Ny fiterahana amin’ny andro farany: andraikitra mavesatra’
‘Aoka izy hanapaka tsara ny zanany.’ — 1 TIMOTY 3:12.
1. Inona moa no faniriana voajanahary ananan’ny ankamaroan’ny vehivavy, ary ahoana no isehoan’izany raha mbola vao kely izy?
TSY azo lavina fa loharanom-pifaliana ny zanaka. Na dia mahery kokoa aza ny faniriana ho reny eo amin’ny vehivavy sasany, dia voajanahary izany. Any amin’ny tany tandrefana maro, raha mihevitra misimisy kokoa ny fiarakodia ny ankizilahy kely, amin’ny ankapobeny kosa dia tian’ny ankizivavy kely ny milalao saribakoly, dia saribakoly tadiavin’ny mpanamboatra hatao tena izy araka izay azo atao. Ankizivavy kely maro no miandry ny andro hahafahany hitrotro, tsy saribakoly, fa olombelona kely mafana, mitoreoreo mahafinaritra, izay ho zanany.
Ny fifaliana sy ny andraikitra
2. Ahoana no tokony hiheveran’ny ray aman-dreny ny zaza vao naterany, ary tokony ho vonona ny hanao inona izy ireo?
2 Ny andraikitry ny ray aman-dreny dia mitaky ny hiheverany ny zaza vao naterany, tsy ho toy ny saribakoly, fa ho toy ny olombelona, noho ny fahafantarana fa tsy maintsy hampamoahina ny amin’ny fiainany sy ny ho aviny eo anatrehan’ny Mpamorona izy ireo. Rehefa miteraka ny tena dia tokony ho vonona ny hiantsoroka andraikitra mavesatra sy hizatra amin’izany tarehin-javatra vaovao izany. Manaiky ny tena fa hanome sakafo, hanafy, hikarakara ary hanome fianarana ho an’io zanaka io mandritra ny roapolo taona, tsy misy fahafantarana izay ho vokatry ny fiezahana be dia be toy izany.
3. Nahoana moa no mihatra amin’ny ray aman-dreny kristiana maro ny Ohabolana 23:24, 25.
3 Soa ihany fa ny zanaky ny kristiana maro dia tonga mpanompo mahatokin’i Jehovah. Ny sasany tamin’ireny kristiana ireny dia nahita ny zanany nitombo, avy eo dia nanomboka ny asa manontolo andro teo amin’ny laharan’ny mpitory maharitra, misionera na anisan’ny fianakavian’ny Betela. Mihatra amin’ny ray aman-dreny toy izany tokoa ity ohabolana ity: “Hifaly dia hifaly ny rain’ny marina, ary izay miteraka zaza hendry hanam-pifaliana aminy. Aoka ho faly ny rainao sy ny reninao, eny, aoka ho ravoravo ny reninao izay niteraka anao.” — Ohabolana 23:24, 25.
Ny fanaintainan’ny ray aman-dreny
4, 5. a) Fepetra araka ny Baiboly inona moa no tokony hofenoin’ny loholona sy ny mpikarakara momba ny asa manana zanaka? b) Ahoana moa no nahatonga ny zanaka sasany ‘hahabe fahoriana ny rainy’?
4 Tsy toy izany foana anefa no izy, na dia ny amin’ny zanaky ny loholona aza. Izao no nosoratan’ny Paoly: “Koa ny mpitandrina [mpiandraikitra, MN ] dia tsy maintsy ho tsy manan-tsiny, manam-bady tokana, (...) manapaka tsara ny ankohonany, mampanaiky ny zanany amin’ny fahamaotinana tsara (fa raha misy olona tsy mahay mitondra ny ankohonany, hataony ahoana no fitandrina ny fiangonan’Andriamanitra?).” Izao no teny nanampin’i Paoly: “Aoka ny diakona [mpikarakara momba ny asa, MN ] samy hanam-bady tokana sady hanapaka tsara ny zanany sy ny ankohonany.” — 1 Timoty 3:2-5, 12.
5 Mazava ho azy fa tsy azo heverina ho tompon’andraikitra ny amin’ny zanany ireo loholona sy ireo mpikarakara momba ny asa rehefa tonga olon-dehibe izy ireny ka tsy maniry hanohy hanompo an’i Jehovah intsony. Na dia izany aza, dia tompon’andraikitra ihany izy ny amin’ireo zanany tsy ampy taona sy ireo efa be taona kokoa, nefa mbola miray trano aminy ihany. Nisy loholona sy mpikarakara momba ny asa namoy tombontsoam-panompoana sarobidy satria naneho tsy firaikana na tsy nahavita ny adidiny araka ny Baiboly natao ‘hanapahana tsara ny zanany sy ny ankohonany’. Ho an’ireny ray ireny, sy ho an’ny maro hafa koa, dia loharanom-pahoriana kokoa fa tsy fifaliana ny zanaka. Impiry impiry akory moa no voamarina ity ohabolana ity: “Ny zanaka adala mahabe fahoriana ny rainy.” — Ohabolana 19:13.
Andraikitra amin’ny maha-ray
6. Inona avy moa no fanontaniana tokony hapetraky ny lehilahy kristiana manambady amin’ny tenany?
6 Ny lehilahy kristiana manambady rehetra, na manana andraikitra eo anivon’ny kongregasiona izy na tsia, dia hahatsiaro koa fa mety hosedraina ny fiainana ara-panahin’ny vadiny raha tsy maintsy mikarakara ankizy kely izy. Raha tsy matanjaka eo amin’ny lafiny ara-panahy ny vehivavy kristiana iray, inona no ho vokatry ny fiandraiketana zaza iray na maromaro eo amin’ny fianarany manokana sy ny fandraisany anjara amin’ny asa fitoriana?
7. Inona moa no nitranga tamin’ny vehivavy kristiana sasany, ary inona matetika no nahatonga izany?
7 Hitan’ny lehilahy manambady foana ve fa ny fikarakarana zaza vao teraka na ankizy kely dia misakana ny vadiny tsy handray soa amin’ny fomba feno amin’ny fianarana ny bokin’ny kongregasiona, ireo fivoriana ao amin’ny Efitrano Fanjakana, mbamin’ny fivoriamben’ny fizaran-tany sy distrika? Izany tarehin-javatra izany anefa dia mety haharitra volana maro, taona maro mihitsy aza, rehefa mifanesy ny zaza teraka. Hita matetika fa eo an-tsoroky ny reny indrindra no mitambesatra izany entana izany fa tsy eo amin’ny an’ny ray. Voamarika anefa indraindray fa misy lehilahy kristiana mandroso eo amin’ny lafiny ara-panahy ary anankinana andraikitra ao amin’ny kongregasiona, kanefa ao anatin’izany fotoana izany ihany koa, dia mihaosa ny vadiny. Inona no antony? Matetika dia satria ireo zanany kely misakana azy ireny tsy hampifantoka ny sainy mandritra ireo fivoriana, handalina ny Baiboly na handray anjara amin’ny fomba feno amin’ny asa fanaovana fanambarana. Azo lazaina ho tompon’andraikitra ve ny maha-ray izay mahatonga fisian’ny tarehin-javatra toy izany?
8. Inona moa no ataon’ny ray maro mba hiaraha-mitondra ny entana amin’ny fikarakarana ireo zanany, ary soa inona no raisin’ny reny avy amin’izany?
8 Soa ihany fa tsy toy izany foana no izy. Raim-pianakaviana kristiana maro be no manao izay rehetra azony atao mba hiara-mitondra ny entana amin’ny fikarakarana ireo zanany. Tanterahiny amin’ny fomba feno ny andraikitra ananan’izy ireny koa amin’ny fiahiana ny tsy hitabataban’ireo zanany mandritra ireo fivoriana; raha manomboka mitomany ny zanany kely na manjary mitabataba ny zanany efa lehibe kokoa, dia tsy misalasala izy ny hiara-hivoaka aminy mba hampihatra aminy famaizana mety; nahoana no ho ny reny ihany no tokony tsy hanatrika tapany amin’ny fivoriana? Ao an-trano, ny ray tia mamalifaly dia manampy ny vadiny hanatontosa asa sasany sy hampatory ny ankizy; amin’izany ny lehilahy sy ny vadiny dia manana fotoam-pahatoniana mba hifantohana amin’ny raharaha ara-panahy.
