FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w88 15/2 p. 26-29
  • Namaly ny antson’ireo nosy mikroneziana izy ireo

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Namaly ny antson’ireo nosy mikroneziana izy ireo
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
  • Lohatenikely
  • Ny vato misakana avy amin’ny fiteny
  • Ireo fanao sy ireo finoanoampoana
  • Ny fidirana tany amin’ireo nosy madinika kokoa
  • Fahafoizan-tena sy valisoa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
w88 15/2 p. 26-29

Namaly ny antson’ireo nosy mikroneziana izy ireo

MAHAZATRA anao ve ny anarana toy ny hoe Truk, Yap, Pohnpei, Guam sy Saipan? Ary ahoana ny amin’i Belau, Rota, Kosrae, Nauru na Kiribati? Ireo no sasantsasany amin’ny nosim-boahangy sy nosy 2000 mahery any Pasifika Andrefana eo amin’ny valo tapitrisa kilaometatra toradroa ka mahaforona an’i Mikronezia, anarana izay ny dikany dia hoe nosy kely.

Ao amin’io faritra midadasika io, izay ny velarany amin’ny ankapobeny dia mitovy amin’i Aostralia na Etazonia, ny Vavolombelon’i Jehovah dia manambara amin-jotom-po ny vaovao tsaran’ny Fanjakana (Marka 13:10). Ankehitriny izy ireny dia mpitory ilay Fanjakana 740 voalamina ho kongregasiona 13. Any amin’ireny nosy lavitra ireny, dia tena ilàna mpiasa amboniny tokoa mba hanangona ny vokatra. — Jereo Jeremia 31:10.

Hatramin’ny roapolo taona eo ho eo izao, ireo nosy mikroneziana dia nahita fahatongavan’ny misionera izay namaly ny antso, avy any Hawaii, Philippines, Kanada, Etazonia sy Aostralia. Rehefa tonga ireo voalohany tamin’ny 1965, io faritany midadasika io dia tsy nahitana afa-tsy mpitory 76. Tamin’ny 1987 anefa, ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Jesosy Kristy dia nahavory olona 4510 tamin’ny fitambarany. Voatahy tamin’ny fomba mahafinaritra ny fiezahana feno fitiavana nataon’ireny kristiana ireny nandritra izany taona rehetra izany!

Amin’izao andro izao, dia misionera 49, samy miankina amin’ny sampan’ny Fikambanana Watch Tower any Guam, no miely patrana any amin’ireo trano 14 manerana ireo nosy. Noho ny fitiavana an’i Jehovah sy ny Mikroneziana, dia namaly ny antso misionera izy ireny. Nitondra inona ho azy ireo ny asany tany amin’ireo nosy lavitra ireo? Vato misakana inona no nentin’ny fiteny sy fanao, vaovao ho azy ireo? Inona no nanampy azy ireny haharitra tao amin’ny faritany nankinina taminy? Aoka havelantsika hiteny ny sasany amin’izy ireny.

Ny vato misakana avy amin’ny fiteny

Valo na sivy ny isan’ny fiteny lehibe indrindra any Mikronezia. Kanefa tsy heverina ho fiteny voasoratra izany ary sarotra amin’ireo misionera ny mahita boky mampianatra ny fotopotony. Mikely aina mafy mianatra ireo fiteny ireo anefa izy ireny na dia izany aza. Nilazana izy ireo fa ny fomba mandaitra dia ny fiezahana hampiasa amin’ny fitoriana ny fahalalana vaovao azo rehetra. Rehefa nanao izany anefa izy ireo dia matetika no tonga tao anatin’ny tarehin-javatra mahatsikaiky — sy mahasakodiavatra — mbola tsaroany ihany.

Porofon’izany ity tantara kely nolazain’i Roger, teratany avy any Hawaii, ity, izay nitranga tamin’ny fahatongavany tany Belau, 13 taona lasa izay: “Rehefa nilaza ilay olona namoha varavarana ahy hoe: ‘Katolika aho’, dia novaliako tamin’ny teny palau haiko: ‘Nahoana?’ ” Tamin’izay ilay olona dia niditra tamin’ny fanazavana lava. “Tsy nisy azoko mihitsy. Rehefa tapitra ny teniny, dia nampiasaiko ny hany teny hafa haiko, ‘Misaotra’, ary lasa aho!”

Salvador, tonga tany Truk niaraka tamin’i Helen vadiny, folo taona lasa izay, dia mahatsiahy ny andro izay, rehefa nanontany ny mponin’ny nosy iray izy raha niriny ny ho sambatra (pwapwa), dia nanontany azy izy raha niriny ny ho bevohoka (pwopwpo). Ary Zenette, izay tonga avy any Kanada niaraka tamin’ny vadiny, David, dia nitantara fa nihiaka izy hoe “Lalitr’omby” (kiliso) fa tsy hoe “Misaotra” (kilisou). Tsy ilaina ny milaza fa tsy hadinony ireo teny ireo!

Rehefa nasaina nandao an’i Pohnpei i James mba ho any amin’ny nosy Kosrae taorian’ny fivahiniana efa-taona, dia voatery vao nanomboka tamin’ny tsy misy indray izy. Tsaroany indrindra ny andro nanandramany niteny tamin-pisakaizana tamin’ny olona iray. Tsy nanontany azy anefa izy hoe: “Manao ahoana ny fahasalamanao?” araka ny tiany hatao, fa hoy izy taminy: “Mba hafa indrindra ianao!” Ankehitriny, folo taona atỳ aoriana, dia miaiky toy izao izy: “Tamin’ny voalohany dia sarotra tamiko ny nanonona teny kosraena sasany satria tena tahaka ny ompa amin’ny teny anglisy izany.”

Kanefa, na dia teo aza izany karazan-javatra nosetraina izany, dia nanohy nianatra ireo fitenim-paritanin’ny tompon-tany tsy nety kivy ireo misionera. “Raha tsy hay ny fitenin’izy ireo, dia voafetra tokoa ny fahafahana manampy ny olona, hoy ny misionera iray. Izany no mamporisika anay hianatra amim-paharisihana.”

Ireo fanao sy ireo finoanoampoana

Fanao maro eo an-toerana no mampihomehy ireo vao tonga. Ohatra, i Davida dia nifanehatra tamin’ny lehilahy iray izay niantso ireo zanany telo lahy hoe Sardine, Thon sy Pâté. Tatỳ aoriana, dia nampifankahalalaina taminy ny lehilahy telo natao hoe Faniriana, Fahotana sy Fibebahana. Hitan’i Zenette ho hafahafa ny iantsoan’ny olona ny raibeny sy renibeny hoe Dada sy Neny, ary ny ray aman-dreniny amin’ny fanampin’anaran’izy ireo. Rehefa tonga avy any Hawaii i Sheri, dia nahatsikaiky azy ny nahatsikaritra fa tamin’ny orony no nanondroan’ny olona ny toerana tokony haleha. Nila fotoana izy mba ho zatra ity fanao hafa ity: Rehefa miditra eo amin’ny toerana iray misy olona maro mivory ny vehivavy iray, ho fanajana ireo lehilahy, dia “mandeha” sady mandohalika izy mandra-pahatonga eo amin’ny ‘toerany’, eo amin’ny tany.

Maro be koa ny finoanoampoana. Any amin’ireo nosy Marshall, ohatra, rehefa misy maty, ny havan’ilay maty dia mametraka sakafo, sigara sy voninkazo eo ambony fasany. Na koa, rehefa manidina sady misioka manodidina ny trano ny vorona iray, izany dia famantarana fa hisy loza sy fahafatesana mananontanona olona ao anatin’ny fianakaviana.

Afa-tsy izany koa, ny Mikroneziana sasany dia milentika ao anatin’ny spiritisma. Anisan’ireny i Jon. Loholona tao amin’ny Fiangonana protestanta izy taloha, ary afaka namoaka demonia tamin’ny fanaovana vavaka sy tamin’ny fampiasana ody namboarina tamin’ny mena-boaniho.

“Indray andro, dia niseho teo am-baravaran’ny efitranoko ny endrika maharikorikon’ny demonia iray”, hoy ny fitantaran’i Jon. Nihevitra izy aloha fa nanonofy, nefa vetivety dia niharihary taminy fa tsy natory izy.

