Manjary hendry noho ny ‘sazy’
IZAO no vakina ao amin’ny Ohabolana 21:11: “Raha ampijalina [sazina, MN ] ny mpaniratsira, dia ho hendry ny kely saina; ary raha toroan-kevitra ny hendry, dia hahazo fahalalana izy.”
Matetika no sarotra amin’izay “kely saina” ny mahatakatra hoe nahoana no ratsy ny fanarahana fitondrantena sasany. Mety ho nisy anefa fotoana nandinihany “mpaniratsira” iray — olona manamavo ireo fotopoto-pitsipika ao amin’ny Tenin’Andriamanitra — voafandriky ny faharatsiany ka iharan’ny “fahoriana sy ny fangirifiriana”. (Ohabolana 1:27.) Teo ambanin’ny Lalàn’i Mosesy, izay nanjary meloka noho ny fanaovan-dratsy dia nety ho voatery handoa “onitra” (Jérusalem), na ‘sazy’. — Jereo Eksodosy 21:22; Deoteronomia 22:19.
Inona no ho vokatr’izany eo amin’ny kely saina? Rehefa nandinika ny vokatry ny fitondrantena tsy mendrika nananan’ilay ratsy fanahy izy, dia mety ‘hanjary ho hendry’ sy hanapa-kevitra ny tsy hiditra ao amin’ny lalan’ny olona toy izany (jereo Ohabolana 19:25). Tsy mba sahala amin’ny kely saina kosa, ny “hendry” dia efa mahalala sahady noho ny zavatra efa tsapany sy ny fandinihany ary ny fahalalany ireo fotopoto-pitsipika ao amin’ny Baiboly fa ratsy na tsy mahasoa ny karazam-pitondrantena sasany. Tsy mila ny ho vavolombelon’ny vokatra manimban’ny fanaovan-javatra sasany foana izy mba hiaikena fa ratsy izany. Amin’izany izy dia hanjary hahira-tsaina, amin’ny fianarana fotsiny fa tsy amin’ny fanandramana mangidy.