9. Inona moa no manaporofo fa tsy manasarotra ny atao foana akory ny zanaka?
9 Rehefa misy fandaminana tsara ao anatin’ny kongregasiona, ny reny tanora dia afaka ny ho mpitory maharitra mpanampy; ny sasany aza mpitory maharitra mandavantaona. Tsy misakana ny atao foana àry ny zanaka; ary raha ny marina, dia ray aman-dreny kristiana maro be no maneho fitiavana tsara ny asan’ny mpitory maharitra.
Tsy miteraka, nefa sambatra
10. Inona moa no fanapahan-kevitra nataon’ny mpivady sasany, ary soa inona no nentin’izany ho azy ireny?
10 Ny mpivady tanora sasany dia nanao fanapahan-kevitra ny tsy hiteraka. Na dia tia avy hatrany ny ho reny toy ny vehivavy hafa aza ny vehivavy kristiana sasany dia nanaiky hanao izany sorona izany, nifanaraka tamin’ny vadiny, mba hanokanan-tena amin’ny fomba feno amin’ny asan’i Jehovah. Maro tamin’izy ireny no tonga mpitory maharitra na misionera. Ireo taona lasa dia miteraka ao amin’ny fahatsiarovana fankasitrahana. Marina fa tsy niteraka izy ireny, nefa azo lazaina hoe niteraka mpianatra vaovao, izay maharitra amim-pahatokiana ao amin’ny fanompoam-pivavahana amin’i Jehovah. Ireny ‘tena zanaka amin’ny finoana’ ireny dia tsy hanadino na oviana na oviana ny olona nahatonga azy ho afaka hahafantatra “ny tenin’ny fahamarinana”. — 1 Timoty 1:2; Efesiana 1:13; jereo koa 1 Korintiana 4:14, 17; 1 Jaona 2:1.
11. a) Ahoana moa no anompoan’ny mpivady maro tsy niteraka an’i Jehovah, ary nahoana no tsy mahatsiaro nenina izy ireny? b) Andinin-teny inona ao amin’ny Soratra Masina moa no mihatra amin’ny mpivady rehetra izay tsy miteraka hatrany “noho ny fanjakan’ny lanitra”?
11 Maneran-tany, dia mpivady maro izay namoy ny fifaliana amin’ny maha-ray aman-dreny no afaka nanompo an’i Jehovah tamin’ny asan’ny fizaran-tany na ny distrika, na tao amin’ny Betela. Izy ireny koa dia sambatra nanokana ny fiainany ho amin’ny asan’i Jehovah sy ireo rahalahiny tamin’ireny asa manokana ireny. Tsy mahatsiaro nenina mihitsy izy ireny. Raha tsy nahita fifaliana niteraka izy ireny, tamin’ny asany avy, izy ireo dia manana anjara lehibe eo amin’ny fandrosoan’ny asan’ilay Fanjakana. Marina tokoa fa ity andinin-teny ao amin’ny Soratra Masina manaraka ity dia mihatra amin’ireny mpivady rehetra ireny izay tsy niteraka hatrany “noho ny fanjakan’ny lanitra”: “Andriamanitra tsy mba tsy marina hanadino ny asanareo sy ny fitiavana izay nasehonareo ho voninahitry ny anarany, raha nanompo ny olona masina hianareo sady mbola manompo ihany.” — Matio 19:12; Hebreo 6:10.
Raharaha manokana
12. a) Nahoana moa no tombontsoa lehibe ny fiterahana? b) Oviana moa ny fiterahana no anisan’ny asa nankinin’i Jehovah tamin’ireo mpanompony teto an-tany?
12 Araka ny hitantsika teo am-piandohan’ny lahatsoratra teo aloha, ny fiterahana dia fanomezan’Andriamanitra (Salamo 127:3). Izany dia tombontsoa lehibe tsy ananan’ireo zavaboariny ara-panahy (Matio 22:30). Tamin’ny fotoana sasany, ny fiterahana dia anisan’ny asa nankinin’i Jehovah tamin’ireo mpanompony eto an-tany; izany no hita tamin’i Adama sy Eva mbamin’ireo tafita velona tamin’ny safodrano (Genesisy 1:28; 9:1); nirin’i Jehovah koa ny hihamaroan’ny zanak’Isiraely tamin’ny alalan’ny fiterahana. — Genesisy 46:1-3; Eksodosy 1:7, 20; Deoteronomia 1:10.
13, 14. a) Inona moa no azo lazaina ny amin’ny fiterahana amin’izao androntsika izao, ary fanakianana inona no tsy ho tsara? b) Na dia raharaha manokana aza izany, torohevitra inona moa no omena ireo izay mieritreritra ny hiteraka amin’izao fotoan’ny farany izao?
13 Raha lazaina tsotra, ny fiterahana dia tsy anisan’ny asa ampiandraiketin’i Jehovah ny olony amin’izao andro izao. Mbola tombontsoa omeny foana an’ireo mpivady maniry izany anefa izy io. Noho izany, dia tsy tokony hokianina ireo kristiana izay mifidy ny hanorina fianakaviana, na ireo tapa-kevitra ny tsy hanao toy izany.
14 Koa satria raharaha manokana izany, dia anjaran’ny mpivady tsirairay avy ny manapa-kevitra na hiteraka izy na tsia amin’izao fotoan’ny farany izao. Kanefa, satria “efa fohy ny andro”, dia ho tsara raha lanjalanjain’ny mpivady amim-pitandremana sy ao amin’ny vavaka ireo tombontsoa sy ireo tsinin’ny toeran’ny ray aman-dreny amin’izao androntsika izao (1 Korintiana 7:29). Ireo izay tapa-kevitra ny hiteraka dia tokony hahatsapa amin’ny fomba feno, tsy ny fifaliana entin’ny fianakaviana ihany, fa ireo andraikitra entin’izany koa sy ireo fahasahiranana mety ho hitan’izy ireo, dia izy sy ireo zanaka haterany.
Rehefa tsy nandrasana ilay zanaka
15, 16. a) Toe-tsaina manao ahoana moa no tsy tokony hananana rehefa mitranga ny fananana anaka tsy nampoizina, ary nahoana? b) Ahoana no tokny hiheverana izay rehetra mety ho zanaka, ka andraikitra inona no tafiditra amin’izany?
15 Mety hilaza ny sasany hoe: ‘Tsara dia tsara tokoa izany rehetra izany; nefa inona no hatao raha tonga tsy nandrasana ilay zanaka?’ Mpivady maro tao anatin’izany tarehin-javatra izany no nahafantatra tanteraka fa tsy fotoana tsara indrindra hiterahana tamin’izay; ary ny sasany dia nanao ny asa manontolo andro hatramin’ny taona maro. Ahoana amin’izany no hiheverana ny fahatongavan’ny zazakely iray tsy nandrasana?
16 Eo koa dia mandray anjara ny maha-tompon’andraikitra ny ray na ny reny. Marina fa mety tsy hampoizina ny fananana anaka, kanefa tsy hihevitra ilay zaza hateraka ho tsy faniry ny kristiana. Na toy inona na toy inona fiovana ateraky ny fahatongavany eo amin’ny fiainan’izy ireo, dia azo antoka fa tsy hanome tsiny ilay zanaka izy. Moa ve izy ireo tsy tompon’andraikitra amin’ny fahatorontoronany? Rehefa eo izy izao, dia tokony hanaiky ny toerany vaovao izy ireo, noho ny fahafantarana fa amin’ny fomba iray na amin’ny fomba hafa, ny “fotoana sy fisehoan-javatra tsy nampoizina” dia mitranga amin’ny olombelona rehetra (Mpitoriteny 9:11, MN ). Na tiany izany na tsia, izy ireo dia nandray anjara tamin’ny asa famoronana izay Jehovah Andriamanitra no Mpanao azy. Tokony hanaiky an’io zanaka io ho toy ny zavatra masina apetraka aminy izy ireo ka hiantsoroka amim-pitiavana ny andraikiny amin’ny maha-‘ray sy reny ao amin’ny Tompo’. — Efesiana 6:1.
‘Ataovy amin’ny anaran’ny Tompo izany rehetra izany’
17. Torohevitra inona no nomen’ny apostoly Paoly ho an’ny Kolosiana, ary ahoana no azon’ny kristiana anarahana io torohevitra io amin’izao andro izao?
17 Talohan’ny hanomezana torohevitra momba ny fianakaviana indrindra, dia izao no nosoratan’ny apostoly Paoly: “Ary na inona na inona ataonareo, na amin’ny teny, na amin’ny asa, dia ataovy amin’ny anaran’i Jesosy Tompo izany rehetra izany, ka misaora an’Andriamanitra Ray amin’ny alalany.” (Kolosiana 3:17-21). Na manao ahoana na manao ahoana toerany ara-pianakaviana, ny kristiana dia tokony hiseho ho velom-pankasitrahana an’i Jehovah foana ary hanararaotra ny toerany mba ‘hanaovana ny zavatra rehetra ami’ny anaran’ny Tompo’.
18, 19. a) Ahoana no azon’ny kristiana mpitovo na tsy niteraka ‘anaovana ny zavatra rehetra amin’ny anaran’ny Tompo’? b) Ahoana no tokony hiheveran’ny kristiana ireo zanany, ary tokony hametra zava-kendrena inona izy?
18 Ny kristiana izay nanapa-kevitra ny hijanona ho mpitovo dia mampiasa ny fahafahany, tsy hoe mba hanomezana fahafahampo ny faniriany, fa mba ‘hiasa amin’ny fanahiny rehetra, tahaka ny ho an’i Jehovah’, raha azo atao dia amin’ny endriny iray amin’ny asa manontolo andro (Kolosiana 3:23; 1 Korintiana 7:32). Toy izany koa, ny mpivady izay mifidy ny tsy hiteraka dia tsy maneho fitiavan-tena amin’ny ‘fampiasana amin’ny fomba feno izao tontolo izao’, fa manome ho an’ny asan’ilay Fanjakana ataony, ny toerana lehibe indrindra eo amin’ny fiainany. — 1 Korintiana 7:29-31, MN.
19 Fa raha ny amin’ireo kristiana miteraka, izy ireny dia tokony hiantsoroka tsara ny andraikiny mavesatra. Tsy tokony hihevitra velively ireo zanany ho vato misakana ny asany ho an’i Jehovah izy ireny fa tokony hihevitra azy ho endriny manokana amin’io asa io. Mahafaoka inona izany? Aoka haka ohatra iray isika. Rehefa tojo olona mampiseho fahalianana ho an’ny fahamarinana ny kristiana iray, dia manomboka fampianarana Baiboly miaraka aminy any an-tokantrano izy. Rehefa avy eo, dia miseho ho marisika tokoa izy, ka miverina any amin’ilay olona isan-kerinandro, mba hanampy azy handroso ara-panahy. Tsy tokony ho latsaka noho izany ny fandanian’ireo kristiana ny heriny ho an’ny zanany. Raha mbola vao kely ireo dia mila fandanian’ireo kristiana ny heriny ho an’ny zanany. Raha mbola vao kely ireo dia mila fianarana tsy tapaka sy voaomana tsara, izay hahatonga azy ireny ho afaka ny hitombo eo amin’ny lafiny ara-panahy sy hianatra ho tia ny Mpamorona azy (2 Timoty 3:14, 15). Ao an-trano, ireo ray aman-dreny dia miahy ny amin’ny hanomezana azy ireny oha-pitondrantena kristiana tsara, toy ny ataony rehefa any amin’ny Efitrano Fanjakana. Hanatontosa andraikitra hafa iray izy ireo isaky ny ho afaka hanao izany: fampiofanana azy ho amin’ny asa isan-trano. Araka izany, dia sady hitory amin’ny olon-dehibe ny ray aman-dreny no hitady, noho ny fanampian’i Jehovah, izay ‘hanaovana ireo zanany ho mpianatra’. — Matio 28:19.