“Nilaza tamiko ilay demonia fa izy no loharanon’ny heriko ara-majika. Nanafintohina ahy izany, ary nanontany tena aho hoe nahoana ireo demonia no niasa tamin’ny alalako, dia izaho izay diakona tao amin’ilay Fiangonana, ary nahoana ny pastora koa aza no nitady ny fanampiako tamin’ny naha-mpanao spiritisma ahy.” Tsy ela tatỳ aoriana, dia tafahaona tamin’ny misionera Vavolombelon’i Jehovah i Jon ka nanomboka nianatra ny Baiboly.

“Faly aoka izany aho nahafantatra ny fahamarinana momba ireo demonia sy ireo fomba famantarana ny fivavahana marina”, hoy ny fitantaran’i Jon. Niala tamin’ny Fiangonany izy ary nitsahatra tsy nanompo demonia. Amin’izao andro izao izy dia mampitandrina ny hafa amin’ny fanao rehetra mifamatotra amin’ny fanompoana demonia. — Deoteronomia 18:9-13; Apokalypsy 21:8.

Ny fidirana tany amin’ireo nosy madinika kokoa

Sarotra dia sarotra ny nitondra ny vaovao tsara tany amin’ireo mponina any amin’ny nosy kely lavitra. Matetika, ny hany fomba hahatrarana azy ireny dia ny fiondranana amin’ny mpitatitra voaniho maina, izay nijanona isaky ny nosy kely mba handray entana. Isaky ny fijanonana, ora vitsivitsy na andro vitsivitsy, dia tsy mangataka andro ireo misionera sy ireo mpitory hafa fa manao fanambarana amin’ireo mponin’ny nosy. Mampiasa ny radiao koa ny Vavolombelona mba hampitana ny vaovao tsara amin’ireny olona ireny amin’ny alalan’ny fandefasam-peo isan-kerinandro.

Mba hividianan-tsakafo, hanatonana mpitsabo na hankanesana any an-tsekoly, ireo mponin’ny nosy any lavitra dia matetika no mankao amin’ireo tanàna ao amin’ny nosy lehibe indrindra. Ao no afaka mihaona amin’izy ireny ny Vavolombelon’i Jehovah ka mametraka zavatra vita an-tsoratra momba ny Baiboly amin’izy ireny. Avy eo, dia manaraka ny fahalianany amin’ny alalan’ny taratasy izy ireny na rehefa mitsidika ny nosy kely. Tamin’izany fomba izany, tany Majuro, any amin’ireo Nosy Marshall, no nahalalan’ny lehilahy iray sy ny vehivavy sakaizany ny fahamarinana, avy eo dia niverina tany amin’ny nosiny, Ailuk, any amin’ny 400 kilaometatra, izy ireo. Samy nandroso tamin’ny fahalalany ny Baiboly izy ireo. Tsy ela dia nanapaka izay rehetra mety ho fifamatorana tamin’ny Fiangonany izy ireo ary nanoratra ara-dalàna ny fanambadiany; avy eo, dia natao batisa izy ireo. Ankehitriny izy ireo dia mitory amin-jotom-po ao amin’ny nosiny mitokana, ary matetika no mpitory maharitra mpanampy.

Any Pohnpei, any Truk sy any Belau, dia manana ny sambony manokana ireo misionera mba hitetezana ireo nosy. Koa satria any amin’ny ankamaroan’ireo toerana, dia tsy afaka ny hahatratra ny moron-tsiraka amin’ny sambony izy ireo, dia matetika izy ireo no tsy maintsy mitsabatsabaka ao anaty ranom-potaka halohalika. Mahay mampiseho fitiavana ny ankamaroan’ireo mponina ary mandray tsara azy ireny: amelarany tsihy eo amin’ny tany izy ireny rehefa tonga, ary rosoany ranom-boaniho mangatsiatsiaka. Mihaino amim-pitandremana ny fianakaviana manontolo nantsoina. Koa satria olona be dia be no tsy manam-bola, dia tsy mahalana, rehefa tapitra ny roa na telo andro no mody any amin’ny sambo feno voankazo natao takalon’ny bokiny momba ny Baiboly izy ireo.

