Fitomboana mahatalanjona “any ankoatra ny tendrombohitra”
HAITI no repoblika mainty voalohany any andrefana tonga tamin’ny fahaleovantena. Ny anarany dia avy amin’ny teny arawak (indiana) iray izay midika hoe “tendrombohitra”. Ilay ohabolana kiringy tranainy manao hoe “Any ankoatra ny tendrombohitra dia misy tendrombohitra” dia mety tsara amin’ny endriky ny toerana any Haïti.
Misy zava-mahagaga mitranga eto amin’ity “ankoatra ny tendrombohitra” ity efa hatramin’ny taona vitsivitsy izao. Olona mitombo isa hatrany no mandray tsara ny fitoriana ny vaovao tsaran’ny Fanjakana ka miandany amin’i Jehovah sy ny Mpanjaka voatendriny (Isaia 60:22). Tamin’ny 1980, dia efa ho mpitory 3 000 amin’ny ara-keviny no nandray anjara isam-bolana tamin’ny asa fitoriana, ka tonga tery loatra ireo tranon’ny sampana tao Port-au-Prince renivohitra mba hiatrehana ny zavatra ilaina; nilaina ny trano lehibe kokoa. Tamin’ny novambra 1984, dia natomboka àry ny fanorenana trano vaovao iray tany Santo, toerana mahafinaritra any amin’ny manodidina an’i Port-au-Prince.
Tsy maintsy nofefena tamin’ny tamboho iray nirefy 1 200 metatra mahery kely ny halavany aloha ilay tany. Ny fikambanam-barotra iray teo an-toerana dia nanamboatra takelaka vita tamin’ny ‘béton’ izay hahaforona an’io tamboho io, fa nantsoina kosa ireo Vavolombelona haïtiana mba hanangana izany, ka mpiasa an-tsitrapo maro no niasa nandritra ireo faran’ny herinandro mba hanatanteraka an’io asa io. Nanomboka avy eo ny asa fanorenana, ary nandritra ny telo taona mahery dia mpiasa an-tsitrapo zato anisan’ireo kongregasiona ao Port-au-Prince no nitondra ny fanampiany nandritra ny faran’ny herinandro. Mpiasa an-tsitrapo mpandray anjara amin’ny Fandaharam-panorenana iraisam-pirenena no tonga avy tany Etazonia, Kanada ary avy tamin’ny firenena hafa — nianto-tena ny ankamaroany — mba handray anjara amin’ny fanorenana.
Raha mbola nandroso ny asa, dia nitranga ny zava-manahirana iray tsy nampoizina. Eo amin’ny ilany iray amin’ilay toerana dia misy hady nikorianan’ny riaka amin’ny andro fahavaratra. Koa satria lanin’ny rano be dia be ny tany, ny tamboho mamefy iny tapany amin’ilay toerana iny dia hirodana amin’ny farany. Naorina àry ny rindrina tohana iray izay nahankina tamin’ny fototr’ilay hady mihitsy, hany ka voaro tsara amin’ny rano miriotra amin’ny andro fahavaratra izao ilay toerana.
Noho ny fanampian’i Jehovah dia tafaorina ny trano lehibe iray tsara tarehy. Miendrika litera “U” izy io ary natao tamin’ny “béton” sy biriky vita amin’ny simenitra. Ny tapany ankavia dia misy efitra valo, efitrano fanasan-damba iray ary efitrano fitehirizam-boky. Ny ilany ankavanana kosa dia fametrahana tahirim-boky. Ao amin’ny tapany afovoany amin’ilay trano dia misy fidirana malalaka iray azo andraisana isam-bolana ny Vavolombelona tonga avy amin’ny toerana samy hafa ao amin’ilay firenena, izay maka ny gazety sy ny boky nafaran’ny kongregasiona avy. Hita ao koa ny birao, ny efitrano fisakafoana ary lakozia.
Ankoatra ny trano lehiben’ny sampana, dia naorina teo amin’ilay toerana koa ny efitrano fanaovana fivoriambe vaovao izay mahalany toerana 3 000 eo ho eo. Azo vohana ny lafiny roa amin’io efitrano io, hany ka ampangatsiahin’ny rivotra mahery foana ny mpanatrika — fanamaivanana ankasitrahana tokoa izany eny ambany masoandro mivaivain’i Haïti. Misy lakozia iray ary fomba sy ampy fitaovana koa ao anatin’io efitrano io, toerana ialana hetaheta, ary koa dobon-drano iray ho an’ny batisa sy toerana fandrafetan-kazo. Nambolena voninkazo sy hazo madinika mpaniry eny amin’ny tropika voalahatra mahafinaritra ny tokotany.
Teo am-piandohan’ny 1987, dia tafakatra ho 4 700 mahery ny isan’ny Vavolombelona tany “ankoatra ny tendrombohitra”. Fisehoan-javatra iray tsy hay hadinoina ho azy rehetra tokoa ny 25 janoary 1987 rehefa tafaray mba hanatrika ny fitokanana an’io ireo trano lehibe roa tsara tarehy ireo izy ireo! Nisy Vavolombelona vahiny nandray anjara tamin’ny asa koa dia tonga teo niaraka tamin’ny fianakaviany.
Ny fandaharam-pitokanana dia nanomboka teo am-piandohan’ny tolakandro. Nanazava ny mpikambana tao amin’ny komitin’ny sampana fa ireo trano vaovao ireo dia hilaina tokoa noho ny fitomboana mahatalanjona hita ao Haïti. Taorian’ny fiatoana fohy, ireo mpanatrika 5 384 dia nanaraka fampisehoana “diapositives” momba ireo dingana samihafa tamin’ny fanorenana.
Tamin’ny farany, Charles Molohan, mpiandraikitra ny zaona tonga avy any Brooklyn (New York), dia namelabelatra ny lahateny fitokanana. Noresahany ny maha-zava-dehibe ny asa fanorenana ao anatin’ny faritry ny fanompoam-pivavahana kristiana marina. Nohazavainy fa i Noa sy ny fianakaviany dia anisan’ireo mpanorina voalohany ka noho ny fanatanterahany ny asa nankinina taminy tamim-pahatokiana dia voatsimbina ny fianakavian’olombelona ary naharitra hatrany teto ambonin’ny tany ny fanompoam-pivavahana marina. Ny tempoly naorin’i Heroda dia fikasam-panorenana hafa iray natao fahizay, nefa tamin’ny farany izy io dia noravana satria tsy nampiasaina mba hampandrosoana ny fanompoam-pivavahana marina (Matio 23:38). Amin’izao andro izao, dia tokony haorintsika mafy ao amintsika ny finoana sy ny toetra kristiana hafa raha maniry hanalavitra fiafarana toy izany isika.
Namporisika sy nahafaly tokoa io fivoriana io. Rehefa nifarana izany, ny mpanatrika rehetra dia niverina tany aminy avy, niaiky mafy fa ireo trano lehibe vaovao naorina any “ankoatra ny tendrombohitra” ireo dia handray anjara lehibe foana amin’ny asa fanangonana ny mpivavaka marina ao amin’ity faritra amin’i Antilles ity.
[Sary, pejy 31]
Fahitana ny Efitrano fanaovana fivoriambe (erỳ ambony amin’ny ankavanana) sy ilay trano vaovaon’ny sampana.