FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w88 15/2 p. 30-31
  • Avy eo amin’ny asa an-terivozona mankeo amin’ny fahafahana!

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Avy eo amin’ny asa an-terivozona mankeo amin’ny fahafahana!
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
w88 15/2 p. 30-31

Avy eo amin’ny asa an-terivozona mankeo amin’ny fahafahana!

MOA ve ireo pyramidan’i Gizeh (any akaikin’ny tanànan’i Caire amin’ny andro ankehitriny) mampahatsiahy anao andevo natao ratsy fitondra, niasa mafy teo amin’ny hainandro migaingaina mba handahatra vongam-bato makadiry? Ary hitanao sary an-tsaina ve fa nisy Hebreo anisan’ireny andevo ireny?

Raha ny marina, ireo pyramida egyptiana aseho eo amin’ny pejy manaraka dia nisy tamin’ny fotoana talohan’ny nahatongavan’ny fianakavian’i Jakoba (na Isiraely), rain’i Josefa, tany Egypta. Fahita kokoa noho ny fanorenana pyramida tamin’ny vongam-bato makadiry anefa ny fampiasana biriky natao an-tapitrisany maro teo amin’ny hainandro mivaivay iray ihany.

Notahin’i Jehovah ny Hebreo izay noraisina tamin-kafanam-po tany Egypta tamin’ny andron’i Josefa, tamin’ny fanaovana izay hiterahany maro, nefa tamin’ny farany dia raiki-tahotra ny Egyptiana noho ny hamaroan’izy ireo. Izao no vakintsika: “Nanendreny mpifehy izy [ny Hebreo], mba hampahory azy amin’ny fanompoany mafy. Ary nanao tanàna (...) izy (...). Dia nampanompoin’ny Egyptiana fatratra ny Zanak’Isiraely, ka nataony mangidy ny fiainany tamin’ny fanompoana mafy, dia tamin’ny feta sy ny biriky.” — Eksodosy 1:7-14.

Ny sary eo amin’ny pejy eo ankavanana dia mampiseho fa misy fanamboarana biriky foana any Egypta; ireo aseho dia masahina ao amin’ny lafaoro (jereo Genesisy 11:1-3; 19:28). Ny zavatra rehetra anefa dia mahatonga hino fa tany Egypta fahizay dia nohamainina teo amin’ny hainandro ireo biriky. Mbola misy fampiasana mololo ihany anefa amin’izao andro izao amin’ny fanamboarana biriky. Ireo izay hita tamin’ny famongarana sisan-javatra rava avy amin’i Beri-Sheba fahiny dia mirakitra izany (jereo ny meday kely).

Ny fanampiana mololo dia nahatonga ireo biriky ho mafy kokoa. Mba hanamboarana izany, dia nohosihosena moramora ny fotaka sy ny tanimanga mando nafangaro tamin’ny mololo, avy eo dia nafatratra tao anaty lasitra, ary farany dia nohamainina teo amin’ny hainandro. Alao sary an-tsaina ny tenanao eo am-panatanterahana isan’andro isan’andro io asa mafy io, dia ho azo antoka fa ho mora aminao kokoa ny hahatakatra fa ‘nisento noho ny fanompoany ny Isiraelita; ary niakatra tany amin’Andriamanitra ny fitarainany’. — Eksodosy 2:23.

Nandre ny Isiraelita Jehovah ary naniraka an’i Mosesy ho any amin’i Farao mba hahazoana ny fanafahana azy ireo. Vao mainka nampitombo ny enta-mavesatra nentin’izy ireo anefa io mpanjaka niavonavona io. Hatramin’izao dia izy ireo mihitsy no tokony hanangona ny mololo nilaina, sady manao biriky mitovy amin’ny natao teo aloha. Sahala amin’ny didim-pitsarana manameloka ho faty izany baiko izany! Izao àry no nolazain’Andriamanitra tamin’i Mosesy: “Ankehitriny ho hitanao izay hataoko amin’i Farao; fa ny tànako mahery no handefasany azy.” — Eksodosy 5:1 ka hatramin’ny 6:1.

Azo inoana fa fantatrao izay nitranga nanaraka izany. Nandresy ilay farao lozabe Jehovah. Taorian’ny loza fahafolo, Andriamanitra dia ‘nitondra ny Zanak’Isiraely nivoaka avy tany amin’ny tany Egypta”. (Eksodosy 12:37-51.) Namela ireo pyramida, ireo biriky, ary ny fanandevozana tsy nifaditrovana ny Isiraelita ka nandeha nankany amin’ny Tany nampanantenaina. Izany zava-nitranga ara-tantara izany dia manome antoka antsika fa azon’i Jehovah Andriamanitra atao ny manome ny tena fahafahana ho an’ireo kristiana amin’ny fampidirana azy ao amin’izao tontolo izao vaovao, dia ny Paradisa an-tany ho avy. — Jereo Romana 8:20, 21.

[Sary, pejy 31]

[Sary nahazoan-dalana, pejy 2]

Sary, pejy 30, 31: Pictorial Archive (Near Eastern History) Est.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara