
Iza moa ireo olona ireo? Raha miresaka ny Zanak’ondry, Jesosy Kristy, ny Apokalypsy, dia milaza amintsika momba azy ireo: “Ary ny ranao no nanavotanao ho an’Andriamanitra olona avy tamin’ny fokom-pirenena rehetra sy ny samy hafa fiteny sy ny olona ary ny firenena rehetra; ary efa nataonao fanjakana sy mpisorona ho an’Andriamanitsika ireo ary manjaka ambonin’ny tany izy.” Ary koa: “Ho mpisoron’Andriamanitra sy Kristy ireo ka hiara-manjaka aminy arivo taona.” Fantatra ny isany: 144 000. — Apokalypsy 5:9, 10; 14:1; 20:6.
Voaforon’ireo izay nofidin’Andriamanitra mba hanana anjara amin’ny fitondram-panjakana eo amin’izao rehetra izao miaraka amin’ny Zanany, Jesosy Kristy, ireo olona ireo. Moa ve mety hisy fitantanana tsaratsara kokoa ho an’ny ho avintsika noho ny an’ireo izay nofidin’Andriamanitra? Tsia. Io Fanjakana io no ho Fitondram-panjakana tsara indrindra sady ambony lavitra noho izay rehetra hitan’ny olombelona hatramin’izay. Ho tonga ilay Paradisa noheverin’Andriamanitra tany am-boalohany ny tany eo ambany fanapahany.
Ao amin’ny lahatsoratra manaraka, dia jereo raha ho tianao na tsia ny hotarihin’izany karazam-pitondram-panjakana izany.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Ny Firaketana Vaovao katolika amin’ny teny anglisy, dia manambara izao momba ny fahitan’i Daniela: “Toa tsy misy isalasalana fa eto Daniela dia miresaka ny amin’ny fisehoan-javatra iray manana heviny mandrakizay amin’ny faran’ny fotoana.” Ary koa: “Ny fanambaran’i Jesosy teo anoloan’ny Synedriona dia porofo tsy azo lavina fa tokony hekena fa izy no Zanak’olona; filazana hentitra ny amin’ny fiakarany eo amin’ny fahefana koa izany.”
b Jereo Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1 Novambra 1982 sy ny tamin’ny 1 Oktobra 1984.
[Efajoro, pejy 4]
“Ny foto-kevitra niorenan’ny fampianaran’i Jesosy”
“Ny foto-kevitry ny fanjakan’Andriamanitra dia nitana ny toerana fototra teo amin’ny fitorian’i Jesosy.” — Firaketana Vaovao katolika (angl.).
“[Ny Fanjakan’Andriamanitra] dia heverina ho toy ny foto-kevitra niorenan’ny fampianaran’i Jesosy amin’ny ankapobeny.” — Firaketana britanika.
Oviana moa no nandrenesanao farany an’io “foto-kevitra niorenan’ny fampianaran’i Jesosy” io tany am-piangonana?
[Efajoro, pejy 5]
Ny fisafotofotoana momba ny Fanjakan’Andriamanitra
Mihevitra ny sasany fa “ny Eglizy eto an-tany” no Fanjakan’Andriamanitra, raha mbola mino ny hafa fa izao tontolo izao ankehitriny dia “handroso eo ambany fitaoman’ny kristianisma ka ho tonga ny Fanjakana.” Milaza koa ny hafa fa ny Fanjakan’Andriamanitra dia “ny fiandrianan’Andriamanitra ao am-po sy ao amin’ny fiainan’ny olona anankiray”.
Nefa moa ve azo fintinina ho toy izany ny Fanjakan’Andriamanitra — dia rafitra ara-pivavahana, fiovana miandalana ara-politika, na toetra ara-panahy sasany ao am-pon’ny olona?