Ny zanaka mandritra ny fahoriana lehibe
20. a) Inona no tehirizin’ny ho avy ho antsika, ary fahasahiranana inona no nambaran’i Jesosy? b) Nahoana moa no tokony hampieritreritra antsika ny teny notononin’i Jesosy ny amin’ny zanaka amin’ny andro farany?
20 Tehirizin’ny ho avy ho antsika ny “fahoriana lehibe, izay tsy mbola nisy toa azy hatrizay niandohan’izao tontolo izao ka mandraka ankehitriny, sady tsy hisy intsony”. (Matio 24:21.) Ho sarotra ny andro, na ho an’ny olon-dehibe na ho an’ny ankizy. Tao amin’ny faminaniany momba ny fifaranan’ny fandehan-javatra ankehitriny, dia nambaran’i Jesosy fa hampisaratsaraka ireo fianakaviana ny fahamarinana kristiana. Izao no nolazainy: “Ary ny rahalahy hanolotra ny rahalahiny ho amin’ny fahafatesana, ary ny ray hanolotra ny zanany; ary ny zanaka hitsangana hanohitra ny rainy aman-dreniny ka hahafaty azy.” (Marka 13:12). Miharihary fa tsy ho fifaliana tanteraka foana akory ny fitaizana zanaka amin’ny andro farany. Izany dia mety hiteraka alahelo, fahadisoam-panantenana sy loza mihitsy aza, araka ny voalazan’ny tenin’i Jesosy eo ambony.
21. a) Amin’ny fibanjinana ny ho avy araka ny tena izy, nahoana moa ny ray aman-dreny no tsy tokony hanahy be loatra? b) Fanantenana inona no azony velomina ho azy ireo sy ho an’ireo zanany?
21 Kanefa, sady mihevitra ireo fahasahiranana ho avy araka ny tena hisy ny ray aman-dreny no tsy tokony hanahy be loatra ny amin’izany. Raha tsy mivadika hatrany ny tenan’izy ireo ka manao izay rehetra azony atao mba hitaizana ireo zanany “ao amin’ny fifehezana sy ny fanabeazan-tsaina avy amin’i Jehovah”, dia afaka matoky izy ireo fa hihevitra amim-pankasitrahana ireo zanany Andriamanitra, raha miseho ho mankatò ireo (Efesiana 6:4, MN; jereo 1 Korintiana 7:14). Koa satria anisan’ny “olona betsaka” izy sy ireo zanany, dia afaka manantena ny ho tafita velona amin’ny “fahoriana lehibe” izy ireo. Raha tonga mpanompo mahatokin’i Jehovah ireny zanaka ireny rehefa mihalehibe, dia ho velom-pankasitrahana mandrakizay an’Andriamanitra izy noho ny nanomezany azy ray aman-dreny mahatsapa ny andraikiny mavesatra. — Apokalypsy 7:9, 14; Ohabolana 4:1, 3, 10.
Famerenana
◻ Vanim-potoam-piezahana maharitra inona moa no manomboka amin’ny fahaterahan’ny zanaka iray?
◻ Nahoana moa ny loholona sy ny mpikarakara momba ny asa sasany no namoy ny tombontsoany?
◻ Anton-javatra inona avy moa no tokony hoheverin’ny lehilahy kristiana iray raha ny amin’ny ho vokatry ny fahatongavan’ny zaza, eo amin’ny vadiny?
◻ Inona moa no manaporofo fa misy kristiana afaka ny ho sambatra na dia tsy niteraka aza?
◻ Ahoana no tokony hiheverana ny fahaterahan’ny zaza iray, ary nahoana no tsy mety ny hanahiana be loatra ny amin’ny ho avy?
[Sary, pejy 24]
Manana andraikitra koa ireo raim-pianakaviana mba hiahy ny amin’ny tsy hitabataban’ireo zanany mandritra ny fivoriana.