Fahafoizan-tena sy valisoa

Ho an’ireo misionera, ny fiainana any amin’ireo nosy dia hafa tanteraka noho ny nananan’izy ireny tany amin’ny taniny. Tokony hanaza-tena amin’ny fahatapahan’ny herimbaratra matetika sy ny tsy fahampian-drano izy ireny, satria miankina amin’ny ranonorana ny famatsiana azy. Ny nosy sasany dia tsy manana jiro herimbaratra na rano, na fandaharam-pandehanan’ny rano maloto, na lalana vita amin’ny “goudron”, na fiarakodia. Nianatra ny hizatra amin’izany anefa ireo misionera. “Rehefa mahita ireo rahalahinay mponin’ny nosy miaina ao amin’ny trano vita amin’ny hazo matevina sy ny hazo fisaka nangonina, izahay dia onena azy ireny ary mahazo famporisihana hahay handanjalanja hatrany eo amin’izay ilainay sy irinay”, hoy ny fanamarihana nataon’i Julian izay manompo amim-pahatokiana hatramin’ny 17 taona any Guam sy any amin’ny nosy Marshall.

Rodney sy Sheri dia nandao an’i Hawaii ho any Truk. “Amim-pahatsorana, hoy ny fiaiken’i Rodney, dia tsapanay ny fihatahan’ny sivilizasiona.” Amin’izao andro izao, folo taona atỳ aoriana, dia izao no nosoratany: “Mitondra fahafahampo be dia be ho anay ny asanay eto. Marina fa mahita fivadibadihan’ny fiainana izahay; kivy izahay indraindray ary mahatsiaro ho irery. Irinay anefa ny hanatratra ny zava-kendrenay, dia ny ho misionera eto.” Ary dia nanampy teny tamin-kafanam-po toy izao i Sheri: “Ny olona manana fahafoizan-tena dia olona sambatra.”

Valian-tsoa be dia be tokoa ny fahafoizan-tenan’izy ireny. Clemente sy ny vadiny, Eunice, tonga tany amin’ny nosy Marshall folo taona lasa izay, dia manao fampianarana Baiboly any an-tokantrano 34 isan-kerinandro izao. “Efatra ambin’ny folo amin’ireo olona niara-nianatra taminay no nanamafy ny voadiny hanompo an’i Jehovah tamin’ny fanaovana batisa azy, hoy Clemente, ary mandroso ho amin’ny batisa ny hafa. Sarobidy tokoa eo imasonay ny asanay mitondra famonjena.” James, misionera hatramin’ny folo taona mahery, dia manambara toy izao: “Tena fitahiana tokoa ny fahitana ireo rahalahinay eto Kosrae maharitra ao anatin’ny taona misesy.” Lavidavitra kokoa, any Belau, dia manome izao famoaboasan-kevitra izao i Roger: “Toy inona moa ny fifaliana manana Efitrano Fanjakana vaovao sy antoko-mpitory mahatoky!” Rehefa nieritreritra ireo taona lasa i Placido dia manazava hoe: “Hita maso teo amin’ny fiainanay ny fitarihan’i Jehovah sy ny asan’ny fanahiny masina. Noho izany fanampiana izany, dia nanjary akaiky dia akaiky an’Andriamanitra izahay.”

Ny zava-nitranga toy izany dia mamporisika ireo misionera hitoetra ao amin’ny faritany nanendrena azy. Amin’ny fitodihana kely ny lasa, dia maro amin’izy ireny no mahatsiaro ny andro namoronana ny kongregasiona voalohany tao amin’ny faritra nisy azy. Sahala amin’ny apostoly Paoly, izy ireny dia manana fifaliana tsy manam-paharoa ‘tsy manovona eo ambonin’izay efa naorin’ny sasany’. (Romana 15:20.) Mampiseho tsara tokoa ny fihetseham-pon’izy ireny izao fanamarihana izao: “Be dia be ny zavatra mbola tokony hatao. Inoako fa Jehovah dia mbola manomana fahafahana maro hanangona “ondry” vaovao ao amin’ireo nosy ireo, ary manana tombontsoa izahay mandray anjara amin’io fanangonana io.”

“Ny fitahian’i Jehovah no mampanan-karena, ary tsy azon’ny fisasarana ampiana izany”, hoy ny Baiboly ao amin’ny Ohabolana 10:22. Ireo izay namaly ny antso misionera tany amin’ireo nosy mikroneziana dia tena nahita izany fitahiana izany tokoa, miaraka amin’ny fifaliana sy ny fahafahampo tsapa rehefa manompo an’i Jehovah.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara