Ny nahaterahan’i Jesosy: angano ve?
NY NAHATERAHAN’I Kristy dia heverina ho fiandohan’ny fety lehibe indrindra eo amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana. Misy fifanoheran-javatra anefa amin’ny lafiny maro satria mpitondra fivavahana maro no mihevitra ho angano ireo fitantaran’ny Filazantsara momba ny nahaterahan’i Jesosy. Izao ohatra no nolazain’ny The Interpreter’s Bible momba ny fitantarana ny fitsidihan’ireo mpanandro, na “magy”, araka ny itantaran’i Matio azy: “Sarotra ny mahafantatra na namboamboarina ny fitantarana na tena nitranga tokoa aza izany zavatra izany. Na ny vidiny na ny halehiben’io tantara io dia tsy miankina amin’ny fahamarinany; tokony hoheverina ho toy ny hairaha kosa izany.”
Ireo izay manao fanakianana toy izany dia matetika no milaza fa tsy manome andinindininy ampy momba ny fahaterahan’i Kristy ireo Filazantsara ka hoe tokony hoheverina ho tena nisy. Lavin’i Alfred Edersheim toy izao anefa io fanaporofoan-kevitra io ao amin’ny bokiny hoe Ny fiainana sy ny andron’i Jesosy Mesia (anglisy): “Azo atao ny manantitrantitra tsy mety hisy fahadisoan-kevitra fa raha an’eritreritra fotsiny ny fisehoan-javatra, dia tsy hisy mihitsy fitantarana tsy ara-tsindrimandry na araka ny angano ho kely andinindininy na tsy hisy mihitsy tahaka an’io. Raha ny marina, ny itovian’ny angano sy ny lovantsofina dia ny fanandramany foana manindrahindra ireo olo-malazany sy ny fanampiana andinindininy tsy ho eo raha tsy noho izany.”
Nahoana moa ny Filazantsara no tsy manome afa-tsy andinindininy vitsy momba ny nahaterahan’i Jesosy? Voalohany indrindra, dia satria ny nahafatesan’i Jesosy fa tsy ny nahaterahany no mifono heviny lehibe (Matio 20:28). Manaraka izany, araka ny nampahatsiahivin’i Alfred Edersheim, “ireo Filazantsara dia tsy nokendrena hanomezana fitantarana ny fiainan’i Jesosy, na hilazana ny fotopoto-javatra amin’izany akory aza; ireto zava-kendrena roa ireto ihany no tratrariny: izay mamaky izany dia tokony ‘hino fa Jesosy no Kristy Zanak’Andriamanitra’, ary rehefa mino izy ireny dia ‘hanana ny fiainana noho ny anarany’ ”.