FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w88 15/2 p. 32
  • “Nanampy ahy be dia be izy io”

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • “Nanampy ahy be dia be izy io”
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
w88 15/2 p. 32

“Nanampy ahy be dia be izy io”

Rehefa eritreretina ny hamaroana maharaiki-tahotra eo amin’ny isan’ny famonoan-tena sy ny fananana anaka, ary ny fitaran’ny fitiavana fatratra ny zavatra misy alkaola sy zavatra mahadomelina mbamin’ny loza hafa koa eo amin’ny zatovo, dia milaza anakampo ny tena fa amin’izao andro izao ireny zatovo ireny dia azo antoka fa mila fanampiana. Fa aiza no mety hahitany izany? Izao no nosoratan’ny zazalahy iray tany Buffalo (Etazonia) ho an’ny Fikambanana Watchtower:

“Namaky ny bokinareo (...) hoe Votre jeunesse — Comment en tirer le meilleur parti aho. Tsy maintsy lazaiko fa boky tsara io nosoratanareo io. Nanampy ahy be dia be izy io, ary fantatro fa afaka manao toy izany izy ho an’olon-kafa koa (...). Nampindramiko namana iray ny bokiko, ary nitondra fihatsarana sasany izy teo amin’ny fiainany. Misaotra be dia be nanoratra boky sarobidy toa an’io.”

Ianao koa dia afaka mahazo an’io boky fanao am-paosy miavaka io, natonta ho an’ny zatovo. Ampy anao amin’izany ny mameno sy mamerina ny tapakila eto ambany ampiarahina amin’ny 300 FMG.

Aza fady mba alefaso ho ahy, tsy misy fandoavam-bola aorian’ny haharaisana ny zavatra, ilay boky mifono baoritra 192 pejy hoe Votre jeunesse — Comment en tirer le meilleur parti. Indro alefako ny sarany 300 FMG.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara