Mety hitondra soa ho anao ve ny fahatahorana an’Andriamanitra?
“Andriamanitra no atahory, ary ny didiny no tandremo, fa izany no tokony hataon’ny olona rehetra.” — MPITORITENY 12:13.
1, 2. a) Inona no fihetseham-po tokony hanosika antsika eo amin’ny fanompoam-pivavahana atolotsika ho an’Andriamanitra? b) Inona koa no angatahin’i Jehovah amintsika (Deoteronomia 10:12)?
TOA mahagaga anao ve ny firesahana ny amin’ny “fahatahorana an’Andriamanitra”? Be dia be angamba no milaza anakampo fa rehefa tia an’Andriamanitra tokoa ny tena dia tsy manana antony tokony hatahorana azy mihitsy. Moa àry ve isika tokony hahatsapa ireo fihetseham-po roa ireo tokoa eo anatrehan’Andriamanitra? Ary raha eny, inona no soa entin’ny fahatahorana an’Andriamanitra ho antsika?
2 Araka ny Soratra Masina, dia tokony ho ny fitiavana no hanosika antsika hanao fanompoam-pivavahana sy asa ho an’Andriamanitra. Izany no porofoin’i Jesosy mazava rehefa milaza amintsika izy mba ho tia an’i Jehovah amin’ny fontsika rehetra, ny fanahintsika rehetra, ny saintsika rehetra ary ny herintsika rehetra (Marka 12:30). Soritan’ny Tenin’Andriamanitra koa anefa ny maha-zava-dehibe ny fahatahorana an’Andriamanitra. Mahita izao fananarana mazava dia mazava izao isika ao amin’ny Mpitoriteny 12:13: “Andriamanitra no atahory, ary ny didiny no tandremo, fa izany no tokony hataon’ny olona rehetra.” Manipaka ny teny nolazainy ve Jehovah amin’ny fangatahana antsika sady hatahotra azy no ho tia azy?
3. Raha ny amin’ny tahotra, inona no tokony hoheverintsika
3 Raha ny marina dia tsy izany — raha heverintsika fa misy tahotra isan-karazany. Rehefa miresaka tahotra, amin’ny ankapobeny ny eritreretina dia fihetseham-po toy ny aretina izay manafoana ny fanantenana sy miteraka fahakiviana. Mazava ho azy fa tsy irin’i Jehovah ny hamelomantsika izany fihetseham-po izany ny aminy. Tian’ny Raintsika any an-danitra ny hanatonantsika azy toy ny zanaka manatona ny Rainy, miaiky tanteraka fa tia azy io, nefa koa miaraka amin’ny tahotra ny tsy hahafaly azy. Izany tahotra izany dia hanampy antsika hankatò hatrany ny Raintsika any an-danitra raha sendra voan’ny fakam-panahy hanao ratsy isika. “Tahotra mampiseho fitiavam-pivavahana” àry no tokony hasehon’ny kristiana — Hebreo 5:7; 11:7, MN.
4. Karazan-tahotra inona no foanan’ny fitiavana?
4 Jehovah dia tsy sahala amin’ny mpitsara tsy mifaditrovana iray izay hianina amin’ny fanasaziana ireo mpanompony isaky ny solafaka izy ireny. Tsia, tia azy ireny izy ary maniry ny hahita azy hahatratra ny zava-kendreny. Koa raha manao fahadisoana na fahotana isika, ny fahatahorantsika an’i Jehovah dia tsy tokony hisakana antsika tsy hiresaka aminy ny amin’izany (1 Jaona 1:9; 2:1). Izany tahotra mampiseho fitiavam-pivavahana izany akory tsy ny tahotra ny hotoherina mafy na holavina. Izao tokoa no vakintsika ao amin’ny 1 Jaona 4:18: “Tsy manan-tahotra ny fitiavana; fa ny fitiavana tanteraka mandroaka ny tahotra; fa mampahory ny tahotra.” Kanefa, “ny fitiavana tanteraka” dia tsy manafaka antsika amin’ny fanajana lalina sy ny tahotra mendrika an’i Jehovah, Mpamorona antsika, Loharanon’aina. — Salamo 25:14.
Ireo soa
5. a) Inona moa no hany fomba hahazoana fahendrena? b) Inona moa no nanosika ny mpitia zavatra mahadomelina iray taloha hamela ny fomba fiainany feno hadalana?
5 Aoka hoheverintsika ny sasany amin’ny soa avy amin’ny “fahatahorana an’i Jehovah”. Izany, ohatra, dia mitarika antsika hamboly ny tena fahendrena. Na dia mikely aina amin’ny fomba maro aza ny olona mba hahazo izany fahendrena izany, dia tsy tonga amin’izany izy satria tsy miraharaha ity fotopoto-pitsipika tena lehibe ity: “Ny fahatahorana an’i Jehovah no fiandoham-pahendrena.” (Salamo 111:10; Ohabolana 9:10). Aoka hojerentsika ny fomba nanampian’izany tahotra izany ny olona iray mpitia zavatra mahadomelina taloha hanao zavatra tamim-pahendrena. Mitantara toy izao io lehilahy io: “Arakaraka ny nianarako nahafantatra an’Andriamanitra, dia nitombo tao amiko ny tahotra ny handiso fanantenana azy na tsy hahafaly azy. Fantatro fa nandinika ahy izy, ary naniry fatratra ny fankasitrahany aho. Izany dia nanosika ahy hiala tamin’ny zavatra mahadomelina nananako tamin’ny fanariana izany tany amin’ny trano fivoahana.” Afaka niala tamin’ny fanaony ratsy io lehilahy io, nanolotra ny fiainany ho an’i Jehovah, ary minisitra kristiana izy izao any Johannesburg, atsy Afrika Atsimo.
6. Amin’ny ahoana moa “ny fahatahorana an’i Jehovah” no miaro amin’ny ratsy ary mitarika ho amin’ny inona izany?
6 Irinao ve ny handa ny ratsy? Fantaro àry fa “ny fankahalana ny ratsy no fahatahorana an’i Jehovah”. (Ohabolana 8:13.) Eny, izany tahotra mahasoa izany dia mety hiaro anao amin’ny karazam-panao ratsy rehetra melohin’Andriamanitra, toy ny fampiasana sigara na paraky, ny fitiavana zavatra mahadomelina sy alkaola ary ny fahalotoam-pitondrantena. Izany dia mahatonga anao, tsy hoe ho afaka hahazo sitraka amin’i Jehovah fotsiny, fa hiaro tena koa amin’ny loza mahatsiravina mamely ireo izay manaraka ireny fanao ireny, anisan’izany ny aretina mahatahotra setrainy (Romana 1:26, 27; 12:1, 2; 1 Korintiana 6:9, 10; 1 Tesaloniana 4:3-8). Ny fahatahorana an’Andriamanitra dia tsy manampy anao fotsiny hiaro tena amin’izay ratsy; izany dia mitarika ho amin’izay madio sy mahasoa. Lazaina amintsika tokoa fa “madio ny fahatahorana an’i Jehovah”. — Salamo 19:9.
7, 8. a) Ahoana moa no nahatsapan’ny zazavavy iray fa mitarika ho amin’ny fahasambarana “ny fahatahorana an’i Jehovah? b) Soa hafa inona no azon’ireo izay matahotra an’i Jehovah?
7 Ny fahasambarana, izany no zava-kendrena hafa iray tratrarin’ny ankamaroan’olona. Ahoana no mety hahatratrarana izany? Izao no lazain’ny Tenin’Andriamanitra: “Sambatra ny olona izay matahotra an’i Jehovah!” (Salamo 112:1; 128:1). Nahatsapa izany ny zatovovavy iray izay niaina tao anatin’ny filalaovan-dratsy, nanaraka spiritisma ary zatra ny nangalatra. Nanomboka nianatra Baiboly izy ary nahatsapa ny ilàna ny hihaino sy hatahotra an’i Jehovah. Izao no nambarany: “Ny fahitana hoe iza moa Jehovah no zavatra kanto indrindra nitranga tamiko. Nanampy ahy be dia be hahita ny fahamarinana sy ny fahasambarana Jehovah. Tsapako fa manana trosa lehibe tokony haloa aminy aho satria nampihiratra ny masoko izy ary nanome ahy fahafahana hieritreritra amim-pahazavan-tsaina sy hahita azy. Iriko izao ny hanampy ny hafa hahita izany fahasambarana izany.”
8 Mampanantena koa Jehovah fa hamaly soa ‘ireo izay matahotra ny anarany’. (Apokalypsy 11:18.) Afa-tsy izany koa, “ny fahatahorana an’i Jehovah no ahazoana fiainana; izay manana izany tsy mba handry fotsy sady tsy hiharan-doza”. (Ohabolana 19:23.) Tsy azo lavina fa “ny fahatahorana an’i Jehovah” dia hitondra ho antsika izay rehetra ilaintsika. Rehefa ampiarahina amin’ny fanetren-tena izany fahatahorana izany, ny vokany dia “harena sy voninahitra ary fiainana”. — Ohabolana 22:4; 10:27.
9. Nahoana moa, noho “ny fahatahorana an’i Jehovah”, no manana ny hany fiainana ahitana taratry ny fahendrena isika (Joba 28:28; Mika 6:9)?
9 Moa ve izany tsy fampaherezana lehibe hatahotra ilay Andriamanitra marina? Tsy azo lavina fa faniry tokoa ny “fahatahorana an’i Jehovah”. Noho izy io dia manana fiainana mahatonga antsika ho afaka hahatsiaro fahafahampo marina isika — dia fihetseham-po tsy fahita firy tokoa amin’izao androntsika izao. Mampahery tokoa ireto teny ara-tsindrimandrin’Andriamanitra ireto: “Eny, fa na dia manao ratsy injato aza ny mpanota ka ela velona ihany, dia fantatro kosa fa hisy soa ho an’izay matahotra an’Andriamanitra, dia izay matahotra eo anatrehany. Fa tsy hisy soa ho an’ny ratsy fanahy; fa ho toy ny aloka izy ka tsy haharitra ela, satria tsy matahotra eo anatrehan’Andriamanitra (Mpitoriteny 8:12, 13). Iza no tsy maniry ny ‘hisian’ny soa’ ho azy? Ireo izay matahotra an’Andriamanitra ihany anefa no hanana izany fahasambarana izany. — Salamo 145:19.
10. Manonòna antony hafa tokony hanosika antsika hatahotra an’Andriamanitra.
10 Moa ve izany fanomezan-toky izany tsy tokony hanosika antsika hahatsiaro fanajana lalina, eny, tahotra an’i Jehovah Raintsika any an-danitra? Raha ny marina, dia tokony hanana tahotra mahasoa ny tsy hahazo sitraka aminy isika. Velom-pisaorana azy lalina isika noho ny hatsaram-po asehony amintsika. Izay rehetra ananantsika dia avy aminy (Apokalypsy 4:11). Afa-tsy izany koa, dia izy no Mpitsara tampony, ny Tsitoha, ary manana fahefana izy hamono hahafaty ireo izay tsy mankatò azy. Noho izany antony izany dia manome antsika izao fananarana izao ny apostoly Paoly: “Miasà amin’ny tahotra sy ny hovitra hahatanteraka ny famonjena anareo.” — Filipiana 2:12; Hosea 3:5; Lioka 12:4, 5.
11. a) Inona no fihetsika tokony harian’ny kristiana amin’izao andro farany izao? b) Toe-tsaina manao ahoana no tokony hambolentsika?
11 Tsy milaza akory ireo teny ireo hoe afaka ny hahazo ny famonjena isika amin’ny fanarahana fihetsika tsy misy fanahiana sy amin’ny fanaovana faran’izay kely sady manantena fa amin’ny fomba iray na amin’ny fomba hafa, dia hivadika ho tsara ny zavatra ho antsika. Tsy izany akory no toe-tsaina tokony hasehon’ny kristiana izay, amin’izao andro farany izao dia miezaka hiaro ny fifandraisany amin’Ilay afaka mamaky ny ao am-pon’izy ireny sy mahalala ny fisainany ary ny antony manosika azy miafina indrindra (Jeremia 17:10). Tsy heken’i Jehovah ho azy afa-tsy ireo izay maneho aminy ny fanajana tandrifina azy. Hoy izy: “Izao no olona hotsinjoviko, dia izay malahelo sy torotoro fanahy sady mangovitra noho ny teniko.” — Isaia 66:2.
Tokony hianatra ny hatahotra an’i Jehovah isika
12. a) Tamin’ny fomba ahoana avy moa ny Isiraelita no nomena tombotsoa kokoa noho ny firenena hafa? b) Inona no nantenain’i Jehovah avy amin’izy ireo ho valiny?
12 Azontsika atao ny mamantatra bebe kokoa ihany ny maha-zava-dehibe ny hatahorana an’i Jehovah amin’ny fiheverana ny fomba fiasany tamin’ny firenen’ny Isiraely. Tsy nisy mihitsy firenena hafa noheverin’ilay Tompom-piandrianana eo amin’izao rehetra izao tahaka an’io firenena io (Deoteronomia 4:7, 8, 32-36; 1 Samoela 12:24). Hitan’ny mason’ny Isiraelita izay nataon’i Jehovah tamin’ny Egyptiana izay tsy natahotra azy mihitsy ka nanandevo azy sy nampahory azy. Inona no nantenainy avy amin’izy ireny ho valiny? “Vorio ny vahoaka rehetra, na lehilahy, na vehivavy, na ankizy madinika, na ny vahiny ao an-tanànanao, hihainoany sy hianarany ka hatahorany an’i Jehovah Andriamanitrao sy hitandremany hanaraka ny teny rehetra amin’ity lalàna ity. Ary ny zanany koa, izay tsy nahalala, dia handre ka hianatra hatahotra an’i Jehovah Andriamanitrareo amin’ny andro rehetra hiainanareo eo amin’ny tany, izay efa hidiranareo holovana, rehefa tafita an’i Jordana hianareo.” — Deoteronomia 31:12, 13; 14:23.
13. Inona moa no tokony hahin’ny ray aman-dreny voalohany indrindra?
13 Sahala amin’ny Isiraelita, ireo mpanompon’Andriamanitra amin’izao androntsika izao dia ‘tokony hianatra ny hatahotra an’i Jehovah’. Endrey izany andraikitra ho antsika rehetra, ary indrindra fa ho an’ireo anisantsika manana zanaka! Ry ray aman-dreny, manontania tena hoe: ‘Ahoana no ahafahako manampy ireo zanako hatahotra an’i Jehovah amin’ny fo rehetra?’ Rehefa tonga lehibe izy ireny ka hiala ao an-trano, inona no ho afaka, mihoatra noho ny tahotra an’Andriamanitra, hiaro azy ireny eo amin’ny lafiny ara-panahy, ara-tsaina na ara-nofo? Ny tenan’i Jehovah mihitsy no manipika ny maha-zava-dehibe izany amin’izao firariana izao: “Enga anie ka mba hanana fo toy izany izy hatahorany Ahy sy hitandremany ny didiko rehetra mandrakariva, mba hahita soa izy sy ny taranany mandrakizay!” — Deoteronomia 5:26 [5:29, MN ]; 4:10.
14. Manonòna anton-javatra tsy tokony hohadinoin’ny ray aman-dreny rehefa mampianatra ny zanany ny fahatahorana an’i Jehovah izy ireo, ary hazavao ny fomba tokony hampiharana izany.
14 Ny kristiana rehetra izay nitaiza ankohonana dia hanaiky an-tsitrapo fa tsy adidy mora akory izany. Ny Teny ara-tsindrimandrin’Andriamanitra anefa dia mampitodika ny sain’ny ray aman-dreny ho amin’ny anton-javatra lehibe maromaro. Ny anankiray amin’izy ireny dia mahakasika ny ilàna hanomboka hanabe ny zanaka raha mbola kely izy ireny. Inona no tianay holazaina amin’izany? Rehefa nivory ny Isiraelita mba handray ny toromarik’i Jehovah, dia niaraka tamin’izy ireny ireo ‘zanany madinika’ (Deoteronomia 29:10-13; 31:12, 13). Miharihary tokoa fa ireo vehivavy isiraelita dia tonga niaraka tamin’ireo zanany tamin’ireny fotoana ireny, satria tokony ho tonga ny rehetra. Araka izany, “hatry ny fony vao zaza” ireo zanany lahy sy vavy dia nianatra ny nihaino tamim-pahendrena tamin’ireny fihaonambe ireny (2 Timoty 3:15). Ento ao amin’ny fivoriana àry ireo ‘zanakareo madinika’. Asaivo mandray anjara amin’ny fitoriana koa izy ireny raha vao afaka manao izany. Ankizy maro no nianatra nanolotra gazety na taratasy mivalona talohan’ny nidirany hianatra mihitsy aza. Manomboha aloha be, amin’ny alalan’ny zavatra tsotra dia tsotra, mamboly ao amin’ireo ‘zanakareo madinika’, “ny fahatahorana an’i Jehovah”.
15. Inona moa no anton-javatra faharoa, ary ahoana no azon’ny ray aman-dreny iheverana izany?
15 Ny anton-javatra hafa iray dia mahakasika ny ilàna hanaovan-javatra mifanaraka amin’ny lazain’ny tena. Tsy afaka ny ho toy izany isika raha tsy mifikitra foana hatrany amin’ny Tenin’Andriamanitra amin’ny fanabeazana, ny fifehezana ary ny fampianarana omentsika ireo zanatsika. Mandritra ny fotoam-pialan-tsasatra koa aza, dia manaova zavatra mifanaraka amin’ny lazainao amin’ny tsy fanadinoana mihitsy ireo fotopoto-pitsipika ao amin’ny Baiboly (Efesiana 6:4, MN ). Ilaina ny manao fiezahana mba hahatongavana amin’izany. Izany tokoa no asehon’ny Tenin’Andriamanitra mazava amin’izao teny izao: “Ary aoka ho ao am-ponao izao teny andidiako anao anio izao. Dia ampianaro tsara ny zanakao izany, ary resaho, na mipetraka ao an-tranonao hianao, na mandeha any an-dàlana, na mandry, na mifoha.” (Deoteronomia 6:4-9; 4:9; 11:18-21). Raha miseho ho mampifanaraka ny ataonao amin’ny lazainao ianao ao anatin’ny taona maro, dia hanampy be dia be ireo zanakareo hatahotra an’i Jehovah amin’ny fo rehetra.
16. a) Inona moa no anton-javatra fahatelo, ary nahoana izany no zava-dehibe tokoa? b) Inona avy moa no fanontaniana ho azon’ny ray aman-dreny apetraka amin’ny tenany?
16 Tokony hiezaka koa ny ray aman-dreny mba hanohina ny saina sy ny fon’ireo zanany amin’ny fampisehoana amin’izy ireny fa ‘matahotra an’i Jehovah’ koa izy ireny (Salamo 22:23). Mba hahatongavana amin’izany dia ilain’izy ireny indrindra ny mampihatra ireo torohevitra teokratika rehefa mampiofana sy mifehy ireo zanany izy ireo. Izany no anton-javatra fahatelo tokony hoheverina. Ry ray aman-dreny, manontania tena hoe: ‘Moa ve aho miara-mianatra tsy tapaka ny Baiboly amin’ireo zanako?’ ‘Moa ve aho mandray soa amin’ny fomba feno amin’ny boky toy ny Bokiko misy fitantarana avy ao amin’ny Baiboly sy ny boky hoe Ecoutez le grand Enseignant mba hampianarana ireo zanako kely?’ ‘Ho an’ny efa lehibe kokoa, moa ve aho mampiasa ny boky Votre jeunesse — Comment en tirer le meilleur parti sy ireo lahatsoratra avoaka ao amin’ny gazety Réveillez-vous! Eo ambanin’ny lohateny hoe “Les jeunes s’interrogent”? ‘Moa ve aho manomana fialam-boly mahasoa izay tsy misy vokany manimba eo amin’ny zanako?’ ‘Moa ve aho mitovy hevitra amin’ny fandaminan’i Jehovah raha ny amin’ny fianarana ambony?’ ‘Moa ve aho mitari-dalana ireo zanako noho izany?’ ‘Moa ve aho mametra ho azy ireny zava-kendrena izay hanampy azy hampiseho “tahotra mampiseho fitiavam-pivavahana”?’ — Hebreo 5:7.
17. Iza moa no mandray soa rehefa misy zanaka matahotra an’i Jehovah? Hazavao ny valin-teninao.
17 Raha manao izay rehetra azonao atao ianao mba hitaizana ireo zanakao ao amin’ny “fahatahorana an’i Jehovah”, ireo soa sy fifaliana haterak’izany dia hahasoa azy ireny nefa koa ny tenanao. Aoka hohazavaintsika izany amin’ny fandraisana ny ohatra ny amin’ity vehivavy Vavolombelon’i Jehovah izay, indray hariva, dia “trotraka tanteraka”, raha raisina ny teny nampiasain’ny tenany. Nahazo herin-tsaina indray izy rehefa nandre ny zanany vavy fito taona nivavaka tamin’i Jehovah. Nanganohano ny ranomasony ary kendakenda izy rehefa nandre ny vavaka nataony hoe: “Jehovah Ray tsara fanahy ô, misaotra noho ny zavatra tsara rehetra nataonao ho ahy androany. Ary misaotra noho ny sakafo. Ampio ny anadahy rehetra any an-tranomaizina sy any amin’ireo toby fitanana hahita hohanina, Jehovah ô, ary ny anadahy sy rahavavy rehetra any amin’ny tany hafa izay noana; ampio koa izy ireny hanana sakafo ampy, Jehovah ô. Ireo izay marary, ampio ho sitrana mba hahafahany mankany amin’ny fivoriana. Asaivo ambenan’ny anjely aho rehefa matory amin’ny alina, toy izany koa Neny sy Dada, ny anadahiko, Nenibe sy Dadabe, ary ny anadahy sy rahavavy rehetra ao amin’ny fahamarinana. Amin’ny anaran’i Jesosy Zanakao no anaovako izao vavaka izao aminao. Amena.”
18. Momba ny fahatahorana an’i Jehovah, ahoana moa no ifampitaomantsika?
18 Momba ny tahotra an’i Jehovah, dia aoka hotadidintsika fa mifampitaona isika amin’ny ohatra omentsika. Manan-kery eo amin’ireo zanany ny ray aman-dreny; ny loholona sy ny mpikarakara momba ny asa, eo amin’ny kongregasiona; ny mpiandraikitra mpitety faritany, eo amin’ireo kongregasiona tsidihiny. Miharihary tokoa fa noho izany antony izany, ireo mpanjakan’ny Isiraely dia tokony hamaky ny Lalàn’Andriamanitra amin’ny andro rehetra iainany, mba ‘hianarana hatahotra an’i Jehovah’. (Deoteronomia 17:18-20.) Ny ohatra nomen’ny mpanjaka raha ny amin’ny fahatahorana an’i Jehovah dia nety hisy heriny teo amin’ny firenena manontolo.
19. Manamarina inona moa ny tantaran’ny Isiraelita?
19 Porofoin’ny Tantara fa, tamin’ny naha-firenena, ny Isiraelita dia nitsahatra tsy natahotra an’i Jehovah. Nanjary nieritreritra izy ireny fa ny fisian’ny tempoly tany Jerosalema dia hahaforona fiarovana ho azy ireny, karazana “mpitondra fahasambarana”, ary izany, dia na manaraka ny lalàn’Andriamanitra izy ireny na tsia (Jeremia 7:1-4; Mika 3:11, 12). Diso hevitra anefa izy ireny, satria noravana Jerosalema sy ny tempoliny. Tatỳ aoriana, rehefa niforona ho firenena indray izy ireo, dia hadinony indray ny naneho tamin’i Jehovah ny tahotra tandrifina azy (Malakia 1:6). Afaka mianatra zavatra be dia be avy amin’ireny fisehoan-javatra ireny isika, araka ny ho hitantsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka.
20. Raha fintinina, nahoana moa isika no tokony hatahotra an’i Jehovah?
20 Aoka àry tsy hohadinointsika fa ny fahatahorana an’i Jehovah dia tsy mampihena velively ny fitiavantsika azy; mifanohitra lavitra amin’izany, fa hamafisiny kosa aza izany. Amin’ny fanarahana ireo didin’i Jehovah, dia porofointsika fa tsy vitan’ny hoe matahotra azy isika, fa tia azy koa. Zava-dehibe voalohany indrindra ny fahatahorana sy ny fitiavana an’i Jehovah. Tsy azo sarahina ireo. Zava-dehibe ny hampianaran’ny ray aman-dreny an-ireo zanany hanana tahotra mampiseho fitiavam-pivavahana sy fitiavana an’i Jehovah! Ary fifaliana lehibe toy inona moa no entin’izany ho an’ny rehetra, tanora sy efa be taona kokoa! Aoka àry horaisintsika ho antsika ireto tenin’ny mpanao salamo ireto: “Ampiraiso ny foko hatahotra ny anaranao.” — Salamo 86:11.
Anton-javatra hosaintsainina
◻ Ahoana moa no azontsika sady itiavana an’i Jehovah no atahorana azy?
◻ Inona avy no soa raisina avy amin’ny fahatahorana an’i Jehovah?
◻ Manonòna anton-javatra telo mety hahatonga ny ray aman-dreny ho afaka hanampy ireo zanany hatahotra an’i Jehovah amin’ny fo rehetra.
◻ Raha ny amin’ny fahatahorana an’i Jehovah, ahoana no ifampitaomantsika?
[Sary, pejy 12]
Ny fahatahorana an’i Jehovah dia manampy ny tanora hahatohitra ireo fakam-panahy.
[Sary, pejy 14]
Ny ray aman-dreny dia tokony hanampy ireo zanany hamboly tahotra an’i Jehovah mahasoa.
[Sary, pejy 15]
“Hisy soa ho an’izay matahotra an’i Jehovah.” — Mpitoriteny 8:12.
[Sary nahazoan-dalana]
Avy amin’ny fanomezan-dalana feno fahamoram-panahin’ny Hartebeespoort Snake and Animal Park.